Iza avy no Andevo Amin’izao Andro Izao?
Iza avy no Andevo Amin’izao Andro Izao?
ERITRERETO ange ny isany e! Tombanana ho eo anelanelan’ny 200 sy 250 tapitrisa ny ankizy, latsaka ny 15 taona, izay miasa foana mandritra ny ankamaroan’ny fotoana tsy atoriany. Ankizy ampahefa-tapitrisa, ny sasany aminy vao fito taona monja, no notaomina ho amin’ny ady nitanam-piadiana, nandritra ny taona 1995 sy 1996 fotsiny, ka nanjary andevon’ny ady ny sasany taminy, noho izany. Tombanana ho iray tapitrisa mahery ny isan’ny zaza amam-behivavy amidy ho andevo isan-taona.
Ny isa fotsiny anefa dia tsy tena afaka mampiharihary ny toe-piainana mampamoy fo misy ireny olona ireny. Tao amin’ny tany iray atsy Afrika avaratra, ohatra, dia nihaona tamin’i Fatma, tovovavy iray afa-nandositra ny tompony lozabe, i Elinor Burkett, mpanoratra. Rehefa avy niresaka taminy anefa i Burkett, dia takany fa “mihevitra ny tenany ho andevo mandrakizay” i Fatma. Mba ho afaka hanonofinofy ny hanana hoavy tsara kokoa ve i Fatma? “Tsy mba afaka mamolavola izay kasainy hatao ankoatra ny ampitso akory izy”, hoy i Burkett. “Anisan’ireo hevitra maro tsy ananany ny amin’ny hoavy.”
Eny, amin’izao fotoana izao indrindra, dia andevo tsy manana fanantenana ny mpiara-belona amintsika an-tapitrisany maro. Ahoana no mahatonga azy rehetra ireny ho andevo, ary nahoana? Endri-panandevozana inona avy no nanipazana azy ireo?
Mpivarotra olona
Tena mivantana be ny teny ao amin’ny bokikely mivoaka any Etazonia, natao ho an’ny mpizaha tany, manao hoe: “Fizahan-tany mba hanaovana firaisana any Tailandy. Izany ka tena ankizivavy! Izany ka tena fanaovana firaisana! Izany ka mora vidy! (...) Fantatrao ve fa tena afaka mividy ankizivavy virjiny iray 200 dolara [1 300 000 FMG eo ho eo] monja ianao?” Ny zavatra tsy nolazain’ilay bokikely dia hoe mety ho ankizivavy nalaina an-keriny ireny “virjiny” ireny, na namidy an-keriny tany amin’ny trano fivarotan-tena, izay andraisan’izy ireny clients 10 ka hatramin’ny 20 eo ho eo isan’andro, amin’ny antsalany. Raha tsy mety manao firaisana izy ireny, dia kapohina. Rehefa nirehitra ny trano fivarotan-tena iray tany amin’ny Nosy Phuket, toeram-pialan-tsasatra iray be mpitia any amin’ny faritra atsimo amin’i Tailandy, dia may kila tao
ny mpivaro-tena dimy. Nahoana? Satria nofatoran’ny tompony tamin’ny rojo vy teo amin’ny farafarany izy ireo, mba tsy hahafahany handositra ny tompony.Avy aiza ireny tovovavy ireny? Ankizivavy sy vehivavy an-tapitrisany maro maneran-tany, izay nalaina an-keriny, noterena ary namidy hanao fivarotan-tena, hono, no mameno io sehatry ny indostrian’ny fivarotan-tena io. Miroborobo ny fivarotan-tena iraisam-pirenena noho ireto antony ireto mitambatra: ny fahantrana any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, sy ny harem-be any amin’ny tany manankarena, ary ny lalàna minia tsy mijery ny varo-maizina iraisam-pirenena sy ny fifanekena hiasa hanoneram-bola.
Notombanan’ireo fikambanam-behivavy any Azia Atsimoatsinanana fa, nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1970 ka hatramin’ireo taona 1990, dia vehivavy 30 tapitrisa naneran-tany no namidy. Mandehandeha eran’ireo gara, vohitra be mahantra, ary arabe an-tanàn-dehibe ny mpanao varo-maizina olona, mba hitadiavana tovovavy sy vehivavy. Vehivavy tsy nahita fianarana, kamboty, nafoin’ny havany na faran’izay sahirana ara-pivelomana mazàna no azon’izy ireo. Ampanantenaina asa izy ireny, kanjo inona no teo fa entina any ivelan’ny taniny izy ireny, ary avy eo, dia amidy any amin’ny trano fivarotan-tena.
Nanjary nisy ankizivavy sy vehivavy maro be nahantra, nanomboka tamin’ny naharavan’ny vondrona kominista tamin’ny 1991. Niteraka fitomboan’ny heloka bevava sy fahantrana ary tsy fananana asa ny gaboraraka sy ny fisintahan’ny fanjakana ary ny fitomboan’ny hantsana eo amin’ny sarangan’olona. Nanjary loharano ahazoan-tombony ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena mandamina fivarotan-tena izao ny vehivavy sy ny ankizivavy maro avy any Rosia sy Eoropa Atsinanana. “Tsy misy atahorana firy rehefa olona, fa tsy zava-mahadomelina, no atao varo-maizina”, hoy i Anita Gradin, tao amin’ny Vaomieran’ny Fitsarana Eoropeanina.
