Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Lalao jeux de rôle Vao haingana izay no nahatongavan’ny ôrdinaterako vaovao. Nikasa ny hanao lalao vitsivitsy monja aho, kanjo nanjary nilalao nandritra ny efa ho adiny 16 tsy an-kiato aho tamin’ny farany! Rehefa takatro izay nitranga, dia nesoriko avy hatrany avy tao anaty ôrdinaterako ny lalao rehetra. Tatỳ aoriana anefa, dia nanomboka nihevitra aho hoe angamba somary tafahoatra ny fihetsiko. Tamin’iny herinandro iny ihany anefa, dia tonga ilay lahatsoratrareo hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Mampidi-doza ve ny Lalao jeux de rôle?” (8 Septambra 1999). Takatro ny vokatr’ireny lalao ireny teo amiko. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanokafany ny masoko hahita io loza io.

L. H., Brezila

Fitsaboana Tsy Ampiasana Ra Iraika ambin’ny folo taona aho, ary ho ahy dia lahatsoratra manokana ilay hoe “Fa Tena Ilaina ve ny Fampidiran-dra E?” (8 Septambra 1999). Nodidiana indroa ny fon’ny rahavaviko. Nangataka ny hanaovana izany tsy nisy fampiasana ra ny ray aman-dreniko. Nihevitra aho fa ho faty ilay rahavaviko, nefa efa telo taona izay no nanaovana ny fandidiana, ary salama tsara izy!

C. S., Etazonia

Soavaly Tsy Izy! Tena tiako ilay lahatsoratra hoe “Foaran’ny Oktobra — ‘Foaran-tsoavaly Iraisam-pirenena Tranainy Indrindra eto Eoropa’ ”. (8 Aprily 1999). Gaga anefa aho nahita fa nisy soratra hoe “soavaly matanjaka sada mainty” niaraka tamin’ny sarin’ny soavaly iray fotsy misy tasy volontsôkôlà.

S. P., Afrika Atsimo

Mahafantatra tsara ny soavaly tokoa ilay mpamaky! Araka ny voalazan’ny Fikambanana Britanika Momba ny Soavaly Sada Mainty sy ny Soavaly Misy Tasy Hafa Loko, dia ny soavaly sada mainty ihany no misy tasy mainty sy fotsy — tsy mitovy amin’ilay soavaly misy tasy hafa loko eo amin’ilay sary nasehonay. Miala tsiny noho izany fahadisoana tsy nahy izany izahay. — MPAMPANONTA.

Mpanao Heloka Bevava teo Aloha Tsy maintsy manoratra ho anareo aho mba hilaza ny halehiben’ny fankasitrahako an’ilay fitantarana mitondra ny lohateny hoe “Liona Mierona Tonga Zanak’ondry Malemy Fanahy”, momba an’i Enrique Torres, zanany. (8 Aogositra 1999). Nanasongadina ny fitiavana sy ny famindram-pon’i Jehovah Andriamanitsika, ary ny faharetany amintsika, izy io. Nampiseho koa izy io fa, amin’ny maha ray aman-dreny antsika, dia tsy tokony hanary toky na oviana na oviana isika momba ireo zanatsika, na dia mihataka lavitra ny fari-pitsipik’Andriamanitra aza izy ireo.

J. F., Angletera

Notezaina tao amin’ny finoana kristianina aho, nefa noho ny naman-dratsy, dia nanjary voarohirohy tamin’ny zava-mahadomelina sy ny herisetra. Nomelohina 25 taona an-tranomaizina aho, teo amin’ny faha-18 taonako. Na dia voaray tao amin’ny kongregasiona kristianina indray aza aho, dia matetika no mahatsapa ho tsy mendrika. Rehefa avy namaky io lahatsoratra io anefa aho, dia afaka nahatakatra fa tsy lavitra an’ireo izay mitady azy i Jehovah. Na dia mbola ato am-ponja aza aho, dia nampirisika ahy hiorina mafy io fitantarana io.

R. B., Etazonia

Zanabolana Voatr’olombelona Enina ambin’ny folo taona aho, ary zavatra nambabo ahy foana ny fizahana ny any ambony tsy taka-maso. Koa maniry hisaotra anareo aho noho ilay lahatsoratra hoe “Ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena — Laboratoara Mihodinkodina”. (8 Septambra 1999). Tena mahaliana ahy ny lahatsoratra toy io!

K. E., Etazonia

Midera an’io zanabolana voatr’olombelona io tsy misy fanamelohana kely akory ianareo. Tsy nilaza Andriamanitra hoe anisan’ny fikasany ho an’ny olombelona izy io. Ary tena mahamenatra ny fandaniana vola tsy toko tsy forohana amin’ny fandefasana zanabolana indray mandeha nefa, etsy an-danin’izany, dia misy olona an-tapitrisany maro maty mosary. Manala baraka an’Andriamanitra ianareo noho ny nideranareo ny zavatra toy izany.

P. N. M., Angletera

Milaza ny Baiboly fa ‘ny tany dia nomena ho an’ny zanak’olombelona’. (Salamo 115:16). Tsy misy anefa fototra araka ny Soratra Masina ahafahana milaza fa ratsy ny hanehoan’ny olombelona fahalianana amin’ny any ambony tsy taka-maso. Raha ny marina, ny Baiboly dia mampirisika ny lehilahy manam-pinoana mba handinika ny lanitra mba handinihana ny fahendren’Andriamanitra sy ny hery nentiny namorona. (Salamo 8:3, 4; 19:1). Na ahoana na ahoana, ny fikasanay dia tsy ny hidera ilay zanabolana voatr’olombelona kasaina hatao akory; nanao tatitra momba ny fikasana hanorina azy io fotsiny izahay. Mbola ho hita eo ihany raha hanome fanazavana tokoa, izay hahatonga azy io ho mendrika ny fandaniana tsy toko tsy forohana atao momba azy io ilay zanabolana voatr’olombelona, na tsia. — MPAMPANONTA.