Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Nolavina ny Fanoratana Ara-panjakana ny Zezoita any Rosia

Araka ny tatitra nataon’ny National Catholic Reporter, dia nolavin’ny Minisiteran’ny Fitsarana rosianina ny fangatahan’ny Fikambanan’i Jesoa hosoratana ara-panjakana ho fikambanana ara-pivavahana mahaleo tena. Niorina tamin’ny 1540 ny Fikambanan’i Jesoa, fantatry ny rehetra amin’ny hoe ny Zezoita. Araka ny lalàna vaovao any Rosia mahakasika ny fivavahana, dia takina ny hanoratana indray ara-panjakana ny ankamaroan’ny fikambanana ara-pivavahana mba hanekena azy ho ara-dalàna. Tsy afaka manao pirinty na mizara boky ara-pivavahana, tsy afaka manasa olom-pirenena vahiny ho amin’ny asa ara-pivavahana, na manangana trano fianarana, ny antokom-pivavahana izay nolavina ny fanoratana azy ara-panjakana. Nosoratana indray ara-panjakana teo anivon’ilay firenena ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 29 Aprily 1999.

Mitombo be ny Famonoan-tena any Japon

Any Japon, dia olona betsaka kokoa no namono tena tamin’ny 1998 noho ny tamin’ny taona rehetra teo aloha, araka ny tatitra nataon’ny The Daily Yomiuri. Araka ny voalazan’ny Masoivohon’ny Polisim-pirenena any Japon, dia olona 32 863 no namono tena tamin’ny 1998 — maherin’ny avo telo heny noho ny isan’ireo maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Japon. Ny ankamaroan’ilay fitomboana dia azo lazaina hoe vokatry ny olana ara-bola nateraky ny tsy fananana asa, izay namely mafy an’ilay firenena taorian’ny fitotonganan’ny toe-karena vao haingana. Ny famonoan-tena no antony lehibe fahenina miteraka fahafatesana any Japon.

Manjavona Haingana ny Tahirim-panazavana Elektrônika

Nandritra ny taona maro, dia nilaza ny manam-pahaizana momba ny ôrdinatera fa azo itokisana kokoa noho ny taratasy ny fitaovana elektrônika, raha ny fitahirizana fanazavana no asian-teny. Ankehitriny anefa, dia manomboka milaza zavatra hafa ireo mpiasan’ny tranomboky sy mpiandraikitra arisiva. “Fanazavana lehibe ara-tsiansa sy ara-tantara be dia be no very noho ireo [fitaovana elektrônika] potika na lany andro”, hoy ny gazetiboky Newsweek. Mora simban’ny hafanana, ny hamandoana, ny harafesina ary ny herin’andriamby mibirioka ny rafi-pitahirizam-panazavana elektrônika, toy ny fitaovana famakiana diskety. Ary miankina amin’ny fomba fitahirizana, dia mety tsy haharitra afa-tsy folo taona monja ilay kasety nampiasaina nitahirizana fanazavana elektrônika, hoy ilay gazetiboky. Zava-tsarotra iray hafa atrehin’ireo izay miezaka mitahiry fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika ny fiovana haingana eo amin’ny teknôlôjia. Miova haingana aoka izany ny fitaovana elektrônika ampiasaina hitahirizana fanazavana, hany ka manjary lany andro haingana ny rafi-pitahirizam-panazavana. Hoy i Abby Smith, ao amin’ny Filan-kevitry ny Tranomboky sy ny Loharanom-panazavana: “Tsy azo antoka firy ho voatsimbina ny tahirim-panazavana, raha tsy hoe manana tahirim-pandefasana kasety sy PC [ôrdinatera manokana] tranainy be angaha ianao.”

Rivotra Voaloto Mahafaty

“Ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe no loharanom-pandotoana mitombo haingana indrindra atỳ Eoropa, ary ao amin’ny tany sasany, dia mihabetsaka ny olona maty vokatr’izany fandotoana ny rivotra izany noho ny maty vokatry ny loza[m-pifamoivoizana]”, araka ny tatitra nataon’ny sampan-draharahan’ny filazam-baovao Reuters. Any Aotrisy sy Frantsa ary Soisa, araka ny voalazan’ny fandinihana iray nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia olona 21 000, izay mbola tsy tokony ho faty akory, no maty isan-taona vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana na ny aretim-po nateraky ny fandotoana rivotra. Tao amin’ny tatitra iray nitokana, dia tombanana fa olona 110 isan’andro, tao amin’ny tanàna 36 any Inde, no maty aloha be vokatry ny fandotoana ny rivotra.

