Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kangoroa Biby Mitsambiki-mandeha

Kangoroa Biby Mitsambiki-mandeha

Kangoroa Biby Mitsambiki-mandeha

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

“REHEFA nody avy nianatra aho isan’andro, dia nipetraka niandry ahy teo am-bavahady i Joey, ilay kangoroa ompiako”, hoy ny tsaroan’i John. “Raha vantany vao nanokatra ny vavahady aho, dia nitsambikina izy, ary namihina ahy tamin’ny tanany, ary dia namihina azy aho. Toy ny nifampiteny izahay hoe: ‘Faly aho mahita anao!’ Avy eo dia nitsambikimbikina metatra vitsivitsy nanaraka ny lalana mankany an-trano toy ny alika taitaitra i Joey, nitsambikina niverina, ary namerimberina izany mandra-pahatonganay tao an-trano.”

Mahazo lalana ara-dalàna hiompy kangoroa ny mponina any ambanivohitr’i Aostralia. Toy izany koa ny fianakavian’i John. Kangoroa kamboty izy ireny, amin’ny ankapobeny, ary mbola zanany kely no novonjena, rehefa maty ny reniny, angamba teo am-piampitana arabe. Na dia Joey aza no anarana niantsoan’i John ilay biby nompiany, raha ny marina, dia teny mahazatra iantsoana ny zanaka kangoroa ny hoe “joey”.

Ara-dalàna ny anirian’ilay fianakaviana nandray an’ilay zanaka kangoroa ny hanao izay hahatsapan’izy io haingana ho toy ny any aminy. Koa anisan’ny zavatra voalohany ataon’izy ireo àry ny manome kitapo iray azy io. Toerana tsy azon-drivotra na masoandro no fidin’izy ireo — tsy dia lavitra ny toeram-pamindroana — ka asiany kitapo lamba lehibe sy mafy mifantsika, misy vavany teritery, mba hitovy amin’ny kitapon’ny reny kangoroa. Avy eo dia ataony ao anatin’ilay kitapo miaraka amin’ny tavoahangin-dronono mafana, nomanina tamin’ny fomba manokana, ilay kangoroa kely. Amin’izany fomba izany no anampiana kangoroa kely maro be mba tsy hahafaty azy ireny. Tsy ela izy ireo dia zatra an’ilay kitapony vaovao, ka misitrika ao — ny lohany no mandeha aloha — toy ny hoe kitapon-dreniny ilay izy.

Ahoana no ilazalazanao kangoroa iray?

Antsoina hoe marsiopiala ny biby mitaiza ny zanany ao anaty kitapo. Misy karazana 260 eo ho eo ny marsiopiala, anisan’izany ny kangoroa. Tsy mahagaga raha sarotra tamin’ireo mpamantatra tany vaovao tany am-boalohany tany, ny nilazalaza an’ireny biby hafakely ireny, indrindra fa ny kangoroa, tamin’ny olona tany amin’ny tany niaviany. Ny Kapiteny James Cook, Britanika mpamantatra tany vaovao, no voalohany nanoratra ilay teny hoe “kangoroa” tamin’ny teny anglisy. Nampitoviny tamin’ny alika lehibe malama volo, izay mitsambikina tahaka ny rabitro na ny serfa, ny kangoroa. Nitolagaga ny olona, rehefa naseho tany Londres ny kangoroa velona iray tatỳ aoriana.

Manana sofina lehibe izay mihetsiketsika be eo amin’ny loha toy ny lohana serfa ny kangoroa. Kely nefa matanjaka ny tanany, ary mitovy amin’ny sandrin’olombelona, indrindra fa rehefa mitsangana izy. Mivelatra sy nofosana ny maojan’ny kangoroa; lava sy matevina ary mora miforitra ny rambony, ary goavana ny tongony, mazava ho azy.

