Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Ahafahanao Amin’ny Sigara

Fomba Ahafahanao Amin’ny Sigara

Fomba Ahafahanao Amin’ny Sigara

TOY ny fianarana mitaingina bisikileta, dia toy izany koa fa mahalana no afaka amin’ny sigara ianao amin’ny fanandramanao voalohany. Koa raha tapa-kevitra ny hiala àry ianao, dia tokony hanampo ny hanao izany mihoatra ny indray mandeha mandra-pahafakao soa aman-tsara. Aza mihevitra ny fiverenana indray amin’ny sigara ho toy ny faharesena. Ataovy toy ny hoe toe-javatra ianaran-javatra kosa izany, toy ny hoe fihemorana kely ao amin’ilay ho tonga fandaharana hitarika ho amin’ny fahafahana soa aman-tsara. Indreto misy fanoloran-kevitra izay nandaitra tamin’ny hafa. Mety handaitra aminao koa izy ireo.

Ataovy vonona ho amin’ilay fialana ny sainao

■ Voalohany aloha, dia tsy maintsy manao izay hiekenao ianao fa mendrika hatao ny fialana amin’ny sigara. Ataovy lisitra ny antony hanirianao hialana amin’ny sigara, ka ataovy ao anatin’izany lisitra izany ny soa rehetra hoentin’izany. Rehefa afaka amin’ny sigara ianao, ny fijerena indray ilay lisitra dia hanatanjaka ny fahatapahan-kevitrao. Faniriana hampifaly an’Andriamanitra no antony manosika lehibe indrindra hialana amin’ny sigara. Milaza ny Baiboly fa tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny saintsika, ny fontsika, ny fanahintsika, ary ny herintsika rehetra isika. Tsy afaka manao izany isika raha andevozin’ny sigara. — Marka 12:30.

■ Fakafakao ny fahazaranao mifoka mba hahafantarana hoe amin’ny fotoana toy inona ary nahoana ianao no mifoka sigara. Mety ho hitanao fa manampy ny fanoratana ny hoe amin’ny fotoana toy inona ary aiza ianao no mifoka ny sigaranao tsirairay mandritra ny andro iray. Izany dia hanampy anao hahita mialoha ny toe-javatra mety hahavoan’ny fakam-panahy anao mba hifoka rehefa tena afaka ianao.

Mamera daty hialana

■ Mifidiana daty iray hialana ary mariho eo amin’ny kalandrienao izany. Tsara indrindra ny hifidianana andro iray tsy hisian’ny fihenjanana tsy araka ny tokony ho izy avy any ivelan’ny tenanao. Rehefa tonga io andro io, dia mialà tanteraka sy tampoka.

■ Alohan’ny hahatongavan’ilay andro, dia esory avokoa ny fasiana tain-tsigara, ny afokasoka, ary ny brike. Diovy ny akanjonao rehetra izay misy fofon-tsigara.

■ Mangataha fanampian’ny mpiara-miasa, ny namana, ary ny mpianakavy mba hampirisika anao hanohy ny ezaka ataonao mba hialana. Aza matahotra ny hangataka ny tsy hifohan’ny hafa eo anatrehanao.

■ Ataovy misy zavatra betsaka hataonao amin’ilay andro hialanao. Azonao atao ny mandeha any amin’ny toerana iray izay tsy azo ifohana sigara, toy ny tranombakoka, na ny teatra. Mety ho afaka hanao fampiasan-tena koa ianao — milomano na mitaingina bisikileta na manao dia an-tongotra lavitra.

Fiatrehana ny fialana amin’ny sigara

Raha mpifoka be ianao, dia azo inoana fa ao anatin’ny ora vitsivitsy taorian’ny nifohanao sigara farany, dia hanomboka hahatsapa tsy metimety vokatry ny fialana amin’ny sigara ianao. Mety ho anisan’izany ny fahasorisorena, ny tsy fananana faharetana, ny fankahalana, ny fanahiana, ny fahaketrahana, ny tsy fahitan-tory, ny tsy fahatoniana, ny fahazotoan-komana, ary ny faniriana mafy hifoka sigara. Angamba ny dokoteranao afaka manome fanafody izay hanampy hampitonena izany tsy metimety izany. Fanampin’izany, dia misy zavatra azonao atao mba hanampiana anao handresy amin’ilay ady.

■ Mandritra ireo herinandro vitsy voalohany, izay mafy, dia mihinàna sakafo kely kalôria, ary misotroa rano betsaka. Hitan’ny sasany ho manampy ny fihinankinanana legioma manta, toy ny karaoty na ny seleria. Raha manao fampiasan-tena ianao, dia hanampy hampifandanjana ny fitomboan-danja sy hanalefaka anao mba tsy ho hendratrendratra izany.

■ Halaviro ny toerana sy ny toe-javatra izay mety hahavoan’ny fakam-panahy anao hifoka.

■ Tohero ny fanjohian-kevitra diso izay mety haka fanahy anao hifoka. Indreto misy fomba fihevitra sasany fandre mandritra ny fotoana hialana amin’ny sigara: ‘Anio fotsiny ange aho no hifoka mba hanampy ahy hamakivaky ity fotoan-tsarotra ity e.’ ‘Ny mifoka sigara anie no mba hany fahazaran-dratsiko e!’ ‘Tsy dia ratsy be akory ny sigara; misy mpifoka be nefa velona maherin’ny 90 taona.’ ‘Tsy maintsy hisy zavatra hahafaty ahy ihany.’ ‘Tsy misy dikany ny fiainana raha tsy misy sigara.’

■ Raha mitady ho resin’ny fakam-panahy ianao, dia miandrasa kely aloha folo minitra monja, fa mety ho lasa ihany ilay faniriana mafy. Indraindray dia mety ho toa zavatra goavana ny fieritreretana an’izany hoe tsy hifoka sigara mihitsy intsony izany. Raha izany no tsapanao, dia mifantoha amin’ny fialana anio fotsiny aloha.

■ Raha maniry hanompo an’Andriamanitra ianao, dia mivavaha mba hahazoana fanampiana. Afaka manome “fanampiana amin’ny fotoana mety” ho an’ireo izay miezaka mafy hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapony, ny Mpamorona antsika be fitiavana. (Hebreo 4:16, NW ). Aza manantena fahagagana anefa. Tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao ianao.

Aza miverina intsony

■ Ireo telo volana voalohany no mafy indrindra, nefa na dia aorian’izany aza, dia tokony hanalavitra, raha azo atao, ny mpifoka sigara sy ny toe-javatra mety haka fanahy anao hifoka ianao.

■ Aza mamita-tena amin’ny fiheverana fa afaka ny hifoka tsindraindray ianao, na dia efa nitsahatra tsy nifoka nandritra ny herintaona na mihoatra aza.

■ Tohero ilay fakam-panahy hifoka “sigara iray monja”. Ny sigara iray monja dia mety hitarika mora foana ho amin’ny sigara hafa fanampiny, ary tsy ela dia ho voakosokao avokoa ny ezaka mafy nataonao fony ianao niala tamin’ny sigara. Kanefa, raha resy ianao, ka nifoka sigara iray, dia tsy misy antony hifohana iray hafa. Raha miverina mifoka indray ianao, dia mialà indray.

Olona an-tapitrisany maro nifoka sigara no afaka tanteraka. Afaka miala koa ianao, raha misy fahatapahan-kevitra sy fikirizana!