Raim-pianakaviana — Antony Anjavonany
Raim-pianakaviana — Antony Anjavonany
“Tsy tsaroako hoe niady na nifanditra i Dada sy i Neny. Ny hany fantatro dia teo i Dada, ary avy eo — tampotampoka teo! — indray andro izay, dia tsy teo intsony izy. Tsy fantatro izay misy azy hatramin’izao. Fantatro fa tsy manana firaiketam-po aminy aho.” — Bruce.
“Izaho irery tany am-pianaranay no tsy mba nanana ray sy reny, ary tsy mba nipetraka tao an-tokantrano (...). Tsapako foana ho niavaka aho. Tsapako foana ho tena hafa noho ny ankizy rehetra nitovy taona tamiko aho.” — Patricia.
NY REVÔLISIÔNA ara-taozava-baventy no fototry ny tsy fisian’ny ray ao amin’ny fianakaviana maro. Rehefa nanomboka nitaona lehilahy maro handao ny tokantranony ny asa amin’ny orinasa, dia nanomboka tsy tsapa ny herin’ny raim-pianakaviana tao amin’ny fianakaviana; ka nandray andraikitra lehibe kokoa ny reny teo amin’ny fitaizan-janaka. * Na izany aza, ny ankamaroan’ny ray dia niara-nitoetra tamin’ny fianakaviany ihany. Teo antenatenan’ireo taona 1960 anefa, dia nanomboka niakatra be ny tahan’ny fisaraham-panambadiana tany Etazonia. Nanomboka nirodana ny anton-javatra ara-pivavahana, ara-bola sy ara-tsosialy nisakana ny fisaraham-panambadiana. Nihoatra noho ny hatramin’izay ny isan’ny mpivady nifidy ny hisaraka, satria nentanin’ny torohevitr’ireo milaza tena ho manam-pahaizana manokana izay nanizingizina fa tsy vitan’ny hoe tsy misy voka-dratsiny eo amin’ny ankizy ny fisaraham-panambadiana, fa tena mety hahasoa azy ireo. Hoy ny boky Divided Families—What Happens to Children When Parents Part (Fianakaviana Mizarazara — Inona no Manjo ny Ankizy Rehefa Misaraka ny Ray Aman-dreniny), nosoratan’i Frank F. Furstenberg zanany, sy i Andrew J. Cherlin: “Nitombo avo roa heny ny taha[n’ny fisaraham-panambadiana] tany Belzika, Frantsa ary Soisa, [nanomboka tamin’ireo taona 1960], fa nitombo avo telo heny kosa izy io tany Angletera, Holandy ary Kanada.”
Na dia miara-mitoetra amin-dreniny aza mazàna ny zanaka aorian’ny fisaraham-panambadiana, dia maniry ny hifandray foana amin-janany ny ankamaroan’ny ray nisaraka tamin’ny vadiny. Vahaolana be mpanaraka ny hoe samy afaka miandraikitra an-janany ny ray sy ny reny efa nisaraka. Na izany aza, dia mahagaga fa tsy mifandray firy amin-janany ny ankamaroan’ny raim-pianakaviana nisara-panambadiana.
Nahariharin’ny fanadihadiana iray fa tamin’ireo zanaky ny ray aman-dreny efa nisaraka, dia 1 monja amin’ny 6 no mahita an-drainy, isan-kerinandro. Efa ho ny antsasany amin’ireo ankizy no tsy nahita an-drainy efa hatramin’ny herintaona be izao!Tsy mahomby ny hoe samy afaka miandraikitra an-janany ny ray sy ny reny efa nisaraka
Mba hahafahan’ny ray sy ny reny efa nisaraka hiandraikitra an-janany, dia ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana be — toetra izay matetika no tsy misy. Izao no lazain’i Furstenberg sy i Cherlin, samy mpikaroka: “Antony iray lehibe tsy ijeren’ny ray an-janany intsony ny hoe tsy ta hanan-draharaha amin’ilay vadiny taloha izy. Ary toy izany koa ny fihetsiky ny vehivavy maro manoloana ny vadiny taloha.”