Misy 55 eo ho eo ny karazam-biby manan-tongotra lehibe, mitovy habe amin’ny tongotr’olombelona ka hatramin’ny tongo-boalavo. Samy manana tanana fohy sy tongotra lava mba hitsambikinana avokoa izy rehetra. Ny kangoroa mena sy ny kangoroa volondavenona no anisan’ny lehibe indrindra. Nisy kangoroalahy mena iray, nirefy roa metatra mahery, nanomboka teo amin’ny orony ka hatreo amin’ny tendron’ny rambony, ary nilanja 77 kilao. Antsoina hoe wallaby ny karazana kangoroa kely kokoa.

Efa mba nahita na nandre ve ianao hoe misy kangoroa mivelona eny ambonin’ny hazo? Mety hahagaga anao ny hoe tena misy “gidro” ao amin’ny fianakaviamben’ny kangoroa: ny kangoroa mpianika hazo. Any amin’ny ala tropikaly any Nouvelle-Guinée sy any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Aostralia no ahitana ireny biby fohy tongotra kokoa sy mailaka ireny, izay mahazo aina tokoa eny ambonin’ny hazo, ka afaka mitsambikina sivy metatra eo ho eo, avy eo amin’ny rantsankazo iray na hazo iray mankamin’ny iray hafa. Midina eo amin’ny tany izy ireo amin’ny alina, ary eo no ihinanany ahitra sy olitra indrindra indrindra.

Haingam-pandeha sy mahafinaritra ary tsy mandanilany hery

Toa mikaviavia sy mitavozavoza ny fijery ny kangoroa rehefa mandeha miadana izy. Manjary tehina telo izay mizaka ny lanjany ny rambony sy ireo tanany fohy, rehefa manainga ny tongony handroso izy. Mpihazakazaka mahafinaritra anefa izy. Rehefa mitsambikimbikina hatramin’ny 50 kilaometatra isan’ora izy, dia mampiasa ilay rambony lehibe mba hitanan-tena tsy hianjera. Araka ny voalazan’ny The World Book Encyclopedia, rehefa maika be ny kangoroa, dia “mahatratra hafainganam-pandeha ambony indrindra: maherin’ny 60 kilaometatra isan’ora”. Raha ny amin’ny kangoroa vaventy, ny vikina iray amin’ny hafainganam-pandeha mafy dia mety hahatratra 9 ka hatramin’ny 13,5 metatra — mila hitovy amin’ny fisidinana!

Tsy vitan’ny hoe haingam-pandeha ny kangoroa fa tsy mandanilany hery koa. Milaza ny Profesora Uwe Proske, ao amin’ny Oniversiten’i Monash, any Melbourne, eto Aostralia, fa raha ny marina, dia tsy mitaky hery firy amin’ny kangoroa ny ôksizenina ampiasainy rehefa mandeha haingana izy, noho ny rehefa mandeha miadana kokoa. Araka ny kajy nataon’i Proske koa, “raha samy mihazakazaka amin’ny hafainganam-pandeha 20 kilaometatra, na mihoatra, isan’ora, ny kangoroa sy ny biby iray mampinono, manan-tongotra efatra, izay efa tomombana tanteraka tao an-kibon-dreniny [biby efa ary tanteraka rehefa teraka, toy ny alika na ny serfa] mitovy lanja amin’ilay kangoroa, dia latsaka kokoa ny hery ilain’ny kangoroa”. Koa satria tsy mandanilany hery ny kangoroa, dia afaka mandeha lavitra izy ireny, nefa tsy reraka. Ahoana anefa no ataon’ny kangoroa mba hahafahana hihazakazaka, nefa tsy mandany hery firy toy izany?

Ireo hozabeny lava ao amin’ny voditongony no mahatonga izany. “Toy ny hoe mampiasa vimiaina mihorona anankiroa ny kangoroa, rehefa mitsambikina”, hoy i Proske. Toy ny hozabe miraikitra amin’ny kibon-dranjon’ny olombelona ihany ny an’ny kangoroa: mitsotra izy io rehefa miteha-tany ilay kangoroa ary mivonkina mandritra ny fitsambikinany. Mitovy ny isan’ny vikina ataon’ny kangoroa isan-tsegondra (roa eo ho eo, ho an’ny kangoroa mena), na dia samy hafa be aza ny hafainganam-pandehany. Raha ta handeha haingana kokoa izy ireo, dia ampitomboiny fotsiny ny halavan’ny dingana tsirairay. Rehefa taitra tampoka ihany ny kangoroa vao tsy manao toy izany. Amin’izay, dia mety hanao vikina kely vitsivitsy sy haingana izy, mba hahazoany hampitombo tsara kokoa ny hafainganam-pandehany.

