Fianakaviana Tsy Misy Ray — Famantarana ny Fotoana
Fianakaviana Tsy Misy Ray — Famantarana ny Fotoana
INONA no olana sosialy lehibe indrindra amin’izao andro izao, araka ny hevitrao? Efa ho ny 80 isan-jaton’ireo nanontaniana tamin’ny fanadihadiana Gallup, tany Etazonia, no mihevitra fa izany dia “ny tsy maha ao an-tokantrano ny raim-pianakaviana”. Araka ny voalazan’ilay fanadihadiana, dia ankizy 27 tapitrisa mahery, any Etazonia, no tsy miara-mipetraka amin’ny rainy niteraka azy, ary mihamitombo haingana io tarehimarika io. Ny tatitra iray nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza dia milaza momba ny 50 isan-jato eo ho eo amin’ny ankizy fotsy hoditra, teraka tany Etazonia nanomboka tamin’ny 1980, fa “hisy ampahany amin’ny fahazazany hiainany miaraka amin-dreniny fotsiny. Ho an’ny ankizy mainty hoditra, dia 80% eo ho eo izy ireo”. I Etazonia àry no nantsoin’ny USA Today hoe “ny loha laharana eran-tany amin’ny fananana fianakaviana tsy misy ray”.
Na izany aza, dia manamarika toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny The Atlantic Monthly: “Tsy ny fiaraha-monina amerikanina fotsiny akory no ahitana fitomboan’ny faharavan’ny fianakaviana. Miharihary saika any amin’ny firenena mandroso rehetra izy io, anisan’izany i Japon.” Ary na dia sarotra aza ny fahazoana antontan’isa momba izany, dia toa miatrika fotoan-tsarotra toy izany koa ny tany maro an-dalam-pandrosoana. Araka ny voalazan’ny gazetiboky World Watch, dia “matetika ny lehilahy [any amin’ny tany mahantra] no mandao ny vady aman-janany noho ny fanerena ara-bola mihamitombo”. Ny fanadihadiana iray tany amin’ny firenena iray any Caraïbes tokoa mantsy dia nampiharihary fa 22 isan-jato monja tamin’ny raim-pianakaviana nanan-janaka valo taona no tena niara-nipetraka tamin’ireo zanany.
Fahita ny ankizy tsy manan-dray, na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza. (Deoteronomia 27:19; Salamo 94:6). Tamin’izany fotoana izany anefa, dia ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana no antony lehibe nahatonga ireo ankizy tsy hanan-dray. “Amin’izao andro izao”, hoy ilay mpanoratra atao hoe David Blankenhorn, “dia ny safidin’ilay raim-pianakaviana no antony lehibe indrindra mahatonga ny tsy fananan-dray.” Araka ny ho hitantsika tokoa, ny fitomboan’isan’ny ankizy tsy manan-dray dia porofo fa olona maro amin’izao andro izao no tsy manana “firaiketam-po voajanahary”. Araka ny voalazan’ny Baiboly, izany dia porofo iray monja fanampiny mampiseho fa miaina ao amin’ny “andro farany” isika. — 2 Timoty 3:1-3, NW.
Ho an’ny ankizy madinika anefa, ny fanjavonan’ny raim-pianakaviana iray teo amin’ny fiainan’izy ireo dia loza iray mahakasika azy manokana. Izy io no fanombohan’ny fijaliana sy alahelo miverimberina, izay misy vokany maharitra. Noho izany, ato amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity, dia handinika io fiverimberenan-javatra io isika, tsy hoe mba hanakiviana ny mpamaky akory, fa mba hanomezana fanazavana, izay afaka manampy fianakaviana maro hampitsahatra io fironana mandrava io.