Mihoatra ny Arivo Tapitrisa ny Mponin’i Inde

Araka ny voalazan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Mponina, dia nihoatra ny arivo tapitrisa ny mponin’i Inde tamin’ny Aogositra 1999. Dimampolo taona mahery monja talohan’izao, dia ampahatelon’ny isany ankehitriny ny mponin’i Inde. Raha manohy mitombo amin’izao taha 1,6 isan-jato isan-taona izao izy io, dia hihoatra an’i Chine i Inde ato anatin’ny efapolo taona eo ho eo, ka izy indray no ho firenena be mponina indrindra eran-tany. “Efa mihoatra ny ampahatelon’ny mponina maneran-tany i Inde sy i Chine”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. Tao anatin’ny antsasa-taonjato latsaka, dia nitombo ho 63 taona ilay fanantenam-pahavelomana 39 taona tany Inde.

Midina be ny Tahan’ny Fanambadiana Any Etazonia

Araka ny tatitra nataon’ny The Washington Post tao amin’ny toerana misy azy ao amin’ny Internet, dia hitan’ny fandinihana iray nataon’ny Tetikasam-pirenena Momba ny Fanambadiana ao amin’ny Oniversite Rutgers fa nidina faran’izay ambany teo amin’ny tantara voasoratra ny tahan’ny fanambadiana any Etazonia. Nomarihin’ilay fandinihana koa fa taorian’ny Ady Lehibe Faharoa avy hatrany, dia 80 isan-jaton’ny ankizy tao amin’ilay firenena no notezain’ny rainy sy ny reniny niteraka azy ireo. Ankehitriny anefa, dia nidina be ho 60 isan-jato ilay tarehimarika. “Tato anatin’ny roapolo taona farany, dia nitombo ho 53 isan-jato ilay 33 isan-jaton’ny zatovovavy nilaza fa ‘fomba fiaina mendrika’ ny miteraka tsy manambady”, hoy ilay tatitra. Tsy mahagaga firy raha nilaza ilay tatitra hoe: “Mandia olana lehibe ny fanambadiana”!

Loza Manjo ny Fampianarana Atsy Afrika

Misy 40 tapitrisa mahery ny isan’ny ankizy tonga amin’ny taona tokony hianarany, saingy tsy mandeha any an-tsekoly, atsy Afrika atsimon’i Sahara, araka ny tatitra nataon’ny Masoivohom-baovaon’i Afrika Manontolo. Nisy olana maromaro namely ny rafi-pampianarana ao amin’ilay faritra. Noho ny olana ara-bola, ohatra, dia sekoly maro no tsy misy rano ary vitsy kabine, na tsy misy mihitsy. Tsy ampy ny boky ary ratsy fiofanana ny mpampianatra. Ankoatra ny fahasahiranana ara-bola, dia be dia be koa ny ankizivavy bevohoka, ary izany no antony iray lehibe mahabetsaka ny ankizivavy miala amin’ny fianarana. Nisy voka-dratsiny teo amin’ny fankanesana tany an-tsekoly koa ny SIDA. “Nitarika ho amin’ny fitomboan’ny fahazoan’ny zatovo SIDA ny fanaovany firaisana aloha be”, hoy ny Vaovaon’i Afrika. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nasaina nijanona tany an-tranony ny ankizivavy tsy tratran’ny SIDA, mba hikarakara havana voan’ilay aretina. Hoy ny Dr. Edward Fiske, manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana fototra ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina: “Raha tsy mandeha mianatra ny ankizy, dia mihilangilana ny hoavin’ny ankamaroan’ny tany any Afrika atsimon’i Sahara.”

Faty Maina Voatahiry Hita fa Misy Solondrantsantongotra

“Ny solondrantsantongotra iray izay hita niraikitra tamin’ny faty maina voatahiry iray dia toa efa nampiasaina fony fahavelon’ilay olona, talohan’ny nandevenana azy, 2 500 taona lasa izay”, hoy ny tatitra nataon’ny The Sunday Times, any Londres. Vita tamin’ny rongonimbazaha vonton-dakaolim-biby sy platra (sokaitany) ilay rantsantongotra sandoka, ary lazalazain’ny Dr. Nicholas Reeves ho “zava-bita be pitsiny, natao tamin’ny fomba kanto, vita tsara sy mafy, ary mazava fa zavatra nohafarana manokana”. Nisy hohon-tongotra nifanentana taminy ilay rantsantongotra, ary voafono sosona mitovy loko amin’ny nofo. Nasiana lavaka valo teo amin’ilay rantsantongotra mba handraiketana azy. Tena manaraka ny bikan’ny tady manao Y amin’ny kapa ireo lavaka, hany ka rehefa eo amin’ny toerany ilay rantsantongotra, dia takon’ny tadin’ny kapa ireo lavaka.

