Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Miala Amin’ny Sigara?

Nahoana no Miala Amin’ny Sigara?

Nahoana no Miala Amin’ny Sigara?

TSY natao ho an’izay maniry ho ela velona sy ho sambatra ny sigara. Amin’ireo mpifoka sigara hatramin’ny ela, dia 1 amin’ny 2 no ho faty noho ny sigara, amin’ny farany. Hoy ny tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): “Ny sigara dia (...) entam-barotra natao tamin-kafetsena, izay mamoaka ilay fatrana nikôtinina [poizin-tsigara] mety indrindra mba hahavoahazona ilay mpampiasa azy ho andevo mandra-pahafatiny, alohan’ny hamonoany olon-kafa indray.”

Ny antony iray hialana amin’ny sigara àry dia noho izy io mahatandindomin-doza ny fahasalamana sy ny aina. Misy ifandraisana amin’ny aretina maherin’ny 25, izay mety hahafaty, ny sigara. Izy io, ohatra, no antony lehibe iray mahatonga ny fihetsehan’aretim-po, ny lalan-dra tapaka, ny braonsita mitaiza, ny fivontosan’ny havokavoka, ary ny kansera maro samihafa, indrindra fa ny kanseran’ny havokavoka.

Mazava ho azy fa mety hifoka mandritra ny taona maro ny olona iray vao ho voan’ny iray amin’ireo aretina ireo. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy mahatonga ny olona iray hanintona kokoa ny sigara. Ny dokambarotra dia mampiseho ny mpifoka sigara ho olona manintona sy salama. Hafa noho izany anefa ny zava-misy. Mahatonga ny fofonaina ho maimbo sy ny nify ary ny rantsantanana ho mavo antitra be ny sigara. Anisan’ny mahatonga ny lehilahy tsy hanan-kery izy io. Mahatonga ny mpifoka hikohaka sy ho sempotsempotra, izy io. Azo inoana kokoa fa halaky hikentrona koa ny hodi-tavan’ny mpifoka, ary hahita zava-manahirana hafa mahakasika ny hoditra izy.

Vokatry ny sigara eo amin’ny hafa

Hoy ny Baiboly: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39). Antony iray mahery hialanao amin’ny sigara ny fitiavanao ny namanao — ary ny mpianakavinao no namanao akaiky indrindra.

Misy voka-dratsiny eo amin’ny hafa ny sigara. Teo aloha, dia afaka nandrehitra sigara saika teny rehetra teny, ka tsy nanampo ny hahazo fanakianana, ny mpifoka. Miova anefa ny fihetsiky ny olona, satria olona maro kokoa no mahatakatra fa misy loza entin’ny fitrohana setroka avy amin’ny sigaran’ny hafa. Ohatra, raha manambady mpifoka sigara ny olona iray tsy mifoka, dia manan-tombo 30 isan-jato ny mety hahavoan’ny kanseran’ny havokavoka azy, noho ny raha manambady tsy mpifoka izy. Azo inoana kokoa ny hahavoan’ny pnemonia na ny braonsita ny ankizy manana ray aman-dreny mpifoka sigara, ao anatin’ny roa taona voalohany eo amin’ny fiainany, noho ny ankizy mipetraka ao amin’ny trano tsy misy mpifoka sigara.

Mahatandindomin-doza ny zaza ao an-kibony ny vehivavy bevohoka mifoka sigara. Miditra ao amin’ny ran’ilay reny, ka mankany amin’ilay zaza ao an-kibo avy hatrany mantsy ny nikôtinina sy ny oksida-na karbônina ary ny zavatra simika hafa mampidi-doza, izay ao amin’ny setro-tsigara. Anisan’ny vokatra entin’izany ny fitomboan’ny mety hahafa-jaza tampoka, ny fiterahana zaza efa maty, ary ny fahafatesan’ny zaza menavava. Ambonin’izany, dia avo telo heny ny mety hahafaty tampoka ny zazakely nateraky ny reny nifoka sigara nandritra ny fitondrana vohoka.

Vidina lafo

Antony iray hafa hialana amin’ny sigara ny vidiny lafo. Tombanan’ny fandinihana iray nataon’ny Banky Iraisam-pirenena fa mitentina ho roa hetsy tapitrisa dolara eo ho eo ny lany, isan-taona, amin’ny fikarakaram-pahasalamana mifandray mivantana amin’ny fifohana sigara. Mazava ho azy fa io tarehimarika io dia tsy mampiseho ny fijaliana sy ny fanaintainan’ireo izay voan’ny aretina nateraky ny sigara.

