Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra

Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra

Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra

“Izay rehetra mampiasa ra sy mikarakara marary mila fandidiana dia tsy tokony hieritreritra momba ny fandidiana tsy ampiasana ra.” — Dr. Joachim Boldt, profesora momba ny fanatoranana any Ludwigshafen, Alemaina.

NY LOZA ny amin’ny SIDA no nanosika mpahay siansa sy dokotera hanao dingana fanampiny mba hanaovana ny efitrano fandidiana ho azo antoka kokoa. Miharihary fa nidika izany hoe atao hentitra kokoa ny fitsirihana ny ra. Misy anefa manam-pahaizana manokana milaza fa tsy miantoka fampidiran-dra azo antoka zato isan-jato, na dia ireny fepetra ireny aza. “Na dia mandany vola be aza ny fitambaran’olona mba hanaovana izay hahatonga ny tahirin-dra ho faran’izay azo antoka”, hoy ilay gazetiboky hoe Transfusion, “dia inoanay fa mbola hisy ihany marary hiezaka hanalavitra ny fampidirana aminy ra avy amin’olona [mpanome ra], satria fotsiny tsy ho tena azo antoka na oviana na oviana ny tahirin-dra.”

Tsy mahagaga raha toa ka dokotera maro no manjary malina raha ny amin’ny hoe hampanao fampidiran-dra. “Tsy tsara ny fampidiran-dra, raha ny marina, ary tena vonon-kiady izahay mba tsy hanaovana azy io amin’ny olon-drehetra”, hoy ny Dr. Alex Zapolanski, any San Francisco, Kalifornia.

Manjary mahalala ny loza entin’ny fampidiran-dra koa ny olona amin’ny ankapobeny. Nahariharin’ny fitsapan-kevitra iray natao tamin’ny 1996 tokoa fa aleon’ny 89 isan-jaton’ny Kanadianina zavatra hafa azo asolo ny ra toy izay ran’ny mpanome ra. “Tsy ny marary rehetra no handa tsy hampidirana ra avy tamin’ny olon-kafa, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny Journal of Vascular Surgery. “Na izany aza, ny mety ho fifindran’aretina sy fiovam-piasan’ny rafi-kery fanefitra dia manolotra porofo mazava fa tsy maintsy mahita fitsaboana hafa isika ho an’ireo marary rehetra karakaraintsika.”

Fomba fitsaboana tiana kokoa

Soa ihany fa misy zavatra iray hafa azo asolo azy io. Izany dia ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra. Tsy hoe fitsaboana fiala-nenina no iheveran’ny marary maro azy io, fa fitsaboana tiany kokoa, ary misy antony marim-pototra ny amin’izany. Marihin’i Stephen Geoffrey Pollard, Britanika iray mpanolo-tsaina amin’ny fandidiana, fa ny tahan’ny fahazoana aretina sy ny fahafatesana eo amin’ireo nodidiana nefa tsy nampiasana ra, dia, “fara fahakeliny, mitovy amin’ny an’ireo marary nampidiran-dra. Ary tamin’ny toe-javatra maro, [ireo tsy nampidiran-dra] dia voaro amin’ny fahazoana otrikaretina sy aretina hafa aorian’ny fandidiana, izay matetika no azo lazaina hoe avy amin’ny ra”.

Ahoana no nivoaran’ny fitsaboana tsy ampiasana ra? Somary hafahafa ihany ilay izy amin’ny lafiny iray, satria talohan’ny fitsaboana ampiasana ra ny fitsaboana tsy ampiasana ra, raha ny marina. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 tokoa mantsy vao ary fomba ny teknôlôjian’ny fampidiran-dra, hany ka nanjary nahazatra ny nampiasa azy io. Na izany aza, tato anatin’ireo am-polony taona farany, dia nisy nanao izay hitiavan’ny besinimaro ny fandidiana tsy ampiasana ra. Nandritra ireo taona 1960, ohatra, i Denton Cooley, mpandidy nalaza, dia nanao voalohany ny sasany tamin’ireo fandidiana fo nosokafana, nefa tsy nampiasa ra.

