Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanalavirako ny Loza ao Amin’ny Internet?

Ahoana no Hanalavirako ny Loza ao Amin’ny Internet?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Ahoana no Hanalavirako ny Loza ao Amin’ny Internet?

ALAO sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny tranomboky lehibe indrindra eran-tany. Manodidina anao dia misy boky, gazety, lisitra feno, sary ary zavatra voarakitra an-tsoratra sy noraisim-peo isan-karazany — mahakasika efa ho ny foto-kevitra rehetra mihitsy. Eo am-pelatananao ny fanazavana farany indrindra rehetra, ary koa ny ankamaroan’ny zavatra vita an-tsoratra tamin’ireo taonjato faramparany.

Afaka mametraka ny fanazavana toy izany eo am-pelatananao ny Internet. Noho izy io, ny olona iray dia afaka mipetraka eo anoloan’ny ôrdinaterany sy mifanakalo fanazavana amin’ny ôrdinatera hafa sy amin’ny mpampiasa ôrdinatera hafa, na aiza na aiza eto an-tany. * Izy io dia ahafahan’ny mpampiasa azy mivarotra, mividy, manao fandraharahana amin’ny banky, miresadresaka, mihaino ny mozika noraisim-peo farany indrindra — izany rehetra izany dia ao an-tranony mitokana ao.

Tsy mahagaga firy àry raha misy manam-pahaizana manokana milaza mialoha fa amin’ny faran’ity taona ity, dia efa hisy 320 tapitrisa mahery ny olona hampiasa Internet. Mihamanjary be mpampiasa, araka izany, ny Internet any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Koa satria misy sekoly sy tranomboky mampirisika mafy ny hampiasana azy io, dia tanora an-tapitrisany maro no efa mampiasa azy io. Any Etazonia, dia efa ho ny 65 isan-jaton’ny tanora eo anelanelan’ny 12 sy 19 taona no efa nampiasa, na nanao famandrihana tamina sampan-draharaha, tamin’ny alalan’ny Internet.

Raha ampiasaina araka ny mety ny Internet, dia afaka ny ho loharanom-panazavana mahasoa momba ny toetr’andro, ny fanaovana dia lavitra, ary ny foto-kevitra hafa. Amin’ny alalan’izy io dia afaka mividy boky, kojakoja fanolo amin’ny fiarakodia, ary zavatra hafa ianao. Maro no mampiasa azy io rehefa manao entimody.

Na dia mahasoa aza ny Internet, dia toa toy ny tranomboky iray tsy misy mpiandraikitra na mpanara-maso hafa koa izy io. Afaka mijerijery ny ao anatiny ny olona iray, amin’ny fahatsapana fa tsy misy na iza na iza manodidina. Izay anefa no iray amin’ireo loza lehibe indrindra entin’ny fampiasana Internet. Nahoana? Satria toerana tsy tambo isaina ao amin’ny Internet no mirakitra zavatra maloto amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sady manimba ara-panahy. Araka izany, dia afaka mitondra ny tanora kristianina ho amin’ny fakam-panahy ny Internet. Rehefa dinihina tokoa, dia voajanahary amin’ny olombelona ny fahalianana ta hahafanta-javatra — fironana izay nohararaotin’i Satana Devoly efa hatramin’ny ela. Nanararaotra ny fahalianan’i Eva ta hahafanta-javatra tokoa i Satana, ka ‘namitaka azy tamin’ny fihendreny’. — 2 Korintiana 11:3.

Mitovy amin’izany koa fa mety ho voafitaka mora foana amin’ny alalan’ny fanazavana tsy mahasoa ny tanora kristianina iray, raha tsy tapa-kevitra ny hiaro ny fahasalamany ara-panahy. Nanazava toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny Better Homes and Gardens: “Ny Internet dia sehatra asa iray feno fihetsiketsehana izay misy mpisava lalana mahira-tsaina mivarotra ny fanazavana farany indrindra; nefa mba miriorio ao amin’ireo toerana ao amin’ny Internet koa ny mpanao firaisana amin’ankizy, ny mpisoloky, ny mpiziriziry amin’ny heviny ary ny olona hafa mahasosotra.”

Hoy ny tanora iray antsoina hoe Javier: * “Manafintohina ny toerana sasany ao amin’ny Internet. Afaka miseho tampoka tsy nandefa fampilazana akory izy ireny.” Hoy koa izy: “Miezaka mamandrika anao izy ireny. Te hitaona anao izy ireny, mba hahazoana ny volanao.” Miaiky toy izao ny tanora kristianina iray antsoina hoe John: “Raha vao manomboka mijery fandaharana ratsy ianao, dia sarotra ny mitsahatra tsy mijery azy io — manandevo aoka izany izy io.” Efa nisy tanora kristianina nijery matetika toerana tsy mahasoa ao amin’ny Internet, ary izany dia nitarika azy ireo ho amin’ny olana lehibe kokoa. Ny sasany aza nanimba mihitsy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Ahoana no azo analavirana izany?

