Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanam-pinoana Velona Izy, tao Anatin’ny Toe-javatra Mampalahelo

Nanam-pinoana Velona Izy, tao Anatin’ny Toe-javatra Mampalahelo

Nanam-pinoana Velona Izy, tao Anatin’ny Toe-javatra Mampalahelo

EFA ho 60 taona lasa izay, dia naharay carte postale iray avy tamin’i Peter, vadiny, i Mina Esch. Fohy sady tsy mazava tsara ilay hafatra nosoratan-tanana. Na izany aza, dia nahatsiaro ho faly sy ho maivamaivana i Mina naharay azy io. Nigadra tao amin’ny toby fitanana tany Buchenwald ny vadin’i Mina, izay nalefan’ny fitondram-panjakana nazia tany noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Nisy izao fanambarana fohy izao tao andamosin’ilay carte postale: “Mbola Mpianatra ny Baiboly [araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany] madi-doha foana ilay mpigadra (...) Noho izay antony izay fotsiny, dia tsy mahazo mifanoratra amin’ny olon-kafa izy, nefa zavatra azony atao izany, raha tsy madi-doha izy.” Izany hafatra izany dia nampahafantatra tamin’i Mina fa nihazona ny finoany i Peter.

Malemilemy sady lasa mavomavo ankehitriny ilay carte postale, izay ampindramina ny Tranombakoky ny Lovan’ny Jiosy — Fahatsiarovana Velon’ny Fandripahana Tambabe, ao amin’ny Battery Park, any New York. Milazalaza momba ny ampahany kely tamin’ny toe-javatra goavana iray nampalahelo — ny Fandripahana Tambabe — nahazo ny olombelona ary nahafatesana Jiosy enina tapitrisa, ilay carte postale, miaraka amin’ny sarin’i Peter Esch. Ny votoatin’ilay fampirantiana tao amin’ilay tranombakoka dia misy sary 2 000 mahery, sy asa tanana ara-tantara sy ara-kolontsaina 800, izay milazalaza ny zavatra niainan’ireo Jiosy nanomboka tamin’ireo taona 1880 ka hatramin’izao, anisan’izany ny Fandripahana Tambabe. Nahoana ny Tranombakoky ny Lovan’ny Jiosy no toerana mety tsara mba hampirantiana ny taratasin’i Peter Esch?

“Nahazo lalana hampiseho ny tantaran’ny Jiosy ilay tranombakoka”, hoy ny nohazavain’ny Dr. Jud Newborn, mpahay tantara ao amin’ilay tranombakoka. “Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny zavatra inoan’izy ireo ara-pivavahana fotsiny no nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, sy noho izy ireo tsy nanaiky ny fanavakavaham-bolon-koditra, tsy nivoady ny tsy hivadika tamin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy iray, ratsy fanahy sy tia an’izao tontolo izao. Ary tsy nanaiky hiady ho an’io mpitondra io izy ireo. (...) Niady mafy ny Jiosy mba hihazonana ny fahamendrehany sy ny finoany teo anoloan’ny fanoherana faran’izay mafy. Mankalaza izany fanoherana ara-panahy izany ilay tranombakoka. Noho izany antony izany koa no aneken’ity ivon-toerana ity sy iderany ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny vanim-potoana nazia.”

Mandritra ny fotoana tsy maharitra itoeran’ilay taratasy tsotra ao amin’ny Tranombakoky ny Lovan’ny Jiosy, dia milazalaza ny tolona nataon’ny lehilahy iray izy io, fony notsapaina ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah. Tsy maty tamin’ilay fahoriana mafy nanjo azy tany amin’ny tobin’ny Nazia, i Peter Esch, ary tsy nisy nanombinana ny finoany.

[Sary, pejy 31]

Tranombakoky ny Lovan’ny Jiosy, any New York

[Sary, pejy 31]

Esch, Vavolombelon’i Jehovah, nogadraina nanomboka tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1945, noho izy nanda tsy hiala tamin’ny finoany