Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

La Bambouseraie — Nofy Iray Tanteraka

La Bambouseraie — Nofy Iray Tanteraka

La Bambouseraie — Nofy Iray Tanteraka

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

EFA ho 150 taona lasa izay, tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, i Eugène Mazel, lehilahy iray mpanafatra zava-manitra mampahatsiro sakafo avy tany Azia, dia nanomboka nikarakara ilay toerana izay nanjary ny lehibe indrindra eran-tany amin’ny fambolen-jana-bolotsangana, izay nisy karazany efa ho 200 tamin’io zavamaniry toy ny ahitra mora mirobona sy ampiasaina amin’ny fomba maro io. Hatreo amin’ny 1855, dia nisy vato nisakana lehibe iray ho an’ny faniriana niredaredan’i Mazel: Tsy naniry tatỳ Eoropa ny volotsangana.

Hita ho tsy nahomby tanteraka ny fanandramana hanafatra ilay zavamaniry avy tany Azia. Na dia tena matanjaka aza ny volotsangana ao amin’ny toerana mahazatra aniriany (misy karazam-bolotsangana mahatanty maripana hatramin’ny 24 degre Celsius ambanin’ny zerô, ary afaka maniry any amin’ny haambo hatramin’ny 5 000 metatra), dia tsy voahazona ho velona ny fakany nandritra ilay dia lavitra namakivakiana ireo kôntinanta. Rehefa niseho anefa ny sambo haingam-pandeha kokoa, dia nisy santionam-bolotsangana nohafarana nankany Angletera tamin’ny 1827, ary tatỳ aoriana, nanketo Frantsa, kanefa tsy maty. Kely sisa dia ho tanteraka ny nofin’i Mazel!

Ny zava-tsarotra nanaraka ho an’i Mazel dia ny fahitana toerana nety ho an’ilay fambolen-jana-kazony. Nividy tany 34 hektara tany akaikin’i Anduze, any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, izy, tamin’ny 1855. Toe-tany mediteraneanina no nisy tany, ary nety tsara ho an’ilay zavamaniry ny nofon-tany. Nila asa be ny fitarihan-drano avy teo amin’ny ony iray teo akaiky. Nahomby anefa ny ezaka mafy nataon’i Mazel.

Nampalahelo fa tamin’ny 1890, dia bankirompitra i Mazel, ka voatery nivarotra ilay zaridainany sarobidy. Soa ihany anefa fa nisy olon-kafa nandimby azy ka ankehitriny, dia tombanana ho 350 000 isan-taona ny olona mitsidika ny La Bambouseraie — ilay nofin’i Mazel izay nanjary tanteraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Sary rehetra: La Bambouseraie de Prafrance