Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohanan’ny Fanantenana mba Hiaritra Fisedrana

Tohanan’ny Fanantenana mba Hiaritra Fisedrana

Tohanan’ny Fanantenana mba Hiaritra Fisedrana

NOTANTARAIN’I MICHIKO OGAWA

Nahazo antso avy tany amin’ny polisy aho, tamin’ny 29 Aprily 1969. Naratra tamin’ny lozam-pifamoivoizana i Seikichi, vadiko, ary tany amin’ny hopitaly. Navelako tamin’ny namana iray ny zanako roa lahy kely, ary niolomay nankany aho. Nalemy i Seikichi nanomboka tamin’izay fotoana izay, ary tsy nahatsiaro tena intsony mihitsy. Mamelà ahy hitantara aminareo momba ny fianakaviako sy ny fomba niatrehanay izany.

TERAKA teto Sanda, akaikin’i Kobe, eto Japon, aho, tamin’ny Febroary 1940. Efa nifankahalala izahay sy i Seikichi hatramin’ny fotoana niarahanay nankany amin’ny akanin-jaza. Nivady izahay tamin’ny 16 Febroary 1964. Lehilahy tsy be teny izay ny vadiko, nefa tia ankizy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanan-janaka roa lahy izahay, i Ryusuke sy i Kohei.

Niasa tao amin’ny kompania iray mpanao fanorenana tany Tokyo i Seikichi, koa taorian’ny nivadianay, dia nipetraka tao amin’ny iray amin’ireo faritanàna manamorona an’i Tokyo izahay. Tamin’ny Oktobra 1967, dia nisy tovovavy iray nitsidika ahy, ary nampahafantatra ny tenany ho mpampianatra Baiboly. “Tsia, misaotra, fa manana ny Baiboliko manokana aho”, hoy aho.

“Azoko jerena ve ilay Baiboly?”, hoy izy nanontany.

Nalaiko avy teo ambonin’ny talantalana fitoeram-bokinay ilay Baiboly — an’i Seikichi izy io — ary nasehoko azy. Nasehony ahy avy tao ny anaran’i Jehovah. Mbola tsy fantatro mihitsy hoe izany no anaran’Andriamanitra. Rehefa nahamarika ireo zanako kely roa ilay vehivavy, dia namaky tamiko avy tao amin’ilay Baiboly nanao hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6). Raha ny marina, dia efa nanontany tena ny amin’ny fomba hitaizako amim-pahombiazana ny zanako aho. Koa naniry hianatra Baiboly avy hatrany àry aho.

Nampandrosoiko ilay vehivavy, ary nanomboka resadresaka avy tao amin’ilay bokikely hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, izahay. Hoy aho anakampo: ‘Tena hahafinaritra tokoa raha ho afaka hankafy fiainana mahasambatra ny fianakavianay!’ Rehefa nody i Seikichi, dia hoy aho: “Te hianatra Baiboly aho.”

“Malala a, tsy mila fahalalana be toy izany ange ianao e!’, hoy izy. “Izaho no hanampy anao amin’izay rehetra tianao ho fantatra.” Na izany aza, dia nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, isan-kerinandro, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’izy ireo.

Fanombohan’ny fisedrana anay

Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly aho tamin’iny alin’ny Aprily 1969 iny, araka ny voalaza etsy ambony, dia taitra mafy nahalala fa tao amin’ilay taxi koa ny naman’i Seikichi iray, vadin’ilay vehivavy nametrahako ny zanako, fony nitranga ilay voina. Maty ilay naman’ny vadiko, herinandro tatỳ aoriana.

Tamin’iny alina iny, dia nilaza tamiko ny mpiasan’ny hopitaly mba hifandray tamin’izay olona noheveriko fa tokony hahita an’i Seikichi, satria tsy nantenaina ho velona izy. Nisy tapaka teo am-pototry ny karandohany ary nisy mangana ny atidohany. Nidodododo nankany amin’ilay hopitaly ny havana avy tao amin’ny faritr’i Kobe, ny ampitso.

Nisy feo nandodona, tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peon’ny hopitaly, nanao hoe: “Iangaviana ny havan’i Seikichi Ogawa rehetra mba hankany aminy avy hatrany.” Niolomay nankany amin’ilay toerana fikarakarana manokana ny marary mafy izahay, ary nifandimby nanao veloma azy. Naharitra iray volana ngarangidina anefa ny toe-pahasalamany ratsy dia ratsy. Notondroin’ny fizahana farany fa haharitra lava be izany toe-pahasalamany izany.