Simba ny fahazazana
Ao amin’ny orinasa kely iray fanamboarana karipetra any Azia, dia misy ankizy vao dimy taona monja miasa manomboka amin’ny 4 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora alina, nefa tsy mahazo karama. Betsaka ny ankizy tsy ampy taona, toa azy ireo, miatrika loza ara-pahasalamana lehibe: milina mety hahitan-doza, ora maro iasana ao amin’ny toerana tsy misy hazavana sy rivotra madio *
firy, ary fahazoana zavatra simika mampidi-doza ampiasaina amin’ny fanamboarana karipetra.Nahoana no ankizy no tadiavina mafy erỳ mba hiasa? Satria tsy andaniam-bola firy ny fampiasana ankizy, ary satria efa toetran’ny ankizy mihitsy ny bonaika, mora tenenina, ary matahotra loatra ka tsy mitaraina. Fananana azo ampanaovina karazan’asa sasany, toy ny fanenomana karipetra, no fahitan’ireo mpampiasa maty eritreritra ny vatana kely sy ny rantsantanana kingan’ireny ankizy ireny. Matetika no omena asa ny ankizy toy izany, fa ny ray aman-dreniny kosa mipetra-potsiny ao an-tranony, tsy miasa.
Manampy trotraka ny fahorian’izy ireo ny hoe tena mora iharan’ny fametavetana sy ny fampijaliana ny ankizy miasa an-trano. Alaina an-keriny sy hazonina any amin’ny toby mitokana ny ankizy maro, ary fatorana amin’ny rojo vy amin’ny alina, fandrao mitsoaka. Amin’ny antoandro, dia mety hampiasaina hanao lalana sy hitrandraka vato izy ireny.
Fomba iray hafa manimba ny fahazazana koa ny fanambadiana manandevo. Manazava toe-javatra iray, izay mampiseho izany tsara, ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana: “Nilazana ny ankizivavy iray, 12 taona, fa namboarin’ny fianakaviany ny hanambadiany lehilahy iray 60 taona. Miharihary fa zony ny mandà, nefa raha ny tena izy, dia tsy manana fahafahana hampihatra izany zo izany izy, ary tsy fantany akory hoe afaka manao izany izy.”
Andevon’ny trosa
Mpiasa ana hetsiny maro no voahazona ho andevon’ireo mpampiasa azy sy ny toeram-piasany, noho ny vola nosamboriny na nosamborin-dray aman-dreniny. Any amin’ny toeram-pambolena, izay iasan’ny olona ho toy ny mpiasa na ho toy ny mpamboly, mazàna no mitranga ny asam-panandevozana. Amin’ny toe-javatra sasany, dia lovan’ny taranaka fara mandimby ny trosa, ka azo antoka amin’izany fa tsy ho afa-trosa ny mpianakavy ao amin’ny fianakaviana iray. Amin’ny toe-javatra hafa, dia misy mpampiasa, izay ananan’olona vola, mivarotra ilay trosa amin’ny mpampiasa vaovao iray. Amin’ny toe-javatra mihoa-pampana, dia tsy mandray karama mihitsy na dia ariary aza ny olona toy izany amin’izay asa rehetra ataony. Na mety hoe ireo avansy somary kely, alaina tsy misy farany amin’ny karamany, no mety hahavoahazona azy ho andevon’ny mpampiasa azy.
Andevozin’ny fombafomba
Roa ambin’ny folo taona i Binti, avy atsy Afrika Andrefana, ary anisan’ireo ankizivavy an’arivony maro izay lasa trocosi, midika hoe “andevon’ireo andriamanitra”, amin’ny fiteny éwé. Noterena hanana fiainan’andevo izy, ary noterena hanao fanonerana noho ny heloka iray tsy
nataony akory: ny fametavetana izay nitarika ho amin’ny niterahana azy! Amin’izao fotoana izao aloha, ny andraikiny dia voafetra ho amin’ny fanaovana asa aman-draharaha ao an-tokantrano ho an’ny pretra iray mpivavaka amin’ny sampy. Aoriana kely, dia hitombo kokoa ny adidin’i Binti, ka ho tafiditra amin’izany ny fanaovana firaisana amin’ilay pretra, izay tompony. Avy eo, rehefa zokinjokiny i Binti, dia hosoloana hafa — hahita ankizivavy hafa manintona ilay pretra mba ho lasa trocosi hanompo azy.Misy an’arivony maro, toa an’i Binti, izay andevozin’ny fombafomba ary natolotr’ireo fianakaviany mba hiasa ho toy ny andevo mihitsy mba hanonerana izay lazaina fa fahotana na fandikana ny didy masina. Any amin’ny faritra maromaro eto amin’izao tontolo izao, dia misy ankizivavy na vehivavy terena hanao adidy ara-pivavahana sy hanao firaisana amin’ny pretra, na amin’olon-kafa, ka lazaina fa lasa vadin’ny andriamanitra iray ireny vehivavy ireny. Amin’ny toe-javatra maro, dia manao asa hafa tsy ahazoan-karama ireny vehivavy ireny. Tsy afaka miova fonenana na miova asa izy ireny, ary matetika no mitoetra ho andevo mandritra ny taona maro.
