Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antsantsa Fotsy Lehibe — Iharam-panafihana

Ny Antsantsa Fotsy Lehibe — Iharam-panafihana

Ny Antsantsa Fotsy Lehibe — Iharam-panafihana

Ny antsantsa fotsy lehibe, izay ny trondro mpihina-nofo lehibe indrindra eran’izao tontolo izao angamba, no atahoran’ny olona kokoa, raha miohatra amin’ny zavamananaina hafa rehetra. Ankehitriny anefa, dia anisan’ny karazana arovana izy io any amin’ny fari-dranomasina rehetra, na ny ampahany sasany, manodidina an’i Afrika Atsimo, i Aostralia, i Brezila, i Etazonia, sy i Namibia, ary koa any amin’ny Ranomasina Mediterane. Misy tany sy fanjakana hafa koa mieritreritra ny hiaro azy io. Fa nahoana anefa no efa fantatra ho mpamono kanefa mbola arovana? Araka ny ho hitantsika, dia tsy mora velively ilay raharaha. Ary tsy miorina amin’ny zava-misy foana ny fomba fijerin’ny besinimaro ny antsantsa fotsy.

MIARAKA amin’ny trozona sada mainty sy ny trozona cachalot, dia fara tampony amin’ireo biby mifampihinana any an-dranomasina ny antsantsa fotsy lehibe. * Ao amin’ny fianakaviamben’ny antsantsa, dia izy no mpanjaka, igagana amin’ny heriny. Haniny avokoa izay rehetra sendra azy — trondro, feso, ary na ny antsantsa hafa mihitsy aza. Rehefa mihantitra anefa izy, sady mihangeza sy mihamiadam-pandeha, dia manjary tia kokoa phoque (karazana lambondriaka), pingouin (voron-dranomasina tsy manidina), ary nofom-biby maty — indrindra fa trozona maty.

Mampiasa ny vavahadin-tsainy rehetra ny ankamaroan’ny antsantsa, ka tafiditra amin’izany ny fahitana matsilo, mba hahitany izay misy ny sakafony. Raha ny amin’ny fanamboloana indray, dia andeha holazaintsika tsotra fotsiny fa tena mety indrindra ilay filazana an’ohatra hoe orona milomano izy! Ankoatra izany anefa, dia zara raha misy tsy henon’ny sofiny — ka azo antsoina koa hoe sofina milomano ny antsantsa.

Ny sofin’antsantsa dia ampian’ny sela maro mora taitra amin’ny tsindrin’ny rano, dia sela manaraka ny ilany roa amin’ny vatany. Tsy misy tsy ren’io rafi-pihainoana mahahaino izay any amin’ny miafina io, izay natao indrindra indrindra handre ny hovitrovitra ateraky ny ady iray — toy ny trondro mihetsiketsika be fa voatsindrona, ohatra. Araka izany, dia mila ny ho mailo tsara ireo mpanjono any anaty ranomasina ka mila mamoaka haingana araka izay azo atao avy ao anaty rano ny trondro maratra sy mihetsiketsika be.

Manana vavahadin-tsaina fahenina koa ny antsantsa. Noho ny ampolan’i Lorenzini — fantsona bitika maro be manodidina ny orony — dia azony atao ny mamantatra ny sahan’aratra malefaka avy amin’ny fitepon’ny fon’ny remby iray, ny fiasan’ny havokavony, na koa ny fihetsik’ireo hozany rehefa milomano. Raha ny marina, dia faran’izay matsilo io vavahadin-tsaina fahenina io, ka mety hahatonga ny antsantsa hahatsapa mihitsy aza ny herin’ny sahan’andriambin’ny tany amin’ny ranomasimbe. Vokatr’izany, dia mety ho fantatry ny antsantsa ny lalana mandeha mianavaratra sy ny lalana mandeha mianatsimo.

Famantarana ny antsantsa fotsy

Na dia antsoina hoe antsantsa fotsy lehibe aza izy, dia ny ao ambany kibony ihany no fotsy, na fotsy vasobasoka. Ny lamosiny kosa, raha ny ara-dalàna, dia volondavenona matroka be. Mihaona manaraka ny ilan’ilay trondro ireo loko ireo, ka mamelona soritra tsy mahitsy, izay miovaova arakaraka ny antsantsa. Mahatonga azy ho tsy mora hita izany, kanefa manampy ireo mpahay siansa hahafantatra ny antsantsa tsirairay koa.

Manao ahoana ny haben’ny antsantsa fotsy rehefa lehibe? “Mirefy 5,8 metatra ka hatramin’ny 6,4 metatra”, hoy ny voalazan’ilay boky hoe Great White Shark, “ny antsantsa fotsy lehibe indrindra voarefy araka ny marina.” Mety hilanja maherin’ny 2 000 kilao ny trondro manana izany habe izany. Mitsoriaka any anaty rano toy ny bala afomanga anefa ireo biby makadiry ireo, noho ireo vombony miendrika telolafy somary miolika mankany aoriana, miraikitra amin’ny vatany toy ny tôrpila. Mampiavaka azy ao amin’ny tontolon’ny antsantsa ny rambony matanjaka, satria saika mifanitsy ny sampany roa amin’izy io, kanefa miharihary fa tsy mifanitsy mihitsy ny an’ny ankamaroan’ny karazan’antsantsa hafa.

