Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Namelombelona Tokoa Ry Zareo!’

‘Namelombelona Tokoa Ry Zareo!’

‘Namelombelona Tokoa Ry Zareo!’

VAO haingana izay, dia nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Ebina, ny tale jeneralin’ny hotely iray, eo akaikin’ny iray amin’ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Japon. Toa nientam-po erỳ izy. Nahoana?

Nandritra ny taona 1998, dia nisy Vavolombelona maherin’ny 200 nipetraka tao amin’ny hotelin’ilay tale tamin’ny dian’izy ireo nandroso sy niverina tany amin’ireo fivoriambeny niraisam-pirenena tatsy Afrika, tany Amerika Avaratra, Aostralia, ary Korea. Rehefa nivory ireo mpiasan’ilay hotely mba handinika indray ny asa tamin’ny taon-dasa, dia nilaza fa, tamin’ireo vahiny niisa 30 000 nokarakarain’izy ireo nandritra ilay taona tao amin’ilay hotely, dia ireo solontena mpamonjy fivoriambe ireo no nampiaiky volana indrindra.

Nanao dia lavitra nankany Ebina àry ilay talen’ilay hotely mba haneho fankasitrahana. ‘Tena nahalala fomba ireo vahiny ireo’, hoy izy, ‘ary namela ny efitranony ho nadio sy nilamina. Matetika izy ireo no naneho ny fankasitrahany. Ambonin’izany, dia nanao teny fampaherezana avy tao amin’ny Baiboly izy ireo. Namelombelona tokoa ry zareo!’

Nanohy ny teniny toy izao ilay tale: ‘Vahiny maro no hitanay fa ory. Koa mbola mitady fanazavana mahasoa àry izahay ho azy ireo. Tianay ny mba handraisan’izy ireo soa avy amin’ny fampianaran’ny Baiboly, satria manan-kery mitaona tsara eo amin’ny fiainan’ny olona izy io.’

Ho vokany, dia nanafaran’ilay tale 80 isa avy ny maromaro tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hapetrany ao amin’ireo efitranon’ilay hotely. Anisan’ny nohafarany ilay boky 192 pejy hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Raha tianao ny hahazo iray amin’izy io, dia fenoy ny tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.