Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tontolo Mahagagan’ireo Bibikely

Ny Tontolo Mahagagan’ireo Bibikely

Ny Tontolo Mahagagan’ireo Bibikely

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MOA ve ianao mihevitra ny bibikely ho zavatra manorisory fotsiny? Ho tianao ve raha tsy hisy ireny bibikely mahasorena ireny intsony eto amin’izao tontolo izao? Moa ve ianao mampifantsitsitra fanafody famonoana bibikely amin’izy ireny, mikapoka azy, na manitsaka azy, isaky ny mahita azy? Alohan’ny hanapoahana ady amin’ny bibikely rehetra sendra anao, nahoana moa raha manandrana miana-javatra momba ny tontolon’izy ireny? Rehefa dinihina tokoa, dia afaka mahazo antoka ianao fa hitoetra eto amintsika foana ny bibikely, satria izy ireo betsaka lavitra noho ny olombelona: bibikely 200 000 000 eo ho eo ho an’ny olona 1!

Ny fijerena fohy ny vitsivitsy monja amin’ireny zavaboary mahagaga ireny dia mety ho tena hampiaiky anao fa mendrika ny fanajanao ny bibikely.

Mpanidina mahay, mahafinaritra ny maso

Bibikely maro no mpanidina mahay. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto. Afaka manidina mivadika ny moka. Ny sasany aza afaka manidina eny amin’ny orana nefa tsy lena — eny, mihodivitra ny teten-dranonorana izy, raha ny marina! Misy fanenitra sy tantely any amin’ny tany tropikaly misamonimonina sady manidina mihodidina toerana iray, ka mahatratra 72 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Ny lolo mpanjaka iray any Amerika Avaratra dia nahavita 3 010 kilaometatra rehefa nifindra monina. Afaka mikopaka elatra mihoatra ny inarivony isan-tsegondra ny lalitra mitovitovy amin’ny fanenitra — haingana kokoa noho ny voronkely kôlibria. Afaka manidina mihemotra ny angidina, zavatra izay nanaitra ny fahalianan’ny mpikaroka sy ny fandinihany akaiky.

Raha efa mba nanandrana nikapoka lalitra ianao, dia fantatrao fa matsilo maso tsy misy toy izany ireny bibikely ireny, sady avo folo heny noho ny antsika ny hakingam-pihetsehany mandeha ho azy manoloana toe-javatra iray. Mahaliana fa voaforon-javatra maro ny mason’ny lalitra, dia lentilles an’arivony maro misy lafiny enina avy izay miasa mahaleo tena, ny tsirairay aminy. Azo inoana àry fa mizarazara ho tapany bitika maro ny fahitan’ny lalitra.

Afaka mahatsapa ny hazavana ultraviolet (any ankoatra ny volomparasy), izay tsy hitan’ny mason’ny olombelona, ny bibikely sasany. Araka izany, izay toa lolo fotsy manjavozavo amintsika, dia tsy manjavozavo velively amin’ny lolo lahy. Rehefa hita ao amin’ny hazavana ultraviolet tokoa mantsy ny lolo vavy, dia manam-bika mahasarika, izay tena tonga lafatra mba hisarihana ny fahalianan’ny lahy mitady vavy.

Manao ny asan’ny tondroavaratra ny mason’ny bibikely maro. Ny tantely sy ny fanenitra, ohatra, dia afaka mamantatra ny atsimo sy ny avaratra amin’ny lemaky ny hazavana, ka izany no ahafahan’izy ireo mamantatra ny toeran’ny masoandro eny amin’ny lanitra, na dia takon-drahona aza izy io. Noho io fahaizana io, dia afaka miremby lavitra ny akaniny ireny bibikely ireny, nefa mbola mahita ny lalana mody ihany, fa tsy diso lalana.

Eny rehetra eny ny fitiavana

Ao amin’ny tontolon’ny bibikely, dia matetika ny feo sy ny hanitra no ampiasaina mba hahitana vady — tsy raharaha mora izany raha toa ianao ka tsy velona afa-tsy herinandro vitsivitsy monja, ary vitsy ny azo alaina ho vady.

Mahita ny tia azy ny samoina emperora vavy rehefa mandefa hanitra mahery aoka izany, hany ka manatona ny niavian’izany hanitra izany ny lahy iray, izay avy any amin’ny efa ho 11 kilaometatra. Afaka mamantatra môlekiola iray monja amin’ilay hanitra ny tandrony mora mandre fofona.

Aleon’ny angely sy ny valala ary ny jorery mamoaka feo mba ho re. Na isika olombelona aza afaka mandre ny jorery raiki-pitia, satria ny tenany manontolo mihitsy no amoahany ny feony. Afaka manao tabataba lavareny mihitsy ny andiany lehibe amin’ny jorery mitady vady, ary mafy kokoa noho ny an’ny milina mandeha amin’ny rivotra fandoahana tany mafy! Mifanohitra amin’izany fa tsy mamoaka feo mihitsy ny vavy sasany.

