Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra na dia Kilemaina Aza

Sambatra na dia Kilemaina Aza

Sambatra na dia Kilemaina Aza

NOTANTARAIN’I KONSTANTIN MOROZOV

Fony aho teraka tamin’ny 20 Jolay 1936, dia tao amin’ny karandohako sy ny hazondamosiko ihany no nisy taolana mafy. Ny rafitaolako manontolo dia voaforona taola-malemy marefo izay tsy mafy noho ny taola-malemy amin’ny sofin’ny olon-dehibe. Tsy ampy antsasa-kilao akory ny lanjako. Fitepon’ny fo iva dia iva sy fisefoana nalefaka ary fihetsehana vitsivitsy no hany famantarana fa velona aho.

IZAHO no fahafito amin’ny zanaka sivy, tao amin’ny fianakaviana iray, izay nipetraka tao amin’ny vohitr’i Sara, any Ul’yanovsk Oblast, any afovoan’i Rosia. Fony aho roatokom-bolana, dia nentin’ny ray aman-dreniko tany amin’ny eglizy, mba hatao batemy. Namafy rano teo amiko haingana ilay mompera, ary nilaza tamin’ny ray aman-dreniko mba hitondra ahy hody haingana araka izay azo atao, satria nilaza izy fa ho faty ao anatin’ny ora vitsivitsy aho.

Tamin’ny Janoary 1937, dia nitondra ahy tany amin’ny tanànan’i Kazan’, renivohitr’i Tatarstan, repoblika rosianina, ny ray aman-dreniko, mba hojeren’ny dokotera manam-pahaizana manokana. Efa nahay niteny hoe “Mama” sy “Dada”, ary “Babushka” (Bebe) aho, ary nahafantatra ny anaran’ireo rahalahiko, tamin’izay fotoana izay. Rehefa avy nizaha ahy ireo dokotera, dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniko fa ho faty aho ao anatin’ny herintaona. Nanoro hevitra ny hamonoana ahy sy ny hitahirizana ahy tao anaty tavoahangy iray izy ireo, mba haseho ho hitan’ireo mpianatra ho dokotera ho fanampiana azy ireo. Tena velom-pankasitrahana ny ray aman-dreniko malala mihitsy aho, noho ny nandavan’izy ireo izany tamim-pahatapahan-kevitra!

Fahazazana niaretana fijaliana

Hatramin’izay nahatsiarovako tena, dia nampahorin’ny fanaintainana tsy an-kijanona ny vatako. Kanefa, na dia zaza aza aho, dia niezaka mafy nihazona toe-tsaina nanorina sy niezaka nihomehy matetika ary nifaly tamin’ny fiainana. Izany no toe-tsaina nohazoniko. Nihanatanjaka tsikelikely ny rafitaolako, ka afaka nipetraka sy nandady kelikely aho. Tsy nitombo tahaka ny ankizy ara-dalàna aho, ary ratsy be ny bikako. Mpianatra nahay anefa aho, ary teo amin’ny fahadimy taonako, dia efa nahay namaky teny sy nanoratra aho.

Tamin’ny May 1941, dia nitondra ahy fanindroany tany amin’ny eglizy ny reniko. Nisy olona maromaro tany, ary nandohalika mba hivavaka ny rehetra. Nanatona an’i Neny mba hanontany ny antony tsy nandohalehany, ny vehivavy iray izay niasa tao. Rehefa nasehon’i Neny azy aho, dia nandeha niresaka tamin’ny mompera izy. Rehefa niverina ilay vehivavy dia nitondra anay ho amin’ny lalana fivoahana, ary nanolo-kevitra ny hamelan’i Neny ahy tany ivelan’ny varavarana ka hidirany irery. Nilaza izy fa noho ny fahotan’ny ray aman-dreniko, dia nomen’“izay maloto” azy ireo aho. Nody tany an-trano i Neny sady nitomany. Nieritreritra momba izany nandritra ny fotoana ela aho. Nanontany tena aho hoe: ‘Iza io “izay maloto” io?’