Rehefa nitombo isa ny olona nahazo aretina hépatite teo amin’ireo nampidiran-dra nandritra ireo taona 1970, dia dokotera maro no nanomboka nitady zavatra hafa azo asolo ny ra. Tamin’ireo taona 1980, dia efa nisy ekipana dokotera maro be nanao fandidiana tsy nampiasana ra. Avy eo, rehefa nipoitra ny valanaretina SIDA, dia nisy olon-kafa, izay dodona hampiasa koa ireo teknika ireo ihany, namerimberina nangataka torohevitra tany amin’ireo ekipa ireo. Nandritra ireo taona 1990, dia hopitaly maro no nanangana fandaharan’asa izay nanolotra ho an’ny marariny ny safidy tsy hampiasa ra.

Efa nahomby izao ny dokotera rehefa nampihatra teknika tsy nampiasana ra nandritra ny fandidiana sy ny fikarakarana marary nila vonjy aina, izay nitaky fampidiran-dra, raha ny nahazatra. “Atao tsy misy fampiasana ra na zavatra avy tamin’ny ra, ary mahomby, ny fandidiana lehibe toy ny fandidiana fo, lalan-dra, taovam-pananahan’ny vehivavy, fandidiana mifandray amin’ny fiterahana, fandidiana fanitsiana ny taolana sy ny nofo aman-kozatra, ary fandidiana taovam-pamaniana”, hoy ny fanamarihan’i D. H.W. Wong, ao amin’ilay gazety hoe Canadian Journal of Anaesthesia.

Manampy mba hanomezana fikarakarana ambony karazana ny fandidiana tsy ampiasana ra. Anisan’ny tombony aminy izany. “Ny fahaizan’ny mpandidy no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fisorohana ny fahaverezan-dra”, hoy ny Dr. Benjamin J. Reichstein, dokotera iray lehiben’ny fandidiana any Cleveland, Ohio. Milaza ny gazety iray momba ny lalàna, atsy Afrika Atsimo, fa, amin’ny toe-javatra sasany, dia “haingana kokoa sy madio kokoa ary tsy andaniam-bola firy” ny fandidiana tsy ampiasana ra. Hoy koa izy io: “Hita tokoa fa tsy nandaniam-bola sy fotoana firy ny fikarakarana aorian’ny fandidiana, amin’ny toe-javatra maro.” Ireo dia vitsivitsy monja amin’ireo antony isian’ny hopitaly 180 eo ho eo maneran-tany, izay manana fandaharan’asa voatokana ho amin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra.

Ny ra sy ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy manaiky fampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny antony ara-baiboly. * Tena manaiky — ary mikatsaka mafy — fitsaboana hafa azo asolo ny ra anefa izy ireo. “Mikaroka mafy izay fitsaboana tsara indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny Dr. Richard K. Spence, fony izy lehiben’ny fandidiana tao amin’ny hopitaly iray any New York. “Izy ireo no antokon’olona mpanjifa nahazo fahalalana indrindra amin’izay ho tojo ny mpandidy.”

Nisy dokotera nandavorary teknikam-pandidiana maro tsy nampiasana ra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Diniho ny nataon’i Denton Cooley, mpandidy fo sy lalan-dra. Nandritra ny 27 taona, ny ekipany dia nanao fandidiana fo nosokafana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah niisa 663, ary tsy nampiasa ra. Mampiseho mazava ny vokatra azo fa azo atao amim-pahombiazana ny fandidiana fo tsy misy fampiasana ra.

Marina aloha fa maro no nanakiana ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fandavany tsy handray ra. Ny bokikely iray misy fitarihan-dalana, izay navoakan’ny Fikambanan’ny Mpanao Fanatoranana any Grande-Bretagne sy Irlandy, anefa dia mihevitra ny toerana tanan’ny Vavolombelona ho “mariky ny fanajana ny aina”. Raha ny marina, dia hery lehibe nanosika hitady fitsaboana azo antoka kokoa ho an’ny rehetra ny toerana tanan’ny Vavolombelona mafy. “Nanoro ny lalana ny Vavolombelon’i Jehovah nila fandidiana, ary nampihatra fanerena mba hihatsarana teo amin’ny sehatra iray lehibe tao amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana eto Norvezy”, hoy ny nosoratan’ny Profesora Stein A. Evensen, ao amin’ny Hopitalim-pirenen’i Norvezy.

