Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Finoana — Inona moa Izany?

Tena Finoana — Inona moa Izany?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tena Finoana — Inona moa Izany?

“RAHA TSY AMIN’NY FINOANA, DIA TSY MISY AZO ATAO HAHAZOANA SITRAKA AMINY; FA IZAY MANATONA AN’ANDRIAMANITRA DIA TSY MAINTSY MINO FA MISY IZY SADY MPAMALY SOA IZAY MAZOTO MITADY AZY.” — HEBREO 11:6.

INONA moa ny finoana? Misy manazava azy io ho ny fiekena mafy ny amin’ny fisian’Andriamanitra, nefa tsy manana porofo marim-pototra ny amin’izany akory. Ilay mpanao gazety amerikanina atao hoe H. L. Mencken dia namaritra ny finoana ho “ny fiekena mafy tsy araka ny lôjika ny amin’ny hitrangan’ny zavatra toa tsy hitranga”. Izany ve ny tena finoana araka ny voalazalaza ao amin’ny Baiboly? Zava-dehibe ny hahatakarana mazava ny atao hoe finoana, satria araka ny voatonona etsy ambony, ‘raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra’.

Milaza ny Baiboly hoe: “Ny finoana dia ny fahazoana antoka ny amin’ny zavatra antenaintsika.” (Hebreo 11:1, The New Testament in the Language of Today). Noho izany, ny finoana dia miorina amin’ny fahalalana araka ny marina, amin’ny zava-misy azo ampiorenana ny fanapahan-kevitra tokony horaisina. Tsy mitaky ny hoe miaiky mafy fotsiny izy io, fa mitaky antony iekena mafy koa.

Indro misy ohatra: Angamba ianao mana-namana, ary afaka milaza momba azy ianao hoe: “Matoky an’iny olona iny aho. Afaka miantehitra aminy aho fa hitana ny teny nataony izy. Fantatro fa raha manan-java-manahirana aho, dia hanampy ahy izy.” Tsy azo inoana ny hilazanao zavatra toy izany momba ny olona iray fantatrao vao iray na roa andro monja, sa tsy izany? Tokony ho efa nanaporofo imbetsaka ilay olona fa azo ianteherana izy. Tokony ho tahaka izany koa ny amin’ny finoana ara-pivavahana, izay tokony hanome fanantenana sy fiekena mafy miorina amin’ny porofo marim-pototra sy azo ianteherana.

Finoana sa fetezana ho mora mino?

Raha ny marina, ny ankamaroan’izay heverina ho finoana amin’izao andro izao dia fetezana ho mora mino — fahavononana hino nefa tsy misy fototra na antony marim-pototra. Matetika ny fetezana ho mora mino no miorina amin’ny fiovaovan’ny fihetseham-po sy amin’ny finoanoam-poana. Tsy finoana tsara orina izany, satria tsy manana fototra azo ianteherana mba hiekena mafy.

Ny fetezana ho mora mino dia mety hanosika olona iray ho may hanao fanatsoahan-kevitra izay mety ho tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana ara-baiboly akory. Mifanaraka amin’izany, fa mampitandrina ny amin’ny finoana tsy marim-pototra ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” (1 Tesaloniana 5:21). Tsy mampirisika ny fetezana ho mora mino ny Baiboly, fa tena mampirisika ny hananana finoana miorina amin’ny porofo kosa.

Raharaha lehibe ny fahaizana manavaka ny tena finoana amin’ny fetezana ho mora mino. Mety ho tia fivavahana ny olona iray, ary anefa tsy hanana tena finoana. Hoy ny fanamarihan’i Paoly: “Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.” (2 Tesaloniana 3:2). Misy anefa olona sasany manana finoana miorina amin’ny Baiboly, ary misy vokany eo amin’ny fiainan’izy ireo izany.

Mamatotra ny olona amin’Andriamanitra ny tena finoana

Azo ampitahaina amin’ny rojo ny finoana, ka ny fatokisana no mason-drojo mamatotra ny olona amin’Andriamanitra. Zavatra tokony hambolena anefa io karazam-pinoana io, fa tsy zavatra ananantsika hatramin’ny nahaterahantsika. Ahoana no hambolena tena finoana? Manazava toy izao ny Baiboly: “Ny finoana dia avy amin’ny [zavatra re, NW ], ary ny [zavatra re, NW ] kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.” — Romana 10:17.

Mila maka fotoana àry ianao mba hahatongavana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy, Zanany. Tsy azoazo foana io fahalalana io, fa mitaky ezaka. (Ohabolana 2:1-9). Tsy maintsy manezaka mafy ianao mba hahafantarana izay lazain’ny Baiboly, mba hiekena fa azo itokisana izy io.

Ny tena finoana anefa dia mahafaoka mihoatra noho ny fananana fahalalana na ny fiekena mafy fa marina ny zavatra iray. Tafiditra koa ny fo — ny iavian’ny antony manosika. Hoy ny Romana 10:10: “Amin’ny fo no inoana”. (Izahay no manao sora-mandry.) Inona no dikan’izany? Rehefa misaintsaina zavatra momba an’Andriamanitra ianao, ka mampitombo fankasitrahana noho ireny zavatra ireny, dia mamela ny hafatra ara-baiboly hilentika lalina ao am-ponao. Mitombo ny finoana ary mihamatanjaka rehefa voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ianao, sy rehefa mahita ny porofon’ny fitahiany. — 2 Tesaloniana 1:3.

Fananana sarobidy tokoa ny tena finoana! Mandray soa avy amin’izy io isika, satria afaka miatrika toe-javatra sarotra amim-pitokisana amin’Andriamanitra, sy afaka mitoky amin’ny fahaizany hitarika ny diantsika sy amin’ny fahavononany hikarakara ny zavatra ilaintsika. Fanampin’izany, i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia nanondro ny soa iray maharitra entin’ny finoana: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16, izahay no manao sora-mandry.) Fiainana mandrakizay — izany ka fanomezana mahatalanjona ho an’ireo izay manam-pinoana!

Ny finoana ny fampanantenan’Andriamanitra hamaly soa ny mpanompony dia mahatonga olona iray hanana fomba fihevitra vaovao ny fiainana. Milaza ny Hebreo 11:6 fa ny tena finoana dia mahafaoka finoana ny fahaizan’Andriamanitra hamaly soa “ireo mazoto mitady Azy”. Mazava àry fa ny tena finoana dia tsy fetezana ho mora mino, ary tsy finoana ny fisian’Andriamanitra fotsiny koa. Tafiditra amin’izy io ny fanekena fa mahay mamaly soa an’ireo izay mazoto mitady azy Andriamanitra. Tena maniry tokoa ny hahalala an’Andriamanitra ve ianao? Mahazoa àry fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Baiboly, Teniny, dia hovalian-tsoa ny finoanao. — Kolosiana 1:9, 10.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Drawings of Albrecht Dürer/Dover Publications, Inc.