Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanandevozana Maoderina — Hifarana Tsy ho Ela!

Fanandevozana Maoderina — Hifarana Tsy ho Ela!

Fanandevozana Maoderina — Hifarana Tsy ho Ela!

“Tapany tsy afa-misaraka amin’ny fahafahan’ny olona rehetra ny fahafahan’ny olona iray. Tsy afaka ny hikasika ity farany ianao ka hoe tsy hahatandindomin-doza ilay iray.” — Victor Schoelcher, Mpanao Gazety Frantsay Sady Mpanao Politika, 1848.

“INONA io toetra ratsy ao amin’ny olombelona io, izay nitarika azy foana hanamavo sy hampanompo ary hanambany ny mpiara-belona aminy?”, hoy ny fanontanian’ny mpampanonta ny The UNESCO Courier. “Ary ahoana no mbola tsy nanasaziana foana an’izay manao izany heloka bevava amin’ny olombelona izany, nanomboka tamin’ny namoronana ny Zon’olombelona?”

Maro ny valin’izany. Ny fitsiriritana tafahoatra dia antony manosika hampiasa ankizy tsy ampy taona, satria tsy andaniam-bola firy izany, ary koa antony mahatonga olona ho lasa andevon’ny trosa. Lazaina fa noho ny fahantrana sy ny tsy nahavitana fianarana no mahatonga ireo ankizivavy hamidy ho amin’ny fivarotan-tena sy ny fanambadiana manandevo. Misy fomba fanao ara-pivavahana sy fiheverana ara-kolontsaina mahatonga ny olona ho andevozin’ny fombafomba. Ary ny amin’ireo lehilahy mitsidika an’i Bangkok na i Manille, mba hahitana ankizilahy na ankizivavy tsy voan’ny SIDA, ny antony manosika dia faniriana hanao firaisana mamoafady sy fahalotoam-pitondran-tena tsotra izao. Izany rehetra izany dia anisan’ny tontolo iray ahitana olona ‘tia ny tenany, tia vola, (...) tsy manana firaiketam-po voajanahary, (...) tsy manana fifehezan-tena, lozabe’, araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, mpianatra lalàna tamin’ny taonjato voalohany. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Izany dia anisan’ny tontolo iray ahitana fa “ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina”, araka ny tenin’ny mpitondra fanjakana fahiny iray nantsoina hoe Solomona. — Mpitoriteny 1:15.

Fiovan’ny toe-tsaina

Midika ve izany fa tsy misy azo atao, na tsy hisy zavatra hatao mihitsy, mba hamaranana ny fanandevozana tsy hisy intsony — na amin’ny endriny mahazatra na amin’ny endriny vaovao kokoa? Tsy izany velively!

Milaza ny talen’ny Vaomiera Ambony ao Amin’ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon’olombelona (OHCHR) fa ny fanandevozana dia “toe-tsaina”, ary hoy koa izy hoe: “Mamela soritra ny fanandevozana, na dia rehefa nofoanana aza. Mitoetra ihany izy io, satria toe-tsaina — mitoetra ao amin’ireo mitondra faisana noho ny aminy sy ny taranak’ireo sy ao amin’ireo mpandova an’ireo nanandevo olona — ela be aorian’ny nanjavonany tamin’ny fomba ofisialy.”

Fomba iray hanafoanana ny fanandevozana àry ny fanaovana izay hiovan’ny fomba fisaina — fiovam-po — eo amin’ny sehatra maneran-tany. Ary tafiditra amin’izany ny fanovana ny fanabeazana — fampianarana ny olona mba hifankatia sy hanaja ny fahamendrehan’ny andaniny avy. Midika ho fanampiana ny olona hamongotra ny fitsiriritana tafahoatra tsy ho ao am-pony izany, ary hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ambony ara-pitondran-tena. Iza no afaka manome fanabeazana toy izany? Milaza ny OHCHR fa “tokony hitondra ny anjara birikiny avy ny tsirairay mba hampisy tontolo iray tsy milefitra amin’ny fanambakana tsy misy antra intsony”.

Diniho ny fandaharam-pampianarana izay notanterahin’ny fitambaran’ny Kristianina Vavolombelon’i Jehovah, maneran-tany. Nahavita nampianatra olona tso-po mba tsy hilefitra amin’ny fanambakana tsy misy antra, na hanala tsiny izany, io fandaharam-pampianarana io. Tamin’ny alalan’izy io no nampianarana olona an-tapitrisany maro, any amin’ny tany maherin’ny 230, mba hitondra ny olona rehetra amim-pahamendrehana. Nahoana no mahomby io fandaharana io?

