Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Moa ny El Niño?

Inona Moa ny El Niño?

Inona moa ny El Niño?

Raha ny mahazatra, dia maina ny Ony Apurímac, any akaikin’i Lima, any Peroa. Rehefa nipaoka efa ho ny fananan’i Carmen rehetra anefa ilay ony, dia nitaraina toy izao izy: “Maro be izahay no toy izao, tena maro be, fa tsy izaho irery.” Any avaratra kokoa, ny oram-be nikija nandritra ny fotoana voafetra dia nanova faritra iray tamin’ny Tany Efitr’i Sechura, any amorontsiraka, ho ny farihy lehibe indrindra faharoa any Peroa, izay nandrakotra 5 000 metatra toradroa teo ho eo. Tany amin’ny toeran-kafa nanerana ny gilaoby, ny tondra-drano faran’izay lehibe sy ny rivo-doza mahery ary ny hain-tany mafy dia nitarika ho amin’ny mosary, ny valanaretina, ny hain-trano, ary ny fahasimban’ny voly sy ny fananana ary ny tontolo iainana. Inona no nahatonga izany rehetra izany? Maro no manondro ny El Niño, izay nipoitra avy tany amin’ny Oseana Pasifika tropikaly, na ekoatorialy, tany akaikin’ny faran’ny taona 1997, ary naharitra valo volana teo ho eo.

Fa inona marina moa ny El Niño? Ahoana no ivoaran’izy io? Nahoana no miely patrana aoka izany ny vokany? Azo fantarina mialoha araka ny marina ve ny hitrangany amin’ny manaraka? Angamba hampihena ny voka-dratsiny eo amin’ny ain’olona sy ny fananana izany.

Manomboka amin’ny fiakaran’ny maripanan’ny rano izy io

“Raha ny marina, ny El Niño dia tsy inona akory fa ny korian-drano mafana izay mipoitra tandrifin’ny morontsirak’i Peroa, isaky ny roa ka hatramin’ny fito taona”, hoy ny gazetiboky Newsweek. Efa zato taona mahery izao ireo tantsambo nanaraka ny morontsirak’i Peroa no nahamarika izany fiakaran’ny maripana izany. Koa satria manodidina ny Krismasy mazàna no ahatongavan’ireny rano mafana ireny, dia nantsoina hoe El Niño izy ireny, teny espaniola ilazana an’i Jesosy zaza.

Ny fiakaran’ny maripanan’ny rano any akaikin’ny sisin’ny morontsirak’i Peroa dia midika hoe fitomboan’ny rotsakorana ho an’io tany io. Mahatonga ny tany efitra hamelana sy ny omby aman’ondry hitombo tsara, ny orana. Rehefa mikija ny orana, dia miteraka tondra-drano ho an’ilay faritra koa. Ambonin’izany, ny sosona ambony kokoa amin’ny ranon’ny ranomasina, izay mafana, dia misakana ny rano mangatsiaka kokoa any ambany, izay feno raha mahavelona, tsy hiakatra. Vokatr’izany, dia mifindra monina mba hitady hanina ny zavaboary an-dranomasina maro, ary na dia ny vorona an-dranomasina sasany aza. Tsapa any an-toeran-kafa lavitra ny morontsirak’i Peroa àry ny vokatry ny El Niño, avy eo. *

Ateraky ny rivotra sy ny rano

Inona no mahatonga ilay fiakarana tsy mahazatran’ny maripanan’ny oseana, any akaikin’ny sisin’ny morontsirak’i Peroa? Mba hahatakarana izany, dia diniho aloha ny faribolana goavana, fantatra ho ny Walker Circulation, izay ao amin’ny atmôsfera eo anelanelan’ny Pasifika tropikaly atsinanana sy ny Pasifika tropikaly andrefana. * Rehefa manafana ny fanambonin’ny rano any andrefana, any akaikin’i Indonezia sy i Aostralia, ny masoandro, dia miakatra ao amin’ny atmôsfera ny rivotra mahamay sy mando, ka miteraka tosika iva eo akaikin’ny fanambonin’ny rano. Mihamangatsiaka ilay rivotra miakatra ary mihamiala ny hamandoany, ka mitondra orana ao amin’ilay faritra izy. Atosiky ny rivotra ao amin’ny atmôsfera ambony kokoa hankany atsinanana ilay rivotra maina. Mandritra ny diany miantsinanana, dia mihamangatsiaka sy mihamavesatra ilay rivotra, ka manomboka midina mba hahatratra an’i Peroa sy i Ekoatera. Izany dia miteraka tosika avo eo akaikin’ny fanambonin’ny oseana. Ary, any amin’ny toerana iva, dia miverina miankandrefana mankany Indonezia ilay rivotra fantatra amin’ny anarana hoe alizay, ka manakombona ilay faribolana izy amin’izany.

