Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fasana Hafakely

Fasana Hafakely

Fasana Hafakely

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY EKOATERA

AO AMIN’NY tanànan’i Ibarra, any avaratr’i Quito, renivohitr’i Ekoatera, dia misy fasana hafakely — el cementerio de los pobres (ny Fasan’ny Mahantra). Inona no mahatonga azy io ho toy izany? Ireo sary hoso-doko eo amin’ny rindrina ivelany dia sary nalaina nivantana avy tao amin’ny bokin’ny Fikambanana Watch Tower, saingy nohalehibeazina fotsiny! * Ny sary eo afovoany dia sarin’ny apostoly Jaona, izay nalaina avy tao amin’ny pejy faha-7 amin’ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Eo ambonin’i Jaona, dia misy izao soratra izao, amin’ny teny espaniola: “Ny Fanjakan’Andriamanitra dia midika ho fahitsiana sy fiadanana ary fifaliana. Romana 14:17.” Eo ankavia, dia misy ny tenin’ny Matio 11:28 manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho”, avy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy isalasalana fa mitarika ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra io rindrim-pasana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mba hanarahana ny fepetra takin’ny lalàna, dia tsy maintsy mahazo lalana aloha vao maka tahaka lahatsoratra na asa ara-javakanto avy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, ary tokony holazaina hoe avy tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania izy ireny.