Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampitombo ny Fatran’ny Kôlesterôla ao Aminao ve ny Kafe?

Mampitombo ny Fatran’ny Kôlesterôla ao Aminao ve ny Kafe?

Mampitombo ny Fatran’ny Kôlesterôla ao Aminao ve ny Kafe?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

MISY mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Wageningen Momba ny Fambolena, any Holandy, milaza fa hampitombo ny fatran’ny kôlesterôla ao aminao ny fisotroana kafe tsy notantavanina.

“Tsy notantavanina”, zava-dehibe izay teny izay. Nahoana? Milaza ilay gazetikely hoe Research Reports, navoakan’ny Fikambanana Holandey Momba ny Fikarohana Siantifika, fa ao amin’ny voan-kafe dia misy zavatra antsoina hoe cafestol, izay mampitombo ny kôlesterôla. Rehefa araraka mivantana eo amin’ny vovo-kafe ny rano mahamay, dia mivoaka ny cafestol. Toy izany koa no izy rehefa ampangotrahina imbetsaka ny vovo-kafe tsara toto, toy ny amin’ny fanaovana kafe tiorka, na rehefa fanatantavanana vita amin’ny metaly, fa tsy amin’ny taratasy, no ampiasaina, toy ny amin’ny milina sasany fanaovana kafe. Raha tsy misy fanatantavanana vita amin’ny taratasy, dia miafara ao amin’ny kafe ny cafestol.

Ny kafe tsy notantavanina eran’ny kaopy, izay mety hisy cafestol hatramin’ny efatra miligrama, dia afaka mampitombo 1 isan-jato eo ho eo ny fatran’ny kôlesterôla. Misy cafestol koa ny kafe expresso, satria tsy ampiasana fanatantavanana vita amin’ny taratasy. Kely kokoa anefa ny fampitomboany ny kôlesterôla, raha toa ka kaopy kely no ampiasainao. Raha kely ny kafe expresso sotroinao dia ho kely ny cafestol — angamba iray na roa miligrama monja isaky ny kaopy. Mampitandrina anefa ny Research Reports fa afaka mampitombo 2 isan-jato ny fatran’ny kôlesterôla ao amin’ny vatana ny expresso indimin’ny kaopy kely.

Izao no votoatiny: tsy misy cafestol ny kafe nampiasana fanatantavanana vita amin’ny taratasy.