Mpilomano gaigilahy koa ny kangoroa. Tsy vitan’ny hoe mampiasa ny tongony matanjaka be izy ireny, fa mahazo tosika fanampiny koa amin’ny fanakipilipiliana ny rambony. Fantatra fa rehefa enjehin’ny alika ny kangoroa, dia mampiasa ny fahaizany milomano amin’ny fitsambikinana ao anaty kamory na ony iray. Atsipin’ilay kangoroa avy hatrany ho ao anaty rano, amin’ny alalan’ny tanany nofosana, sy ny rantsany dimy samy misy hoho maranitra, izay alika sahy manenjika azy. Efa saika maty an-drano ny alika roan’i John, voalaza etsy ambony, rehefa niady tamin’ny kangoroadia lahy iray tao amin’ny fitoeran-drano kely iray, tao amin’ny toeram-ponenan’ilay fianakaviany.

Mahatalanjona ny fahaterahany

Na dia mafy sy matanjaka aza ny kangoroa lehibe, dia tsy tomombana tsara ny toe-tenany ary marefo kosa izy, raha vao teraka. Tsy misy volo, tsy mahita na mandre izy ireny rehefa teraka, ary mifanahantsahana amin’ny kankana mavokely izay mirefy telo santimetatra eo ho eo ny halavany, ary tsy misy 28 grama akory ny lanjany. Na izany aza, tarihin’ny fahaizany voajanahary ilay “kankana” bitika, ka mandadilady ao amin’ny volon-dreniny mba ho ao amin’ny kitapon-dreniny. Ny tanany misy hoho sy ny orony mandre fofona, izay samy tomombana alohan’ny zavatra hafa rehetra no ahafahany manao izany. Rehefa ao anatin’ilay kitapo izy, dia mifikitra amin’ny iray amin’ireo lohanono efatra. Avy hatrany dia mibontsina ilay lohanono ary tonga toy ny ampola ao anaty vavan’ilay kangoroa kely, ka voahazona mafy eo mandritra ny herinandro maromaro izy. Mazava fa tombony ho azy izany fahafaha-mifikitra mafy izany, rehefa heverina ny fomba fandehan’ny reniny! Raha ny marina, dia tena mifikitra tsara amin’ilay nono ilay kangoroa kely, hany ka ireo mpandinika tany am-boalohany dia nihevitra hoe nitsiry avy teo amin’ilay lohanono ihany ilay kangoroa kely!

Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia hitombo tokoa ilay zanaka kangoroa, ka handao ilay kitapo mandritra ny fotoana voafetra ihany aloha, amin’ny voalohany. Rehefa afaka fito ka hatramin’ny folo volana anefa, rehefa misara-nono tanteraka izy, dia handao tanteraka an’ilay kitapo. Andeha anefa aloha isika hiverina any amin’ny fotoana vao ifikiran’ilay zanaka kangoroa amin’ny lohanono iray, ka hijery zavatra mahatalanjona iray hafa amin’ny fitomboan-taranaka eo amin’ny kangoroa.

Andro vitsivitsy aorian’ny nifikiran’ny kangoroa vao teraka tamin’ny nonon-dreniny, dia manao firaisana indray ilay reniny. Mitombo mandritra ny herinandro eo ho eo ilay fanjary tsaika vokatr’izany, nefa avy eo dia tsy mitombo intsony — mihantona ny fitomboany, raha azo atao ny milaza izany — mandra-panohin’ilay zokiny mitombo ao anatin’ilay kitapo. Rehefa mandao ilay kitapo ilay zokiny, izay mbola tsy misara-nono, dia mitohy ny fitomboan’ilay fanjary tsaika ao am-bohoka. Aorian’ny nitondran-dreniny azy tao am-bohoka nandritra ny 30 andro, dia mifikitra amin’ny lohanono iray koa izy, nefa tsy ilay ninonoan’ilay zokiny.