Mora ny manisa ny vola lanin’ny mpifoka tsirairay mivantana amin’ny sigara. Raha mifoka sigara ianao, dia ampitomboy 365 ny vola laninao amin’ny sigara ao anatin’ny indray andro. Izany dia hampiseho aminao ny vola laninao ao anatin’ny herintaona. Ampitomboy folo izany tarehimarika izany dia ho hitanao ny vola ho laninao amin’ny sigara, raha mbola hifoka ianao mandritra ny folo taona hanaraka. Mety hahagaga anao ny valin’ny asa marika. Eritrereto izay zavatra hafa azonao atao amin’izany vola be izany.

Tsy mampidi-doza kokoa ve ny mifindra ho amin-javatra hafa?

Ho fampihenana ny loza mety hoentin’ny sigara eo amin’ny fahasalamana, ny indostrian-tsigara dia manao dokambarotra mahakasika sigara tsy misy tara (godorao) sy nikôtinina firy, izay lazaina hoe sigara maivana na malefaka. Maniry mafy ny hahazo fatrana nikôtinina mitovy amin’ny teo aloha ihany anefa ireo izay mifindra ho amin’ny sigara tsy misy tara sy nikôtinina firy. Araka izany, dia mazàna ny mpifoka izay manao toy izany no mameno ny tsy ampy, ka mifoka sigara betsaka kokoa, sy misintona ny setroka lalina kokoa sy matetika kokoa, na mifoka ny sigara tsirairay bebe kokoa. Na dia amin’ireo olona izay tsy manao ireo fiovana ireo aza, dia kely kokoa ny soa ara-pahasalamana raisiny, raha oharina amin’ny tombony entin’ny fialana tanteraka.

Ahoana ny amin’ny pipa sy ny sigara vaventy? Na dia nampirisika hatramin’ny ela ny hampiasana pipa sy sigara vaventy ho mariky ny fahamboniana aza ny indostrian-tsigara, ny setroka avoakan’izy ireny dia mahafaty tsy misy hafa amin’ny setroka avoakan’ny sigara ihany. Na dia tsy misintona ny setroky ny sigara vaventy na ny setroky ny pipa aza ny mpifoka, dia bebe kokoa ihany ny mety hahavoan’ny kanseran’ny molotra, ny vava, ary ny lela azy ireo.

Tsy mampidi-doza kokoa ve ny paraky, izay tsy misy setroka? Misy amin’ny endriny roa samy hafa izy ireny: paraky hohanina sy paraky tsakoina. Ny paraky hohanina dia totom-paraky, izay mazàna no amidy anaty boaty na anaty fonosana. Matetika ny mpampiasa azy io no manisy azy io ao ambanin’ny molotra na ny takolaka. Ny paraky tsakoina dia ravim-paraky naolanolana lavalava, ary mazàna no amidy anaty fonosana. Araka ny anarany, dia tsakoina izy io, fa tsy tsentsefina. Na ny paraky hohanina na ny paraky tsakoina dia samy mahamaimbo vava, mampisy tasy amin’ny nify, miteraka kanseran’ny vava sy ny lohatraoka, mahatonga ho andevon’ny nikôtinina, tasy fotsifotsy ao am-bava izay miteraka kansera, fiendahan’ny akanjonify, ary fahavoazan’ny taolana manodidina ny nify. Mazava àry fa tsy fahendrena ny manolo ny sigara amin’ny paraky hohanina na tsakoina.

Soa entin’ny fialana amin’ny sigara

Aoka hatao hoe mpifoka sigara efa hatramin’ny ela ianao. Inona no mitranga rehefa miala amin’ny sigara ianao? Ao anatin’ny 20 minitra manaraka ny nifohanao sigara farany, dia hihena ka hanjary ho ara-dalàna ny tosidranao. Rehefa afaka herinandro, dia tsy hisy nikôtinina ny vatanao. Rehefa afaka iray volana, dia hanomboka hihena ny kohakao, ny manentsina ny oronao, ny havizananao, ary ilay fisefonao sempotsempotra iny. Rehefa afaka dimy taona, dia hihena ho 50 isan-jato ny mety hahafatin’ny kanseran’ny havokavoka anao. Rehefa afaka 15 taona, dia hihena ny mety hahavoan’ny aretin’ny mpanelira ao amin’ny fo, anao, ka hitovy amin’ny an’ny olona iray tsy nifoka sigara hatrizay niainany.