“Fijerena izay zavatra tsy mendrika”

Indraindray dia ny adiresin’ny toerana iray ao amin’ny Internet mihitsy no manondro mazava fa mirakitra zavatra ratsy ilay izy. * Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 22:3: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”

Ny olana fahita kokoa anefa dia izao: mety ho kisendrasendra fotsiny no mahatonga ny olona ho tojo toerana ratsy iray. Ny pejy voalohany dia mety hisy sary marevaka, natao tamim-pitandremana hitaomana anao hizaha ilay toerana — sy hamerimberina hizaha azy io! *

Milazalaza izay nitranga tamin’ny namany iray i Kevin: “Nanam-potoana nalalaka izy, sady liana ta hahafanta-javatra. Tsy ela dia nanjary mpijery sary vetaveta izy.” Soa ihany fa nanatona loholona iray io tanora kristianina io, ary nahazo fanampiana.

Moa ve ianao efa nanapa-kevitra ny amin’izay hataonao raha tojo toerana toy izany? Mazava ny tokony hataon’ny Kristianina iray: Mialà avy hatrany amin’ilay toerana — na akatòny mihitsy ilay Internet! Manaova toa an’ilay mpanao salamo izay nivavaka hoe: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana”. (Salamo 119:37; ampitahao amin’ny Joba 31:1.) Tadidio fa na dia tsy misy olona hafa manara-maso antsika aza, dia tsy hoe tsy misy mandinika isika. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa ny zavatra rehetra dia “aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika”. — Hebreo 4:13.

Afaka manatanjaka ny fahatapahan-kevitrao tsy hamerina hitsidika toerana tsy mahasoa ny firesahana amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra hafa. Rehefa dinihina tokoa, raha latsaka ao anaty fasi-polaka ianao, moa ve ianao hitolona mandra-pilentikao hatreo an-tenda vao hiantso vonjy?

Ahoana ny amin’ny fifaneraserana amin’ny alalan’ny Internet?

Ahafahan’ny mpampiasa Internet avy amin’ny faritra rehetra eran-tany mifampiresaka eo no ho eo ny fandaharana ahafahana mifampiresaka. Misy mpandraharaha mampiasa azy io hanaovana zaikabe amin’ny alalan’ny Internet sy mba hanomezana izay ilain’ny mpanjifa. Ahafahan’ny mpampiasa azy mampahafantatra fanazavana momba ny raharaha teknika, toy ny fanamboarana ny simba amin’ny fiara, na ny famoronana programan’ôrdinatera, ny fandaharana ahafahana mifampiresaka. Misy sasany amin’izy ireny ahafahan’ny mpinamana sy ny mpianakavy mifampiresaka manokana, nefa tsy handany vola amin’ny antso an-telefaonina lavitra be. Na dia mety hisy antony ara-dalàna ampiasana io fomba fampitam-baovao io aza, misy loza ve amin’izany?

Tena ilaina ny mitandrina raha ny mahakasika ny fandaharana ahafahan’ny besinimaro mifampiresaka, satria misy loza sasantsasany amin’izany. Nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra atao hoe Leah Rozen: “Misy zatovo mahay teknôlôjia mandany ora maro iresahana amin’ny alalan’ny Internet amin’olon-tsy fantatra tsy mitonona anarana manerana ilay firenena, ary maneran-tany mihitsy aza. Mampalahelo fa ny sasany tamin’ireny olon-tsy fantatra mety ho niresahan’ny zatovo ireny, dia hita koa fa olon-dehibe vetaveta, izay nitady hifanao fotoana mba hanaovana firaisana tamin’ankizy.” Nampitandrina ny lahatsoratra iray tao amin’ny Popular Mechanics fa “tsy maintsy mitandrina mafy dia mafy ianao”, rehefa mampiasa fandaharana ahafahan’ny besinimaro mifampiresaka. Mety ho fitadiavana olana lehibe ny fanomezana ny anaranao na ny adiresinao ho an’olon-tsy fantatra! Nahoana no mitono tena amin’izany loza izany?