Mifoha ary manafana tena

Zava-dehibe ho an’ny olona monina any amin’ny tany mangatsiaka ny hihazonany ny tenany ho mafana. Marina koa izany ny amin’ny bibikely mangatsia-dra izay saika henjan’ny hatsiaka tanteraka rehefa mifoha isa-maraina. Ny masoandro no namany, ary manararaotra azy io faran’izay betsaka izy.

Voasariky ny voninkazo na ny ravinkazo izay migoka ny hafanan’ny masoandro mandritra ireo ora voalohany amin’ny maraina, ny bibikely manidina sy ny voangory. Mateti-piavy eny amin’ny voahirana aostralianina ny voangory sasany, satria toy ny fatana bôtanika ireny voahirana ireny, ka manafana ny voniny hatramin’ny 20 degre Celsius mihoatra noho ny maripana manodidina. Ny lolo kosa manana rafitra famanan-tena ao anatiny ao. Rehefa mila ny manafana tena izy ireny, dia manokatra ny elany, izay toy ny takelaka mandray ny herin’ny masoandro, ary mampitongilana ny elany ho amin’ny masoandro.

Afaka manao zavatra isan-karazany ny bibikely

Ao amin’ny tontolon’ny bibikely, dia efa ho ny karazam-bibikely rehetra mihitsy no manana anjara asa samy hafa, ka tena hafahafa ny sasany aminy. Ohatra, mitady sira sy hamandoana manome fiainana ny samoina sasany, amin’ny fitsentsefana ny ranomason’ny ombidia lehibe. Misy bibikely hafa, manana fiarovana mahery amin’ny hatsiaka, monina any an-tampon’ny tendrombohitra mamanala any, ary mandany ny androm-piainany amin’ny fihinanana bibikely matin’ny hatsiaka.

Araka ny nomarihin’i Solomona Mpanjaka efa an’arivony taona maro lasa izay, dia tena mazoto miasa ny vitsika. Nanoratra toy izao i Solomona: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre; tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.” (Ohabolana 6:6-8). Ny tsy fisian’ny mpanapaka dia tena mampitolagaga, rehefa heverina ny hoe mety hisy vitsika hatramin’ny 20 tapitrisa ao amin’ny andiany sasany! Na izany aza, dia mizotra an-tsakany sy an-davany ny asa ao amin’io ‘renivohitry’ ny bibikely io, ka samy manao ny asany voafaritra tsara ny vitsika tsirairay, mba hahazoan’ilay andiany iray manontolo tahirin-tsakafo sy fiarovana ary fonenana.

Ny votrin’ny vitsikazo angamba no ohatra mampiaiky volana indrindra ny amin’ny fonenan’ny bibikely. Mahatratra 7,5 metatra ny haavon’ny sasany aminy. * Misy fampangatsiahan-drivotra be pitsiny sy zaridainan-kolatra ambanin’ny tany ireny trano mahatalanjona ireny. Ny mbola mahagaga kokoa aza dia jamba ireo vitsikazo manamboatra ireny piramida avo dia avo ireny!

Antony ilantsika bibikely

Manana anjara asa lehibe ny bibikely eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Tokotokony ho ny 30 isan-jaton’ny sakafo hanintsika tokoa mantsy no miankina amin’ny famindrana vovobony ataon’ny tantely, izay tantelidia ny ankamaroany. Iray monja amin’ireo asa mahasoa ataon’ny bibikely anefa ny famindrana vovobony. Mihazona ny tany ho madio hatrany ny bibikely amin’ny alalan’ny rafi-pamerenana amin’ny laoniny mandaitra, satria manodina ny zavamaniry sy ny biby maty izy ireo mba ho azo ampiasaina indray. Noho izany, dia manjary lonaka ny nofon-tany, ary afaka mampitombo zavamaniry ny otrikaina avy amin’izany asa fanodinana izany. “Raha tsy misy bibikely”, hoy ny nosoratan’i Christopher O’Toole, manam-pahaizana momba ny bibikely, ao amin’ilay bokiny hoe Alien Empire, “dia ho tototry ny zavamaniry sy biby maty isika.”

Tena tsapa tokoa ny tsy maha eo ny bibikely rehefa tsy vita ny asany. Hevero izay nitranga tany Aostralia, izay nanjary nanana omby an-tapitrisany maro. Na tiana na tsy tiana, dia manaparitaka ny dikiny etsy sy eroa ny andiam-biby. Tsy vitan’ny hoe nahatsiravina ny nahita ireo tain’omby, fa nanjary toeram-panatodizan’ny lalitra Musca vetustissima izy ireny, dia lalitra nanorisory ny olombelona sy ny omby. Koa nisy voantay nohafarana àry avy tany Eoropa sy Afrika. Voavaha ilay olana!

