Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Quetzal — Ilay Vorona Marevaka

Quetzal — Ilay Vorona Marevaka

Quetzal — Ilay Vorona Marevaka

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY COSTA RICA

LATSAKA ny 0,03 isan-jaton’ny velaran’ny tany i Costa Rica, nefa dia misy karazam-borona voasoratra anarana 875 eto. Araka ny voalazan’ny boky iray, izany dia betsaka noho ny isan’ny karazam-borona hita any Kanada sy any Etazonia mitambatra. Tsy mahagaga àry raha saika eto Costa Rica no tena alehan’ireo olona mafana fo amin’ny fizahana vorona. Andeha hiaraka aminay hijery karazany iray amin’ireo vorona ireo, dia ny quetzal marevaka.

Tany am-piandohan’ireo taona 1500, dia tonga tany Meksika ilay mpanani-bohitra espaniola atao hoe Hernán Cortés. Nahazo fanomezana avy tamin’ireo Azteka izy tany, dia diadema vita tamin’ny volon’ny vorona quetzal. Ny tao amin’ny ankohonan’ny mpanjaka azteka ihany no nanana tombontsoa nanao haingo noheverina ho ambony toy izany. Mety ho noheverina ho sarobidy noho ny volamena ny volo maitso tanoran’ny quetzal.

Amin’izao andro izao, dia monina any amin’ny faritra iray midadasika, manomboka any Meksika ka hatrao Panama, io vorona faran’izay kanto io. Hita any amin’ny ala an-tendrombohitra, any amin’ny haavo eo anelanelan’ny 1 200 sy 3 000 metatra, ny quetzal. Ny rahona eo amin’ny ala dia vokatry ny fiakaran’ny rivotra mafana izay manjary mangatsiaka haingana. Izany dia miteraka zavamaniry mirobona be sy maitso mandavantaona, ary hazo vaventy, mahatratra 30 metatra, na mihoatra, any anaty zavona.

Any amin’ny 200 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i San José no misy ny tahirin-javaboary Santa Elena Forest Reserve — toerana tsara handinihana ny quetzal ao amin’ny tontolo iainany voajanahary. Miaraka amin’ny mpitari-dalana iray, dia manomboka ny fikarohanay izahay mba hahitana quetzal marevaka. Sarotra hita ilay vorona noho ny lokony maitso tanora toy ny jaspy, izay mifangaro amin’ny lokon’ny ravinkazon’ilay ala. Manomboka mangala-tahaka ny antsoantso malefaka sy mahafinaritra fanaon’ilay vorona, ilay mpitari-dalana anay. Mitovy amin’ny antsoantson’alika kely ilay feo. Raha ny marina, rehefa avy nandre ny antso nasetrin’ny quetzal ny vehivavy iray niaraka taminay, dia tena nihevitra tokoa fa nisy alika very tao anatin’ilay ala!

Tsy ela, eny amin’ny 15 metatra eo ho eo eny ambony, dia misy vorona lahy toa saro-tahotra, tonga teo amin’ny rantsankazo iray mba handinika akaiky. Rehefa jerena amin’ny masolavitra, dia toa vao mainka manaitra, tsy araka ny nieritreretanay azy, ny lokony manjelatra. Menafify ny tratrany, miavaka amin’ny volony maitso toy ny jaspy. Vao mainka mampitombo ny hakantony miavaka ny rambony fotsy, misy volon-drambo roa maitso miovaova. Fantatra ho toy ny faneva ny volon-drambony, izay mirefy 60 santimetatra eo ho eo ny halavany. Kanto sy mampitony ny fahitana quetzal iray mipetraka eny amin’ny rantsankazo iray, eny ambony eny, amin’izato rambony lava mihofahofa moramora tsofin’ny rivotra.

Fahitan-javatra tsy manam-paharoa ny fahitana quetzal. Raha ny marina, dia nilaza ilay mpitari-dalana anay fa matetika no mila mankany an’ala mihoatra ny indray mandeha vao mahita quetzal iray. Ny fotoana tsara indrindra handinihana ny quetzals dia mandritra ny vanim-potoana fanatodizany, izay manomboka amin’ny Martsa ka hatramin’ny Jona. Mandritra izany fe-potoana izany dia mety hikotrika indroa izy, ka atody roa isaky ny mandeha.

