Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsiambaratelo Kobonina Mafy

Tsiambaratelo Kobonina Mafy

Tsiambaratelo Kobonina Mafy

“Tsy hisy olona hohazonina ho andevo na ho mpanompo: ho voarara ny fanandevozana sy ny fivarotana andevo amin’ny endriny rehetra.” — Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’Olombelona.

AMIN’NY fotoana manaraka hanisianao siramamy ny kafenao, dia mieritrereta an’i Prevot, teratany avy any Haïti, izay nampanantenaina asa tsara tany amin’ny firenena iray hafa tany Caraïbes. Tsy izany anefa no nitranga fa namidy valo dolara (50 000 FMG eo ho eo) izy.

Toy ny nanjo ny mpiray tanindrazana taminy an’arivony maro ny nanjo an’i Prevot, izay terena hikapa fary efa hatramin’ny enina na fito volana izao ho tambin’ny vola kely, na tsy misy. Hazonina ao amin’ny toerana mifanizina sy maloto be ireo babo ireo. Alaina ny fananany rehetra, ary avy eo dia tolorana antsibe izy ireo. Tsy maintsy miasa izy ireo mba hahazoan-kanina. Raha manandrana mandositra izy ireo, dia nety hokapohina.

Diniho ny nanjo an’i Lin-Lin, ankizivavy iray avy any Azia Atsimoatsinanana. Telo ambin’ny folo taona izy fony maty ny reniny. Ny masoivoho iray mpanome asa dia nividy azy 480 dolara (3 120 000 FMG) tamin-drainy, ary nampanantenaina asa tsara izy. Nantsoina hoe “avansy amin’ny karamany” ilay vola naloa: izany dia fomba iray azo antoka mba hihazonana azy tsy ho afa-niala intsony tamin’ireo tompony vaovao. Tsy nomena asa mendrika i Lin-Lin, fa nentina kosa tao amin’ny trano iray fivarotan-tena, izay andoavan’ny clients 4 dolara (25 000 FMG eo ho eo) isan’ora ho an’i Lin-Lin. Azo lazaina hoe mpigadra mihitsy i Lin-Lin, satria tsy afa-miala izy raha tsy voaloa ny trosany, anisan’izany ny vola naloan’ny tompon’ilay trano fivarotan-tena nividianana azy, miampy ny tombony sy ny fandaniana. Raha mandà tsy hanaraka ny sitrapon’ilay mpampiasa azy i Lin-Lin, dia mety hokapohina na hampijalijalina. Ny mbola ratsy kokoa aza, raha manandrana mandositra izy, dia mety hovonoina.

Fahafahana, ho an’ny rehetra ve?

Misy olona maro mihevitra fa tsy misy intsony ny fanandevozana. Taorian’ny nanaovana fifanarahana sy fanambarana ary lalàna maro be tokoa mantsy, dia nambara tamin’ny fomba ofisialy fa foana ny fanandevozana, tany amin’ny ankamaroan’ny firenena. Hizingizinina hatraiza hatraiza fa maharikoriko ny fanandevozana. Misy lalàm-pirenena mandrara ny fanandevozana, ary ny fandrarana azy io dia noraketina tao amin’ny antontan-taratasy iraisam-pirenena ara-dalàna — indrindra fa ny Andininy Faha-4 amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona tamin’ny 1948, voatonona etsy ambony.

Na izany aza, dia mbola misy ary miroborobo ny fanandevozana — na dia tsiambaratelo kobonina mafy aza izy io amin’ny olona sasany. Manomboka any Phnom Penh ka hatrany Paris, any Mumbai ka hatrany Brasília, dia an-tapitrisany maro amin’ireo mpiara-belona amintsika — lehilahy sy vehivavy ary ankizy — no terena hiaina sy hiasa toy ny andevo, na ao anatin’ny toe-piainana toy ny an’ny andevo. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana, miorina any Londres — ilay fikambanana tranainy indrindra maneran-tany mpanara-maso ny asa an-terivozona — dia manombana ho an-jato tapitrisany maro ny isan’ny olona ao anatin’ny fanandevozana. Eny, mety ho betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ny andevo eto an-tany amin’izao andro izao!

