Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tontolo Iray Andevozin’ny Sigara

Tontolo Iray Andevozin’ny Sigara

Tontolo Iray Andevozin’ny Sigara

I BILL dia lehilahy tsara fanahy, lehilahy sady nahira-tsaina no natanjaka. Tia ny fianakaviany izy. Mbola kely anefa izy dia efa nanomboka nifoka sigara. Tatỳ aoriana, dia nankahala io fahazarana io izy. Na dia rehefa nifoka sigara aza izy, dia nampitandrina mafy an’ireo zanany lahy mba tsy hifoka, ka nilaza fa tena hadalana ny hifohana sigara. Imbetsaka no efa nanapotehany fonosan-tsigara tamin’ny tanany natanjaka, sy nanipazany azy io namakivaky ny efitrano, ka nivoadiany fa izay no sigara farany hofohiny. Tsy ela anefa, dia voasintona hifoka indray izy, tamim-piafenana tamin’ny voalohany, ary an-karihary avy eo.

Matin’ny kansera i Bill, 15 taona lasa izay, rehefa avy nijalijaly nandritra ny volana maro. Raha tsy mpifoka sigara mantsy izy, dia nety ho mbola velona ankehitriny. Ho mbola nanam-bady ny vadiny; ho mbola nanan-dray ireo zanany lahy.

Toe-javatra nampalahelo be ny nahafatesan’i Bill, ho an’ny fianakaviany, nefa tsy hoe toe-javatra maningana akory. Araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), ny aretina mifandray amin’ny sigara dia mamono olona efatra tapitrisa eo ho eo isan-taona, na olona iray isaky ny valo segondra. Ny fifohana sigara dia ny antony lehibe miteraka aretina, nefa azo sorohina, maneran-tany. Raha mitohy izao, dia ho ny loha laharana eran-tany amin’ny antony miteraka fahafatesana sy kilema ny fifohana sigara ato anatin’ny 20 taona, ka hamono olona betsaka kokoa noho ireto rehetra ireto mitambatra: SIDA, tioberkilaozy, fahafatesana mifandray amin’ny fiterahana, lozam-pifamoivoizana, famonoan-tena, ary vonoan’olona.

Mamono ny sigara. Kanefa dia mifoka sigara ny olona hatraiza hatraiza. Olona 1 100 tapitrisa, raha kely indrindra, no mifoka sigara, maneran-tany, hoy ny OMS, izany hoe sahabo ho ny ampahatelon’ny olon-dehibe maneran-tany.

Tombanan’ireo mpamakafaka fa na dia mandoa vola ana hetsiny dolara maro aza izao ny kompania mpanao sigara, noho ny raharaham-pitsarana itoriana azy ireo, dia kely izany raha oharina amin’ny tombony an’arivo tapitrisany maro azony. Any Etazonia fotsiny, dia sigara 1,5 arivo tapitrisa no tombanana fa avoakan’ny ozinina mpanao sigara isan’andro. Maneran-tany, dia mivarotra sigara maherin’ny dimy tapitrisa tapitrisa isan-taona ny kompania mpanao sigara sy ny fanjakana, izay hany manan-jo hivarotra azy io!

Fa nahoana no olona maro be toy izany no mifikitra amin’ny fahazarana iray mahafaty? Raha mpifoka sigara ianao, ahoana no fomba ialanao amin’izy io? Hovaliana ao amin’ireo lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.