Tamin’ny 1948, fony aho 12 taona, dia nitondra ahy tany amin’ny vohitr’i Merenki, any amin’ny Repoblikan’i Chuvash, tokony ho 80 kilaometatra avy teo amin’ny tranonay, i Neny. Nisy loharano fanasitranana tany, ary nanantena i Neny fa nety ho sitran’ilay rano aho. Anisan’ny fepetra napetrak’ireo mompera mba hahasitrana ahy ny tsy tokony hihinanako hanina nandritra ny telo andro. Tsy maintsy nandray kôminio tany amin’ny eglizy koa aho. Na dia tsy nitoky firy tamin’ny eglizy aza aho, dia nanaiky hameno ireo fepetra. Lava sy sarotra tamiko ilay dia, nefa niaritra aho, ka niezaka ny ho variana tanteraka tamin’ny hakanton’ny faritra taza-maso.

Feno olona ilay eglizy. Nisy vaviantitra iray nanolotra vatomamy iray ho ahy, rehefa nitondra ahy namakivaky ny vahoaka i Neny. Noraisiko ilay izy ary nataoko am-paosy. Rehefa tonga ny anjarako mba handray ny Kôminio, dia niantsoantso ilay vaviantitra hoe: “Mompera ô, aza omena Kôminio izy fa vao avy nihinana vatomamy!” Nanazava aho fa tao anaty paosiko ilay vatomamy, nefa nikiakiaka ilay mompera hoe: “Tỳ zaza adala sahisahy ratsy tỳ! Mbola mandainga koa ianao? Avoahy any io!” Ny ampitson’iny anefa, dia mompera hafa no nampandray Kôminio, ary nolemany tanteraka tamin’ny rano “mahagaga” aho. Kanjo, tsy nisy fahagagana. Mbola tsy afaka ihany ny kilema nahazo ahy.

Zava-bita ara-tsaina

Na dia sembana be ara-batana aza aho, dia nanatratra tanjona maro teo amin’ny fianarana ambony izay nitaky fampiasan-tsaina aho, nandritra ireo taona naha zatovo ahy. Niditra tao amin’ny Komsomol (Vondron’ny Tanora Kominista) aho, tamin’ny 1956, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nampianatra ny tantaran’ny Komsomol tamin’ireo tanora kokoa. Anisan’ny Vaomiera Misahana ny Trano sy ny Kolontsaina tao amin’ny trano iray ho an’ny kilemaina aho, ary tao dia sady tale no mpiteny tao amin’ny radio koa.

Fanampin’izany, dia mpiandraikitra tao amin’ny toerana iray azo afindrafindra nisy boky voarakitra an-kasety ho an’ny jamba aho, ary voafidy ho mpikambana tao amin’ny Vaomieran’ny Mpitsara Amin’ny Fisotroana Tafahoatra. Nandray anjara koa tamin’ny klioban’ny mpanakanto tsy matihanina sy nihira ary nitendry zavamaneno maromaro aho.

Tany amin’ny trano ho an’ny kilemaina

Tamin’ny 1957, fony aho nandray 21 taona, dia nanery ahy hiditra tany amin’ny trano ho an’ny kilemaina ny kilemako ara-batana. Kanefa, tapa-kevitra ny tsy hanary toky aho. Nandeha tany amin’ny Fikambanana ho An’ny Fikarohana Ara-tsiansa Momba ny Solondrantsana any Moscou aho, tamin’ny Oktobra 1963. Tany, dia nodidiana im-18 aho, tamin’ny farany, mba hanitsiana ny tongotro.

Voalohany, dia nohenjanina ny tongotro. Avy eo, dia nisy fandidiana natao, valo andro tatỳ aoriana. Nanaraka izany, dia nasiana platra ny tongotro mba tsy hihetsiketsehany, mandra-panao ny fandidiana nanaraka. Nitomany ny mpitsabo mpanampy rehefa nahita hoe nijaly be aho.

Nianatra nandeha tamin’ny tehina aho, nandritra ny efa-bolana nanaraka. Noho ny fanampian’ny tehina no nahafahako nampitsangana ny tenako, mandra-pahatratrako ny iray metatra sy folo santimetatra teo ho eo. Mahery kelin’ny 25 kilao ny lanjako. Raha vao nahay nandeha tsara tamin’ny tehina aho, dia niverina tany amin’ilay trano ho an’ny kilemaina, tamin’ny 1964. Nampalahelo fa tsy nahazaka ny lanjan’ny vatako ny taolan-tongotro izay osa, ary tsy ela aho dia voatery indray nandady na nampiasa seza misy kodiarana, mba handehanana. Ny seza misy kodiarana no hany ahafahako mandehandeha hatramin’izao andro izao.