Fa ny tena mampiavaka indrindra ny antsantsa fotsy, sady ny mampahatahotra indrindra aminy, dia ny lohany kitsokitso makadiry sy ny masony mainty masiaka ary ny vavany feno nify miendrika telolafy, manara-tsisiny, maranitra toy ny hareza. Raha silaka na miala ireo “antsy” roa lela ireo, dia misy ‘mpitatitra’ nify mandroso solony.

Tanjaka avy amin’ny ra mafana kokoa

Ny fikorianan-dra eo amin’ny fianakaviamben’ny antsantsa Lamnidés, tafiditra amin’izany ny antsantsa makô sy ny antsantsa lamie ary ny antsantsa fotsy, dia samy hafa be amin’ny an’ny ankamaroan’ny antsantsa hafa. Ny maripanan’ny rany dia mihoatra ny 3 ka hatramin’ny 5 degre Celsius noho ny maripanan’ny rano. Sady manafaingana ny fandevonan-kaniny no manampy hery sy tanjaka ho azy ny rany mafana kokoa. Ny antsantsa makô, izay mivelona amin’ny trondron-dranomasina faingam-pandeha toy ny lamàtra, dia afaka mitsoriaka mandeha 100 kilaometatra isan’ora, ao anaty rano, tsy maka bahana lavitra akory!

Ingain’ireo vombo roa eo amin’ny tratrany ny antsantsa rehefa milomano. Raha miadam-pandeha loatra izy ireo rehefa milomano, dia mijanona ka milentika, tsy misy hafa amin’ny fiaramanidina, na dia eo aza ny fitoera-menaka voatahiry ao amin’ny atiny ngeza be, izay mety ho ny ampahefatry ny lanjan’ilay antsantsa manontolo, ka afaka ny hampitsinkafona azy! Ho fanampin’izany, dia karazana antsantsa maro no tsy maintsy manohy milomano mba hahafahany hisefo, satria amin’izany fomba izany no hahazoany, amin’ny vavany sy ny havokavony, rano be ôksizenina. Anisan’ny mahatonga azy ho toy ny mampiseho nify mampahatahotra foana izany!

Mpihinana olona ve?

Amin’ireo karazan’antsantsa 368 fantatra amin’izao fotoana izao, dia 20 eo ho eo monja no mampidi-doza. Ary ny efatra monja amin’ireo indray no tompon’andraikitra amin’ny ankamaroan’ireo fanafihana olona 100 eo ho eo anaovana tatitra maneran-tany isan-taona. Tokotokony ho 30 amin’ireo fanafihana ireo no mahafaty. Ireo karazany efatra tena tompon’antoka amin’izany dia ny antsantsa ombalahy, izay mety ho nahafaty olona betsaka kokoa noho ny antsantsa hafa rehetra, ny antsantsa tigra, ny akio mpankany afovoan-dranomasimbe any, ary ny antsantsa fotsy.

Mahagaga fa, fara fahakeliny, ny 55 isan-jato — ary any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao, tokotokony ho ny 80 isan-jato — tamin’ireo notafihin’ny antsantsa fotsy no velona ka afaka nitantara izay nanjo azy. Nahoana no maro be tahaka izany no tafavoaka velona tamin’ny fanafihan’ny mpiremby mampahatahotra toy izany?

Manaikitra dia mamela

Fantatra ho mamela ny rembiny maratra ny antsantsa fotsy, taorian’ny nanekerany azy mafy voalohany. Andrasany ho faty avy eo ilay voakaikiny, alohan’ny hihinanany azy. Raha toa ka olona ireo voakaikiny, izany fihetsiny izany dia manome fahafahana hamonjy ilay olona. Indraindray dia ireo namana nahery fo no namonjy tamin’izany, ary izany dia mampiseho ny maha fahendrena ilay torohevitra ny mba tsy hilomanosana irery mihitsy.

Tena ho famonoan-tena kosa anefa ny fanandramana hamonjy toy izany, raha tsy eo ity fihetsika hafan’ny antsantsa fotsy ity. Tsy mahatonga azy ho liana mafy ny hihinana ny fandrenesana fofon-dra, tsy toy ny amin’ny antsantsa sasany. Nahoana anefa ny antsantsa fotsy no mampiasa an’io tetikady manaikitra dia mamela io?

Manao izany izy noho ny masony, hoy ny fanombantombanan’ny mpahay siansa iray. Tsy toy ny antsantsa hafa, fa ny antsantsa fotsy dia tsy manana hoditra manify toy ny hodi-maso miaro ny masony; manodina ny masony ao anaty taolamaso kosa izy rehefa akaiky ny fifandonana. Amin’ny fotoanan’ny fifandonana, dia tsy voaro, angamba amin’ny rangotry ny phoque, ny masony. Fihetsika fahita eo amin’ny antsantsa fotsy àry ny mamely haingana sy mahafaty, ary avy eo dia mamela.

