Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Filazana Lainga — Azo Hamarinina Ihany Ve?

Ny Filazana Lainga — Azo Hamarinina Ihany Ve?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Filazana Lainga — Azo Hamarinina Ihany Ve?

“MISOROKA NY FANOMEZANA FANAZAVANA BE NY FILAZANA ZAVATRA KELY TSY MARINA TSINDRAINDRAY.”

ASEHON’IO fitenenana io ny fomba fiheveran’ny olona maro momba ny filazana lainga. Ny antony aroson’izy ireo dia hoe tsy ratsy ny filazana lainga raha toa ka tsy manimba na iza na iza. Manana anarana akademika mihitsy aza izany fanjohian-kevitra izany: fitsipi-pitondran-tena araka ny isam-batan’olona, izay milaza fa ny hany lalàna tokony harahinao dia ilay lazaina fa lalàn’ny fitiavana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, hoy ny fanazavan’ilay mpanoratra hoe Diane Komp, dia hoe “raha tsara ny antony manosika anao ary tsara fikasa ianao, (amin’izay, ny hoe) nandainga ianao (...) dia tsy zava-dehibe loatra”.

Mahazatra ny fomba fihevitra toy izany eto amin’ny tontolo ankehitriny. Nanafintohina ny fiaraha-monina ny fahafaham-baraka nahakasika lainga nolazain’ny mpanao politika nalaza na mpitarika hafa teo amin’izao tontolo izao. Nentanin’ny rivo-piainana toy izany ny olona maro, ka nanalefaka ny fahatsapany ho tsy maintsy milaza ny marina. Nanjary paikady ofisialy mihitsy aza ny filazana lainga, tao amin’ny sehatra sasany. “Karamaina mba handainga aho. Raha mandainga aho, dia mandresy amin’ny fifaninanana ara-barotra sy mahazo fiderana faran’izay tsara isan-taona. (...) Toa izany no fototry ny fiofanana amin’ny varotra antsinjarany hatraiza hatraiza”, hoy ny fitarainan’ny mpivarotra iray. Maro no mihevitra fa tsy tena misy voka-dratsiny ireo lazaina fa lainga masina. Marina ve izany? Misy toe-javatra mety hanamarinana Kristianina izay nilaza lainga ve?

Ny fari-pitsipika ambony ao amin’ny Baiboly

Manameloka an-kitsirano ny karazana lainga rehetra ny Baiboly. “Haringan[’Andriamanitra] ny mpiteny lainga”, hoy ny fanambaran’ny mpanao salamo. (Salamo 5:6; jereo ny Apokalypsy 22:15.) Ao amin’ny Ohabolana 6:16-19, ny Baiboly dia manao lisitry ny zavatra fito halan’i Jehovah. “Ny lela fandainga” sy “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina” dia misongadina ao amin’ilay lisitra. Nahoana? Satria halan’i Jehovah ny voka-dratsy ateraky ny lainga. Izany no antony iray niantsoan’i Jesosy an’i Satana hoe mpandainga sy mpamono olona. Nandentika ny taranak’olombelona tao anatin’ny fahoriana sy ny fahafatesana ny lainga nataony. — Genesisy 3:4, 5; Jaona 8:44; Romana 5:12.

Asongadin’izay nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira fa tsy hamaivanin’i Jehovah mihitsy ny filazana lainga. Ninia nandainga tamin’ireo apostoly izy mivady ireo, izay niezaka niseho ho nalala-tanana kokoa tsy araka ny tena izy. Zavatra niniany natao sy nomaniny mialoha ilay izy. Nanambara toy izao àry ny apostoly Petera: “Tsy nandainga tamin’olona hianao, fa tamin’Andriamanitra.” Noho ny nanaovany izany, dia samy maty teo an-tanan’Andriamanitra izy mivady. — Asan’ny Apostoly 5:1-10.

Taona maro tatỳ aoriana, dia nananatra ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mifandainga hianareo”. (Kolosiana 3:9). Tena zava-dehibe izany fampitandremana izany ao amin’ny kôngregasiôna kristianina. Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika no ho marika ahafantarana ny tena mpanara-dia azy. (Jaona 13:34, 35). Tsy afaka ny hitombo sy hirobona izany fitiavana tsy mihatsaravelatsihy izany raha tsy ao anatin’ny rivo-piainana isian’ny filazana ny marina sy ny fitokisana tanteraka. Sarotra ny ho tia olona iray raha tsy afaka ny hatoky isika fa hilaza ny marina foana amintsika izy.