Tsy nandeha tany amin’ny eglizy indray intsony aho. Mbola nampikorontan-tsaina be ahy foana ilay filazana hoe naterak’“izay tsy madio” aho. Tiako be ny raiko sy ny reniko, ary tsy afaka ny hanaiky tsotra izao aho, fa izy ireo sy Andriamanitra no tompon’andraikitra tamin’ny toe-piainana nisy ahy. Niezaka ny hitraka foana aho. Naniry hanao zavatra tsara ho an’ny hafa aho, ary indrindra indrindra ny hanaporofo tamin’ny tenako fa na izaho aza dia afaka nanao izany.

Ary elatra

Tamin’ny 1970 aho, dia nanambady an’i Lidia. Misy faritra amin’ny vatany malemy efa hatramin’ny fahazazany. Nahazo trano kely iray, izay nipetrahanay nandritra ny 15 taona izahay. Nandritra izany fotoana izany, dia samy niasa izahay mivady mba hivelomanay. Nianatra nanamboatra ny simba tamin’ny famantaranandro sy ny fitaovana madinika hafa nilana fanitsiana kely fotsiny, aho.

Nampiasa alika voafolaka iray, mba hanao asa lehibe maromaro aho, nandritra ny fotoana kelikely. Raha ny marina, dia namorona salotr’alika manokana izahay sy ny olona iray mpamolaka alika. Nanana alika roa aho — nantsoina hoe Vulkan ny iray, ary Palma ilay faharoa. Namana nahatoky nandritra ny taona maro i Palma. Izy no naka ny sakafo ho ahy, tany amin’ny magazay. Ny hany zavatra tsy tiany dia ny nilahatra, rehefa nandoa vola izahay. Nitondra ny poketrako tamin’ny nifiny izy, ary nisy masom-by kely iray teo amin’ny vozony mba hihantonan’ny harona fiantsenako.

Tamin’ny 1973, dia narary mafy ny reniko. Koa satria tao an-trano foana aho, dia nanapa-kevitra ny haka azy mba hiara-mipetraka taminay, izahay mivady. Efa maty i Dada sy ny dimy tamin’ireo rahalahiko, tamin’izany fotoana izany, ary nipetraka tany amin’ny faritra hafa teto Rosia, ireo iray tam-po tamiko hafa. Fony i Neny niara-nipetraka taminay, dia niezaka nanao izay azoko natao ho azy aho. Maty teo amin’ny faha-85 taonany izy, tamin’ny farany.

Tamin’ny 1978, dia nanapa-kevitra ny hanamboatra fiara ho an’ny tenako aho. Nahavita iray nety aho, tamin’ny farany taorian’ny fiezahana nanao fiara andrana maromaro. Ny Mpanadihady ny Fiara eo Amin’ny Fanjakana teo an-toerana, dia namela ahy hanao fitsapam-pahaizana mamily an’ilay fiara, sy nanoratra ny fiarako ho ara-dalàna. Nomeko anarana hoe Osa (Fanenitra) izy io. Nasianay mivady tranofiara kely izy io, izay nahazaka hatramin’ny 300 kilao. Afaka nandehandeha tamin’izy io sy nitondra entana niaraka taminay izahay roa. Nampiasanay hatramin’ny 1985, io fiara nisy môtera io.

Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay dia nanjary jamba ny masoko havia, ary nanomboka niharatsy ny fahitan’ny masoko havanana. Avy eo dia nanjary narary fo i Lidia. Tamin’ny May 1985, dia voatery nifindra tany amin’ny trano iray ho an’ny kilemaina, atỳ amin’ny tanànan’i Dimitrovgrad, izahay, satria voafetra ny zavatra mety ho vitanay.

Ny antony ananako fiainana sambatra  aoka izany amin’izao andro izao

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1990, dia nitsidika ny trano ho an’ny kilemaina, ipetrahanay, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nahaliana ahy izay nampianariny. Nampiseho ahy ilay andalan-teny ao amin’ny filazantsaran’i Jaona, momba ilay lehilahy teraka jamba izy. Hoy i Jesosy momba azy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny”. (Jaona 9:1-3). Nohazavaina tamiko fa nandova ota sy aretina avy tamin’i Adama razambentsika isika. — Romana 5:12.

Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia nampiaiky volana ahy ilay hoe amin’ny farany Andriamanitra dia hanasitrana ireo rehetra hiaina eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakan’i Jesosy Kristy, Zanany, rehefa haverina amin’ny laoniny eto an-tany ny Paradisa. (Salamo 37:11, 29; Lioka 23:43, NW; Apokalypsy 21:3, 4). Nikoriana teo amin’ny tavako ny ranomasom-pifaliana, ary niteny moramora toy izao aho: “Nahita ny fahamarinana aho, ny fahamarinana, ny fahamarinana!” Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny herintaona aho, ary tamin’ny 1991, dia natao batisa tanaty rano, ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra.

