Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Dantelina Tranon-kala” — Asa Tanana Paragoayanina Mambabo

“Dantelina Tranon-kala” — Asa Tanana Paragoayanina Mambabo

“Dantelina Tranon-kala” — Asa Tanana Paragoayanina Mambabo

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY PARAGOAY

ASUNCIÓN, eto Paragoay. Nanana minitra vitsivitsy hijerena ny manodidina izahay, satria mbola vao nampidinina ny entanay. Nosintonin’ny vadiko tampoka aho, hankeo amin’ny zavatra iray nampirantina teo amin’ny rindrina iray. “Fatratra izany raha zavatra!”, hoy ny fihiakany, sady nanondro lamban-databatra dantelina kanto iray, misy sary mifampidipiditra be. Tonga dia nanontany tena ny amin’ny fomba nanaovana azy io izy.

Avy tany Arabia ny dantelina tranon-kala. Araka ny voalazan’ilay boky hoe Paraguay, Touristic and General Information, dia “nampidirina tany amin’ireo Nosy Canaries sy tany Espaina, izy io, ary teo anelanelan’ny taonjato faha-17 sy faha-18, dia nentina teto Paragoay, izay nahazoan’io nantsoina hoe dantelina masoandro avy tany Tenerife io ny anarana hoe dantelina paragoayanina, na nanduti. Eto Paragoay, io dantelina tsara tarehy io dia niova endrika arakaraka ilay mpanao azy ary nasiana sarin’ny zavamaniry sy ny biby eto an-toerana. Na dia tsy ny teto an-toerana aza no namorona ilay dantelina, dia tena nanatsara ny fanaovany azy io kosa ny Paragoayanina tamin’ny namoronany karazan-jaitra hafa. Nanjary fiveloman’ny teratany maro ny fanaovana dantelina.

Ahoana no anaovan’izy ireo io dantelina mifampidipiditra izay miendrika tranon-kala io? Mba hanampiana anay hahafantatra ny valiny, dia nitondra anay tany amin’ny 30 kilaometatra, tany atsinanan’i Asunción, ny mpitari-dalana anay, mba hankany amin’ny tanàna kelin’i Itauguá. Nambarany anay fa ao amin’io faritra io no anaovana ny ankabeazan’ny dantelina tranon-kala misy eto Paragoay. Zavatra maro vita rary kofehy tokoa no arantiranty eny amin’ny fivarotana manaraka ny arabe lehibe.

Noraisin’ny vehivavy tompon’ny fivarotana iray an-tanan-droa izahay, ary nampisehoany zavatra manintona. Hoy izy nanazava: “Sokajìna arakaraka ny fomba nanaovana azy ny dantelina vita tanana. Ny dantelina tranon-kala dia dantelina ampiasana fanjaitra sy modely taratasy eo ambonin’ny lamba. Mitadidy an-kandrina ny modeliny ny ankamaroan’ny paragoayanina mpanao dantelina, fa ny hafa kosa mampiasa modely. Samy mampiasa lamba landy eo amin’ny rafitra hazo avokoa izy rehetra, ary manao ny dantelina amin’ny fampiasana fanjaitra sy kofehy. Ny reniny no nampianatra azy ireo an’io asa tanana io fony fahakeliny, ary izy ireo indray no mampianatra ny zanany.”

Adiny roa na adiny telo monja no anaovan’ny karazan-kala iray ny tranony. “Roa ka hatramin’ny telo volana no ilaina mba hanaovana lamban-databatra miaraka amin’ny servieta valo, amin’ny fampiasana kofehy matevintevina, ary enim-bolana ka hatramin’ny valo volana no ilaina mba hanaovana lamban-databatra toy io ihany fa amin’ny fampiasana kofehy manify tsara”, hoy ilay mpampiantrano anay. “Arakaraka ny hanifin’ny kofehy no maha tsara ny asa vita.”

Nampiseho anay dantelina kely fotsy haingom-bilia, izy sady nanazava hoe: “Misy sarina vonin-goavy izy ity eo afovoany, ary tsy maintsy isaina ireo kofehy ireo eo am-panaovana azy. Ity sary ity no sarotra atao indrindra, ary tapa-bolana vao mahavita azy io raha kofehy manify tsara no ampiasaina. Tsy nampiasa afa-tsy kofehy manify tsara ny mpanao dantelina tamin’ny voalohany, ka lafo be daholo ireo dantelina. Noho izany, dia nanomboka nampiasa kofehy matevintevina ny ankamaroan’ny mpanao dantelina mba hahavitana zavatra haingana kokoa sy mora vidy kokoa.”

Nisy asa tanana nareva-doko sy fotsy narantiranty: lafi-bilia, lamban-databatra, dantelina kely haingom-bilia, lafi-bera, ary kojakoja an-tokantrano hafa. Rehefa nanontany momba ny fitafiana izahay, dia naka akanjo iray fanao eto an-toerana haingana ilay mpampiantrano anay. An’ny zanany vavy izy io, ary hita be hoe nirehareha ny amin’izy io erỳ izy. Akanjo manontolo misy lokon’ny avana ilay izy. Tao amin’ny fivarotana hafa, dia nahita cartes postales vita tsara misy dantelina tsara tarehy, izahay. Tsy mahagaga raha heverina ho ny asa tanana malaza indrindra eto Paragoay ny dantelina tranon-kala.

[Sary, pejy 26]