Misy loza iray an-kolaka kokoa anefa, dia ny ho voafandriky ny fifaneraserana tsy araka ny tokony ho izy amin’olon-tsy fantatra, izay tsy manaja ny foto-pitsipika ara-baiboly. * Misy mpikaroka milaza fa mifantoka amin’ny raharaha momba ny maha lahy sy ny maha vavy ny ankabeazan’ny resaka ifanaovan’ny zatovo ao amin’ny fandaharana ahafahana mifampiresaka. Mety àry ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny 1 Korintiana 15:33, manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” Mampidi-doza ny fikambanana amin’ny ratsy amin’ny alalan’ny ôrdinatera. Tokony tsy hitandrina ve ny tanora iray matahotra an’Andriamanitra, ka hitono tena amin’ny loza toy izany?

Fiarovana

Rehefa heverina ny loza entin’ny Internet, dia tsy maintsy mitandrina ny tena rehefa mampiasa azy io. Ny fianakaviana sasany, ohatra, dia mametraka ilay ôrdinatera ao amin’ny faritra ivezivezen’ny olona, toy ny efitra fandraisam-bahiny. Mety hametra fitsipika koa izy ireo mba tsy hampiasana ny Internet raha tsy rehefa ao an-trano ny hafa. Miaraha miasa amin’ny ray aman-dreninao, raha manisy fameperana toy izany izy ireo. (Ohabolana 1:8). Porofon’ny fitiavany ny tari-dalana mazava.

Raha mitaky ny hampiasanao ny Internet ny entimodinao, nahoana moa raha manamarika ny habetsahan’ny fotoana laninao eo? Mandraisa fanapahan-kevitra mialoha ny amin’ny fotoana holaninao, ka mampiasà fanairan’ny famantaranandro mba hampahatsiahy anao rehefa tapitra ilay fotoana. Izao no fanoloran-kevitr’i Tom: “Miomàna mialoha, fantaro tsara izay tadiavinao, ary aza miala amin’izany — na mahaliana toy inona aza ny zavatra hafa.”

Ilaina koa ny mitandrina raha ny mahakasika ny fampiasana E-mail. Tokony hitandrina ny tanora kristianina mba tsy ho variana be amin’ny famakiana E-mail be dia be, indrindra raha poaka aty na tsy marim-pototra ny ankamaroan’ireo fanazavana. Ny fampiasana E-mail tafahoatra dia mandany ny fotoana sarobidy ilaina hanaovana entimody sy hanaovan-javatra ara-panahy.

Nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12). Azo ampiharina tsara amin’ny Internet ireo teny ireo. Aza dia mamela ny tenanao ho revo be amin’ny fikarohana zava-misy sy sary, ka hanao tsirambina ny fianarana manokana ny Baiboly sy ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana kristianina. (Matio 24:14; Jaona 17:3; Efesiana 5:15, 16). Tadidio koa fa na dia mety hanana ny anjara toerany aza ny firesahana amin’ny alalan’ny ôrdinatera, dia tsy misy mahasolo ny fihaonana mivantana amin’ny namana kristianina. Raha tena mila mampiasa ny Internet àry ianao, dia mandraisa fanapahan-kevitra hentitra mba hampiasa azy io amim-pahendrena. Halaviro ny toerana mampidi-doza ao amin’ny Internet, ary aza mandany fotoana be loatra amin’izy io. “Tandremo ny fonao”, ary aza manaiky ho tonga andevon’ny Internet na oviana na oviana. — Ohabolana 4:23.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Internet est-il pour vous?”, izay niseho tao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jolay 1997.

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 11 Ny adiresin’ny toerana ao amin’ny Internet dia ny litera maromaro izay ampiasaina mba hidirana ao amin’ilay toerana. Misy teny mampahafantatra ny zava-kendren’ilay toerana ny adiresy, indraindray.

^ feh. 12 Ny pejy voalohany dia toy ny varavarankely iray eo anoloana indrindra izay miseho eo amin’ny ôrdinatera. Izy io no manazava izay atolotr’ilay toerana, sy izay namorona azy, sy ny sisa.

^ feh. 19 Mety hisy ny loza toy izany ao amin’ny fandaharana ahafahan’ny besinimaro mifampiresaka, izay naorin’ny Kristianina tsara fikasa mikendry ny hidinika momba ny raharaha ara-panahy. Indraindray, dia nisy olon-tsy marina sy mpivadi-pinoana nandray anjara tamin’ireny dinika ireny, ary nanandrana tamin-kafetsena nandresy lahatra ny hafa mba hanaiky ny heviny tsy araka ny Soratra Masina.

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Manafintohina ny toerana sasany ao amin’ny Internet. Afaka miseho tampoka tsy nandefa fampilazana akory izy ireny”

[Sary, pejy 21]

Mametraka ny ôrdinaterany ao amin’ny faritra hitan’ny rehetra foana ny fianakaviana sasany