Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Taratasim-panafody Mampidi-doza

“Nifaoka ain’olona maro kokoa noho ny lozam-pifamoivoizana ny fanafody tany Alemaina, tamin’ny taon-dasa”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Stuttgarter Nachrichten. Nanaovana tatitra fa olona 25 000 teo ho eo no maty tamin’ny 1998 noho ny fanafody tsy izy natoron’ny dokotera. Avo telo heny noho ireo izay matin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny taona iny ihany izany. Nolazaina fa tsy ny fanaovana dokotera tena no antony voalohany indrindra. Toa ny tsy nahazoan’ireo dokotera fanazavana sy fiofanana ampy, momba ny fanafody sy ny vokany, no olana lehibe indrindra. Nilaza i Ingolf Cascorbi, manam-pahaizana momba ny fanafody, fa araka ny fanombantombanana iray, dia “azo nosorohina ny fahafatesan’ny olona 10 000 sy ny aretina nahazo ny olona 250 000 noho ny vokany hafa nentin’ny fanafody, isan-taona, tany Alemaina, raha natao tamin’ny fomba feno ny fikarohana sy ny fiofanana”, hoy ny nambaran’ilay tatitra.

Mitovy amin’izany koa, ny gazetiboky frantsay Sciences et avenir dia nanao tatitra momba ny fandinihana iray natao vao haingana tany Frantsa, izay nampiharihary fa tamin’ireo taratasim-panafody 150 000 nomena ho an’ny olona maherin’ny 70 taona, dia 10 700 teo ho eo no tsy izy na tsy nandaitra. Tokony ho 1 tao anatin’ny 50 teo ho eo no nety ho nampidi-doza, noho izy nety ho tsy azo nampiarahina tamin’ny fanafody hafa nasaina nampiasaina, na nety ho nahatonga zava-dratsy hafa koa. Any Frantsa, dia tombanana ho mandany tokony ho iray tapitrisa andro isan-taona eo ho eo any amin’ny hopitaly ireo zokiolona, noho ny voka-dratsy entin’ny fanafody.

Feo Noraisina mba Hohenoin’ny Biby Fiompy Mandritra ny Fisakafoana

Nahita ny mpahay siansa kanadianina fa mampahazoto homana an’ireo zanaka biby fiompy ny fampihainoana azy ireo feo noraisina, araka ny tatitra nataon’ny New Scientist. “Noraisinay feo ny reniakoho iray izay mahita zavatra tiany hohanin’ireo zanany”, hoy i Luis Bate, ao amin’ny Oniversiten’ny Nosy Prince-Édouard. Rehefa alefa amin’izay ilay feo, ary atao eo akaikin’ny hanina ny fanamafisam-peo, dia mihinana ireo akohokely na dia tsy eo aza ny reniny. Tsy maintsy atao mifanitsy amin’ny tena izy tsara anefa ny feo. Nanamarika toy izao i Bate: “Rehefa feon-dreniakoho avy nahafoy atody no alefanay, izay hitako ho mitovy amin’ny feony rehefa manome hanina ny zanany, dia tsy mihetsika ireo akohokely.” Ny tanjon’ireo mpahay siansa dia ny mba hanafainganana ny fitomboan’ireo biby, ary tamin’ireo fanandramana natao voalohany, dia nihoatra 20 isan-jato noho ny mahazatra ny fitomboan’ireo akohokely, tao anatin’ireo telo herinandro voalohany nahafoizany. Tamin’ny fanandramana nitovy tamin’izany, dia azo nampirisihina hihinan-kanina matetika kokoa ny zana-borontsiloza sy ny zana-kisoa.

Ao Anatin’ny Fihenjanana

“Efa ho ny antsasaky ny Kanadianina no mitaraina noho ny fihenjanana antonontonony na ny fihenjanana be tsapany eo am-panandramana mampifandanja ny asany amin’ny fiainany ao an-tokantrano”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Vancouver Sun. “Avo roa heny noho ny tamin’ny folo taona lasa izany.” Nahoana no misy izany fitomboana izany? Ny fanadihadiana navoakan’ny Filan-kevitry ny Mpandini-draharahan’i Kanada dia nampiharihary ny fitomboan’ny isan’ny mpiasa kanadianina izay mikarakara ny mpianakaviny. Mihamitombo ireo zokinjokiny vao manan-janaka, ka matetika izany no mahatonga azy ireo hiatrika ilay zava-tsarotra hoe “sady mitaiza zaza no mitaiza ray aman-dreny”. Na dia ny 84 isan-jaton’ireo nanaovana fanadihadiana aza no namaly fa mbola afa-po amin’ny asany ihany izy ireo, ilay tatitra dia nanamarika fa rehefa manjary zava-manahirana ny fahaiza-mandanjalanja momba ny raharaha tsy maintsy atao ao an-tokantrano sy ny asa, “ny ankamaroany dia mampihena voalohany indrindra ny fotoana ikarakarany izay ilainy manokana, anisan’izany ny fotoana fatoriana”. Izao no nomarihin’ilay Filan-kevitry ny Mpandini-draharaha: “Tonga ny fihenjanana, ary miharatsy ny fahasalamana.”

Fampianarana Hanaja Fahefana

“Tsy mitaky afa-tsy fanajana kely dia kely ny fahefany, ireo ray aman-dreny ankehitriny, ary, raha ny marina, dia angamba mahatonga tsikelikely ny zanatsika tsy hahatsiaro tena ho mendrika isika ray aman-dreny”, hoy ny tatitra iray nataon’ny The Toronto Star. “Ilain’ny ankizy ny mahafantatra izay miandry azy ary ilainy ny fiarovana, ka manome ireo zavatra ilainy ireo ny fahafantarany ny fetran’ny mety ho vitany — ary izany indray kosa dia manampy azy hahatsapa tena ho mendrika bebe kokoa”, hoy ny nomarihin’i Ronald Morrish, manam-pahaizana momba ny fitondran-tena. “Ireo ankizy tsy mahalala fitsipika sy tsy mahatsapa andraikitra no tsy milamin-tsaina sy tsy matoky tena firy rehefa mihalehibe.” Nanampy teny toy izao izy: “Mahafantatra ankizy maro enin-taona matory amin’ny ora tiany hatoriana aho. Mahafantatra ankizy maro telo taona aho, izay andraman’ny reniny resena lahatra mba tsy haditra, amin’ny fanazavana fa mampalahelo an’i Neny izany.” Mila mianatra ny hanaraka ireo fitsipika ao amin’ny fianakaviana ny zanaka, ary diso ny fiheverana fa mihatsy tia mankatò izy ireo rehefa mihalehibe, ary efa voajanahary izany, hoy ny nolazain’i Morrish. “Ampoizintsika ny hampitomboan’ny ankizy tsikelikely ny fahalalana azony any an-tsekoly, isan-taona. Koa nahoana àry no tsy ampoizintsika koa ny hihatsaran’ny fitondran-tenan’ny ankizy, isan-taona?”, hoy izy nanontany. “Raha tsy mampihatra ny fahefanao ianao handidiana ny zaza hampirina ny kilalaony, dia tsy hankatò anao momba ny ora fodiana izy rehefa zatovo.”