Aretin’andoha Vokatry ny Fanafody Mampitony Fanaintainana!

Ireo izay mihinana fanafodin’aretin’andoha intelo na mihoatra isan-kerinandro dia mety ho voan’ny aretin’andoha vokatry ny tsy fahaiza-mampiasa fanafody (MMH). Azo heverina ho mahavoa olona 1 amin’ny 50 ny MMH, izay ateraky ny fanafody tsotra, toy ny aspirinina, ary koa fanafody mampitony fanaintainana, nomen’ny dokotera. Rehefa lefy ny herin’ilay fanafody, dia miteraka aretin’andoha izay heverin’ilay marary ho aretin’andoha mahazatra na aretin’andoha arahin’ny fisaleboleboana, nefa tsy izany akory ilay izy. Vao mainka àry ilay marary mihinana fanafody mampitony fanaintainana, ka mamerimberina ilay aretin’andoha. Manazava ny Dr. Tim Steiner, ao amin’ny Oniversite Imperial, any Londres, fa “tokony hoheverina ho voan’ny MMH ny marary rehetra izay mitaraina ho marary andoha isan’andro lava izao”. Manamarika koa izy fa na dia efa an-taonany maromaro aza izao no nahafantarana izany toe-javatra izany, ny ankamaroan’ny dokoteram-pianakaviana dia tsy mahafantatra loatra azy io, ka manome fanafody fampitonena fanaintainana mahery kokoa. Ny fitsaharana tsy mihinana azy ireny anefa, no hany ilain’ny marary, araka ilay tatitra nataon’ny The Sunday Telegraph, any Londres.

Fikarakarana ny Lela

Afaka miteraka gaza misy solifara izay mampahamaimbo vava ny bakteria miafina ao andamosin’ny lelanao, araka ny tatitra iray nataon’ny gazety Prince George Citizen. “Mitombo tsara ao amin’ny faritra tsy mando sy tsy misy ôksizenina ny bakteria, ary izany no antony itoerany ao amin’ny hirika sy ny lavaka tsy andalovan’ny rivotra alefantsika any amin’ny havokavotsika”, hoy ilay tatitra. Hahasoa ny fiborosiana nify sy ny fanadiovana azy amin’ny alalan’ny kofehy, nefa ny 25 isan-jaton’ny bakteria eo ho eo monja no afaky ny fiborosiana. Inoan’i Allan Grove, mpitsabo nify, fa ny fikikisana ny lela, izay fanao nentim-paharazana fahiny tany Eoropa, no “zava-dehibe indrindra azonao atao mba tsy ho maimbo vava”. Ny fampiasana plastika fikikisana dia “tsara lavitra noho ny borosy nify, mba hihazonana ny lela ho madio sy ho mavokely”, hoy ny Citizen.

Maso Vaovao Mijery Izao Rehetra Izao

Tamin’ny Jona 1999, dia nanokatra ny masony nijery an’izao rehetra izao ny teleskôpy Gemini North, miorina any Mauna Kea, any Hawaii. Hamela ireo astrônôma hahita ny tenan-javatra manjavona indrindra any amin’ny faritra lavitra any ambony tsy taka-maso lavitra be any ny fitaratra manangon-kazavana ao aminy, izay mirefy 8,1 metatra ny savaivony, araka ny tatitra nataon’ny gazety Independent, any Londres. Na ny telekskôpy Gemini North na ny Hubble, izay miorina any ambony tsy taka-maso any, dia samy manampy ny astrônôma mba hahita zava-nitranga tany aloha tany, ka “hitodika ny lasa”. Ny tombony ananan’ny teleskôpy Hubble dia ny toerana misy azy any ambony tsy taka-maso. Ny Gemini, na dia miorina eto an-tany aza, dia miantehitra amin’ny fitaovan’ny ôrdinatera mba hanafoanana ny fiovam-bika ateraky ny fikorontanan’ny atmôsfera, ary manome sary mazava toy ny omen’ny Hubble izy io, raha tsy mazava tsara kokoa aza.