Mba hanampiana dokotera hitsabo tsy misy fampiasana ra, dia nanangana sampan-draharaha iray fampitan-kevitra izay manampy tokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankehitriny, dia misy maherin’ny 1 400 ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly maneran-tany, izay vonona hanome ho an’ireo dokotera sy mpikaroka, zavatra vita an-tsoratra ara-pitsaboana, avy ao amin’ny tahirim-panazavana anaty ôrdinatera, mahafaoka lahatsoratra maherin’ny 3 000 mifandray amin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra. “Ankehitriny, dia tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, fa ny marary amin’ny ankapobeny, no azo inoana kokoa fa tsy hisy hanao fampidiran-dra tsy amin’ny antony, noho ny asan’ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly an’ny Vavolombelona”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. Charles Baron, profesora iray ao amin’ny Oniversite Fianarana Lalàna any Boston. *

Nahasoa ny maro tao amin’ny sehatry ny fitsaboana ny fanazavana momba ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra izay nangonin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ohatra, rehefa nanomana ny famoahana boky iray mitondra ny lohateny hoe Autotransfusion: Therapeutic Principles and Trends (Fampidirana ny Ran’ny Tena Ihany: Foto-pitsipika sy Fironana Ara-pitsaboana) ny mpanoratra azy io, dia nangataka ny hanomezan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy ireo fanazavana momba ny zavatra hafa azo asolo ny fampidiran-dra. Nanaiky tamim-pifaliana ny fangatahany ny Vavolombelona. Nilaza tamim-pankasitrahana toy izao ireo mpanoratra, tatỳ aoriana: “Tamin’izay zavatra rehetra novakinay momba io foto-kevitra io, dia mbola tsy nahita lisitra voafintina sy feno momba ny fomba hanalavirana ny fampidirana ra avy tamin’ny olon-kafa, toy izany, izahay.”

Nanosika olona maro hieritreritra momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra ny fandrosoana teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Hitondra antsika ho aiza izany? Hoy ny Profesora Luc Montagnier, ilay nahita voalohany ny virosin’ny SIDA: “Asehon’ny fivoaran’ny fahatakarantsika eo amin’io sehatra io fa tsy maintsy ho foana ny fampidiran-dra indray andro any.” Mandra-pahatongan’izany, dia misy zavatra hafa azo asolo ny ra, izay efa mamonjy aina maro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Manao fampisehoana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny hopitaly koa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, raha asaina hanao izany. Fanampin’izany, raha angatahina mazava ny fanampiany, dia manampy marary ireo komity ireo, mba ho afaka hanao resaka mialoha be sy amim-pahatsorana ary mitohy amin’ny dokotera tompon’andraikitra.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Izay Ambaran’ny Dokotera Sasany

‘Tsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny ny fandidiana tsy ampiasana ra, fa ho an’ny marary rehetra. Heveriko fa tokony hirotsaka hanao azy io ny dokotera rehetra.’ — Dr. Joachim Boldt, profesora momba ny fanatoranana, any Ludwigshafen, Alemaina.

“Na dia azo antoka kokoa noho ny tamin’ny lasa aza ny fampidiran-dra amin’izao andro izao, dia mbola misy loza mety hitranga ihany, anisan’izany ny fanoheran’ny rafi-kery fanefitra sy ny fahazoana aretin’aty “hépatite”, na aretina azo avy amin’ny firaisana.” — Dr. Terrence J. Sacchi, profesora mpanampy momba ny fitsaboana.

“Manao zavatra amim-pahazarana fotsiny ny ankamaroan’ny dokotera, mahakasika ny fampidiran-dra, ary manao fampidiran-dra be dia be sy tsy misy an-kanavaka fotsiny. Tsy mba manao toy izany aho.” — Dr. Alex Zapolanski, lehiben’ny fandidiana fo ao amin’ny Ivon-toerana Momba ny Fo, any San Francisco.

“Tsy mahafantatra fomba mahazatra fandidiana kibo, izay mitaky fampidiran-dra foana, amin’ny marary ara-dalàna, aho.” — Dr. Johannes Scheele, profesora mpandidy, any Jena, Alemaina.

[Sary]

Dr. Joachim Boldt

Dr. Terrence J. Sacchi

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Fitsaboana sy Fandidiana Tsy Ampiasana Ra

Ny Sasany Amin’ireo Fomba Ampiasaina

Ranoka: Ampiasaina ny ranoka Ringer lactate, ny dextran, ny hydroéthylamidon, ary ny hafa, mba hihazonana ny habetsahan’ny ra tsy hihena, ka hisorohana ny faharerahana be tampoka noho ny fahaverezan-dra be loatra. Afaka mitondra ôksizenina ny ranoka sasany anaovana andrana ankehitriny.

Fanafody: Misy prôteinina novana fototarazo afaka mandrisika ny famokarana liomena (érythropoïétine), sy mandrisika ny famokarana kapila bitika ao amin’ny ra (interleukine-11), ary ny famokarana liofotsy maro samihafa (GM-CSF, G-CSF). Misy fanafody hafa mampihena be ny fahaverezan-dra mandritra ny fandidiana (aprotinine, antifibrinolytiques), na manampy hampihenana ny fandehanan-dra be (desmopressine).

Zavatra biôlôjika mampitsahatra fahaverezan-dra: Ampiasaina ny bandy vita tamin’ny prôteinina madity sy selilôzy mba hampitsaharana ny fandehanan-dra amin’ny fametahana azy io mivantana eo amin’ny ratra. Afaka manentsina ratra kely na mandrakotra faritra lehibe amin’ny tambatsela mandeha ra ny lakaoly sy ny feta fanentsenana vita tamin’ny fibrinina.

Fanantazana ra: Misy milina mananty sy manavotra ny ra very mandritra ny fandidiana na ny ratra lehibe. Diovina ilay ra ary azo averina ao amin’ilay marary indray ka ampanarahina lalana tsy misy fahatapahana. Ra litatra maro no azo avotana amin’ny fampiasana fomba toy izany, rehefa misy toe-javatra faran’izay sarotra.

Fitaovana fandidiana: Misy fitaovana izay sady mandidy no manakombona lalan-dra. Misy fitaovana hafa afaka manakombona fandehanan-dra eo amin’ny faritra lehibe amin’ny tambatsela. Ny fitaovana fanaovana fandidiana kely eo amin’ny kibo sy ny fitaovana manampy mba tsy handratrana be ny vatana dia mamela ny hanaovana fandidiana tsy misy ra very, toy ny fahita amin’ny fanatatahana lava.

Teknikam-pandidiana: Ny fiomanana tanteraka alohan’ny fandidiana, anisan’izany ny fizahana dokotera manana traikefa, dia manampy ny ekipa mpandidy hanalavirany ny fahazoana aretina hafa. Tena ilaina ny fanaovan-javatra haingana mba hampiatoana ny fandehanan-dra. Afaka mampitombo be ny mety hahafaty ilay marary ny fangatahana andro mihoatra noho ny 24 ora. Mampihena ny tontalin’ny ra very ny fizarazarana ny fandidiana lehibe ho fandidiana kely kokoa maromaro.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra — Ny ‘Fari-pitsipika Vaovao eo Amin’ny Fomba Fitsaboana’ Ve?

NIRESAKA momba ny soa entin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra tamin’olona efatra, manam-pahaizana manokana momba io sehatra io, ny Mifohaza!

Ankoatra ny marary tsy manaiky fampidiran-dra noho ny antony ara-pivavahana, iza koa no liana amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra?