Andevo ara-bakiteny, toy ny tamin’ny andro fahiny
Na dia milaza aza ny ankamaroan’ireo firenena fa efa nanafoana ara-dalàna ny fanandevozana izy ireo, dia niseho indray ny fanandevozana ara-bakiteny, toy ny tamin’ny andro fahiny, tany amin’ny faritra sasany. Any amin’ireo faritra rotidrotiky ny ady an-trano na ny fifandonana itanam-piadiana mazàna no itrangan’izany. “Any amin’ireo faritra misy fifandonana, dia naato ny fampiharana ny lalàna”, hoy ny tatitra nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana, “ka misy miaramila na milisy mitam-piadiana mahavita manery olona hiasa maimaim-poana ho azy, (...) tsy misy tahotra sazy; voalaza fa nahitana izany indrindra indrindra tany amin’ireo faritra teo ambany fahefan’ny antokon’olona nitam-piadiana izay tsy nety neken’ireo firenena.” Araka ny voalazan’io fikambanana io ihany anefa, dia “nanaovana tatitra vao haingana fa misy miaramilam-panjakana manery sivily hiasa ho toy ny andevo, ary tsy manao zavatra ara-dalàna mihitsy. Nisy miaramila sy milisy koa voalaza fa nivarotra andevo, ka nivarotra ireo izay nosamboriny mba hiasa ho an’ny hafa”.
Mampalahelo fa mbola mihelohelo manodidina ny olombelona ihany ny ozon’ny fanandevozana amin’ny endriny maro hafa ivelany. Miatoa kely, ary mieritrereta indray an’ireo isa voakasika amin’izany: olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mijaly, satria andevo. Avy eo, dia mieritrereta ny andevo maoderina iray na roa izay novakintsika tato amin’ireto pejy ireto ny tantarany: angamba i Lin-Lin na i Binti. Irinao ve ny hahita ny hitsaharan’io heloka bevava io, dia ny fanandevozana maoderina? Hanjary ho zavatra tena misy ve ny fanafoanana ny fanandevozana indray andro any? Tsy maintsy misy fiovana lehibe mitranga aloha vao hisy izany. Asaina ianao hamaky ny momba izany ao amin’ilay lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Jereo ny hoe “Fampiasana Ankizy Tsy Ampy Taona — Efa Tsinjo ny Farany!”, ao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jona 1999.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
FITADIAVANA VAHAOLANA
Misy fikambanana ofisialy maro samihafa, toy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa, miezaka mafy mamorona sy manatanteraka tetikady hamongorana ny fanandevozana maoderina. Fanampin’izany, dia misy fikambanana maro be tsy miankina amin’ny fanjakana, toy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana sy ny Fanaraha-maso ny Zon’olombelona, nanao ezaka mba hahalalan’ny besinimaro bebe kokoa ny amin’ny fanandevozana maoderina sy mba hanafahana ireo andevo. Ny sasany amin’ireo fikambanana ireo dia miady mafy mba hanisiana soratra manokana eo amin’ny zavatra novokarina mba hahafantarana fa tsy nisy fampiasana andevo na ankizy tsy ampy taona tamin’ny nanaovana azy. Mba hahafahana hanenjika araka ny lalàna ireo olona nanao firaisana tamin’ankizy, rehefa tafaverina any amin’ny tany niaviany izy ireny, dia misy fikambanana hafa mitaky ny hanaovana lalàna any amin’ireo tany izay iandohan’ny “fizahan-tany mba hanaovana firaisana”. Nisy mpanao fanetsiketsehana momba ny zon’olombelona tonga hatramin’ny fandoavana vola be tamin’ireo mpivarotra andevo sy tompon’andevo mba hanavotana andevo betsaka araka izay azo atao. Niteraka fiadian-kevitra izany, satria mety hiteraka varotra andevo hahazoam-bola be ny fanao toy izany, ary hampiakatra ny vidin’ny andevo.
[Sary, pejy 7]
Ankizivavy maro no terena hanambady
[Sary nahazoan-dalana]
UNITED NATIONS/J.P. LAFFONT
[Sary, pejy 8]
Andevo milahatra haka sakafo
[Sary nahazoan-dalana]
Ricardo Funari
[Sary, pejy 8]
Terena hanao raharaha miaramila ny ankizy, indraindray
[Sary nahazoan-dalana]
UNITED NATIONS/J.P. LAFFONT