Marina aloha fa maro ny raim-pianakaviana nisara-panambadiana izay tena mijery ny zanany tsy tapaka tokoa. Sarotra anefa ny hitondran’ny sasany tena toy ny ray, rehefa miaraka amin-janany izy ireo, satria efa tsy tafiditra intsony ao amin’ny fiainan-janany andavanandro izy ireo. Maro no mifidy ny anjara asan’ny mpiara-milalao, ka mandany efa ho ny fotoana rehetra hiarahany amin-janany amin’ny fialam-boly na ny fividianan-javatra. Toy izao no ilazalazan’i Ari, 14 taona, ny faran’ny herinandro itsidihany an-drainy: “Tsy misy zavatra raikitra atao, tsy misy fitenenana hoe ‘Modia amin’ny dimy sy sasany’, izay tsy maintsy notandremana. Malalaka aho amin’izay tiako hatao. Tsy misy faneriterena. Ary mividy fanomezana ho ahy foana ny raiko.” — How It Feels When Parents Divorce, nosoratan’i Jill Krementz.
Ny raim-pianakaviana be fitiavana dia tokony ‘hahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanany’ tokoa. (Matio 7:11). Tsy mahasolo ny tari-dalana sy ny lalàm-pifehezana ilaina anefa ny fanomezana. (Ohabolana 3:12; 13:1). Rehefa misy manakalo ny anjara asan’ny ray na ny reny amin’ny anjara asan’ny mpiara-milalao na mpitsidika, dia azo antoka fa ho simba ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka. Nanao izao fanatsoahan-kevitra izao ny fandinihana iray: “Afaka manapaka maharitra ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka ny fisaraham-panambadiana.” — Journal of Marriage and the Family, tamin’ny May 1994.
Mahatsiaro ho malahelo sy sosotra noho ny nanesorana azy tamin’ny fiainan-janany ny lehilahy sasany — na angamba tsy miraika fotsiny izy satria mangatsiaka ny fitiavany — ka mahafoy ny fianakaviany, ary tsy manome ny fanampiana ara-bola ilaina. * (1 Timoty 5:8). “Tsy misy tiako mihitsy ny mahakasika an-draiko”, hoy ny zatovolahy iray sosotra mafy. “Tsy hita mihitsy izy, tsy mamelona anay, na manao na inona na inona, ary zavatra mahasosotra izany amiko.”
Reny tsy manambady
Niteraka ny fitomboana be indrindra teo amin’ny isan’ny ankizy tsy manan-dray ny isa ambony indrindran’ny vehivavy miteraka tsy manambady. “Tokotokony ho ny ampahatelon’ny fiterahana rehetra any [Etazonia] ankehitriny no ivelan’ny fanambadiana”, hoy ny boky Fatherless America. Amin’ireo zazakely sahabo ho 500 000 teraka isan-taona avy amin’ireo reny 15 ka hatramin’ny 19 taona, dia ny 78 isan-jato no ateraky ny zatovovavy tsy manambady. Olana maneran-tany anefa ny zatovovavy bevohoka. Ary tsy nampiova zavatra firy teo amin’ny fanaovan’ny zatovo firaisana ny fandaharana mampianatra momba ny fomba tsy mampiteraka, na mampirisika mafy ny tsy hanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana.