Koa nafindra avy tany Tokyo nankany Kobe àry i Seikichi, eo amin’ny 650 kilaometatra eo ho eo, tamin’ny alalan’ny fiara mpitondra marary. Hitako ny nitondrana azy, ary nitodi-doha nody aho nandeha lamasinina haingam-pandeha, ary nivavaka mba tsy ho faty izy. Ny harivan’iny, dia dibo-kafaliana aho rehefa nahita azy mbola velona tao amin’ny hopitaly iray tany Kobe, Nibitsibitsika taminy aho hoe: ‘Malala ô, tsy maty tokoa ianao!’

Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko

Niverina tato an-tranon-dray aman-dreniko eto Sanda aho, niaraka tamin’ireo zanako, ary teto izy ireo no nanomboka nankany amin’ny akanin-jaza. Nividy tapakilan-damasinina izay nanan-kery nandritra ny fotoana lava aho handehanana hankany Kobe, any amin’ny 40 kilaometatra eo ho eo, ary nifandimby nivezivezy nankany amin’ny hopitaly isan’andro izaho sy ny rafozam-baviko, nandritra ny taona nanaraka. Nanontany tena aho hoe: ‘Hahatsiaro tena ve i Seikichi anio? Inona no zavatra voalohany holazainy amiko? Inona no tokony havaliko?’ Nieritreritra koa aho, indrindra fa rehefa nahita fianakaviana falifaly, hoe: ‘Raha mba sitrana mantsy i Seikichi, dia ho finaritra ireo zanakay.’ Nipotrapotraka ny ranomasoko.

Tamin’ireny taona tany am-boalohany ireny, rehefa namaky tao amin’ny gazety aho fa nisy olona nahatsiaro tena indray rehefa avy torana nandritra ny volana maro, dia nieritreritra aho hoe mety hifoha koa i Seikichi. Koa indray mandeha àry, dia hoy aho tamin’ny zaodahiko: “Tiako hoentina any amin’ny hopitaly any avaratratsinanan’i Honshu izy.” Nilaza tamiko anefa izy fa tsy nisy fanafany ny toe-javatra, ary nanoro hevitra ahy mba hampiasa ny tahirim-bolanay ho an’ny mpianakavy hafa.

Nisy loholona kristianina iray, tao amin’ny iray tamin’ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Kobe, nonina teo akaikin’ny hopitaly. Nankao an-tranony aho talohan’ny handehanana hitsidika an’i Seikichi. Nitarika fampianarana Baiboly tamiko indray mandeha isan-kerinandro, ny vadiny. Ary tonga tao amin’ny efitrano nisy anay tao amin’ny hopitaly ny zanany roa mba hanatitra cassette nandraisam-peo ny fivorian’ny kôngregasiônany. Nahazo fampaherezana sy fampiononana be dia be avy tamin’io fianakaviana io aho.

Tohanan’ny fanantenana

Nitsidika anay tao amin’ny hopitaly ny Vavolombelon’i Jehovah iray, mpiandraikitra mpitety faritany, indray andro, ary namaky ny Romana 8:18-25 tamiko. Izao no lazain’izy io, amin’ny ampahany: “Ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. (...) Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; (...) ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany? Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.”

Ny firesahana ny amin’ny fanantenana kristianina ananantsika dia nampahatsiahy ahy fa kely ny fijaliana amin’izao fotoana izao, raha oharina amin’ny fifaliana ampanantenain’i Jesosy: ny fiainana ao amin’ilay tany zary paradisa ho avy. (Lioka 23:43, NW ). Nanampy ahy hiatrika tamim-panantenana ny zava-nisy tamin’izay fotoana izay ilay resadresaka, sy hifantoka tamin’ny zavatra hisy amin’ny hoavy, dia ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao. — 2 Korintiana 4:17, 18; Apokalypsy 21:3, 4.

Tamin’ny Jona 1970, dia nafindra tao amin’ny hopitaly iray eto Sanda, izay ipetrahako miaraka amin’ny ray aman-dreniko, i Seikichi. Ny volana Janoary taorian’izay, dia naharay ny taratasy nataon’ny mpisolovavanay aho. Nambaran’io taratasy io fa tsy afa-miasa intsony ny vadiko noho ilay voina. Tena nalahelo be aho, ary tsy tanako ny ranomasoko. Nilaza tamiko matetika ny rafozam-baviko hoe: “Malahelo aho mahita anao mizaka ny mafy noho ny amin’ny zanako lahy, ry Michiko.” Hoy koa izy hoe: “Aleoko izaho no iharan’izao, fa tsy i Seikichi.” Niara-nitomany izahay mianaka.

