Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny

Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny

Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

“MANENINA Mafy Noho ‘Ireo Heloka Bevava Nahatsiravina’ Vitan’ny Mpanjakavavy Marie Tudor Ireo Eveka”, hoy ny lohatenin’ny gazety Catholic Herald any Grande-Bretagne, tamin’ny 11 Desambra 1998. Niaiky ireo eveka katolika any Angletera sy Pays de Galles fa “tamin’ny anaran’ny fivavahana katolika, dia heloka nahatsiravina no vita, ohatra, tamin’ny Protestanta, tamin’ny fotoanan’ny Fanavaozana tany Grande-Bretagne”. Iza moa ny Mpanjakavavy Marie? Heloka inona avy no vitany ka nahatonga izany fieken-keloka izany? Ary nahoana no nifidy io daty io ireo eveka any Angletera sy Pays de Galles mba hanaovana izany fanambarany izany?

Teraka tany Angletera, izay katolika, i Marie Tudor tamin’ny 1516. Izy no hany sisa velona tamin’ny zanak’i Catherine avy any Aragon, vady voalohan’ny Mpanjaka Henri VIII, ary notezain’ny reniny ho Katolika nafana fo izy. Lehilahy no nirin-drainy handimby azy, kanjo tsy nitera-dahy i Catherine. Koa satria tsy nety nanafoana ny fanambadian’i Henri ny papa dia nandray an-tanana ny raharaha i Henri, ka tamin’izany dia nanomana ny lalana ho amin’ny Fanavaozana protestanta tany Angletera. Nampakatra an’i Anne Boleyn izy tamin’ny 1533, efa-bolana talohan’ny nanambaran’ny Arsevekan’i Cantorbéry fa foana ny fanambadiany voalohany.

Ny taona nanaraka dia nanapa-patorana tanteraka tamin’ny Eglizy Katolika i Henri sahisahy, ary natao filoha fara tampon’ny Eglizin’i Angletera. Tsy nahita an-dreniny intsony i Marie, izay noheverina ho zazasary izao, satria noterena hitokana tsy hisehoseho tamin’ny vahoaka i Catherine, nandritra ireo taona farany sisa niainany.

Tsy nilefitra ny Protestanta

Tao anatin’ireo 13 taona nanaraka, dia novonoina ho faty ireo izay tsy nety nanaiky an’i Henri ho filohan’ny eglizy na mbola nanaiky ny fahefan’ny papa. Tamin’ny 1547 dia maty i Henri ary nodimbiasan’i Edward, sivy taona, hany zanany lahy ara-dalàna tamin’ilay fahatelo tamin’ireo vadiny enina. Niezaka nanova an’i Angletera ho protestanta i Edward sy ireo mpanolo-tsaina azy. Nenjehina ireo Katolika noho ny fanarahany ny fivavahany, ary nesorina tany amin’ny eglizy ireo sary sy ireo otely.

Tsy ela dia nalana ireo fameperana momba ny fanaovam-pirinty sy ny famakiana Baiboly amin’ny fiteny anglisy, ary ny fotoam-pivavahana nisy famakiana Baiboly dia tsy maintsy natao tamin’ny fiteny anglisy fa tsy latinina. Tamin’ny 1553 anefa dia matin’ny tioberkilaozy i Edward, raha vao 15 taona monja. Noheverina ho ny mpandimby ara-dalàna i Marie ka tonga mpanjakavavin’i Angletera.

Tsy nilefitra ny Katolika

Tamin’ny voalohany, dia noraisin’ny olona tsara i Marie, izay 37 taona, kanefa tsy ela izy dia tsy tiam-bahoaka. Nanjary zatra ny Fivavahana Protestanta ny olom-peheziny, ary izao dia tapa-kevitra i Marie ny hanova ilay tany ho katolika indray. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nofoanana avokoa ireo lalàna ara-pivavahana rehetra nataon’i Edward. Nangata-pamelana tamin’ny papa ho an’ilay firenena i Marie. Nanjary katolika indray i Angletera.

Nampirongatra indray ny fanenjehana ny Protestanta kosa anefa ny famitranam-pihavanana tamin’i Roma. Nampitovina tamin’ny vay nety hahafaty ka tsy maintsy nesorina alohan’ny hielezany amin’ny vatana manontolo, izy ireo. Ireo izay tsy nanaiky ny fampianaran’ny Eglizy Katolika dia nodorana velona teo amin’ny tsato-kazo.