Eto no misy zava-mahatalanjona iray hafa amin’ny rafi-batan’ny kangoroa. Karazan-dronono iray no omen’ilay reny ny zandriny indrindra, ary karazany hafa ho an’ilay zokiny. Rehefa nanazava izany ny Scientific American, dia nilaza hoe: “Samy hafa tanteraka ny habetsahany sy ny zavatra mahaforona ny ronono roa avoakan’ny fihary ronono samy hafa. Zavatra mahaliana ny fahafantarana ny hoe ahoana no ahavitany izany, kanefa hôrmônina iray ihany no avoakany amin’io fotoana io.”

Ny toerana ahitana kangoroa

Raha ta hahita kangoroa ao amin’ny toerana voajanahary misy azy ianao, dia tsy maintsy miomana ny handao ny tanàn-dehibe, ka hankany ambanivohitr’i Aostralia. Rehefa mitady hanina — ahitra sy zavamaniry madinika — ny kangoroa, dia hita mitokana, na manao andiany kely na lehibe kokoa, izay tarihin’ny kangoroalahy lehibe. Koa satria ny kangoroa tsy mihinana raha tsy amin’ny alina, amin’ny ankapobeny, ary matoritory eny amin’ny alokaloka (izay tsy ahaizana manavaka azy amin’ny manodidina) mandritra ny fidanihan’ny hainandro, dia vao maraina be na amin’ny misomambisamby no fotoana tsara hijerena azy. Rehefa mangatsiaka kokoa anefa ny andro, dia mety hihetsiketsika izy ireo mandritra ny andro. Na ahoana na ahoana, dia aza manadino mitondra fakan-tsary afaka manalehibe ny sarin’ny zavatra lavitra, na mitondra maso lavitra — biby tena saro-kenatra ny kangoroadia.

Mazava ho azy fa afaka mahita kangoroa koa ianao any amin’ny ankamaroan’ny toeram-pijerem-biby, sy ny toeram-pialofan’ny zavamiaina any an’ala, ary ny valam-pirenena, manerana an’i Aostralia, sy any amin’ny tany hafa koa. Nanjary tsy saro-kenatra ireny kangoroa ireny rehefa nahita olona tsy tapaka, koa tokony ho afaka haka sary azy akaiky àry ianao, angamba aza sarin’ny reny kangoroa iray miaraka amin’ny zanany mitsirika eo amin’ny kitapony. Mahatonga ny mpijery hitsiky foana ny fahitana zanaka kangoroa efa lehibe kokoa misitrika ao anatin’ny kitapon-dreniny, nefa ny iafarany dia mivoaka etỳ ivelany ny tongony lava mahia, ka mahatonga an’ilay reniny ho toy ny harona fitondra miantsena, izay feno loatra. (Toa tsy misy afa-tsy tongotra no fijery ny kangoroa kely!) Mety hahita kangoroalahy tsara tarehy iray mijoro, mendri-kaja erỳ, mihitsy aza ianao. Ary iza moa no mahalala? Angamba aza ianao hahita kangoroalahy lehibe mijoro amin’ny tongony lava sy mora miforitra, ary mody miady — tena kangoroa manao ady totohondry!

Amin’ny olona maro anefa dia ny fahitana kangoroalahy mena na volondavenona mitsambikina haingana indrindra no mahafinaritra indrindra. Marina aloha fa mety hisy biby hafa afaka mihazakazaka haingana kokoa na mitsambikina avo kokoa noho ny kangoroa, saingy tsy hahita zavaboary hafa, izay sady mahafinaritra no matanjaka ary mievotra eo amin’ny tongotra matanjaka roa monja, ianao.

[Sary, pejy 16, 17]

Ao amin’ny hozabe lavalava ao amin’ny voditongony no ahafahany mitsambikina toy ny misy vimiaina