Nampirisika ahy hitady asa manontolo andro ny raiko, nefa tapa-kevitra ny hikarakara an’i Seikichi aho. Na dia toa tsy nahatsiaro tena aza mantsy izy, dia nanao fihetsika ho setrin’ny fahatsapany mafana sy mangatsiaka, ary nisy vokany teo aminy ny fomba nikarakarana azy. Nirin’i Dada ny hanambadiako indray, nefa takatro fa tsy nety ny hanaovako izany, satria mbola velona ny vadiko. (Romana 7:2). Taorian’izany, rehefa nisotro toaka i Dada, dia nilaza hoe: “Rehefa maty aho, dia halaiko i Seikichi.”

Faly be mihitsy aho rehefa nisy kôngregasiôna niforona teto Sanda tamin’ny 1971. Tamin’ny 28 Jolay 1973 àry, dia afaka nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano aho, nandritra ny fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao Osaka Expo Grounds.

Tatỳ aoriana, tamin’ny 1973, dia narary mafy i Kohei, zanako lahy, noho ny firehetan’ny voa, ka naiditra hopitaly nandritra ny dimy volana. Tany amin’ny hopitaly koa ny raiko noho ny tioberkilaozy. Koa tamin’ny 1 Janoary 1974 àry, dia tany amin’ny hopitaly telo samy hafa no nitsidihako an-draiko sy ny vadiko ary ny zanako. Isaky ny alahady, rehefa nandeha nitsidika an’i Kohei niaraka tamin’i Ryusuke, lahimatoako aho, dia niara-nianatra ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe tamin’izy roa lahy. Avy eo, dia nanatrika fivoriana iray tany Kobe izahay sy i Ryusuke, ary nody faly am-po.

Velom-pankasitrahana foana an’ireo izay nanampy teo amin’ny fikarakarana an’i Seikichi, aho. Tapa-kevitra ny hizara fahalalana ara-baiboly tamin’izy ireo aho. Taorian’ny namoizan’ny vehivavy iray mpikarakara marary ny rahavaviny noho ny hain-trano, dia nanana fihetsika tsara izy rehefa nasehoko azy ilay fanantenana lehibe ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty, izay nampanantenaina ao amin’ny Baiboly. (Joba 14:13-15; Jaona 5:28, 29). Natomboka ny fampianarana Baiboly azy tany amin’ny hopitaly, ary vita batisa izy tatỳ aoriana, tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 1978.

Ny zanako, loharanom-pifaliana

Zava-tsarotra ny fitaizan-janaka tsy nisy ny fanampian’ny vadiko, nefa novalian-tsoa toy inona moa izany! Nampianariko fahalalam-pomba sy fiahiana ny fihetseham-pon’ny hafa izy ireo. Fony i Ryusuke vao telo taona monja, dia niala tsiny izy rehefa tsy nitondra tena tsara, ka nilaza hoe: “Aza fady, Mama a!” Somary mpikomy i Kohei, ary nanao an-dolompo indraindray rehefa niezaka nanitsy azy aho. Nitsinkasina teo amin’ny tany mihitsy izy indray mandeha, sady nitomany teo anoloan’ny mpivarotra iray rehefa ta hahazo zavatra. Nanjohy hevitra niaraka taminy anefa aho, ka nampiseho fitiavana sy faharetana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga zazalahy mpankato sy tsara fanahy izy. Nanampy ahy izany hiaiky fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. — 2 Timoty 3:15-17.

Rehefa niditra teny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra i Ryusuke, dia nohazavainy tamin’ireo mpampianatra ny antony tsy nanekeny hanao fanazaran-tena tamin’ny arts martiaux. (Isaia 2:4). Indray andro, dia dibo-kafaliana izy rehefa nody avy nianatra, satria nahavaly ny fanontanian’ny mpampianatra maromaro izy, tao amin’ny fivoriana iray niarahany tamin’izy ireo.

Tena nanampy an’ireo zanako ny fifaneraserana nahasoa tao amin’ny kôngregasiôna. Matetika ireo loholona kristianina no nanasa azy ireo hisakafo hariva, ary nampiditra azy ireo tao amin’ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly, ary koa tao amin’ny fialam-boly nataon’izy ireo. Nisy fahafahana niara-nikorana nahafinaritra koa, anisan’izany ny fandraisana anjara tamin’ny fanatanjahan-tena samihafa. Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano i Ryusuke tamin’ny 1979, ary vita batisa i Kohei ny taona nanaraka.

