Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitana ny Teny Nataony Izy Ireo!

Nitana ny Teny Nataony Izy Ireo!

Nitana ny Teny Nataony Izy Ireo!

NANIRY hanao fanambarana tsy ara-potoana tamin’ireo iray kilasy taminy i Antonio, izay tao amin’ny taona famaranana tao amin’ny lise. Koa nanolo-kevitra tamin’ny mpampianatra tantara azy izy mba handefa ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie (Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia). Na dia nisalasala aza ilay ramatoa mpampianatra, dia nanaiky ihany, ka nilaza fa handefa ilay vidéo ny ampitso.

“Tamin’ny voalohany”, hoy ny fitantaran’i Antonio, “dia nisy fanambonian-tena hita soritra teo amin’ny endrik’ilay mpampianatra teo am-pijerena ilay vidéo. Rehefa takany anefa fa nisy mpahay tantara malaza nitantara momba ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby fitanana, dia nihaino tsara izy. Tamin’ny farany, dia nisaotra ahy izy noho ilay fanoloran-kevitra handefa ilay vidéo.”

Nandritra ny lesona nanaraka, dia niezaka nilazalaza ny asan’ny Bibelforscher, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina tamin’izany fotoana izany, ilay mpampianatra; takany anefa fa ho tsara kokoa raha i Antonio no havela hanao izany. Nohazavain’i Antonio ny toeran’ny Vavolombelona eo amin’ny fiaraha-monina sy ny sasany tamin’ireo foto-pampianaran’izy ireo. Namarana ny teniny toy izao izy: “Miharihary fa tsy afaka ny handray soa na kely akory aza avy amin’ny hafatra sarobidy entinay ny olona raha tsy mihaino anay, raha manakaratoka ny varavarany eo anoloanay, na raha tsy mamaky ny zavatra vita an-tsoratray.”

Nanaiky izany hevitra izany ny mpianatra rehetra iray kilasy tamin’i Antonio, koa nanolotra fanapahan-kevitra holanin’izy rehetra ilay mpampianatra. Raha vantany vao mihaona amin’ny Vavolombelona izy ireo, dia hihaino azy sy hanaiky ny zavatra vita an-tsorany. Nanohy niresaka momba ilay vidéo ny iray kilasy nandritra ny fotoana kelikely. Azonao alaina sary an-tsaina ny fahafaham-pon’i Antonio, nandritra ireo andro vitsy nanaraka, rehefa nahita ny maromaro tamin’ireo mpiara-mianatra taminy tonga tao an-dakilasy nitondra zavatra vita an-tsoratry ny Watchtower, ka nandre ny tsirairay taminy nilaza tamim-pitsikiana hoe: “Hitanao! Nitana ny teny nataoko aho!”