Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?

Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?

Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

“Mora lazaina izany fa sarotra atao!” Izany no ambaran’ny maro momba ny fianarana fiteny vahiny iray, indrindra fa rehefa avy nanandrana nanao izany izy ireo. Marina aloha fa sarotra ny fianarana fiteny iray hafa. Tsy fanitarana ny filazana izany. Kanefa, milaza ireo izay nahomby tamin’izany fa tsy very maina ny ezaka natao.

MISY antony maro samy hafa hianarana fiteny vaovao. Nikasa ny hanao vakansy tatsy Frantsa, ohatra, i Andrew, ary tiany ny ho afaka hiresaka tamin’ireo olona tany an-toerana tamin’ny fitenin’izy ireo. Teraka tany Angletera i Guido, nefa manam-piaviana italianina ny fianakaviany. “Tenim-paritra iray monja no mba nahazatra ahy”, hoy izy, “ka te hianatra ny hiteny italianina aho.” Nifindra nankany ivelan’ny taniny ny rahalahin’i Jonathan, vao haingana, ary nanambady ankizivavy espaniola. “Te hiresaka tamin’ireo havako vaovao tamin’ny fitenin-drazany aho, rehefa nitsidika ilay rahalahiko”, hoy i Jonathan.

Misy soa hafa koa anefa entin’ny fianarana fiteny vahiny. “Nampianatra ahy hahay hiombom-pihetseham-po tamin’ny hafa izy io”, hoy i Louise. “Takatro ankehitriny izay tsapan’ireo vahiny rehefa tonga ao amin’ny tany iray mampiasa fiteny hafa noho ny azy, izy ireo.” Ho an’i Pamela, dia ny tenany mihitsy no nandray soa. Nobeazina tany Angletera izy, ka tsy mahay fiteny sinoa firy, fitenin’ny fianakaviany. Ho vokany, dia nifampihafahafa i Pamela sy ny reniny. “Tsy nifampiresaka firy izahay mianaka”, hoy ny fieken’i Pamela. “Afaka miteny sinoa anefa aho ankehitriny, ka mifanakaiky kokoa izahay mianaka ary nihatsara ny fifandraisanay.”

Fanampiana mba hahombiazana

Inona no hilainao mba hahombiazana eo amin’ny fianarana fiteny vahiny? Maro tamin’ireo nanao izany no manantitrantitra izao manaraka izao.

Antony manosika. Mila fandrisihana — antony manosika hanatratrarana ny tanjonao ianao. Mahavita zavatra faran’izay tsara ny mpianatra manana antony manosika lehibe, amin’ny ankapobeny.

Fanetren-tena. Aza manantena zavatra be loatra avy amin’ny tenanao — tsy azo ihodivirana ny fanaovana fahadisoana, indrindra amin’ny voalohany. “Hihomehy anao ny olona”, hoy i Alison, “koa mahaiza koa mihomehy fotsiny!” Mitovy hevitra amin’izany i Valerie. Hoy izy: “Toy ny zazakely miana-mandeha ianao, ka manao fahadisoana matetika, fa ny hany tsy maintsy ataonao dia ny miarina sy ny manandrana indray.”

Faharetana. “Mafy tamiko ireo roa taona voalohany, ary efa nitady hilavo lefona aho indraindray”, hoy ny fieken’i David. Na izany aza, dia nanaiky izy hoe: “Nihamora ilay izy avy eo!” Toy izany mihitsy ny fahitan’i Jill azy. “Tsy mihevitra ny tenanao ho nanao fandrosoana ianao, raha tsy rehefa mitodika ny lasa”, hoy izy.

Fanazaran-tena. Hanampy anao hanjary hiteny misosa tsara amin’ilay fiteny vaovao ny fahazarana tsy tapaka. Miezaha hanao fanazaran-tena isan’andro, na dia mandritra ny minitra vitsivitsy monja aza. Toy izao no ilazan’ny boky fianarana iray azy: “Aleo ‘kelikely matetika’, toy izay ‘be dia be fa mahalana’.”