Manazava toy izao ny boky Teenage Fathers (Raim-pianakaviana Zatovo), nosoratan’i Bryan E. Robinson: “Tsy mahamenatra sy mahafa-baraka intsony, toy ny tamin’ireo taona 1960, ny miteraka tsy manambady, satria nihanalefaka ny fihetsiky ny fiaraha-monina manoloana ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny hoe vehivavy bevohoka alohan’ny
hanambadiany. (...) Ny tanora ankehitriny koa dia tototry ny fanazavana momba ny maha lahy sy ny maha vavy atao vary raraka amin’ny alalan’ny dokambarotra, ny mozika, ny sarimihetsika, ary ny televiziona. Ny fampitam-baovao amerikanina dia milaza amin’ireo zatovo fa ny fanaovana firaisana dia mifandray amin’ny fitiavana, ary mampientam-po sy manaitaitra mahafinaritra. Tsy mba mampiseho amin’izy ireo ny tena vokatra entin’ny fanaovana firaisana tsy amim-pieritreretana sy tsy misy fahatsapana andraikitra anefa ny fampitam-baovao.”Tanora maro no toa tsy mahalala ny vokatra entin’ny firaisana andrarana, fa toa sambatsambatra fotsiny. Mariho ny sasany amin’ireo teny ren’i Robinson, mpanoratra: “ ‘Toa tsy irony karazam-behivavy [ho bevohoka] irony izy’; ‘Indray mandeha isan-kerinandro monja izahay no nanao firaisana’; na ‘Heveriko fa tsy ho bevohoka ianao raha vao voalohany no manao firaisana.’ ” Mazava ho azy fa fantatry ny tovolahy sasany tsara fa mahabevohoka ny fanaovana firaisana. Izao no fanamarihan’ny boky Young Unwed Fathers (Raim-pianakaviana Zatovo Tsy Manambady): “Amin’ny zatovolahy maro [ao amin’ny faritanàna sahirankirana], dia marika lehibe ahafantarana ny saranga ara-tsosialy eo an-toerana ny fanaovana firaisana; manjary voninahitra lehibe ho an’ny olona iray ny nahazoana tovovavy maro nanaovana firaisana. Ankizivavy maro no manolotra ny hanao firaisana amin’ny tovolahy ho toy ny fanomezana eo amin’ny ady varotra ataony mba hisarihana ny sain’ilay tovolahy.” Eo anivon’ny antokon’olona sasany any amin’ny faritanàna sahirankirana, ny ankizilahy tsy mba nanan-janaka dia mety hohanihanina mihitsy hoe “virjiny”!
Vao mainka ratsy ny toe-javatra rehefa mandinika ny vokatry ny fandinihana iray tamin’ny 1993 ianao, natao tamin’ny reny mbola tokony ho any an-tsekoly, tany Kalifornia. Hita fa ny androatokon’ny ankizivavy no nanjary bevohokan’ny lehilahy 20 taona mahery, fa tsy bevohokan’ny zatovolahy niarahan’izy ireo! Raha ny marina, dia asehon’ny fandinihana sasany fa ankizivavy maro izay reny tsy manambady no nisy nametaveta fony izy mbola tsy ampy taona — na fony mbola zaza mihitsy aza. Ahariharin’izany fanararaotana mamoafady miely patrana izany fa lasa lavitra tokoa ny fahasimbana ara-pitondran-tena sy fahambanian-toetran’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao. — 2 Timoty 3:13.
Nahoana ny tovolahy no mametrapetraka?
Mahalana ny zatovolahy manan-janaka no mandray andraikitra maharitra manoloana ny zanany. Hoy ny ankizilahy iray rehefa bevohoka ny ankizivavy niarahany: “Hoy fotsiny aho taminy: ‘Dia misaraka izany isika.’ ” Araka ny hazavain’ny lahatsoratra iray ao amin’ny boky Family Life Educator, anefa, dia “ny ankamaroan’ny tanora raim-pianakaviana no maneho faniriana mafy hanana fifandraisana akaiky amin-janany”. Araka ny voalazan’ny fandinihana iray natao tamin’ny raim-pianakaviana mbola tanora sy tsy manambady, dia ny 70 isan-jato no nitsidika an-janany indray mandeha isan-kerinandro. “Na izany aza anefa”, hoy ny fampitandreman’ilay lahatsoratra, “dia mihena ny fitsidihana, arakaraka ny mahalehibe ireo ankizy”.
Namintina ny antony ny raim-pianakaviana iray 17 taona, raha nilaza hoe: “Raha fantatro hoe ho tena sarotra ilay izy, dia tsy ho navelako hitranga mihitsy.” Vitsy ny tanora matotra ara-pihetseham-po na nandia zavatra maro teo amin’ny fiainana mba hiantsoroka ny zavatra takin’izany hoe ho ray na ho reny izany. Tsy maro koa no nahita fianarana na mahay asa ilaina mba hivelomana. Tsy mandresy ny henatra entin’ny tsy fahombiazana ny tovolahy maro, fa aleony fotsiny mametrapetraka an’ireo zanany. “Feno olana ny fiainako”, hoy ny fieken’ny raim-pianakaviana tanora iray. Mitaraina toy izao ny iray hafa: “Ny tenako aza zara raha veloko, koa ahoana no hataoko raha tsy maintsy hamelona [ny zanako lahy] koa aho?”