Nofaizina ireo mpanohitra ny eglizy

Ny voalohany novonoina ho faty nandritra ny fotoana nanjakan’i Marie dia i John Rogers. Izy no nanoratra sy namoaka ilay Baiboly fantatra ho Matthew’s Bible, izay fototra nanaovana ny King James Version. Rehefa avy nanao toriteny nanohitra ny Katolika, sy nampitandrina ny amin’ny “Fivavahana Katolika mahatsiravina, manompo sampy sy minomino foana” izy, dia natao an-tranomaizina nandritra ny herintaona ary nodorana ho faty tamin’ny Febroary 1555, satria nanohitra ny eglizy.

I John Hooper, eveka tany Gloucester sy tany Worcester dia nampangaina koa ho mpanohitra ny eglizy. Nanambara mantsy izy fa mahazo manambady ny mpitondra fivavahana ary azo atao ny misara-panambadiana raha nisy fanitsakitsaham-bady. Nolaviny koa fa tonga tenan’i Kristy sy rany mihitsy ny mofo sy divay amin’ny Lamesa. Nodorana velona i Hooper, ary nijalijaly efa ho adiny iray latsaka fahefany talohan’ny nialany aina. Rehefa anjaran’i Hugh Latimer, 70 taona, mpitory teny protestanta, ny nodorana, dia nankahery an’i Nicholas Ridley, Mpitondra Fanavaozana tahaka azy sady natao teo amin’ny tsato-kazo toa azy, izy ka nilaza hoe: “Mahereza, ry Ramose Ridley a, ary mijoroa ho lehilahy. Tsy maintsy harehitra toy ny jiro isika anio, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, eto Angletera, nefa matoky aho fa tsy ho faty na oviana na oviana izany.”

Voaheloka ho mpanohitra ny eglizy koa i Thomas Cranmer, Arseveka protestanta voalohan’i Cantorbéry tamin’ny andron’i Henri sy i Edward. Na dia nitsipaka ny finoana protestanta narahiny aza izy, dia nivadika tanteraka tamin’izany heviny izany teo ampahibemaso tamin’ny fotoana farany, ary nanameloka ny papa ho fahavalon’i Kristy; naninjitra ny tanany havanana mba hodorana voalohany tao anaty afo izy, satria meloka ho nanao sonia ilay fitsipaham-pinoana.

Na dia efa nisy 800 aza, fara fahakeliny, ny Protestanta nanankarena nandositra tany ivelan’ny taniny mba tsy ho faty, tao anatin’ireo telo taona sy sivy volana nanaraka, mandra-pahafatin’i Marie, dia nisy olona 277, fara fahakeliny, nodorana teo amin’ny tsato-kazo, tany Angletera. Ny maro taminy dia olon-tsotra nanjary very hevitra tanteraka momba izay tokony hinoana. Nandre teny fanamelohana ny papa ny ankizy nandritra ny fahazazany, kanefa izao izy ireo dia nosazina raha nanao teny nanohitra azy. Ny hafa nianatra namaky irery ny Baiboly ary namolavola hevitra ara-pivavahana ho an’ny tenany manokana.

Ny fijalijalian’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy teo am-pialana aina naharitra rehefa nodorana teo amin’ny tsato-kazo, dia nampihoron-koditra ny maro. Milazalaza toy izao ny zava-niseho iray, izay mampiseho tsara izany, ilay mpahay tantara atao hoe Carolly Erickson: “Matetika loatra no vao avy nokapaina ny hazo natao kitay, na mando loatra ireo harefo ka tsy nirehitra haingana. Tsy nety nirehitra ireo kitapom-banja nafatotra tamin’ireo hovonoina mba hanafohezana ny fijalijaliany, na koa nanapaka ny rantsambatany fa tsy namono nahafaty azy.” Tsy notampenana ny vavan’izy ireo, hany ka “matetika no re ny kiakiakany sy ny vavaka nataony mandra-pahatapitry ny ainy”.

Olona nihamaro isa hatrany no nanomboka nisalasala ny amin’ny fivavahana iray izay tsy maintsy nandoro olona teo amin’ny tsato-kazo mba hampanekena ny fampianarany. Nihamaro be ny olona nanjary niombon-kevitra tamin’ireo novonoina, ka nahatonga ireo mpamoron-kira hanao hira momba ireo maritiora protestanta. I John Foxer dia nanomboka nanoratra ilay bokiny hoe Book of Martyrs (Bokin’ireo Maritiora). Nanjary be mpamaky io boky io, ka nila hitovy tamin’ny Baiboly ny fiheveran’ireo Mpitondra Fanavaozana protestanta azy io. Maro tamin’ireo Katolika teo am-piandohan’ny fanjakan’i Marie no nanjary Protestanta rehefa nifarana izany.

