“Tsy Araka ny Marina toa Azy Io ny Ankamaroan’ny Boky Fianarana any Amin’ny Oniv
“Tsy Araka ny Marina toa Azy Io ny Ankamaroan’ny Boky Fianarana any Amin’ny Oniversite”
Izany dia anisan’ny teny fiderana nataon’ny lehilahy iray momba ny boky Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? Nisy vehivavy iray, Vavolombelon’i Jehovah, tany Sydney, any Aostralia, nametraka io boky io taminy. Ny harivan’iny dia nandre izao hafatra manaraka izao ilay Vavolombelona tao amin’ny kasetiny mpandray hafatra an-telefaonina:
“Niresaka taminao aho anikeheo maraina. Efa voavakiko ny antsasak’ilay boky napetrakao tamiko — ilay boky hoe ‘Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?’ Niantso anao an-telefaonina aho, satria talanjona nahita fa tena araka ny toetr’andro sy araka ny marina io boky io, raha ny amin’ny niandohan’izao rehetra izao. Mahafaoka sehatra ara-pahalalana mitovy amin’ny ao amin’ilay boky nasehoko anao izy io...
“Tena araka ny marina sy araka ny toetr’andro ilay bokinareo! Tsy araka ny marina toa azy io ny ankamaroan’ny boky fianarana any amin’ny oniversite. Miresaka momba ireo hery fizika fototra efatra ilay bokinareo: sinton’ny tany, herin’andriamby ateraky ny herin’aratra, ny hery niokleary matanjaka ary ny hery niokleary malefaka. Zavatra hitan’ny manam-pahaizana vao haingana ireo, ary tena vao haingana kely. Hiresaka aminao aho amin’ny herinandro ambony. Veloma.”
Ho afaka ny hahazo iray amin’io boky 192 pejy misy fonony malefaka io koa ianao, raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io amin’ny adiresy aseho eto, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? aho.
Amin’ny fiteny.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA