Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Niafaran’i Peter Kely?

Ahoana no Niafaran’i Peter Kely?

Ahoana no Niafaran’i Peter Kely?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY EKOATERA

NY MIFOHAZA! (anglisy) tamin’ny 22 Aogositra 1970 dia nahitana lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Fandidiana Fo Tsy Nisy Fampidiran-dra”, izay nitantara ny nahazo ny ankizilahy kanadianina iray fito taona, antsoina hoe Peter, izay nila fandidiana mba hamonjena ny ainy, tamin’ny 1963.

Nilaza ny dokotera mpitsabo an’i Peter fa nisy fomba fitsaboana azo natao, afaka nanamboatra ny valviola tao amin’ny fony izay nisy tsy nety. Rehefa nitondra ny zanany lahy tany amin’ny dokotera manam-pahaizana manokana anefa ny ray aman-drenin’i Peter, ary nanontany azy io raha azo natao tsy nisy fampidiran-dra ilay fandidiana, dia namaly ilay dokotera hoe: “Tsia. Tena tsy azo atao izany. Fantatro izay lazaiko matoa aho miteny izany.”

Tsy kivy ny ray aman-drenin’i Peter fa nanohy nikaroka, ary tamin’ny farany, dia nahita mpandidy iray izay vonona ny hanao ilay fandidiana tsy nisy fampiasana ra. Nanao ahoana ny niafarany? Na dia tsy maty nandritra ilay fandidiana aza i Peter, dia nilazana ny ray aman-dreniny fa ny fotoana ihany no hanambara hoe tena nahomby ve ilay fomba fitsaboana, sa tsia. Koa ahoana àry no niafaran’i Peter kely?

Rehefa 13 taona i Peter, dia nifindra nankatỳ Ekoatera, atỳ Amerika Atsimo, izy sy ny ray aman-dreniny, mba hanompo any amin’izay nilana kokoa mpitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14). Natao batisa i Peter teo amin’ny faha-15 taonany, ary tonga mpisava lalana maharitra (mpitory ny filazantsara manontolo andro) teo amin’ny faha-18 taonany. Rehefa 26 taona izy, dia tonga mpisava lalana manokana, ka nanompo tany amin’ny vohitra iray tany amin’ny 3 000 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, tany Andes. Tamin’ny 1988, rehefa 31 taona izy, dia nanomboka nitety faritany ho solontenan’ny Fikambanana Watch Tower, niaraka tamin’i Isabel, vadiny. Mbola manohy izany izy hatramin’izao, ka mitsidika kôngregasiôna samy hafa isan-kerinandro mba hampaherezana azy ireny.

Be zavatra atao tokoa i Peter eo amin’ny fiainany, ary tsy nila fandidiana fanampiny. Velom-pankasitrahana izy sy ny Vavolombelona an’arivony maro hafa noho ny fiaraha-miasan’ireo mpandidy nahay izay nanaja ny zon’ny marariny!

[Sary, pejy 23]

Peter, fito taona, fotoana fohy taorian’ny nandidiana azy

[Sary, pejy 23]

Peter sy Isabel Johnston ankehitriny