Lova navelan’i Marie

Rehefa tonga mpanjakavavy i Marie dia nanambara fa hanambady an’i Philippe, zanak’olo-mpiray tam-po aminy, izay mpandova ny seza fiandrianana tany Espaina. Sady mpanjaka hafa firenena izy no katolika nafana fo, zavatra izay tsy tian’ny olona maro mihitsy tany Angletera. Nisy fikomiana nomanin’ny Protestanta hanoherana ilay fanambadiana kanjo tsy nahomby, ka mpikomy 100 no novonoina ho faty. Nivady i Philippe sy i Marie tamin’ny 25 Jolay 1554, na dia tsy nomena ny fahefan’ny mpanjaka mihitsy aza i Philippe. Loharanom-pahoriana ho an’i Marie anefa ny fanambadiany satria tsy niteraka izy, kanefa tiany ho katolika ny ho mpandova azy.

Nanjary farary i Marie, ary maty teo amin’ny faha-42 taonany rehefa avy nanjaka dimy taona monja. Nodimandry tao anatin’ny fahoriana mafy izy, satria tofoka taminy ny vadiny ary nankahala azy ny ankamaroan’ireo olom-peheziny. Nony maty i Marie dia maro tamin’ireo mponin’i Londres no nanao lanonana teny amin’ny arabe. Tsy nanamafy orina ny Fivavahana Katolika ny firehetana tafahoatra nasehony fa vao mainka nampandroso ny fihetsiketsehana protestanta. Azo bangoina amin’ilay anarana nahafantarana azy ny lova navelany: Marie la Sanglante na Marie Mpandatsa-dra.

Voafitaky ny feon’ny fieritreretana

Nahoana i Marie no nibaiko ny handoroana ho faty olona maro be toy izany? Nampianarina azy fa olona nivadika tamin’Andriamanitra ireo mpanohitra ny eglizy, ka nihevitra izy fa adidiny ny nampitsahatra ny fitaoman’izy ireo, alohan’ny hifindran’izany amin’ilay firenena manontolo. Nihaino ny feon’ny fieritreretany izy kanefa ninia tsy nijery ny zon’ny hafa, izay notarihin’ny feon’ny fieritreretany koa ho amin’ny lalan-kafa.

Nampiseho tsy fileferana nitovy tamin’izany koa anefa ny Protestanta. Nandritra ny nanjakan’i Henri sy i Edward dia nisy olona nodorana koa noho ireo zavatra ninoany ara-pivavahana. Nataon’i Elisabeth I, ilay Protestanta nandimby an’i Marie, ho heloka miendrika fikomiana ny fanarahana ny Fivavahana Katolika, ary nandritra ny fanjakany dia Katolika anglisy mihoatra ny 180 no novonoina ho faty. Tao anatin’ny taonjato nanaraka, dia olona an-jatony maro hafa no maty noho ny finoany ara-pivavahana.

Nahoana no manjary miala tsiny ankehitriny?

Nanamarika ny tsingerin-taona faha-50-n’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’Olombelona ny Firenena Mikambana ny 10 Desambra 1998. Eken’ny andininy faha-18 amin’izy io fa ny olon-drehetra dia manana “zo ho amin’ny fahalalahana haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanaraka fivavahana”, voafaoka amin’izany ny fahalalahana hiova fivavahana sy hampianatra ary hanaraka azy io. Nifidy ilay tsingerin-taona faha-50 ireo eveka any Angletera sy Pays de Galles ho “fotoana mety tsara ho an’ny Katolika mba handinihan-tena amin’ireo lafiny ireo” ary hiekena ny “heloka nahatsiravina” vita, indrindra indrindra tamin’ny andron’i Marie Tudor.

Na dia anenenana mafy aza ankehitriny ireo zava-bita nampiseho tsy fileferana ara-pivavahana efa ho 450 taona lasa izay, moa ve tena nisy zavatra niova? Tsy misy olona dorana eo amin’ny tsato-kazo intsony, kanefa Kristianina anarana maro no manohy mametaveta sy mandripaka olona tsy mitovy fivavahana aminy. Tsy mampifaly an’Andriamanitra ny tsy fileferana toy izany. Raha ny marina, dia nanambara toy izao i Jesosy Kristy, ilay hany nanome taratra tamin’ny fomba lavorary ny toetran’Andriamanitra: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

[Sary, pejy 20]

Ny Mpanjakavavy Marie

[Sary nahazoan-dalana]

Avy tao amin’ilay boky hoe A Short History of the English People

[Sary, pejy 21]

Nodorana teo amin’ny tsato-kazo i Latimer sy i Ridley

[Sary nahazoan-dalana]

Avy tao amin’ilay boky hoe Foxe’s Book of Martyrs

[Sary, pejy 21]

Nataon’i Cranmer azo antoka fa ny tanany havanana no hodorana voalohany

[Sary nahazoan-dalana]

Avy tao amin’ilay boky hoe The History of England (Vol. 1)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sisiny: 200 Decorative Title-Pages/Alexander Nesbitt/Dover Publications, Inc.