Fitaovana manampy

Vonona hanaiky ny zava-tsarotra entin’ny fianarana fiteny vahiny ve ianao? Raha izany no izy, dia afaka manatsara ny fandrosoanao ireto fitaovana manaraka ireto:

Karatra kely fianaran-teny. Misy teny na fitambaran-teny misoratra eo anoloana amin’ny karatra tsirairay, ary ny dikan-teniny ao ambadika. Raha tsy misy an’izany any amin’ny misy anao, dia afaka manao ho anao manokana ianao, ka hampiasa fitambaran-karatra.

Cassettes sy vidéocassettes fianarana. Afaka manampy anao handre ny fanononana marina ilay fiteny, izy ireny. Ohatra, teo am-pamiliana ny fiarakodiany, dia niana-javatra tsotsotra momba ny fiteny japoney i David tamin’ny fihainoana cassette nirakitra fitambaran-teny ho an’ny mpizaha tany nalaina tao amin’ny boky iray.

Fandaharana fianarana irery ao amin’ny ôrdinatera. Mamela anao handray ny feonao ny sasany amin’izy ireny ka hampitaha ny fanononanao amin’ny an’ny tompon-tany mampiasa ilay fiteny.

Radio sy televiziona. Raha misy fandaharana ao amin’ny radio sy ny televiziona izay mampiasa ilay fiteny ianaranao, any amin’ny misy anao, nahoana raha mandefa izany ka mijery hoe firy no azonao?

Gazetiboky sy boky. Miezaha mamaky zavatra vita an-tsoratra amin’ilay fiteny vaovao, ka ataovy azo antoka fa tsy ambony loatra na ambany loatra ny fahazoana hevi-javatra. *

Fifehezana tsara ilay fiteny

Mazava ho azy fa tsy maintsy hiresaka amin’ireo izay mahay ilay fiteny ianao indray andro any. Tsy mitaky ny hanaovanao dia lavitra akory izany. Azonao atao kosa angamba ny mitsidika kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny vahiny ao amin’ny taninao ihany.

Na ahoana na ahoana, ny tanjonao dia tokony ho ny hianatra hieritreritra amin’ilay fiteny vaovao, fa tsy handika fotsiny teny na fitambaran-teny avy amin’ny fitenin-drazanao. Azo inoana fa hanampy anao koa ny fiezahanao mianatra momba ny fomba amam-panao sy ny fahazaran’ny olona izay mampiasa ilay fiteninao vaovao. “Tsy tena mianatra fiteny iray ianao raha tsy mahatakatra na inona na inona momba ny fiaimpiainana sy ny zavatra heverina ho sarobidy ao amin’ilay kolontsaina, satria anisan’izany [ilay fiteny]”, hoy i Robert Lado, manam-pahaizana manokana momba ny fiteny.

Farany: Aza kivy raha toa miadana ny fandrosoanao. Fanaovan-javatra mitohy, raha ny marina, ny fianarana fiteny vaovao iray. “Tsy mitsahatra ny mianatra mihitsy aho”, hoy i Jill, izay nianatra ny baikon’ny moana, 20 taona lasa izay. “Mivoatra foana ny fiteny.”

Te hianatra fiteny vahiny iray àry ve ianao? Raha izany, dia aoka ianao ho vonona hirotsaka ao amin’ny fanaovan-javatra mitaky ezaka mafy sy faran’izay sarotra, nefa ahitam-bokatsoa betsaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Misy amin’ny fiteny 83 izao ny Mifohaza!, ary ilay gazety namany hoe Ny Tilikambo Fiambenana dia atao pirinty amin’ny fiteny 132. Maro no nahita fa manampy ny fomba fanoratra mazava ao amin’ireo gazety ireo, rehefa mianatra fiteny vaovao.

[Sary, pejy 12, 13]

Afaka mampitombo ny voambolana hainao ianao amin’ny (...)

(...) fampitahana ny fitenin-drazanao amin’ilay fiteny ianaranao