Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany

Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany

Fianakaviana Tsy Misy Ray — Fisakanana ny Hiverenan’izany

RAHA mitohy izao, tsy ho ela dia ho lasa fenitra ny fianakaviana tsy misy ray. Milaza toy izao ny tatitra iray nataon’ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Fahasalamana sy ny Asa Fanampiana: “Mazàna ny ankizy notezain-dray na reny irery no mahazo naoty ambany kokoa, maditra kokoa, ary manana taha ambony kokoa amin’ny aretina mitaiza sy ny fikorontanan-tsaina. (...) Ny hoe tezaina ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy reny dia misy fifandraisana amin’ny fitomboan’ny mety hahabevohoka raha mbola zatovo, sy ny fialana amin’ny fianarana rehefa eny amin’ny lise, [ary] ny fampidirana am-ponja.”

Tsy mahagaga firy àry raha mitady mafy fomba hampitsaharana io fironana mandrava io ny mpahay siansa sosialy, ny mpanolo-tsaina momba ny fianakaviana, ny mpanabe ary na dia ny mpanao politika aza. Nisy fivoriana lehibe fanentanana lehilahy, natao mba hanairana rehareha noho ny fananan-janaka sy hanamafisana ny adidy neken’ny lehilahy hatao amin’ny fianakaviany. Tondraka ny boky navoaka sy namidy, momba ny fananan’ny lehilahy zanaka. Nisy ezaka natao mihitsy aza mba hanerena raim-pianakaviana hiantsoroka ny andraikiny. Tany Etazonia, ny “ray mpandositra adidy” dia nahazo sazy mafy avy tamin’ny mpitsara, levilevy avy tamin’ny olo-malaza nadinadinina tao amin’ny fandaharan’ny televiziona, ary nalana baraka teo amin’ny tany ama-monina mihitsy aza. Vokany kely dia kely ihany anefa no nentin’izany ezaka izany.

Vahaolana maimaika

Mety hiteraka vokany mampiahiahy toy izany koa ny vahaolana maimaika. Ohatra, mety ho maimaika hanambady ny vehivavy iray nisara-panambadiana, amin’ny fanantenana ny hanome ray vaovao ho an-janany. Na dia mety hanana ny lafy tsarany aza ny fanambadiana indray, dia misy olana ihany. Tsy manaiky ny handray olon-kafa ho rainy ny ankizy indraindray, tsy manaiky hatramin’ny farany mihitsy indraindray. Nahariharin’ny fandinihana iray fa “efa ho ny androatokon’ny vehivavy niara-nipetraka tamin-draikely na renikely no nandao ny tokantrano talohan’ny faha-19 taonany (...), fa 50% kosa ny vehivavy avy tamin’ny tokantrano tsy rava”. Na dia ao amin’ny fianakaviana vanona misy raikely na renikely aza, dia an-taonany maro indraindray vao raisin’ireo ankizy ny raikely iray. *

Toy izany koa fa tsy misy vahaolana maimaika ho an’ny zava-manahirana momba ny zatovovavy bevohoka. Ny fanalana zaza, ohatra, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra ary mitaky ny hanakatonan’ny tovovavy iray ny varavaran’ny fangoraham-pony amin’ilay aina bitika torontoronina ao an-kibony. (Eksodosy 20:13; 21:22, 23; Salamo 139:14-16; ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:17.) Ahoana moa no tsy hamelan’izany holatra ara-pihetseham-po? Heverin’ny maro ho vahaolana mampiseho fangoraham-po kokoa ny fanomezana ilay zaza hatsangan’ny hafa, nefa izany koa dia mamela holatra ara-pihetseham-po — ao amin’ilay reny sy ao amin’ilay zanaka.

Tsia, tsy hisakana ny hisian’ny fianakaviana tsy misy ray indray ny vahaolana maimaika. Tsy hitsahatra izao fironana mahakasika ny fianakaviana izao, raha tsy vonona hanao fanovana lalina eo amin’ny fisainany sy ny fihetsiny ary ny fitondran-tenany ny olona. Zavatra lehibe kokoa noho ny kabary mipoapoaka sy ny psikôlôjia be mpanaraka no ilaina, raha tiana ho voatosika hanao izany fiovana be dia be izany ny olona. Ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, no ahitana io “zavatra lehibe kokoa” io. Rehefa dinihina tokoa, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fianakaviana. (Efesiana 3:14, 15). Izy no mahalala tsara kokoa mihoatra noho ny olona hafa rehetra izay zavatra ilain’ny ankizy.