Marina aloha fa tsy mampiavaka ny fanandevozana maoderina ny sary fahita mampiseho gadra vy, karavasy, ary lavanty. Asa an-terivozona, fanambadiana manandevo, fanandevozan’ny trosa, fampiasana ankizy tsy ampy taona, ary matetika fivarotan-tena, dia vitsivitsy monja amin’ireo endriny miharihary kokoa amin’ny fanandevozana amin’ny andro ankehitriny. Ny andevo dia mety ho vadikely, mpanao hazakaza-drameva, mpikapa fary, mpanenona karipetra, na mpanao lalana. Marina aloha fa tsy amidy any amin’ny lavanty ampahibemaso ny ankamaroan’izy ireo, nefa tsy hoe tsara kokoa noho ireo tena andevo fahiny izy ireo. Amin’ny toe-javatra sasany aza, dia mampalahelo kokoa ny zavatra iainany.

Iza no manjary andevo? Ahoana no ahatongavan’izy ireo ho andevo? Inona no efa atao mba hanampiana azy ireo? Efa akaiky ve ilay fanafoanana tanteraka ny fanandevozana?

[Efajoro/Sary, pejy 4]

INONA MOA NY FANANDEVOZANA MAODERINA?

Izany dia fanontaniana saro-baliana, na dia ho an’ny Firenena Mikambana aza, taorian’ny taona maro nanaovana ezaka. Famaritana iray ny atao hoe fanandevozana ilay nambaran’ny Fifanarahana Momba ny Fanandevozana, natao tamin’ny 1926, izay milaza hoe: “Ny fanandevozana dia ny laharana ara-tsosialy na ny toe-piainan’ny olona iray, izay ampiharana fahefana iray na ny fahefana rehetra mifandray amin’ny zon’ny tompony.” Na izany aza, dia mbola azo hazavaina amin’ny fomba samihafa ihany ilay teny. Araka ny fomba fihevitr’ilay mpanao gazety atao hoe Barbara Crossette, ny “fanandevozana dia anarana iantsoana ny mpiasa kely karama ao amin’ny indostria any ivelany mpanao fitafiana fitondra miala voly sy fitafiana hafa, sy ao amin’ny toeram-piasana andraisan-karama varimasaka, any amin’ireo tanàn-dehibe any amin’ireo tanin’i Amerika. Ampiasaina io teny io hanamelohana ny indostrian’ny fivarotan-tena , ary ny asa an-terivozona any am-ponja”.

Inoan’i Mike Dottridge, talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana, fa “rehefa toa maka endriny vaovao ny fanandevozana — na rehefa ampiharina amin’ny toe-piainana maro kokoa ilay fitenenana — dia atahorana hihamalefaka ny heviny, na hihena be mihitsy aza”. Mihevitra izy fa “ny fanandevozana dia fantatra amin’ny alalan’ny fisian’ny tompo, na ny fifehezana ny fiainan’ny olona iray hafa”. Anisan’izany ny fanerena sy ny fameperana ny fihetsika atao — ny hoe “tsy afa-miala, tsy afaka miova mpampiasa, ny olona iray”.

Hoy ny fanamarihan’i A. M. Rosenthal, rehefa nanoratra tao amin’ny The New York Times izy: “Ny andevo dia manana fiainan’andevo — asa mila hahafaty, fametavetana, hanoanana, fampijalijaliana, ny fampietrena tanteraka.” Hoy koa izy: “Dimampolo dolara dia ahazoana mividy andevo iray, hany ka tena tsy mampaninona [ny tompony] izay faharetam-potoana hahavelomany, alohan’ny hanipazana ny fatiny ao amin’ny ony iray.”

[Sary nahazoan-dalana]

Ricardo Funari