Ny fanompoanay manontolo andro

Indray mandeha, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia nilaza taminy aho fa te ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro. Koa satria tsy ho fahendrena ny nanaovana io dingana io tamin’izay fotoana izay, noho ny tarehin-javatra nisy ahy, dia nampahatsiahy ahy tamin-katsaram-panahy izy fa nila nitaiza ny zanako aho mba hiorenan’izy ireo mafy tao amin’ny fahamarinana ara-baiboly. “Ny zava-dehibe”, hoy izy, “dia ny hananana toe-tsain’ny mpisava lalana.” Koa nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy àry aho, ka nandray anjara tamin’izany niaraka tamin’ireo zanako nandritra ny fialan-tsasatry ny sekoly. Nanampy ahy be dia be hihazona fifaliana sy fiadanan-tsaina io asa io, sady nikarakara an’i Seikichi.

Tamin’ny farany, tamin’ny Septambra 1979, dia afaka nanatevin-daharana ny mpisava lalana maharitra aho. Tamin’ny May 1984, herintaona teo ho eo taorian’ny nahazoan’i Ryusuke diplaoma tany amin’ny lise, dia nirotsaka tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana koa izy. Nanao toa azy koa i Kohei tamin’ny Septambra 1984. Araka izany, dia nankafy io endri-panompoana manontolo andro io izahay telo mianaka. Rehefa manao jery todika ireo 20 taona nanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana, izay fotoana nananako tombontsoa nanampy olona maromaro hanompo an’i Jehovah aho, dia tsapako fa nanohana ahy hamakivaky ireo fisedrana ahy io asa io.

Nanolo-tena hanao asa fanorenana trano iray ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nifanila tamin’ny Efitrano Fivoriamben’i Kansai, i Ryusuke. Tatỳ aoriana, dia nikojakoja ny Efitrano Fivoriamben’i Hyogo izy, nandritra ny fito taona. Loholona kristianina ao amin’ny kôngregasiôna iray any Kobe izy ankehitriny, ary miahy ahy. Nanomboka tamin’ny 1985, dia mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Ebina i Kohei.

Tohanan’ny fitahiana maro

Nandritra ny taona maro, dia nankany amin’ny hopitaly imbetsaka isan-kerinandro aho mba hitsidika an’i Seikichi, sy hampandro azy. Ny fikarakarako dia fanampin’izay nataon’ny mpikarakara marary iray tsy tapaka. Tamin’ny Septambra 1996, taorian’ny 27 taona lany tany amin’ny hopitaly, dia nody i Seikichi mba hiara-mipetraka aminay, ary nahazo ny fanampian’ny mpikarakara marary iray. Afaka mitelina ranon-tsakafo amin’ny alalan’ny fantsona miditra eo amin’ny orony izy. Na dia mbola mikimpy foana aza ny masony, dia manao fihetsika kely izy ho setrin’izay lazainay aminy. Mankarary ny foko ny mahita an’i Seikichi amin’izao toe-pahasalamany izao, nefa manohana ahy ny fanantenana lehibe ny amin’ny hoavy.

Taloha kelin’ny nodian’i Seikichi, dia nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, aho, ka dimy mianaka izahay no nonina tato an-tranonay somary kely, nandritra ny herintaona. Tsy nieritreritra ny ho afaka hiara-miaina amin’i Seikichi indray intsony aho, ary misaotra an’i Jehovah aho noho izany. Nandritra ny taona maro mantsy, dia naniry mafy ny hisokafan’ny mason’i Seikichi aho. Ankehitriny anefa, dia maniry fotsiny ny hitrangan’izay sitrapon’i Jehovah aho.

Afaka milaza marina aho hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22). Na dia fohy aza ny fiainana nahasambatra niarahana tamin’i Seikichi tomady, dia sambatra aho manana zanaka roa lahy izay ‘nahatsiaro ny Mpamorona antsika Lehibe’. Tena velom-pankasitrahana aho noho izany! — Mpitoriteny 12:1, NW.

Etsy an-danin’izany, dia ho tiako ny sady hanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana sy ny hanampy ny hafa hahita “ny tena fiainana”, no hikarakara amim-pitiavana an’i Seikichi. (1 Timoty 6:19). Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy ny fahamarinan’ny tenin’ny mpanao salamo manao hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.

[Sary, pejy 21]

Izahay mivady miaraka amin’i Ryusuke

[Sary, pejy 21]

Seikichi miaraka amin’ny zanakay roa lahy, enim-bolana talohan’ilay voina

[Sary, pejy 23]

Sambatra izahay manana zanaka roa lahy, i Ryusuke sy i Kohei (ambony), izay ‘nahatsiaro ny Mpamorona antsika Lehibe’