Rehefa niverina tany amin’ny biraon’ilay tahirin-javaboary izahay, dia nandre quetzal iray hafa. Mahafinaritra ny fisidiny, arahin’ny fanevany maitso, ary hipetraka eo amin’ny rantsankazo iray, tsy mihoatra ny dimy metatra avy eo amin’ny ipetrahanay, izy! Ampahafantarin’ilay mpitari-dalana anay fa nisy zana-borona iray nanjavona tao amin’ny akanin’ilay vorona, ka hitety hazo ilay ray mba hitady ny zanany. Nampahafantarina anay fa ny 25 isan-jato eo ho eo monja amin’ny atody no foy ka tonga vorona lehibe. Ny ambiny dia lasan’ny mpiremby, toy ny écureuils, ny toucanets maitso mamiratra, ny geais enfumés, ny belettes, ary ny tayras. Zavatra iray hafa manasarotra ny fahaveloman’ny quetzal ny toerana misy ny akaniny, izay mitovy amin’ny lavaky ny pika (voronkely mpandavaka vatan-kazo), ary ataony any amin’ny 3 metatra ka hatramin’ny 20 metatra any ambonin’ny tany, eo amin’ny vatan-kazo konka efa mihalò. Rehefa latsaka ny oram-be, dia feno rano, na simba, ireo lavaka.

Nampahafantarina anay koa fa ny zavokàdia no sakafo tian’ny quetzal indrindra. Hipetraka eo amin’ny rantsankazo iray izy, hitily zavokà iray, izay mikirazorazo avy amin’ny rantsan’ny hazo iray eo akaiky. Hikopaka elatra tampoka izy avy eo, ary hivantana tsy misy diso eo amin’ilay kendreny. Tonga dia rambasany ilay voankazo, ary miverina miteronterona izy. Ateliny manontolo ilay izy, ary sahabo ho 20 ka hatramin’ny 30 minitra atỳ aoriana, dia avoakany indray ilay voan-javokà be.

Rehefa hitady zavokàdia ny quetzals, dia hifindra monina any amin’ny tehezan-tendrombohitra samy hafa any amin’ny Continental Divide. Ohatra, manomboka amin’ny Jolay ka hatramin’ny Septambra, dia any amoron’ny Pasifika no misy azy. Avy eo, amin’ny Oktobra, dia mifindra mankany akaikin’ny Caraïbes izy, mba hihinana ny zavokà vao vokatra.

Eo am-piampitana tetezana iray mihantona, any amin’ny 30 metatra any ambony ala izahay, raha nisy quetzal iray saika nifandona taminay! Toa teo am-panenjehana remby izy no nanapaka ny lalany izahay. Mipetraka eo amboninay indrindra ny vavy, ka manao jery vilana anay, noho izahay mitsofoka ao amin’ny misy azy.

Ilazana koa izahay fa voankazo iray tian’izy ireny ny voaroimainty, izay maniry eo amin’ny kirihitr’ala feno tsilo. Rehefa midina tampoka ny quetzals mba handrapaka ilay voankazo, dia indraindray voaray ao anaty tsilo ny rambony lava, ka miala aminy. Maniry ihany anefa ny rambony atỳ aoriana.

Amin’izany fomba izany no itondran’ilay vorona tsara ny anarany. Ny hoe “quetzal” dia avy amin’ilay teny azteka hoe “quetzalli”, midika hoe “sarobidy” na “tsara tarehy”. Mampalahelo fa manjary atahorana ho ripaka ny quetzal, noho ny hatsaran-tarehiny. Raha ny marina, dia ao amin’ny lisitry ny vorona atahorana ho lany tamingana ny quetzal. Nohazaina izy ireo noho ny hodiny, izay namidy ho toy ny fahatsiarovana. Nosamborina velona ny vorona sasany, ary namidy mba hompiana. Kanefa, araka ny voalazan’ilay mpitari-dalana anay, dia arovana amin’ny fomba ara-dalàna amin’ny fandrobana toy izany izao ny quetzal.

Ny fandripahana ala, izay mahatonga azy tsy hanam-ponenana, dia loza iray hafa mandrahona ny fahavelomany. Ho fiarovana an’io vorona marevaka io sy ny zavamiaina hafa any an’ala, dia ny 27 isan-jato eo ho eo amin’ny velaran-tanin’i Costa Rica no natokana ho faritra voaro.

Tena nahafa-po tokoa ilay dianay mba hizaha ny quetzal. Marina aloha fa afaka mahita ilay diadema vita tamin’ny volon’ny quetzal, izay nomena an’i Hernán Cortés ianao, ao amin’ny British Museum, any Londres. Mahaliana lavitra anefa ny volon’ny quetzal rehefa hita eo amin’ny vorona iray velona, any an’ala! Amin’izao fotoana izao aloha, fara faharatsiny, dia mbola afaka miriorio sy mbola milamina ihany ny voron-dia quetzals, ao amin’ny ala an-tendrombohitra, atỳ Amerika Afovoany.