Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Velom-pankasitrahana Izahay!”

“Tena Velom-pankasitrahana Izahay!”

“Tena Velom-pankasitrahana Izahay!”

“AZOKO antoka fa nahatonga ny reniko ho mbola velona aina ireo lahatsoratra momba ny fahatapahan-dalan-dra ao amin’ny Mifohaza! [frantsay, 8 Febroary 1998]”, hoy ny nosoratan’i Carol, tao amin’ny taratasy iray ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada. Tsapan-dreniny ho voly ny tanany havia, ary ny ampitso maraina, dia nanomboka tsy nahita tsara izy. “Te hiandry ny ampitso izy vao hizaha ny dokoterany”, hoy ny fanazavan’i Carol, “hany ka nampirisihiko mafy izy hamaky ireo lahatsoratra momba ny fahatapahan-dalan-dra tao amin’ny Mifohaza! Tao anatin’ny ampahefatr’adiny, dia nantsoiny aho ka nilazany fa tsara kokoa raha mankany amin’ny hopitaly izy. Nohazonin’ireo dokotera nandritra ny alina manontolo izy mba hozahana. Ny ampitso, dia nohamafisin’izy ireo fa nisy lalan-dra vitsivitsy natahorana ho tapaka tokoa, ary nilaza izy ireo fa fahendrena ny nankanesany tany amin’ny hopitaly tamin’iny fotoana iny. Tena velom-pankasitrahana izahay noho io fitohitohizan-dahatsoratra io!”

Mety ho gaga ianao mahafantatra fa mirakitra tari-dalana azo ampiharina izay mampitombo fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ny Baiboly. Asongadina ao amin’ilay bokikely 32 pejy mahaliana hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra izany zava-misy izany, ao amin’ny pejy faha-20 sy 21, ary koa ny pejy faha-25 sy 26. Afaka mangataka iray amin’izy io ianao, raha mameno ny tapakila etsy ambany, sy mandefa azy io amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.