Voaloboka marikivy
Nanana izao ohabolana izao ny Jiosy tamin’ny andron’ny Baiboly: “Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify”. (Ezekiela 18:2, Fandikan-teny Katolika). Nilaza tamin’ireo Jiosy Andriamanitra fa tsy tokony ho izany no izy, satria ny fahadisoana tamin’ny lasa dia tsy tokony haverina intsony amin’ny hoavy. (Ezekiela 18:3). Na izany aza, dia ankizy an-tapitrisany maro amin’izao andro izao no toa mahatsapa ny ngidin’ny ‘voaloboka marikivin’ny’ ray aman-dreniny — ka mitondra faisana noho ny tsy fahamatoran-dray aman-dreniny sy ny tsy fandraisany andraikitra ary ny tsy fahombiazan’ny fanambadiany. Betsaka dia betsaka tsotra izao ny fikarohana mampiseho fa iharan’ny loza ara-batana sy ara-pihetseham-po mila tsy ho zakany ny ankizy mihalehibe tsy misy ray. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 7.) Tena mampahory indrindra ny hoe mifindra avy amin’ny taranaka iray ho amin’ny taranaka mandimby ny tokantrano tsy misy ray, ka mampitsingerina tsy an-kiato ny alahelo sy ny fahoriana.
Tsy hahomby mihitsy ve ny fianakaviana tsy manan-dray? Tsy izany velively. Raha ny marina, ny vaovao tsara dia hoe azo sakanana tsy hiverina ny fisian’ny fianakaviana tsy misy ray. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anaovana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Mahaliana fa talohan’ny nananganana ny taozava-baventy, tamin’ny ankapobeny dia niantefa tamin’ny raim-pianakaviana, fa tsy tamin’ny renim-pianakaviana, ny boky momba ny fitaizan-janaka tany Etazonia.
^ feh. 10 Araka ny voalazan’i Sara McLanahan sy i Gary Sandefur, samy mpikaroka, any Etazonia, dia “ankizy 40 isan-jato eo ho eo, izay tokony hahazo volan-jaza, no tsy mahazo akory [tsy nisy didim-pitsarana nivoaka momba izany], ary ny ampahefany izay namoahana didy hoe tokony hahazo, dia tsy mahazo na inona na inona. Latsaka ny ampahatelon’ny ankizy no mahazo ny vola rehetra tokony homena azy”.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
NY LOZA METY HO HITAN’NY ANKIZY MIHALEHIBE TSY MISY RAY
Mety hisy loza lehibe hitranga amin’ny zanaka mihalehibe tsy misy ray. Na dia mety hankarary ny fon’ny sasany aza ny fandinihana ny fanazavana manaraka eto, dia ny fahalalana ny loza mety hitranga no dingana voalohany eo amin’ny fisorohana na, fara fahakeliny, fampihenana ho faran’izay kely ny fanimbana. Fantaro koa fa mihatra amin’ny antokon’olona, fa tsy amin’ny isam-batan’olona, ny vokatry ny fandinihana namoahana antontan’isa. Ankizy maro no mihalehibe ao amin’ny tokantrano tsy misy raim-pianakaviana, nefa tsy mandia ireo olana ireo, na iray aza. Araka ny hasehon’ny lahatsoratra famaranana, dia mampihena be ireo mety ho zava-tsarotra ireo ny fanaovan-javatra avy amin’ny ray na ny reny sy ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly. Diniho àry ny sasany amin’ireo loza mety hitranga izay mety hatrehin’ny ankizy iray tsy manan-dray.
◼ Atahorana Kokoa ny Mety Hametavetana Azy
Asehon’ny fikarohana mazava tsara fa mampitombo ny mety hametavetana ankizy ny tsy fananany ray. Nahariharin’ny fandinihana iray fa tamin’ireo ankizy 52 000 novetavetaina, dia “ny 72 isan-jato no ankizy niaina tao amin’ny tokantrano tsy nisy na ny ray na ny reny niteraka azy, na tsy nisy azy roa”. Manizingizina ny boky Fatherless America hoe: “Izao no antony voalohany indrindra mahatonga ny fitomboana haingana eo amin’ny fametavetana ankizy ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika: mihabetsaka ny raim-pianakaviana manambady nefa tsy hita ao an-tokantrano, ary mihabetsaka ny tokantrano ahitana raikely, lehilahy vadikely, na lehilahy hafa tsy havana fa manao tokantranomaso.”
