Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fomba Fiaina Tsy Mahasalama Tena ratsy ny fahasalamako tato anatin’ireo volana vitsivitsy farany, ka tena nampahery tokoa ny nahafantatra fa azontsika atao ny manatsara ny fahasalamantsika, amin’ny fanovana ny fomba fiainantsika. Tamin’ny famakiana ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mamono Anao ve ny Fomba Fiainanao?” (8 Jolay 1999), no nahitako fa mila mampihena ny fihinanako sakafo sasany aho, ary mila mihinana sakafo voalanjalanja kokoa, ka tafiditra amin’izany ny voankazo sy legioma bebe kokoa.

E.P.M., Brezila

Vokatra any Aoriana Nampahery ahy ilay lahatsoratra hoe “Voa Izay Namokatra Taona Maro Tatỳ Aoriana”. (8 Jolay 1999). Telo taona izao no nanompoako tamin’ny naha mpitory ny filazantsara manontolo andro ahy, ary rehefa tsy araka ny nantenaiko ny vokatra azoko, dia nanjary kivy aho, ka tsy ta hanohy intsony. Nanampy ahy ny famakiana an’io lahatsoratra io mba hanao araka izay fara heriko ankehitriny, ka hanankina ny vokany amin’i Jehovah.

T. N., Japon

Fihantsiana Nankafiziko ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Azoko Isetrana ny Fihantsiana Ahy?”, tao amin’ny Mifohaza! 8 Jolay 1999. Efa hatrany amin’ny akanin-jaza mihitsy aza, dia efa nametraka fanontaniana tamiko momba ny zavatra inoako ireo mpiara-mianatra tamiko. Mandratra ny fihetseham-poko ny fomba fametrak’izy ireo fanontaniana indraindray. Imbetsaka aho no efa saika tsy nahazaka izany. Tsapako ankehitriny fa, hay, fitsapam-pinoana fotsiny ireny. Ankoatra izany, dia nanao fanambarana tamim-pahombiazana tamin’ny hafa aho, tany an-tsekoly.

L. C., Etazonia

Nankasitraka ilay lahatsoratra aho, na dia efa ela be aza aho no tsy zatovo intsony: 50 taona mahery aho izao! Misy fotoana tsy anampoizantsika ny fanoherana tojo antsika eny am-panaovana fanompoana, ka mety hahatsiaro ho ta hamaly ratsy ny ratsy isika. Izany no antony nankasitrahako ilay fampahatsiahivana hoe: “Tsy hanao afa-tsy ny hanampy trotraka ilay zava-manahirana, ary mety hampirisika hihantsy bebe kokoa mihitsy aza ny famaliana amin’ny fanevatevana ny fanevatevana, na dia toa hainao tsara erỳ aza ny namaly azy.” Miezaka miaro tena aho, saingy tsy miseho ho mamaly ratsy ny ratsy, ary vao mainka nampiaiky ahy hanohy hanao toy izany io fampahatsiahivana io.

A. F., Etazonia

Alika Solosofina Maniry hisaotra anareo aho noho ilay lahatsoratra hoe “Solosofina ho Ahy ny Alikako!” (8 Aogositra 1999). Ny fahafantarako fa tena miatrika fahasahiranana lehibe toy izany ny olona marenina dia nanampy ahy hahatakatra misimisy kokoa ny momba azy ireny. Tia alika koa aho, ary faly aho nahafantatra fa tena afaka ny ho tonga fanampiana sy fanohanana ho an’ny olona maro tokoa izy ireny.

L. B., Italia

Manana alika mpanampy koa aho. Saika mandany ny fotoanako eo ambonin’ny seza misy kodiarana aho noho ny hazondamosiko nakambana sy ny fibromyalgie (karazan’aretin-kozatra) mahazo ahy. Tsy ampy ny teny hilazana ny zava-drehetra anampian’ny alikako ahy. Manampy ahy izy rehefa mandeha miantsena na manadio trano aho. Manampy ahy eo amin’ny fanompoana kristianina mihitsy aza izy, amin’ny fitondrana ireo zavatra vita an-tsoratra.

K. W., Etazonia

Teôlôjian’ny Fanambinana Mba hilazana ilay izy amim-pahalalam-pomba, dia hitako fa tena mamitaka ilay lahatsoratra hoe “Teôlôjian’ny Fanambinana”, tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. (8 Jolay 1999). Ireo fiangonana pentekotista sy mpanao fahagagana hatraiza hatraiza dia mampirisika ny hanaovana fanomezana miorina amin’ireo foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Toe-tsaina feno fanakianana no nentina nanoratana an’io lahatsoratra io.

C. B., Etazonia

Ny lahatsoratray dia nanonona ny teny nambaran’i Wanda Deifelt, teôlôjianina loteranina, araka izay nahitana azy tsy nisy novana sy tamin’ny saina tsy miangatra, nivoaka tao amin’ny “ENI Bulletin”, gazetikely filazam-baovao an’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany. Araka izay voalaza, ilay lahatsoratra tao amin’io gazetikely io dia tsy nanisy firesahana ny fiangonana pentekotista sy mpanao fahagagana amin’ny ankapobeny, fa nanisy firesahana indrindra indrindra ny amin’ny sasantsasany izay hita any Amerika Latinina. — MPAMPANONTA.