Dr. Spahn: Ao amin’ny foibe iasanay, dia ireo marary nahazo fahalalana faran’izay tsara mazàna no mangataka fitsaboana tsy ampiasana ra.

Dr. Shander: Tamin’ny 1998, ny isan’ireo marary tsy nanaiky handray ra noho ny antony manokana dia nihoatra noho ny isan’ny marary tsy nanaiky handray ra noho ny antony ara-pivavahana.

Dr. Boyd: Ny mararin’ny kansera, ohatra. Naseho imbetsaka fa raha tsy mandray ra izy ireo, dia handroso tsara kokoa ny fahasalamany, ary tsy hiverina aminy indray imbetsaka, toy ny amin’ny hafa, ilay aretina.

Dr. Spahn: Matetika izahay no tsy mampiasa ra rehefa mitsabo profesoran’ny oniversite sy ny fianakaviany. Na dia ny mpandidy aza dia mangataka ny tsy hanaovanay fampidiran-dra! Ny mpandidy iray, ohatra, dia tonga teto aminay mahakasika ny vadiny izay nila fandidiana. Hoy izy: “Zavatra iray no ataovy azo antoka: ny tsy hampidiran-dra aminy!”

Dr. Shander: Misy mpikambana ato amin’ny sampan-draharahan’ny fanatoranana ato aminay nilaza hoe: ‘Tena tsara ny fahasalaman’ireo marary tsy nahazo ra, ary angamba aza tsara kokoa. Nahoana moa isika no tsy maintsy hanana fari-pitsipika roa eo amin’ny fomba fitsaboana? Raha io no fomba fitsaboana tsara indrindra, dia tokony hampiasa azy io amin’ny olona rehetra isika.’ Ankehitriny àry izahay dia miandrandra ny hahatongavan’ny fitsaboana tsy ampiasana ra ho ny fari-pitsipika eo amin’ny fomba fitsaboana.

Atoa Earnshaw: Marina fa mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah indrindra indrindra ny fandidiana tsy ampiasana ra. Izany anefa no fomba tianay hitsaboana ny olon-drehetra.

Lafo kokoa sa mora kokoa ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra?

Atoa Earnshaw: Tsy andaniam-bola firy izy io.

Dr. Shander: Latsaka 25 isan-jato ny fandaniana amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra.

Dr. Boyd: Raha noho izany fotsiny, dia tokony hampiasa azy io isika.

Aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fikarakarana ara-pitsaboana tsy ampiasana ra?

Dr. Boyd: Heveriko fa mandroso dia mandroso izy io, fa tsy hifarana velively. Isaky ny mihetsika, dia mahita antony tsara tokony tsy hampiasana ra, izahay.

[Sary]

Dr. Donat R. Spahn profesora momba ny fanatoranana, Zurich, Soisa

Dr. Aryeh Shander profesora mpanampy momba ny fanatoranana, Etazonia

Atoa Peter Earnshaw, FRCS, mpanolo-tsaina momba ny fandidiana fanitsiana ny taolana sy ny nofo aman-kozatra, Londres, Angletera

Dr. Mark E. Boyd profesora momba ny fiterahana sy ny aretim-behivavy, Kanada

[Efajoro, pejy 11]

Ny Anjara Asan’ny Marary

▪ Miresaha amin’ny dokoteranao momba ny fitsaboana hafa tsy ampiasana ra, alohan’ny hitrangan’ny toe-javatra ilana fitsaboana. Tena zava-dehibe izany ho an’ny vehivavy bevohoka, ny ray aman-dreny manan-janaka kely, ary ny zokiolona.

▪ Ataovy an-tsoratra ny fanirianao, indrindra fa raha misy taratasy ara-dalàna natao ho amin’izany.

▪ Raha tsy vonona hitsabo anao tsy misy fampiasana ra ny dokoteranao, dia mikaroha dokotera hafa izay hanaiky ny fanirianao.

▪ Koa satria mila fotoana vao mandaitra ny sasany amin’ireo fitsaboana hafa tsy ampiasana ra, dia aza mangataka andro mitady fitsaboana, raha fantatrao fa mila fandidiana ianao.