Inona no vokatry ny alizay eo amin’ny maripanan’ny fanambonin’ny Pasifika tropikaly? “Raha ny ara-dalàna, dia manao toy ny tsio-drivotra eo amin’ny kamory kely iray ireny rivotra ireny”, hoy ny Newsweek, “ka manosika rano mafana ho any amin’ny Pasifika andrefana, mba hahatonga ny haabon’ny ranomasina any hiakatra hatramin’ny 60 santimetatra sy ny maripanan’ny rano hanan-tombo valo degre Celsius, raha oharina amin’ny any Ekoatera, ohatra.” Any amin’ny Pasifika atsinanana, dia miakatra ny rano mangatsiaka kokoa izay feno raha mahavelona, ka mahatonga ny fiainana ao anaty ranomasina hitombo tsara. Araka izany, mandritra ireo taona ara-dalàna, na taona tsy isian’ny El Niño, dia mangatsiaka kokoa noho ny any andrefana ny fanambonin’ny ranomasina any atsinanana.

Fiovana inona avy, ao amin’ny atmôsfera, no mahatonga ny El Niño? “Noho ny antony mbola tsy fantatr’ireo mpahay siansa”, hoy ny National Geographic, “isaky ny taona vitsy, dia mihena, na manjavona mihitsy aza, ny alizay.” Arakaraka ny ihenan’ireny rivotra ireny no ipariahan’ny rano mafana nihandrona tany akaikin’i Indonezia miverina miantsinanana, ka mampiakatra ny maripanan’ny fanambonin’ny ranomasina any Peroa sy any amin’ny toeran-kafa any atsinanana. Izany fiovan-toerana izany indray kosa dia misy vokany eo amin’ny rafitry ny atmôsfera. “Mampihena ny Walker Circulation ny fiakaran’ny maripanan’ny Oseana Pasifika tropikaly atsinanana, ary mahatonga ilay faritra manao faribolana, izay misy rotsakorana be dia be, hifindra hiantsinanana, avy any andrefana hankany amin’ny Pasifika tropikaly afovoany sy atsinanana”, hoy ny boky iray. Misy fiantraikany eo amin’ny toetr’andro any amin’ny Pasifika ekoatorialy manontolo ilay izy, araka izany.

Toy ny bolongam-bato iray ao amin’ny renirano iray

Afaka manova ny toetr’andro any lavitra be avy eo amin’ny ranon’ny Pasifika tropikaly koa, ny El Niño. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fampiasana ny rafi-pihodinan’ny atmôsfera ho fitaovana. Ny vokatra hatrany lavitra entin’ny fikorontanana eo an-toerana eo amin’ny rafi-pihodinan’ny atmôsfera dia azo ampitahaina amin’ny fomba amoronan’ny bolongam-bato iray ao afovoan’ny renirano iray alon-drano maro manerana ilay renirano manontolo. Ny rahon’orana matevina, izay miakatra eo ambonin’ny ranon’ny oseana tropikaly mafana, dia mahaforona zavatra manentsina ao amin’ny atmôsfera, toy ny bolongam-bato iray, ary misy vokany eo amin’ny toetr’andro any amin’ny an’arivony kilaometatra maro avy eo.

Any amin’ny laharam-pehintany avo kokoa, dia mihamatanjaka ny El Niño ary manakisaka ilay rivotra mafy mitsoka miantsinanana, izay fantatra amin’ny hoe jet stream. Mitarika ny fikorianan’ny ankamaroan’ny rafitra miteraka oram-baratra ho any amin’ireny laharam-pehintany ireny ny jet streams. Afaka manamafy na mifehy ny toetr’andro mandritra ny fizaran-taona iray koa ny jet streams izay mihamatanjaka sy miova zotra. Ohatra, mazàna ny El Niño amin’ny ririnina no malefaka kokoa noho ny ara-dalàna, any amin’ny faritra sasany any avaratra amin’i Etazonia, kanefa kosa mando kokoa sy mangatsiaka kokoa izy io, any amin’ny faritra atsimo amin’ny fanjakana sasany.

Azo fantarina mialoha foana ve?

Tsy azo fantarina mialoha ny vokatry ny oram-baratra tsirairay raha tsy andro maromaro mialoha, fara fahabetsany. Izany koa ve no izy ny amin’ny fanandramana hamantatra mialoha ny amin’ny El Niño iray? Tsia. Tsy mahafaoka fisehoan-javatra araka ny toetr’andro mandritra ny fotoana fohy ny fanombanana ny amin’ny El Niño, fa mahafaoka toetr’andro tsy ara-dalàna manerana faritra midadasika, mandritra ny volana maro indray miaraka, kosa. Ary nahita fahombiazana ihany ireo mpikaroka momba ny toetr’andro, raha ny fanombanana ny amin’ny El Niño no asian-teny.

Ohatra, tamin’ny May 1997, izany hoe enim-bolana talohan’ny nipoiran’ny El Niño 1997-1998 no notombanana ny amin’izy io. Ankehitriny, dia misy zavatra mitsinkafona miisa 70 miantsona manerana ny Pasifika tropikaly, ary mandrefy ny rivotra eo amin’ny fanambonin’ny rano sy ny maripanan’ny oseana any amin’ny 500 metatra any ambany. Rehefa nampidirina tao anaty ôrdinatera misy fanazavana momba ny toetr’andro ireny fanazavana ireny, dia manome filazana mialoha momba ny toetr’andro.