Manampy fianakaviana hiatrika olana ny foto-pitsipiky ny Baiboly

Tena afaka manampy zanaka tsy manana ray na reny tokoa ve anefa ny Baiboly? Moa ve tsy fahavoazana tsy azo arenina ny mahazo azy ireo? Tsia. Teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity, dia nanonona teny avy tao amin’ny tatitra iray nataon’ny governemanta amerikanina izahay. Nitanisa ny maro amin’ireo loza mety hatrehin’ireny ankizy ireny io tatitra io. Na teo aza anefa ny teny fampitandremana, dia nanatsoaka hevitra toy izao ilay tatitra: “Na dia misy porofo tsy miovaova aza milaza fa mety hisy loza lehibe kokoa, dia asehon’ny fikarohana koa fa mitombo ara-dalàna ihany ny ankamaroan’ny ankizy ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny.” Eny, azo foanana na, fara fahakeliny, ahena ho faran’izay kely, ny vokatra entin’ny tsy fananana ray. Izany indrindra no izy raha ampiharina eo amin’ny fitaizan-janaka ny foto-pitsipiky ny Baiboly.

Mitaky asa mafy avy amin’ilay ray na reny mitaiza irery ny zanany izany — fahatsinjovan-javatra mety ho toa hahakivy amin’ny voalohany. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany anefa ianao, dia afaka mianatra miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba feno. (Ohabolana 3:1, 2). Niatrika toe-javatra nampahory, toy ny famoizana vady, ny vehivavy kristianina sasany tamin’ny andron’ny Baiboly. Mahakasika azy ireny, dia hoy ny Baiboly: “Izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’Andriamanitra ka maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina.” (1 Timoty 5:5). Tadidio fa niantso ny tenany hoe “rain’ny zazalahy tsy manan-dray” i Jehovah. (Salamo 68:5, NW ). Afaka mahazo antoka ianao fa hanohana vehivavy matahotra an’Andriamanitra amin’ny ezaka ataony mba hitaizan-janaka Andriamanitra.

Fomba iray tena lehibe mba hanampiana zanaka hitombo ho olon-dehibe mahay mandanjalanja sy matotra, ny fitarihana fampianarana Baiboly tsy tapaka ao an-tokantrano amin’izy ireo. (Deoteronomia 6:6-9). Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia misy ray sy reny maro mitaiza irery ny zanany, mampiasa zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly izay nomanina manokana ho an’ny tanora, toy ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. * Manampy tanora maro hanana fari-pitsipika ara-pitondran-tena izay afaka manampy azy ireo hanalavitra ny fanaovana ny fahadisoana nataon’ny ray aman-dreniny ny fanazavana ao anatin’ireny boky ireny. Arakaraka ny ahafantaran’ny ankizy an’i Jehovah Andriamanitra no ahafahany manomboka mahatakatra fa manana Ray any an-danitra izay miahy lalina azy izy ireo. (Salamo 27:10). Mahatonga azy ireo ho afaka hiatrika fahatsapana ho nafoy izany. Izao no tsaroan’ny ankizivavy britanika izay nandia ny fisarahan’ny ray aman-dreniny: “Tao anatin’izany rehetra izany, dia nandentika tsikelikely tao amiko ny ilana hivavaka sy hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah i Neny. Izany no nahafahanay nandresy.”

Fihazonana ny fatorana eo amin’ny ray na reny sy ny zanaka

Hazavain’ny Baiboly mazava fa tsy maintsy manaja ny reniny sy ny rainy ny zanaka. (Eksodosy 20:12). Tsy manapaka ny fatorana eo amin’ny ray sy ny zanaka ny fisaraham-panambadiana. Na dia mety hoe tsy hipetraka intsony ao an-tokantrano aza ilay lehilahy vady taloha, dia mbola afaka mandray soa avy amin’ny fananana fifandraisana mafana aminy ihany ny zanaka. * Ny olana dia mety ho tezitra aminy sy ho sosotra noho ny fidirany ao amin’ny fiainan’ireo ankizy ilay reny. Ahoana no hiatrehan’ilay reny izany fihetseham-po izany?

Manome torohevitra tsara ny Baiboly rehefa mampitandrina toy izao: “Aoka tsy hamporisika anao [hanao zavatra] ratsy ny fahatezerana (...) Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy”. (Joba 36:18-21). Marina aloha fa tsy mora ny miresaka amin-katsaram-panahy amin’olona nandratra ny fonao na nandao anao. Manontania tena anefa hoe: ‘Afaka mianatra ny hatoky lehilahy iray ve ny ankizivavy iray raha toa ka ilazana tsy an-kijanona izy fa tena ratsy toetra ny rainy? Afaka mampitombo toetra tsy miovaova sy toetran-dehilahy ve ny ankizilahy iray raha levilevena izy amin’ny filazana aminy hoe: “Tsy misy hafa amin-drainao ianao”? Afaka manana fomba fijery tsara ny fahefana ve ny zanaka raha ampianarina hanamavo ny rainy izy ireo na ampirisihina tsy hitsidika azy mihitsy?’ Mazava fa misy voka-dratsiny ny fanimbana tsikelikely ny fifandraisan’ny zanakao amin-drainy.

Mety hahagaga anao ny mahalala fa tsy manameloka ny fahatezerana ara-drariny ny Baiboly. “Tezera, fa aza manota”, hoy ny Baiboly. (Efesiana 4:26). Tsy ny hoe tezitra akory no fahotana, fa ny hoe fehezin’ny ‘fahatezerana, ny fiafonafonana, ny lolompo, ary ny fitenenan-dratsy’. (Kolosiana 3:8). Koa halaviro àry ny ‘fandevilevena ny rain-janakao’ eo imason’ny zanakareo. Raha ilainao ny milaza ny fahadisoam-panantenanao, dia araho ny fanoloran-kevitry ny Baiboly mba hilaza ny “fanahiana mampitebiteby” anao, nefa amin’olon-kafa fa tsy amin’ny zanakao — angamba amin’ny namana atokisana. (Ohabolana 12:25, NW ). Miezaha hihazona fihetsika tsara ary halaviro ny mamisavisa ny lasa. (Mpitoriteny 7:10). Manampy be mba hampihenana ny fahatezeranao ny fanaovana izany.

Farany, dia tadidio fa mandidy ny zanaka hanaja ny rainy ny Baiboly — na dia tsy fakan-tahaka aza ny fitondran-tenan’ny rainy. (Efesiana 6:2, 3). Koa miezaha hanampy ny zanakao hihevitra ny fahalemen’ny rainy araka ny tena izy. Hoy ny tovovavy iray nihalehibe tao amin’ny tokantrano rava: “Tamin’ny fiheverako ny raiko tsy nisy fitsarana an-tendrony — ho toy ny olombelona mety hanao fahadisoana sy tsy lavorary — no nahafahako tsy ho sosotra taminy intsony tamin’ny farany.” Amin’ny fampirisihana ny zanakao hanaja ny rainy, dia manampy azy ireo hampitombo fomba fijery mahasoa ny fahefanao reny ianao!

Zava-dehibe koa ny tsy hanadinoanao fa ianao no reny ary izy ireo no zanaka. Mbola eo ambanin’ny ‘lalàn-dreniny’ ihany izy ireo. (Ohabolana 1:8). Mahatsapa ho vesarana adidy be loatra mantsy ny zanakalahy raha antenaina ny hahatongavany ho ny ‘lehilahy lehibe ao an-tokantrano’. Ny zanakavavy koa dia ho kivy raha voatery ho tonga olona famborahan-dreniny ny alahelony. Mila ny mahazo toky ny zanaka fa ianao, reniny, no hikarakara azy ireo — fa tsy ny mifamadika amin’izany. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:14.) Mahatonga azy ireo hahatsapa tsy fananana ahiahy ny fanomezan-toky toy izany, na dia tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra misy ao amin’ny fianakaviany.

Solon-dray

Ahoana raha tena tsy hita mihitsy ilay raim-pianakaviana? Misy manam-pahaizana manokana milaza fa afaka mandray soa avy amin’ny fifaneraserana amin-dehilahy ny zanaka. Na dia mahasoa ihany aza ny fahalianana amin-katsaram-panahy asehon’olona, dadatoa na mpiray tanàna, amin’ny zaza iray, dia avy amin’ny fifaneraserana amin-dehilahy ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina no tena andraisany soa. Nampanantena i Jesosy fa ho toy ny fianakaviana manohana ny kôngregasiôna. — Marka 10:29, 30.

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nitombo ka tonga olon’Andriamanitra niavaka ilay tanora antsoina hoe Timoty, nefa tsy nahazo fanohanan’ny ray mpino akory. Ny reniny sy ny renibeny be fitiavana no lazain’ny Baiboly fa tena nahatonga izany. (Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:1-5). Nandray soa avy tamin’ny fifaneraserany tamin’ny lehilahy kristianina iray — ny apostoly Paoly — koa anefa izy. Nantsoin’i Paoly hoe ‘zanany malalany sy mahatoky ao amin’ny Tompo’ i Timoty. (1 Korintiana 4:17). Toy izany koa amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia ampirisihina hanaraka ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hamangy ny kamboty sy ny mpitondratena’. (Jakoba 1:27). Ampirisihina mafy izy ireo mba ‘hamonjy ny [zazalahy tsy manan-dray, NW ]’ amin’ny fanehoana fiheverana avy amin’ny fo sy voalanjalanja amin’izy ireny. (Joba 29:12). Tsaroan’ny tovovavy iray antsoina hoe Annette ny fiheverana mahasoa nasehon’ny loholona kristianina iray taminy, fony izy mbola tanora. Hoy izy: “Izy no hany tena solon-dray mba nananako hatramin’izay.”

Fisakanana ny hiverenan’ilay izy

Afaka manampy mba hahombiazan’ny ankizy tsy manan-dray ny fanarahana ireo foto-pitsipika ireo. Na dia tsizarizary aza ny fahazazany, dia afaka ny ho tonga olon-dehibe mahay mandanjalanja sy mahomby, ary koa ray aman-dreny be fitiavana sy mahatoky ary mitana fanekena, izy ireo. Na izany aza, dia aleo misoroka toy izay mitsabo. Ary raha ny tena izy, dia tsy azo sakanana ny hisian’ny fianakaviana tsy misy ray indray, raha tsy manaiky hampihatra ny Baiboly eo amin’ny fiainany ny lehilahy sy ny vehivavy — ohatra, amin’ny fitandremana ny fandraran’ny Baiboly mba tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana sy amin’ny fanarahana ny fari-pitsipika feran’ny Baiboly ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. — 1 Korintiana 6:9; Efesiana 5:21-33.

Ankehitriny, dia zanaka maro no manana ray ao an-trano, kanefa mbola azo antsoina ihany hoe tsy manan-dray. Hoy ny olona iray manam-pahaizana manokana momba ny raharaham-pianakaviana: “Ny olana lehibe indrindra atrehin’ny (...) ankizy amin’izao andro izao dia ny tsy fananan’ny ray aman-dreniny fotoana sy ny tsy fahampiam-piheveran’izy ireo azy.” Miresaka mivantana momba io raharaha io ny Tenin’Andriamanitra. Mandidy ny raim-pianakaviana toy izao izy momba ny zanany: “Beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy”. (Efeziana 6:4, Kat.; Ohabolana 24:27). Rehefa manaraka ny torohevitry ny Baiboly ny raim-pianakaviana, dia tsy hatahotra ny hafoy ny zanaka.

Araka ny zava-misy ve anefa ny inoana fa hisy olona maro be hitodika any amin’ny Baiboly? Sarotra inoana izany. (Matio 7:14). Efa nanampy olona an-tapitrisany maro hahita fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana Baiboly any an-tokantrano. * Mazava ho azy fa ny Baiboly dia mampitandrina fa “hanam-pahoriana amin’ny nofo” ny mpivady rehetra. (1 Korintiana 7:28). Ireo izay tena manaja ny Tenin’Andriamanitra anefa dia hikatsaka ny handamina ny olana hitany, fa tsy ny hisaraka raha vao manomboka ny olana. Ekena aloha fa misy fotoana izay hetezan’ny hiheveran’ny Kristianina iray ny fisarahan-toerana, na ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza. (Matio 5:32). Kanefa, ny fahalalana ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny zanany dia hanosika Kristianina iray hitady fomba hanavotana ny fanambadiany raha mbola azo atao koa.

Tsy vitan’ny hoe hanavotra ny fianakavianao dieny izao fotsiny ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly. Afaka manao izay hahazoanareo mianakavy ny fiainana mandrakizay izy io! Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanaovana izay hahazoana antoka fa tsy ho rava mandrakizay ny fianakavianao, ny famakiana sy ny fampiharana ny torohevitra hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy fanazavana mba hanampiana raikely na renikely ao amin’ny nomeraon’Ny Tilikambo Fiambenana, gazety naman’ity, tamin’ny 1 Martsa 1999.

^ feh. 11 Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

^ feh. 13 Tsy mihatra izany rehefa atahorana hampijalin’ny raim-pianakaviana iray na hovetavetainy ny ankizy iray.

^ feh. 24 Misy torohevitra ara-baiboly betsaka izay afaka manampy fianakaviana maro ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana (navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania). Azo atao ny mahazo azy io amin’ny firesahana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana.

[Sary, pejy 8, 9]

Mahomby ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany rehefa manaraka ny foto-pitsipika ara-baiboly

[Sary, pejy 10]

Matetika ny lehilahy kristianina no afaka ‘mamonjy ny zazalahy tsy manan-dray’ amin’ny fanehoana fiheverana azy avy amin’ny fo sy mahasoa