Ahoana ny Amin’ny Fitevehana eo Amin’ny Vatana?
Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana ny Amin’ny Fitevehana eo Amin’ny Vatana?
‘Fony aho nahita voalohany olona nitevika teo amin’ny molony sy teo amin’ny faritra hafa amin’ny vatany, dia hoy aho anakampo hoe: “Mba hafakely koa izany an!” ’ — Lisa.
TSY i Lisa irery no mihevitra toy izany. Mihamitombo ny isan’ny tanora manao kavina boribory na kavina mipetaka eo amin’ny faritra samihafa amin’ny tenany, eny fa na dia eo ambonin’ny masony, eo amin’ny orony, ny sofiny, ny lelany, ny molony, ary ny foitrany mihitsy aza. Fanao antsoina hoe fitevehana eo amin’ny vatana izy io. *
May erỳ ny tanora iray, 16 taona, antsoina hoe Heather, hanara-damaody, toy ny maro. Niaiky izy fa ho “tena hafakely” raha hisy kavina boribory eo amin’ny foitrany. I Joe, 19 taona, kosa dia efa manao kavina volamena miendrika fonjam-by eo amin’ny lelany. Ary ny ankizivavy iray hafa dia nifidy ny hitevika teo ambonin’ny masony, satria naniry hanao zavatra “manaitra be” izay “hanafintohina ny olona”.
Tsy zava-baovao velively ny hevitra hoe hametaka firavaka eo amin’ny vatana. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nanao kavin’orona ny vehivavy iray natahotra an’Andriamanitra, nantsoina hoe Rebeka. (Genesisy 24:22, 47). Rehefa nivoaka avy tany Ejipta ny Isiraelita, dia nanao kavina teo amin’ny ravin-tsofiny. (Eksodosy 32:2). Tsy fantatra anefa, raha napetaka tamin’ny alalan’ny fitevehana ny sofina na ny orona, na tsia, izany firavaka izany. Tena nasaina notevehina tokoa anefa ny sofin’ny andevo nahatoky, ho mariky ny tsy fivadihany tamin’ireo tompony. (Eksodosy 21:6). Be dia be koa ny olona nitevika, tao amin’ny kolontsaina tranainy hafa. Nitevika ny lelany noho ny antony ara-panahy ny Azteka sy ny Maya. Mbola miely patrana ny fandoahana ny molotra atsy Afrika sy eo amin’ireo Indianina any Amerika Atsimo. Fahita eo amin’ireo Melanezianina sy ireo mponina any Inde sy Pakistan ny fampiasana zavatra handravahana ny orona.
Vao taona vitsivitsy monja izao no tsy namerana intsony ho eo amin’ny ravin-tsofin’ny vehivavy ny fitevehana, tamin’ny ankapobeny, tany amin’ny tontolo tandrefana. Ankehitriny anefa, dia manao firavaka ny zatovo sy ny olon-dehibe mbola tanora maro, na lahy na vavy, saika amin’ny faritra rehetra amin’ny vatana izay azo ametahana azy.
Antony itevehan’izy ireo
Maro no mitevika, satria mihevitra izy ireo fa ara-damaody izany — tena ara-damaody. Misy hafa mihevitra fa hanatsara azy kokoa izy io. Azo antoka fa noho ireo mannequins malaza sy mpanao fanatanjahan-tena malaza ary mpitendry zavamaneno be mpitia, manisy firavaka eny amin’ny vatany, no nahatonga azy io ho lamaody. Ary
ho an’ny tanora sasany, ny fitevehana koa dia toa manome taratry ny fahaleovan-tena, ny fitadiavana hanana ny maha izy azy, ary fomba iray ilazany fa tsy toy ny olon-kafa rehetra izy. Hoy ny fanamarihan’i John Leo, mpanoratra an-gazety: “Ny faniriana hanorisory ny ray aman-dreniny sy hanafintohina ny sokajin’olona antonontonony matetika no toa antony voalohany indrindra manosika hitevika.” Toa ny tsy fahitana fahafaham-po, ny tsy fahaiza-mifanaraka amin’ny fomba amam-panao, ny fihaikana, ary ny fikomiana no manosika izany faniriana hamoaka hevitra izany.Misy aza mitevika mba hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilainy ara-tsaina na ara-pihetseham-po. Ohatra, misy tanora mihevitra fa hampitombo ny hajan’ny tenany izany. Ny tanora sasany niharan’ny fampijaliana fony ankizy dia mihevitra azy io ho fomba hitakiany ny fifehezana ny vatany.
Loza ara-pahasalamana mety hitranga
Tsy ahitan-doza anefa ve ny fitevehana rehetra atao eo amin’ny vatana? Dokotera maro no milaza fa tsy izany ny sasany aminy. Azo antoka fa mampidi-doza ny tevika ataon’ny tena ihany. Ary mety hiteraka loza mampiavaka azy ny fandehanana any amin’ny lazaina fa mpanevika matihanina. Maro no tsy tsara ofana, fa nianatra nanao izany avy tamin’ny namana, ny gazetiboky, na ny vidéos. Ho vokany, dia mety tsy hampiasa teknika ara-pahasalamana izy ireo na hahatakatra akory ny loza mety hoentin’ny fitevehana. Afa-tsy izany koa, dia mpanevika maro no tsy mahay momba ny rafi-batan’ny olombelona. Tsy zava-madinika izany, satria miteraka fandehanan-dra be dia be ny fandoahana eo amin’ny toerana tsy mety. Ny fikasihana hoza-pitatitra dia miteraka fanimbana maharitra.
Loza lehibe iray hafa mety hitranga ny fahazoana otrikaretina. Mamindra aretina mahafaty toy ny hépatite, ny SIDA, ny tioberkilaozy ary ny tetanosy ny fitaovana tsy madio. Ary na dia fitaovana madio aza no ampiasaina, dia mbola zava-dehibe ihany ny fikarakarana aorian’ilay fitevehana. Ny tevika eo amin’ny foitra, ohatra, dia voakitikitika, satria voakasoky ny fitafiana foana. Mila hatramin’ny sivy volana àry izy io vao ho sitrana.
Misy dokotera milaza fa ny fitevehana ny taola-malemy eo amin’ny orona na ny sofin’ny olona iray dia mampidi-doza kokoa noho ny fitevehana eo amin’ny ravin-tsofina. Manazava toy izao ny gazetikely iray avy amin’ny Akademia Amerikanina Momba ny Fanitsiana sy ny Fandidiana Fanamboarana Endrika: “Antony iray manokana mahavelom-panahiana ny lavaka maro hasiana kavina eo an-tampon-tsofina — mety hamoizana ny tapany ambony rehetra amin’ny sofina ny fahazoana otrikaretina lehibe. Ny kavina mipetaka eo amin’ny orona koa dia mety hampidi-doza: mety hahakasika ny lalan-dra eo akaikiny ny otrikaretina eo amin’io faritra io ary hiely hatrany amin’ny atidoha.” Hoy ny fanatsoahan-kevitr’ilay gazetikely: “Raha ny tsara indrindra, dia tokony
hoferana ho eo amin’ny faritry ny ravin-tsofina [ny fitevehana]”.Loza hafa koa ny holatra mahatsiravina sy ny fanoheran’ny vatana noho ny tsy fahazakany ilay firavaka. Raha voarain’ny fitafiana, na voasintona, ny kavina eo amin’ny faritra tena saro-pady, toy ny nono, dia ho rovitra mora foana ny hoditra. Afaka manentsina ny fantsona fandehanan’ny ronono ny holatra miforona eo amin’ny nonon’ny ankizivavy iray, ary raha tsy mitady fitsaboana izy, dia mety ho sarotra aminy, na tsy ho azony atao, ny hampinono amin’ny hoavy.
Vao haingana izay ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Nify no niantso ny fitevehana ao am-bava hoe loza ara-pahasalamana mahazo ny vahoaka. Anisan’ny loza fanampiny mety hitranga vokatry ny fitevehana ny faritry ny vava ireto manaraka ireto: kenda rehefa avy nitelina firavaka, donto sy tsy mahatsapa tsiro ny lela, fandehanan-dra maharitra, potika na tapaka ny nify, mihabe rora, raraka ivy tsy azo fehezina, maratra ny akanjonify, bada lela, ary sahirana rehefa misefo, mitsako ary mitelina. Rehefa notevehina ny lelan’ny tovovavy iray antsoina hoe Kendra, dia “nivonto be toy ny balaonina”. Vao mainka nanampy trotraka izany ny nampiasan’ilay mpanevika kavina fametaka eo amin’ny saoka, izay nanapaka ny lelan’i Kendra ary nandrovitra ny nofo tao ambany lelany. Saika tsy afaka niteny intsony i Kendra.
Nampianatra ny Isiraelita, vahoakany, Andriamanitra mba hanaja ny vatany, ary tsy hanapaka ny rantsambatany. (Levitikosy 19:28; 21:5; Deoteronomia 14:1). Ary na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina amin’izao andro izao, dia mbola ampirisihina hanaja ny vatany foana. (Romana 12:1). Misy antony àry ve ny hanalavirana ny loza ara-pahasalamana izay tsy ilaina akory? Na izany aza, dia misy anton-javatra hafa, ankoatra ny fahasalamana, tokony hoheverinao.
Mampita hafatra hoe ahoana izy io?
Tsy manome baiko voafaritra tsara momba ny fitevehana eo amin’ny vatana ny Baiboly. Nefa tena mampirisika antsika hitafy amin’ny “fahamaotinana sy ny fahononan-tena” izy io. (1 Timoty 2:9). Na dia mety hoheverina ho maotina aza ny zavatra iray any amin’ny faritra iray amin’izao tontolo izao, ny tena zava-dehibe dia ny fomba iheverana azy io ao amin’ny misy anao. Ohatra, mety hoheverina ho azo ekena ny fitevehana ny ravin-tsofin’ny vehivavy any amin’ny faritra iray amin’izao tontolo izao. Ao amin’ny tany iray na kolontsaina iray hafa anefa, dia mety hanafintohina ny hafa izany.
Na dia maro be aza ny olo-malaza mitevika, dia tsy nahazo ny faneken’ny ankamaroan’ny olona any amin’ireo tany tandrefana velively ny fitevehana eo amin’ny vatan’ny lehilahy sy ny fanaovan’ny lehilahy kavina. Mety ho anisan’ny antony ny hoe nandritra ny fotoana lava izy ireny dia marika nahafantarana ny mpigadra, ny andian-jiolahy mpitaingina môtô, ny fatra-pitia mozika rock mahatsiravina, ary ny mpikambana ao amin’ny sokajin-dehilahy mandry amin-dehilahy izay tia mampijaly tena na mampijaly ny hafa. Ho an’ny maro, ny fitevehana eo amin’ny vatana dia manana heviny hoe mibirioka sy mikomy. Olona maro no mihevitra azy io ho manafintohina, maharikoriko. Hoy ny ankizivavy kristianina iray antsoina hoe Ashley: “Vao avy nampitevika ny orony ny ankizilahy iray mpiara-mianatra amiko. Mihevitra ny tenany ho maharaka izy amin’izany. Mahatsiravina ilay izy amiko!”
Tsy mahagaga firy àry, raha manana lalàna ny toeram-pivarotana amerikanina iray be mpahalala milaza fa ny mpiasa mifandray mivantana amin’ny clients dia tsy mahazo manao kavina afa-tsy iray amin’ny sofina tsirairay, ary voarara ny tevika hafa hita maso. “Tsy afaka ny hahalala mialoha izay ho fihetsiky ny olona ho setrin’izany ianareo”, hoy ny fanazavan’ny vehivavy iray mpitondra tenin’ilay kompania. Toy izany koa fa ny mpanolo-tsaina momba ny anton’asa dia nanoro hevitra ny mpianatra lehilahy tao amin’ny oniversite izay nanao fangatahana asa mba “tsy hanao kavina na firavaka hafa atao eo amin’ny tevika; tsy tokony hanao (...) kavin’orona ny vehivavy”.
Ny tanora kristianina indrindra no tokony hiahy ny hanana laza tsara eo anatrehan’ny hafa, rehefa manao asa fitoriana koa izy ireo. Tsy irin’izy ireo ny ‘hanao izay mahatafintohina na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana’. (2 Korintiana 6:3, 4). Na ahoana na ahoana fiheveranao manokana ny fitevehana, dia tsy azo ihodivirana fa mampita hafatra momba ny fihetsikao sy ny fomba fiainanao ny fisehoanao ivelany. Hafatra inona no tianao homena?
Raha ny tena izy, dia ianao — sy ny ray aman-dreninao, mazava ho azy — no tsy maintsy hanapa-kevitra ny amin’izay hataonao amin’io lafiny io. “Aza mamela ny tontolo manodidina anao hamatratra anao ao anatin’ny lasiny”, hoy ny torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly. (Romana 12:2, Phillips). Rehefa dinihina tokoa, dia ianao no hany voatery hizaka ny vokany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Tsy ny fitevehana tsotra eo amin’ny sofina, izay mahazatra ary eken’ny kolontsaina any amin’ny tany maro, akory no tondroinay amin’io fitenenana io. Ny fanao tafahoatra sy be mpanaraka amin’izao andro izao no tondroinay. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 May 1974, p. 318-319.
[Sary, pejy 12]
Tena be mpitia ny fitevehana eo amin’ny vatana eo anivon’ireo tanora