Na dia nanjary nanana faniriana mafy ny hanompo an’i Jehovah sy hitory momba ny fikasany mahatalanjona aza aho, dia niatrika sakana maro. Tsy dia nilaiko firy, teo aloha, ny nandehandeha. Ankehitriny anefa, dia nila nivoaka ny trano aho mba hilaza ny finoako amin’ny hafa. Ny faritaniko voalohany mba hitoriana, dia ny trano ho an’ny kilemaina misy anay, izay onenan’ny olona maherin’ny 300. Nangataka ny hotendrena hiasa tao amin’ny toerana hisahanana ny raharaha tao an-trano aho, mba hahafahako hifandray tamin’ny olona betsaka araka izay azo atao.

Isa-maraina aho, dia nipetraka teo amin’ny toeram-piasako ary nanao ny asa nanendrena ahy. Nandritra ny asako, dia nahazo namana vaovao maro, izay nanaovako resadresaka nahaliana momba ny foto-dresaka ara-baiboly, aho. Maro tamin’izy ireo no nandray boky sy gazety, izay nanampy azy ireo hahatakatra ny hevitry ny Baiboly. Ireo mpitsidika dia nanjary zatra nangataka ahy hamaky teny ho azy ireo avy ao amin’ny Baiboly sy avy ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Amin’ny sakafo antoandro, dia misy olona maro be matetika ao amin’ny efitranonay mivady, hany ka indraindray dia tsy misy olon-kafa afaka miditra.

Nanampy be dia be ahy tamin’ny asa fitoriana ireo rahalahiko sy anabaviko kristianina avy tamin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitondra zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ho ahy izy ireo, ary miara-mandany fotoana aminay mivady. Manampy ahy koa ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana, mba hamonjy ny fivorian’ny kôngregasiôna, izy ireo. Nisy Vavolombelona iray nividy môtô iray nisy fitondrana olon-kafa teo anilany, izay natao manokana mba hitondrana ahy. Ny hafa izay nanana fiara, dia faly tonga sy naka ahy nandritra ireo volana tamin’ny ririnina nangatsiaka.

Noho ireny fiahiana tamim-pitiavana ireny, dia afaka nanatrika fivoriambe, na semineram-pampianarana, maherin’ny roa ambin’ny folo, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho. Ny voalohany natrehiko dia ny fivoriambe iraisam-pirenena lehibe tany Moscou tamin’ny Jolay 1993, izay nisy tampon’isan’ny mpanatrika 23 743, avy tany amin’ny tany 30 mahery. Nidika ho fanaovana dia iray 1 000 kilaometatra teo ho eo, ny fanatrehako izany fiaraha-mivory izany. Nanomboka tamin’izay dia mbola tsy diso anjara tamin’ny fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah aho.

Manaja fatratra ahy ny mpitantan-draharaha ato amin’ilay trano ho an’ny kilemaina misy anay, ka tena velom-pankasitrahana aho. Manohana sy manampy ahy koa i Lidia vadiko, izay niara-niaina sy nifanaraka tsara tamiko, efa hatramin’ny 30 taona izao, na dia tsy mitovy fomba fijery ara-pivavahana amiko aza izy. Ny zava-dehibe indrindra anefa, dia manohana ahy amin’ny tanany mahery i Jehovah, ary mandrotsaka amiko ny fitahiany mahatalanjona. Tsy ela izay, tamin’ny 1 Septambra 1997, dia voatendry ho mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Imbetsaka teo amin’ny fiainako no nety ho nitsahatra tsy nitepo ny foko, ary nety ho faty aho. Tena faly mihitsy aho izao fa tsy nitranga izany, ary nanjary nahafantatra sy tia an’ilay Loharanon’ny fiainana, dia i Jehovah Andriamanitra, aho! Maniry ny hanohy hanompo azy miaraka amin’ireo rahalahiko sy anabaviko ara-panahy maneran-tany aho, raha mbola manohy mitepo koa ny foko.

[Sary, pejy 20]

Miaraka amin’i Lidia vadiko

[Sary, pejy 21]

Eo am-pampianarana olona iray ato amin’ilay trano ho an’ny kilemaina misy anay