Tadidio ao an-tsaina koa fa mitovy be amin’ny an’ny zazakely ny fihetsiky ny antsantsa fotsy — tonga dia any am-bava aloha izay rehetra hita mba hofantarina hoe inona! “Mampalahelo fa mety ho loza ny vokany, rehefa manaikitra ny antsantsa fotsy lehibe [mba hamantaran-javatra]”, hoy ny fanazavan’i John West, biôlôjista any amin’ny fari-dranomasin’i Sydney.

Tsy hoe mpihinan’olona gaigilahy akory ny antsantsa fotsy, na dia biby mampidi-doza aza. Tsy nahita afa-tsy antsantsa fotsy roa ny mpisitrika an-dranomasina iray, izay nandany 6 000 ora tany anaty rano, ary tsy nisy tamin’ireo antsantsa fotsy ireo namely azy. Raha ny marina, dia matetika no mandositra olona ny antsantsa fotsy.

Fony nanao antsitrika tany amin’ny ranomasin’ny Nosy Cap-Vert ilay mpamantatra ranomasimbe antsoina hoe Jacques-Yves Cousteau sy ny namany iray, dia nifanojo tamin’ny antsantsa fotsy makadiry iray. “Fihetsika tsy nampoizina mihitsy no nasehony”, hoy ny nosoratan’i Cousteau. “Raiki-tahotra ilay biby be, ka namoaka diky be dia be nitankosina toy ny rahona, ary nirifatra niala ohatra ny tsy teo.” Izao no fanatsoahan-keviny: “Raha saintsainina ireo zavatra rehetra hitanay momba ny antsantsa fotsy, dia mahagaga ahy foana ny hantsana be eo amin’ny fiheverana ananan’ny besinimaro, mahakasika io biby io, sy ny hitanay momba azy io.”

Tonga remby ny antsantsa fotsy

Nisy fiantraikany be teo amin’ny fomba fihevitry ny besinimaro ilay tantara noforonina tao anatin’ireo taona 1970, mitondra ny lohateny hoe Les Dents de la Mer, izay navadika ho sarimihetsika be mpitia. Tampoka teo dia nanjary noheverina ho faran’izay ratsy ny antsantsa fotsy, ary “nifaninanan’ireo mpihaza biby rehetra ny hoe iza tamin’izy ireo no ho voalohany hampirantiranty ny lohan’ilay mpihinan’olona na ny nifiny ho lokam-pandresena teo ambonin’ny toeram-pamindroana ao an-trano”, hoy ny nolazain’ilay boky hoe Great White Shark. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahatratra 1 000 dolara (tany Aostralia) ny vidin’ny nifin’antsantsa fotsy voalahatra; ary maherin’ny 20 000 dolara ny valanorano iray feno nify.

Be lavitra anefa ireo antsantsa fotsy maty ao anatin’ny haraton’ny jono atao raharaham-barotra. Ankoatra izany, dia antsantsa hafa an-tapitrisany maro no voajono isan-taona, mba hanomezana fahafaham-po ny tsena miroborobo mitady antsantsa, indrindra fa ny vombony. Tato anatin’ireo taona faramparany, noho ny fihenan’ny isan’ireo voajono, dia nalefa ny fanairana maneran-tany, indrindra ho an’ny antsantsa fotsy.

Ho avy ny fahatakarana ny mombamomba azy

Fantatra ho mpitety ireo ranomasina mba hikarohana izay marary, izay miala aina, izay osa, ary izay maty izy ireny. Araka izany, ny antsantsa salama dia midika ho ranomasimbe salama sy madio.

Manaiky ny fisian’ny loza mandrahona ny fisian’ny antsantsa ny Vaomiera Momba ny Fiarovana ny Karazam-biby ao Amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Natiora, ka nanangana Antokona Manam-pahaizana Manokana Momba ny Antsantsa, mba handinika ny olana rehetra mahazo ny antsantsa. Tsy mora anefa ny fandinihana ny antsantsa fotsy — tsy miteraka maro izy ireo, ary maty izy rehefa hazonina amin’ny toerana iray. Noho izany, dia tsy maintsy any amin’ny fonenany voajanahary ihany no hanaovana ny fandinihana ny aminy.

Rehefa nahazo fahalalana misimisy momba ny antsantsa ny olona, dia niova fihetsika nanoloana ireo zavaboary mahaliana ireo. Tsy mampiova ny antsantsa fotsy lehibe anefa izany. Na dia tsy masiaka ratsy fanahy aza izy, dia biby mety hampidi-doza, koa tokony hoentina amim-pitandremana sy amim-panajana. Eny, amim-panajana lehibe!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Misy anarana isan-karazany iantsoana ny antsantsa fotsy lehibe, na antsantsa fotsy. Any Aostralia, ohatra, dia mazàna izy io no antsoina hoe mpihaza fotsy; any Afrika Atsimo indray izy dia antsoina hoe mpihaza manga.

[Sary, pejy 24]

Manana vava makadiry sy mampahatahotra ireo antsantsa ireo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary avy tamin’ny Rodney Fox Reflections

Ivon-toeram-pikarohana Momba ny Antsantsa Fotsy any Afrika Atsimo