Afaka manampy ny olona hiomana ho amin’ny fiovana ampoizina hitranga tokoa ny fampitandremana aloha be ny amin’ny El Niño. Nanomboka tamin’ny 1983, ohatra, ny fanombanana ny amin’ny El Niño tany Peroa, dia nampirisika mpamboly sy mpiompy maro hiompy andian’omby sy hamboly zavatra mifanentana amin’ny toetr’andro mando kokoa, fa nahatonga ny mpanjono maro hiova asa kosa, ka nanjary nisambotra patsabe izay nentin’ny rano mafana kokoa. Eny, afaka mampihena ny famoizana ain’olona sy ny fahavoazana ara-toe-karena vokatry ny El Niño ny fanombanana mialoha araka ny marina, ampiarahina amin’ny fiomanana mialoha.

Ny fikarohana siantifika momba ny fizotran-javatra izay mifehy ny toetr’andro eto an-tany dia manaporofo ny fahamarinan’ny teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahizay, 3 000 taona eo ho eo lasa izay. Izao no nosoratany: “Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.” (Mpitoriteny 1:6). Niana-javatra betsaka momba ny toetr’andro ny olombelona maoderina, avy amin’ny fandinihana ny rivotra sy ny ranon’ny oseana. Enga anie isika handray soa avy amin’izany fahalalana izany amin’ny fanarahana ny fampitandremana mahakasika fisehoan-javatra toy ny El Niño.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mifanohitra amin’izany fa ny La Niña (teny espaniola ilazana ny hoe “ilay ankizivavy kely”) dia ny fidinan’ny maripanan’ny rano, any amin’ny tandrifin’ny morontsiraka andrefan’i Amerika Atsimo, fisehoan-javatra miverina tsy tapaka. Misy vokany eo amin’ny toetr’andro hatrany amin’ny faritra lavitra koa ny La Niña.

^ feh. 8 Nomena ny anaran’Atoa Gilbert Walker, ilay mpahay siansa britanika izay nanao fandinihana momba ilay fizotran-javatra tany amin’ireo taona 1920, ilay faribolana.

[Efajoro, pejy 27]

SORITRY NY FANDRAVAN’NY EL NIÑO

1525: Firaketana an-tsoratra ara-tantara aloha indrindra momba ny nisehoan’ny El Ninõ tany Peroa.

1789-1993: Nahatonga fahafatesan’olona maherin’ny 600 000 ny El Niño tany Inde ary niteraka mosary mafy tany amin’ny faritra atsimo amin’i Afrika.

1982-1983: Io fisehoan-javatra io no nahatonga fahafatesan’olona maherin’ny 2 000 ary fahasimbam-pananana nitentina maherin’ny 13 000 tapitrisa dolara, indrindra fa tany amin’ny faritra tropikaly.

1990-1995: Nisy fisehoan-javatra nisesy telo nitambatra ka nahatonga ny iray tamin’ireo fe-potoana lava indrindra voarakitra an-tsoratra mahakasika ny El Niño.

1997-1998: Na dia teo aza ny fanombanana ara-paritra voalohany tena nahomby ny amin’ny tondra-drano sy ny hain-tany hoentin’ny El Niño iray, dia nisy ain’olona 2 100 teo ho eo sy fananana nitentina 33 000 tapitrisa dolara ihany nafoy, naneran-tany.

[Kisary/Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

ARA-DALÀNA

Walker Circulation

Alizay mahery

Rano mafanan’ny oseana

Rano mangatsiakan’ny oseana

EL NIÑO

Miova lalana ny “jet stream”

Alizay malefaka

Mifindra miantsinanana ny rano mafana

Mafana na maina kokoa noho ny mahazatra

Mangatsiaka na mando kokoa noho ny mahazatra

[Kisary/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

EL NIÑO

Ny loko mena eo amin’io gilaoby eo ambony io dia mampiseho maripanan’ny rano, izay ambony lavitra noho ny ara-dalàna

ARA-DALÀNA

Mihandrona ao amin’ny Pasifika andrefana ny rano mafana, ka mamela ny rano mangatsiaka kokoa, feno raha mahavelona, hiakatra, any atsinanana

EL NIÑO

Mamela ny rano mafana hifindra hiverina hiantsinanana ny alizay malefaka, ka manakana ny rano mangatsiaka kokoa tsy hiakatra eo amin’ny fanambonin’ny ranomasina

[Sary, pejy 24, 25]

PEROA

Tondraka ny Tany Efitr’i Sechura

MEKSIKA

Rivo-doza Linda

KALIFORNIA

Riakam-potaka

[Sary nahazoan-dalana]

Pejy 24-25 ankavia miankavanana: Fotografía por Beatrice Velarde; Image produced by Laboratory for Atmospheres, NASA Goddard Space Flight Center; FEMA photo by Dave Gatley