Namana sa fahavalo?

Ekena aloha fa mihinana vokatra sy mitondra aretina ny bibikely sasany. Ny 1 isan-jato eo ho eo monja amin’ny bibikely eran-tany anefa no heverina ho mpanimba, ka mitondra fanimbana bebe kokoa ny ankamaroan’ireo, noho ny fomba nanovan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ny moka mitondra tazo, ohatra, dia mahalana vao mitera-pahasahiranana ho an’ireo teratany izay mipetraka any amin’ny ala akaikin’ny ekoatera. Mampitondra faisana ny tanàna manamorona ny ala, izay be rano mihandrona, anefa izy io.

Matetika ny olona no afaka misakana amin’ny fomba voajanahary ny bibikely mpanimba voly, amin’ny fampifandimbiasana ny voly, na amin’ny fampidirana, na fitsimbinana, mpamono bibikely voajanahary. Mahomby tsara ny fisakanana ataon’ny soka-kely (coccinelles) sy ny bibikely Chrysopa tsy tia sehoseho amin’ny famelezana ataon’ireo haon-kazo. Ary tany Azia Atsimoatsinanana, dia hitan’ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka fa afaka nihazona ny kontenera fitoeran-drano ho tsy hisy atody moka foy mihitsy ny ondrindrano (zanak’angidina) roa.

Na eo aza ny lafy ratsin’ny fisian’ny bibikely, dia tapany tsy misaraka amin’ny tontolo voajanahary izay iankinan’ny fiainantsika, ny bibikely. Afaka ny ho velona hatrany ny bibikely na dia tsy misy antsika aza, fa “isika [kosa] tsy afaka ny ho velona raha tsy misy azy ireo”, araka ny nohazavain’i Christopher O’Toole.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Raha an’olombelona izany, dia ho trano mijoalajoala be iray, mahatratra sivy kilaometatra mahery ny haavony.

[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]

FIOFOANA — Endrika Amam-bika Vaovao, Fomba Fiaina Vaovao

Misy bibikely manova tanteraka ny endrika amam-bikany amin’ny alalan’ny fizotran-javatra iray antsoina hoe fiofoana, izay midika ara-bakiteny hoe “fiovam-bika”. Tena fiovana tanteraka izany. Olitra lasa lalitra, fanday lasa lolo, ary ondrindrano lasa angidina manidina. Mandia fiofoana ny bibikely ana hetsiny maro.

Mba hisian’ny fiovana toy izany — azo ampitahaina amin’ny fanovana lamasinina iray ho fiaramanidina iray — dia misy fiovana goavana tsy maintsy mitranga ao anatin’ny tenan’ilay bibikely. Hevero, ohatra, ny lolo. Raha mbola tsy mihetsiketsika ao anaty akorany ny fanday, dia miharava ny ankamaroan’ny tambatselany sy ny taovany teo aloha, ary misy fitambaran-taova vaovao iray manontolo — toy ny elatra, ny maso ary ny tandroka — miseho.

Matetika ilay fiovana no mahafaoka fanarahana fomba fiaina vaovao. Ohatra, raha mbola ondrindrano ilay angidina, dia misambotra trondro madinika na tsiboboka; rehefa tonga matotra vonona hanidina anefa izy, dia miova ho bibikely indray ny karazan-tsakafo haniny. Izany dia mifanahantsahana amin’ny lehilahy iray izay nandany ny 20 taona voalohany niainany nilomanosana tao an-dranomasina, ary ny androm-piainany sisa amin’ny fanidinana toy ny vorona.

Afaka nandamina ireny fiovana sarotra inoana ireny ve ny evôlisiôna? Ahoana no nisehoan’ny fanday fotsiny amin’izao, izay natao hiova ho lolo? Momba izany indrindra, iza no niseho voalohany — ny fanday sa ny lolo? Tsy afaka ny hisy ny andaniny raha tsy teo ilay ankilany, satria ny lolo ihany no manatody.

Azo antoka fa ny fizotran’ny fiofoana dia manome porofo mampiaiky ny amin’ny fisian’ny Mpamolavola Mahay iray, izay ampahafantarin’ny Baiboly ho ilay Mpamorona ny zavatra rehetra, Andriamanitra Tsitoha. — Salamo 104:24; Apokalypsy 4:11.

[Sary]

Vao mivoaka avy ao amin’ny akorany ny lolo rambon-tsidintsidina, dia manenjana ny elany

[Sary, pejy 18]

Ambony: Voangory mpihinana vovobony

Ambony ankavanana: Voangory mpihinan-dravina manafana tena fa feno ranon’ando

Sisiny ankavanana: Voangory manan-tandroka

[Sary, pejy 18]

Valala afrikanina fohy tandroka

[Sary, pejy 18]

Lalitromby