◼ Mety Hanomboka Aloha Kokoa Izy Raha ny Amin’ny Fanaovana Firaisana
Koa satria azo inoana fa kely kokoa ny fanaraha-mason’ny reny ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy reny, dia matetika ny tanora no manana fahafahana betsaka kokoa hanao fitondran-tena maloto. Mety ho anton-javatra mahatonga izany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana avy amin’ny reny. “Avo roa heny sy sasany ny mety hahabevohoka ny ankizivavy tsy manan-dray eo amin’ny fiainany”, hoy ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Fahasalamana sy ny Asa Fanampiana.
◼ Fahantrana
Ny fandinihana natao teo amin’ny zatovovavy mainty hoditra atsy Afrika Atsimo dia nahatonga hanatsoaka hevitra fa vokatra mahazatra entin’ny fiterahana tsy manambady ny fahantrana. “Inoana fa 50% eo ho eo amin’ireo zatovovavy no tsy hiverina hianatra any an-tsekoly”, hoy ireo mpanao ilay fanadihadiana. Reny maro tsy manambady no miafara amin’ny fivarotan-tena sy ny varo-maizina zava-mahadomelina. Mety ho tsy tsara noho izany ny toe-javatra any amin’ireo tany tandrefana. Tany Etazonia, dia “nahantra ny 10 isan-jaton’ny ankizy tao amin’ny fianakaviana nisy ray sy reny [tamin’ny 1995], fa 50 isan-jato kosa ny tao amin’ny fianakaviana notantanan’ny vehivavy”. — America’s Children: Key National Indicators of Well-Being 1997.
◼ Atao Tsirambina
Voatery mamelon-tena ny reny sasany mitaiza irery ny zanany, hany ka tototry ny andraikiny ary tsy afaka mandany fotoana ampy iarahana amin-janany. Izao no tsaroan’ny vehivavy iray nisara-panambadiana: “Miasa aho ny antoandro ary mianatra amin’ny hariva, hany ka feno fihenjanana ny fiainako. Tena nataoko tsirambina ireo ankizy.”
◼ Fahavoazana Ara-pihetseham-po
Mifanohitra amin’ny fanambaran’ny manam-pahaizana manokana sasany hoe tafarina haingana ireo ankizy aorian’ny fisaraham-panambadiana, dia misy mpikaroka, toy ny Dr. Judith Wallerstein, nahita fa mahatonga ratra ara-pihetseham-po maharitra ny fisaraham-panambadiana. “Folo taona taorian’ny nisarahan’ny ray aman-dreniny, dia tsy manam-paniriana firy na tsy nanam-paniriana mihitsy ny hisondrotra [eo amin’ny fiainana] ny maherin’ny ampahatelon’ny lehilahy sy vehivavy tanora, eo anelanelan’ny sivy ambin’ny folo sy sivy amby roapolo taona. Miaina fotsiny tsy misy tanjona noferany izy ireo (...) ary mahatsapa ho tsy afa-manoatra.” (Second Chances, nosoratan’ny Dr. Judith Wallerstein sy i Sandra Blakeslee). Voamarika teo amin’ny ankizy maro nanana ray aman-dreny nisaraka ny fiheveran-tena ho tsinontsinona, ny fahaketrahana, ny ditra, ary ny fanaovana an-dolompo.
Hoy ny boky The Single-Parent Family: “Fandinihana maro no mampiseho fa ny zazalahy notezaina tsy nisy lehilahy ho modely teo amin’ny fiainany dia tsy matoky tena tsara momba ny maha lahy azy, mihevi-tena ho tsinontsinona, ary atỳ aoriana eo amin’ny fiainany, dia mananosarotra rehefa hanorina fifandraisana akaiky amin’ny hafa. Ny olana hitan’ny ankizivavy miaina tsy misy lehilahy ho modely dia tsy miseho raha tsy eo amin’ny taona maha zatovo azy, na any aoriana kokoa, ary anisan’izany ny fahasahiranana eo amin’ny fanorenana fifandraisana akaiky mahomby amin-dehilahy na amim-behivavy, rehefa tonga olon-dehibe izy.”