Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Jamba ny Fitiavana

Rehefa Jamba ny Fitiavana

Rehefa Jamba ny Fitiavana

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

AOKA hatao hoe mitady vady ianao nefa tena fohy maso ary ny virjiny azo alaina ho vady tsy mivoaka raha tsy amin’ny alina. Izany no toe-javatra mahonena misy ny samoina emperora lahy. Manana toetra sasany mampiavaka azy, izay mahatonga io zava-tsarotra mahatalanjona io tsy hampanahy firy, anefa io bibikely kanto io.

Mandritra ny vanin-taona mafana, dia mandany ny androny misesika izay sakafo rehetra hitany io mpitady vady io, izay fanday matavy amin’izany fotoana izany. Araka izany, ny lohataona manaraka, rehefa mivoaka avy ao amin’ny akorany ilay samoina mamirapiratra dia manana tahirin-tsakafo ampy azy mandritra ny androm-piainany fohy.

Koa satria voalamina ny olana ny amin’ny sakafo, dia afaka mampifantoka ny sainy amin’ny fitadiavam-bady ilay samoina emperora. Na izany aza, raha tsy noho ny fitaovana iray eny aminy, izay azony ampiasaina, dia ho sarotra aminy tahaka ny mitady fanjaitra ao anaty antonta-mololo ny fitadiavam-bady amin’ny diavolana.

Misy tandroka roa mipoitra toy ny ampanga marefo avy eo amin’ny loha kelin’ilay samoina. Ireo solofo bitika ireo angamba no fitaovana be pitsiny indrindra amin’ireo fitaovana mpamantatra fofona misy eto an-tany. Ambonin’izany, dia maranitra tsara izy ireny ka mahay mamantatra ny soritra faran’izay kely amin’ny phérormone, na “hanitra”, izay avoakan’ny samoina vavy an-tsitrapo.

Na dia mety ho vitsy aza ny samoina vavy, ny phérormone mahery alefany dia mandefa hafatra famantarana ren’ny orona. Mora mahatsapa fofona aoka izany ny tandroky ny samoina lahy, hany ka afaka mamantatra ny fisian’ny samoina vavy any amin’ny efa ho 11 kilaometatra avy eo. Araka izany, dia resy avokoa ny vato misakana rehetra, ary mihaona amin’ilay vady mifanandrify aminy ilay samoina lahy, amin’ny farany. Afaka ny ho jamba ny fitiavana ao amin’ny tontolon’ny bibikely, fara faharatsiny, amin’ity toe-javatra ity, nefa tsy hiharan’ny vokatr’izany.

Misy tsipirian-javatra mahavariana sy natao tamin’ny fomba mahatalanjona toy izany eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra! Hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra”. — Salamo 104:24.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

© A. R. Pittaway