Hatsiro kokoa ny fahatsapanao ny sakafo. Ho tsara kokoa ny fofona avy amin’ny vavanao sy ny vatanao ary ny fitafianao. Tsy hanahirana anao intsony ny fividianana sigara na ny fandaniana amin’izany. Hahatsapa toy ny hoe nahavita zavatra ianao. Raha manan-janaka ianao, ny ohatra nomenao dia hampihena ny mety hahatonga azy ireo ho mpifoka sigara. Azo inoana fa ho ela velona kokoa ianao. Fanampin’izany, dia hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ianao, satria hoy ny Baiboly hoe: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra (...) amin’ny nofo”. (2 Korintiana 7:1). Aza mieritreritra hoe efa diso aoriana loatra izany raha ny amiko; arakaraka ny hialanao haingana no hahatsara kokoa anao.

Nahoana no mafy ny miala amin’ny sigara?

Sarotra ny miala amin’ny sigara — na dia ho an’ireo izay tena manana antony manosika tsara aza. Ny mahatonga izany indrindra indrindra dia satria zava-mahadomelina tena manandevo ny nikôtinin-tsigara. “Raha alahatra ny herin’ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina misy vokany eo amin’ny saina sy ny fihetsika, dia ny nikôtinina no fantatra fa manandevo kokoa noho ny herôinina sy ny kôkainina”, hoy ny OMS. Tsy mba toy ny herôinina sy ny kôkainina ny nikôtinina, fa tsy miteraka porofo manaitra ny amin’ny fanapoizinana, hany ka mora ny manamaivana ny heriny. Na izany aza, ny fahatsapana ho sambatsambatra aterak’izy io dia mahatonga ny ankamaroan’ny olona hanohy hifoka mba hahatsapana azy io miverimberina. Tena manova ny toe-ponao ny nikôtinina; ary tena mampihena fanahiana. Ny fihenan’ny fihenjanana entin’ny sigara anefa dia ateraky ny faniriana mafy hahazo nikôtinina mihitsy.

Sarotra koa ny miala amin’ny sigara, satria fahazarana ara-pitondran-tena ny fifohana sigara. Ankoatra ny fanandevozan’ny nikôtinina, dia manjary manana fahazarana mandrehitra sigara sy mifoka matetika sy miverimberina ny mpifoka. ‘Ny tananao mihitsy no manao izany.’ ‘Atao mba handaniam-potoana izy io’, hoy ny mety holazain’ny sasany.

Anton-javatra fahatelo mahatonga ny fialana amin’ny sigara ho sarotra dia satria anisan’ny fiainana andavanandro ny sigara. Efa ho enina arivo tapitrisa dolara no lanin’ny indostrian-tsigara, isan-taona, amin’ny dokambarotra izay mampiseho ny mpifoka ho olona manintona, mavitrika, salama, ary mahira-tsaina. Matetika izy ireny no aseho ho mitaingin-tsoavaly, milomano, manao lalao tenisy, na manao zavatra hafa manintona. Ny sarimihetsika sy ny fandaharan’ny televiziona dia mampiseho olona mifoka sigara, ary tsy olon-dratsy daholo akory. Ara-dalàna ny fivarotana sigara ary misy azy io saika hatraiza hatraiza mihitsy. Tsy maintsy misy olona mpifoka sigara foana eo akaikintsika. Tsy afa-mandositra ireny fitaomany ireny ianao.

Mampalahelo fa tsy misy pilina azonao atelina mba hanafoanana ny faniriana hifoka, toy ny mety hanafoanan’ny aspirinina ny aretin’andoha. Mba hahafahana soa aman-tsara amin’ny sigara, izay zava-tsarotra tokoa, dia tsy maintsy manana antony manosika azy ny olona iray. Toy ny fampihenan-tena, ny fialana amin’ny sigara koa dia mitaky fikirizana mafy mandritra ny fotoana maharitra. Miankina amin’ilay mifoka sigara ny andraikitra amin’ny ahafahany soa aman-tsara amin’izy io.

