Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpisava Lalana teo Amin’ny Fitsaboana

Mpisava Lalana teo Amin’ny Fitsaboana

Mpisava Lalana teo Amin’ny Fitsaboana

IRAIKA amby enimpolo taona i José, lehilahy belza iray, avy ao amin’ny tanàna kelin’i Oupeye, raha nilazana fa nila fandidiana fanoloana aty izy. “Mbola tsy taitra mafy toy izany aho hatramin’izay niainako”, hoy izy. Efapolo taona monja lasa izay, dia zavatra tsy azo noeritreretina izany fanoloana aty izany. Na dia tamin’ireo taona 1970 aza, dia 30 isan-jato teo ho eo monja ny tahan’ny fahaveloman’izay nanaovana izany fandidiana izany. Fandidiana atao mahazatra anefa ny fanoloana aty amin’izao andro izao, ary ambony lavitra kokoa ny tahan’ny fahombiazana.

Mbola misy lafy ratsiny iray lehibe anefa. Koa satria matetika ny fanoloana aty no miteraka fandehanan-dra be loatra, dia mazàna ny dokotera no manao fampidiran-dra mandritra ny fandidiana. Noho ny hevitra ara-pivavahana itompoany, dia tsy naniry handray ra i José. Tena naniry ilay fanoloana aty anefa izy. Zavatra tsy nety ho azo atao ve? Nety hisy hihevitra toy izany. Nihevitra anefa ilay lehiben’ny mpandidy fa tena nety hahomby izy sy ireo mpiara-miasa taminy raha nandidy tsy nampiasa ra. Ary dia izany tokoa no nataon’izy ireo! Dimy amby roapolo andro monja taorian’ny fandidiana azy, dia nody i José, notronin’ny vadiny sy ny zanany vavy. *

Noho ny fahaizan’ireo izay antsoin’ny gazetiboky Time hoe “ireo mahery fon’ny fitsaboana”, dia fahita kokoa noho ny hatramin’izay ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra ankehitriny. Nahoana anefa no be mpangataka erỳ izy io? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia andeha aloha isika handinika ny tantara misafotofoton’ny fampidiran-dra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mihevitra ny fandidiana famindrana taova ho raharaha mahakasika ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 3]

Maneran-tany izao dia misy dokotera maherin’ny 90 000 efa nampahafantatra fa vonona hitsabo Vavolombelon’i Jehovah tsy misy fampiasana ra, izy ireo