Satria miorina amin’ny Baiboly, ilay boky ara-tsindrimandrin’ilay Mpamorona ny olombelona, izy io. Boky manandratra ny fahamendrehan’ny olombelona izy io. Ny olona nampianarina ny Baiboly tamin’ny alalan’ny fandaharam-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mianatra fa Andriamanitry ny fahamendrehana i Jehovah, Mpamorona antsika. (1 Tantara 16:27). Manome fahamendrehana ho an’ny zavatra noforoniny rehetra izy. Anisan’izany ny lehilahy sy ny vehivavy, avy amin’ny firazanana sy ny saranga sosialy ary ny fari-piainana rehetra. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Fahafahana sy Fahamendrehan’olombelona — Avy Aiza?”

Fitovian-jo sy fanajana ny fahamendrehan’ny hafa

Mampianatra ny Baiboly fa “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponenin[’Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra”. (Asan’ny Apostoly 17:26, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia tsy misy afaka mihambo ho manam-pahefana tampony eo amin’iza na iza amin’ireo mpiara-belona aminy, na manan-jo hampihatra famoretana na fanambakana ny hafa. Ny olona vonona ny hianatra dia manjary mahatakatra ny hoe “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35, izahay no manao sora-mandry.) Takatr’izy ireo fa mahafaoka ny rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, satria misokatra eo anoloan’ny olona rehetra ny tombontsoa hanana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Raha ny marina, dia “tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16, NW.

Misy vokany lalina eo amin’ny toetran’ny olona io fampianarana miorina amin’ny Baiboly io. Amin’ny alalan’izy io, dia azo ‘havaozina tanteraka” ny fo sy ny sain’ny olona. (Efesiana 4:22-24, Today’s English Version). Manosika azy ireo hitondra ny hafa amim-pahamendrehana sy amim-panajana izy io. Tapa-kevitra ny “hanao soa amin’ny olona rehetra” izy ireo. (Galatiana 6:10, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy afaka ny ho Kristianina marina no sady handray anjara amin’ny fanambakana tsy misy antra, sy ny famoretana ny mpiara-belona aminy na iza na iza. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izy ireo fitambarana Kristianina toa an’ilay kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany, izay ‘tsy nisy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo. Iray ihany izy rehetra ao amin’i Kristy Jesosy’. — Galatiana 3:28.

Fiovan’ny fitondram-panjakana

Mba hahatonga ny endri-panandevozana rehetra tena hifarana tanteraka anefa, dia tena ilaina ny hisian’ny fiovana lehibe eo amin’ny fitambaran’olona. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa fa mba hamaranana ny fanambakana ny hafa, dia ilaina ny “manova ny tontolo iainana izay mamela sy manala tsiny” azy io. Anisan’ny fanoloran-kevitra fanampiny nataon’io fikambanana io ny hisian’ny fiaraha-misalahy iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ary ny faneken’ny fitambaran’olona maneran-tany ny adidiny.

Araka ny lôjika, izany dia mitaky ny hisian’ny fahefana iray ho afaka hampihatra fifehezana manerana ny tanintsika, fahefana ho afaka hiantoka fahafahana ho an’ny rehetra. Nilaza i Boutros Boutros-Ghali, sekretera jeneralin’ny ONU taloha, fa tsy maintsy vahaolana “eo amin’ny sehatra maneran-tany” no ilaina amin’ireo zava-manahirana tena misy izay mahazo ny tanintsika. Tsy ny rehetra anefa no tena mahazo antoka fa mety hitranga izany indray andro any. Asehon’ny zavatra hita hatramin’izay fa olona maro manam-pahefana no tia tena loatra, ary mifantoka loatra amin’ny tombontsoany sy ny tanjony, ka tsy ho tonga amin’izany fiaraha-miasa iraisam-pirenena izany.

Asehon’ny Baiboly — ilay boky izay nampianatra olona an-tapitrisany maro mba hanaja ny fahamendrehan’ny mpiara-belona aminy — anefa fa fikasan’Andriamanitra ny hanorina izany fitondram-panjakana maneran-tany izany. Hahita fampanantenana maro ny amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahitsiana ianao, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 65:17; 2 Petera 3:13). Fikasan’Andriamanitra ny hanaisotra amin’ny tany ireo izay tsy tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Andriamanitra dia nampiharihary ny fikasany hanorina fitondram-panjakana haneran-tany hanapaka araka ny hitsiny, eo amin’ny olombelona. Nilaza tamintsika mba hivavaka ny amin’io fitondram-panjakana io i Jesosy tao amin’ilay vavaka izay mahazatra ny miantso azy hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo, na ny Rainay Izay any An-danitra. — Matio 6:9, 10.