Na dia azo tsinìna avokoa aza ny filazana lainga rehetra, dia misy lainga ratsy kokoa noho ny hafa. Ohatra, mety handainga ny olona iray noho izy saikatra na matahotra. Ny iray hafa mety hanao ho fahazarana ny mandainga amin-karatsiam-panahy, noho ny fikendrena ny hanimba na handratra ny fon’ny hafa. Noho izany antony feno hasomparana manosika azy izany, dia mampidi-doza ho an’ny hafa ny mpandainga an-tsitrapo toy izany, ary ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna, raha tsy mibebaka. Koa satria tsy hasomparana no mahatonga ny lainga rehetra, dia tsy maintsy mitandrina ny olona iray mba tsy hanameloka tsy amin’ny antony, fa mba hanao izay hahazoana antoka fa fantany avokoa ny anton-javatra rehetra tafiditra momba ny olona iray nilaza lainga. Tokony hasiana fiheverana ny antony nanosika sy ny anton-javatra mamela hilefitra. — Jakoba 2:13.

“Malina tahaka ny bibilava”

Mazava ho azy fa ny hoe milaza ny marina dia tsy midika hoe voatery hamoaka ny fanazavana rehetra amin’izay olona rehetra mangataka izany amintsika, isika. “Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vato soanareo, fandrao (...) [izy] hifotitra ka hamiravira anareo”, hoy ny fampitandreman’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:6. Ohatra, mety tsy hanan-jo hahalala zavatra sasany ny olona ratsy fikasa. Takatry ny Kristianina fa miaina eo anivon’ny tontolo feno fankahalana ny tenany. Noho izany, dia nanoro hevitra ny mpianany i Jesosy mba “ho malina tahaka ny bibilava” sady ho “tsotra tahaka ny voromahailala”. (Matio 10:16, NW; Jaona 15:19). Tsy namoaka ny marina rehetra foana akory i Jesosy, indrindra fa rehefa nety ho nitondra voka-dratsiny tsy amin’ny antony ho an’ny tenany na ho an’ny mpianany ny fampiharihariana ny zava-misy rehetra. Na dia tamin’ny fotoana toy izany aza anefa dia tsy nandainga izy. Nifidy kosa ny tsy hiteny izy, na hamily ny resaka ho amin’ny zavatra hafa. — Matio 15:1-6; 21:23-27; Jaona 7:3-10.

Malina toy izany koa ny lehilahy sy ny vehivavy nahatoky voatonona ao amin’ny Baiboly, toa an’i Abrahama, i Isaka, i Rahaba, ary i Davida, rehefa nifampiraharaha tamin’olona nety ho fahavalo. (Genesisy 20:11-13; 26:9; Josoa 2:1-6; 1 Samoela 21:11-15). Manasokajy ireo lehilahy sy vehivavy ireo ho mpivavaka nahatoky, izay nanana fiainana voamariky ny fankatoavana, ny Baiboly. Mahatonga azy ireo ho mendrika hotahafina izany. — Romana 15:4; Hebreo 11:8-10, 20, 31, 32-39.

Mety hisy fotoana toa iheverana fa vahaolana mora amin’ny toe-javatra iray ny filazana lainga. Fahendrena anefa ny hanahafan’ny Kristianina amin’izao andro izao ny lalam-piainan’i Jesosy sy ny hanarahany ny feon’ny fieritreretany voataiza araka ny Baiboly rehefa miatrika toe-javatra sarotra dia sarotra. — Hebreo 5:14.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba hilaza sy hanao ny marina. Ratsy ny milaza lainga, ary tokony hanaraka izao torohevitry ny Baiboly izao isika: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra”. (Efesiana 4:25). Amin’ny fanaovana izany, dia hihazona feon’ny fieritreretana madio isika, sy hampitombo ny fihavanana sy ny fitiavana ao anatin’ny kôngregasiôna, ary hanohy hanome voninahitra ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”. — Salamo 31:5; Hebreo 13:18.

[Sary, pejy 30]

Namoizan’i Ananiasy sy i Safira ny ainy ny nilazany lainga