[Efajoro, pejy 5]

Mbola Kely dia efa Andevoziny

Ny fandinihana iray natao tany Etazonia dia nampiseho fa tanora 1 amin’ny 4 izay nanandrana nifoka sigara no nanjary nandevozin’izy io tamin’ny farany. Izany dia mitovy amin’ny fanandevozana nahazo an’ireo izay nanandrana kôkainina sy herôinina. Na dia tokotokony ho ny 70 isan-jaton’ny zatovo mpifoka sigara aza no nanenina noho ny nanombohany nifoka, dia vitsy no afa-niala.

[Efajoro, pejy 5]

Inona no Mahaforona ny Setro-tsigara?

Tara, izay misy zavatra simika 4 000 mahery, no mahaforona ny setro-tsigara. Ny 43 amin’ireo zavatra simika ireo no fantatra fa miteraka kansera. Anisan’izany ny sianida, ny benzenina, ny alkaola avy amin’ny hazo, ary ny asetilenina (solika ampiasaina handrehetana afo). Ny setro-tsigara koa dia misy oksida-na nitirôzenina sy oksida-na karbônina, izay samy gaza misy poizina. Ny nikôtinina, izay zava-mahadomelina tena manandevo, no taharo manan-kery lehibe indrindra ao aminy.

[Efajoro, pejy 6]

Fanampiana Havan-tiana Hiala Amin’ny Sigara

Raha tsy mpifoka sigara ianao, nefa mahalala ny loza entin’izy io, dia azo inoana fa kivy ianao rehefa manohy mifoka sigara ny namanao sy ny havan-tianao. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireny hiala amin’ny sigara? Mahalana ny fimenomenonana, ny fitalahoana, ny fanerena, ary ny fanesoana no mahomby. Toy izany koa ny kabary fanambaniana. Tsy mampiala ilay olona amin’ny sigara izany, fa mety hanosika azy kosa hitady sigara mba hampitonena ny fijaliana ara-pihetseham-po mety haterak’ireo paikady ireo. Koa miezaha àry hahatakatra hoe tena sarotra tokoa izany miala amin’ny sigara izany, ary amin’ny sasany izany dia mafy kokoa noho ny amin’ny hafa.

Tsy mahafaka olona iray amin’ny sigara ianao. Tsy maintsy ho avy amin’ilay olona mifoka mihitsy no iavian’ny hery anaty sy fiekena fa tokony hiala amin’ny sigara ny tenany. Mila mitady fomba feno fitiavana hampaherezana sy hanohanana ny faniriana hiala ianao.

Ahoana no hanaovana izany? Amin’ny fotoana mety, dia azonao atao ny maneho ny fitiavanao an’ilay olona, ary milaza aminy fa manahy ny amin’ny fahazarany mifoka sigara ianao. Hazavao aminy fa ho eo mba hanohana azy ianao raha toa ka misy fahatapahan-kevitra hiala amin’ny sigara. Mazava ho azy fa tsy handaitra intsony ary tsy hisy heviny io fomba io, raha ampiasaina matetika loatra.

Inona no azonao atao raha misy havan-tianao tena manapa-kevitra ny hiala amin’ny sigara tokoa? Tadidio fa, vokatry ny fialana amin’ny sigara, dia mety hahatsapa tsy metimety izy, anisan’izany ny fahasorisorena sy ny fahaketrahana. Mety hitranga koa ny aretin’andoha sy ny tsy fahitan-tory. Ampahatsiahivo azy fa mihelina ihany ireny, ary marika hamantarana fa manao ny fanitsiana ho amin’ny toe-javatra vaovao sy mahasalama ny vatana. Mbà falifaly ary mijere lafy tsaran-javatra. Lazao aminy fa faly tokoa ianao amin’izao izy miala amin’ny sigara izao. Mandritra ilay fe-potoana ialany, dia ampio ilay havan-tianao mba hanalavitra toe-javatra mampihenjana, izay mety hitarika azy hiverina amin’ny sigara indray.

Ahoana raha misy ny fiverenana amin’ny sigara indray? Miezaha mba tsy hisendaotra na tsy ho tezitra. Manehoa fangoraham-po. Ataovy toy ny hoe fianaran-javatra ilay toe-javatra, ho azy sy ho anao, ary azo inoana kokoa fa ho afaka soa aman-tsara izy amin’ny fiezahana hanaraka.

[Sary, pejy 7]

Mandany efa ho enina arivo tapitrisa dolara isan-taona amin’ny dokambarotra ny indostrian-tsigara