Eo ambanin’io fitondram-panjakana io, dia hanjavona ny fanambakana ny hafa sy ny endri-panandevozana rehetra, satria hanjaka “amin’ny rariny sy ny hitsiny” i Kristy, ilay Mpanjaka. (Isaia 9: 6). Ireo nampahorina dia hahita fahafahana eo ambanin’ny fanapahany ara-drariny, satria milaza ny Baiboly hoe: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy”. — Salamo 72:12-14.

Raha irinao mafy ny hahita ny faran’ny fanandevozana — ny endri-panandevozana rehetra — dia manasa anao izahay hianatra misimisy kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra hanorina io fitondram-panjakana haneran-tany hitondra fahafahana io. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao hanampy anao hanao izany.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

FAHAFAHANA SY FAHAMENDREHAN’OLOMBELONA — AVY AIZA?

Isika rehetra dia teraka manana filana sy faniriana raiki-tampisaka ny hanana fahafahana sy fahamendrehana. I Kofi Annan, sekretera jeneralin’ny ONU, dia naneho fihetseham-po izay iombonan’ny rehetra, rehefa nanontany hoe: “Iza no handa fa mikatsaka fiainana tsy misy tahotra sy fampijalijaliana ary fanavakavahana isika rehetra? (...) Oviana ianareo no nandre feon’olona afaka iray nitaky ny hamaranana ny fahafahana? Taiza no nisy andevo re niady hevitra mba hiaro ny fanandevozana?”

Hevitra tsy vaovao mihitsy ireo. Nanilika ilay hevitra hoe misy olona teraka ho andevo i Sénèque, filôzôfa romanina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanoratra toy izao, ao amin’ilay bokiny hoe Lettres à Lucilius: “Saintsaino ange e! Ilay olona antsoinao hoe andevonao dia teraka avy tamin’ny voa mitovy amin’ilay nahaterahanao, miloloha lanitra manga toa anao, misefo toa anao, miaina toa anao, ary maty toa anao.”

Nilaza i ʽAlī, mpitarika ara-pivavahana hajaina fatratra ho ilay fahefatra nandimby an’i Mahometa, fa “mitovy zo [ny olona rehetra] rehefa noforonina”. Nanambara toy izao i Saʽdī, poety persanina tamin’ny taonjato faha-13: “Ny taranak’i Adama dia mpianakavy iray ary teo am-pamoronana azy, dia avy tamin’ny iray ihany. Rehefa mampijaly ny mpianakavy iray izao tontolo izao, dia tsy milamin-tsaina koa ny mpianakavy hafa.”

Manasongadina ny fahamendrehan’ny olona rehetra ny fitantarana voarakitra an-tsoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Milazalaza ny famoronana ny olombelona, ohatra, ny Genesisy 1:27, ka manambara hoe: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” Andriamanitry ny fahafahana ny Mpamorona antsika. “Izay misy ny fanahin’i Jehovah, dia misy fahafahana”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 3:17, NW ). Rehefa namorona ny olona tahaka ny endriny sy mitovy aminy i Jehovah dia nanome vidiny sy hajany ary fahamendrehana ho an’ny olombelona. Rehefa hanafaka ny zavatra noforoniny amin’ny “fanandevozan’ny fahalovana” izy, dia hanao izay hahazoana antoka koa fa hanana fahafahana sy fahamendrehana toy izany mandrakizay ny olona. — Romana 8:21, NW.

[Sary, pejy 9]

Manan-jo hanana fahamendrehana sy fahafahana ny rehetra

[Sary, pejy 10]

MANASONGADINA NY FANAJANA NY FAHAMENDREHAN’OLOMBELONA SY MAMPITA FANANTENANA MOMBA NY TONTOLO VAOVAO HO AVY NY FANABEAZANA ARA-BAIBOLY

Fianakaviana iray any Bénin, miara-mianatra ny Baiboly

Ahafahana mahita mialoha ny paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny ny hakanton’ireto riandranon’i Nil Manga atsy Etiopia ireto