Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Manolotra Fanompoam-pivavahana Amin’i Jesosy?

Mety ve ny Manolotra Fanompoam-pivavahana Amin’i Jesosy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mety ve ny Manolotra Fanompoam-pivavahana Amin’i Jesosy?

NANDRITRA ireo taonjato, dia olona maro tao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina no nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jesosy Kristy, toy ny hoe Andriamanitra Tsitoha izy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy anefa no nisarika ny saina ho amin’i Jehovah Andriamanitra ary nilaza fa izy irery ihany no tokony hotolorana fanompoam-pivavahana. Rehefa nasaina nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny Devoly, ohatra, i Jesosy, dia nilaza hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. (Matio 4:10). Tatỳ aoriana, dia nanome izao toromarika izao ho an’ny mpianany i Jesosy: “Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.” — Matio 23:9.

Nilazalaza tamin’ny vehivavy samaritanina iray ny karazana fanompoam-pivavahana tsy maintsy omen’ny olona tsirairay an’Andriamanitra i Jesosy, dia fanompoam-pivavahana tsy maintsy miorina amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. ‘Mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany tokoa ny Ray’. (Jaona 4:23, 24). Eny, Andriamanitra irery ihany no tokony hotolorana fankalazana miharo fanajana ara-pivavahana. Endriny iray amin’ny fanompoan-tsampy ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’olon-kafa na iza na iza, na amin-javatra hafa na inona na inona. Ary melohina ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika ny fanompoan-tsampy. — Eksodosy 20:4, 5; Galatiana 5:19, 20.

Hoy ny mety ho fanoheran’ny sasany: ‘Moa ve anefa ny Baiboly tsy milaza fa tsy maintsy manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jesosy koa isika? Moa ve i Paoly, ao amin’ny Hebreo 1:6, tsy nilaza hoe: “Aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hanolotra fanompoam-pivavahana aminy [amin’i Jesosy]”?’ (King James Version). Ahoana no fahatakarantsika ny hevitr’io andinin-teny io, avy amin’ny fomba fijerin’ny Baiboly momba ny fanompoan-tsampy?

Ny hoe manolotra fanompoam-pivavahana, araka ny Baiboly

Voalohany aloha, dia tsy maintsy takatsika ny tian’i Paoly holazaina eto amin’ny hoe manolotra fanompoam-pivavahana. Nampiasa ilay teny grika hoe pro·sky·neʹo izy. Milaza ny rakibolana iray fa io teny io dia midika ara-bakiteny hoe ‘manoroka ny tanan’ny olona iray, ho mariky ny fanajana na mba ho fanajana fatratra’. Milaza ny rakibolana iray nataon’i W. E. Vine, fa io teny io dia “manondro fihetsika manambara fanajana olombelona (...) na Andriamanitra”. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia matetika ny pro·sky·neʹo no mahafaoka fiankohofana ara-bakiteny teo anoloan’ny olona ambony iray.

Diniho ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay mpanompo tsy nahaloa trosa bebe ihany tamin’ny tompony. Ny endriny iray amin’io teny grika io no ampiasaina ao amin’io fanoharana io, ary rehefa mandika azy io ny King James Version, dia milaza hoe: “Koa niankohoka àry ilay mpanompo, ary nanolotra fanompoam-pivavahana [endriny iray amin’ny pro·sky·neʹo] taminy [tamin’ilay mpanjaka], ka nilaza hoe: Tompoko, manàna faharetana amiko, fa haloako aminao izy rehetra.” (Matio 18:26, izahay no manao sora-mandry.) Nanao fanompoan-tsampy ve io lehilahy io? Tsy izany velively! Naneho fotsiny ilay karazam-panajana lalina mendrika an’ilay mpanjaka, izay tompony sy lehibeny, izy.

Tena fahita izany fiankohofana, na fanehoam-panajana, izany tany Atsinanana, tamin’ny andron’ny Baiboly. Niankohoka impito i Jakoba fony izy nihaona tamin’i Esao, rahalahiny. (Genesisy 33:3). Niankohoka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, ho fanajana ny toerana notanany tao an-dapa, tany Ejipta. (Genesisy 42:6). Araka izany, dia takatsika tsara kokoa izay nitranga rehefa hitan’ireo mpanandro i Jesosy zaza, izay neken’izy ireo ho “Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy”. Araka ny Baiboly King James Version mantsy, dia milaza amintsika ny fitantarana fa “niankohoka izy ireo, ary nanolotra fanompoam-pivavahana [ pro·sky·neʹo] taminy”. — Matio 2:2, 11.

Mazava àry fa ilay teny hoe pro·sky·neʹo, nadika hoe “manolotra fanompoam-pivavahana” ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, dia tsy natokana fotsiny ho amin’ilay karazam-pankalazana, izay tokony ho an’i Jehovah Andriamanitra irery. Manondro ny haja sy ny voninahitra omena ny olon-kafa koa izy io. Mba hanalavirana ny hisian’ny tsy fahazoan-kevitra, dia misy fandikan-tenin’ny Baiboly mandika ilay teny hoe pro·sky·neʹo, ao amin’ny Hebreo 1:6, amin’ny hoe “manaja azy fatratra”, (New Jerusalem Bible), “manome voninahitra azy”, (The Complete Bible in Modern English), ‘miankohoka eo anoloany’, (Fandikan-teny Malagasy), na “miankohoka eo anatrehany” (New World Translation).

Mendrika ny hiankohofana i Jesosy

Mendrika ny hiankohofana toy izany ve i Jesosy? Eny! Tsy misy iadian-kevitra ny amin’izany. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, ny apostoly Paoly dia manazava fa “Mpandova ny zavatra rehetra” i Jesosy, ka “nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo”. (Hebreo 1:2-4). Araka izany, dia “amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”. — Filipiana 2:10, 11.

Mendri-komarihina ny hoe tsy ho ela i Jesosy dia hampiasa io toerana nanandratana azy io sy ny fahefana lehibe hoenti-manatanteraka, miaraka amin’izany toerana tanany izany, mba hanovana ity tany ity ho paradisa maneran-tany. Eo ambany fitarihan’Andriamanitra, ary ho vokatry ny sorom-panavotana nataon’ny tenany, dia hanaisotra ny alahelo sy ny fijaliana ary ny fahoriana rehetra tsy ho eto an-tany izy, ho tombontsoan’ireo izay manaiky ny fanapahany marina. Moa àry ve izy tsy mendrika ny homentsika voninahitra sy hohajaintsika ary hankatoavintsika? — Salamo 2:12; Isaia 9:5; Lioka 23:43, NW; Apokalypsy 21:3, 4.

“Andriamanitra saro-piaro”

Milaza mazava anefa ny Baiboly fa ny fanompoam-pivavahantsika — amin’ny heviny hoe fanajana sy fifikirana ara-pivavahana — dia tsy maintsy atolotra an’Andriamanitra irery ihany. Nilazalaza azy ho “Andriamanitra saro-piaro” i Mosesy. Ary mananatra antsika ny Baiboly mba ‘[hanolotra fanompoam-pivavahana, NW ] eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano’. — Deoteronomia 4:24; Apokalypsy 14:7.

Azo antoka fa mitana toerana lehibe i Jesosy ao amin’ny fivavahana marina, dia toerana mendri-panajana sy voninahitra. (2 Korintiana 1:20, 21; 1 Timoty 2:5). Izy no hany lalana ahafahantsika manatona an’i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 14:6). Mifanaraka amin’izany, dia mety ny hanoloran’ny Kristianina marina ny fanompoam-pivavahany ho an’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha irery ihany.