Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy Ahitan-doza Ve? Namaky lahatsoratra tsara dia tsara aho mitondra ny lohateny hoe “Nandray Anjara Betsaka ny Vehivavy”. (8 Jolay 1999). Somary gaga aho nahita fa tsy nanao fiarova-maso, na inona na inona, ireo vehivavy mpiasan’ny fanorenana.

R. L., Etazonia

Afaka matoky ny mpamaky anay fa manao solomaso fiarovana tokoa ireo mpiasa an-tsitrapo ireo rehefa tena miasa. Nasaina mody niasa izy ireo mba halaina sary — tsy nanao solomaso — mba ho hita tsara kokoa ny endriny miramirana. — MPAMPANONTA.

Tsy Rariny Tiako ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Azoko Iatrehana ny Tsy Rariny?” (8 Oktobra 1999). Na dia tanora aza aho, dia efa niaritra tsy rariny sy herisetra betsaka teo amin’ny fiainako, hany ka nanjary nahazo ratra ara-pihetseham-po lalina aho. Nanjary sarotra tamiko noho izany ny manatanteraka ny asan’ny mpisava lalana, izay ataoko efa valo taona izao. Nanjary nahazo toky indray aho noho ilay fehezanteny manao hoe: “Ataovy izay azonao atao mba hiatrehana ny tsy rariny.” Teny mampiseho fitiavana izany, ary misaotra anareo amin’ny foko manontolo aho.

A. G., Italia

Mozika Loholona efa an-taonany maro ao amin’ny kongregasiona kristianina aho, ary nampiseho fiheverana an’ireo tanora foana. Kivy anefa aho tato ho ato, satria nanampin-tsofina tamin’ny torohevitra niezahako nomena momba ny loza entin’ny mozika maoderina sasany ny tanora. Tena ilay nilaiko indrindra anefa ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mozika — Manan-kery Lehibe Tsy Araka ny Mety Hoeritreretinao”. (8 Oktobra 1999). Faran’izay tsara ny nakanareo teny avy tamin’ny boky tsy an’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny voka-dratsin’ny mozika sasany. Hiresaka momba ireo hevitra ireo amin’ireo tanora ao aminay aho.

D. H., Bolivia

Mpihira aho sady mpampianatra mozika ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray. Hitako ho tena mahaliana ireo lahatsoratrareo vao haingana momba ny mozika. Misaotra!

K. F., Etazonia

Fifidianana Vady Misaotra noho ny fiahian-dray nasehonareo anay tanora tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fomba Fifidianana Vady”. (8 Oktobra 1999). Mbola tsy nandia fiainana firy ny tanora maro ka may hanambady. Diso fihevitra toy izao izy ireo: rehefa matimatim-pitia amin’ny olona iray ny tenany dia izay no tena fitiavana. Aleoko irery toy izay hiaraka amin’olona manana toetra tsy mifanaraka amin’ny ahy.

S.R.M., Brezila

Efapolo taona aho, ary mbola tsy nanambady mihitsy. Mivavaka amin’i Jehovah aho isan’andro mba hahitako vady, ary miezaka mafy aho hamboly ireo toetra ilaina mba hananana fanambadiana vanona. Tena nampahery ny namaky ireo fanoloran-kevitra momba ny fitadiavana olona matanjaka ara-panahy, dia olona mitovy zava-kendrena amin’ny tena ary olona miezaka mafy hamboly ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Misaotra indrindra noho ny nanatanjahanareo ny fahatapahan-kevitro hanohy hiandry an’i Jehovah.

E. F., Etazonia

Sidintsidina Efa an-taonany maro izao, avy eo amin’ny lavaranganay, no nandinihako sidintsidina eoropeanina manorina akany. Tonga ry zareo amin’ny volana May, ary manjavona tampoka amin’ny Aogositra. Noho ilay lahatsoratra hoe “Sidintsindina no Anarany Sady Haingam-panidina Izy” (8 Oktobra 1999), dia mahalala zavatra betsaka lavitra momba ireny zavaboary mahavariana ireny aho izao.

A. D., Alemaina

Mahay Mifandray Amin’olona Misaotra indrindra noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy mba Mahay Mifandray Kokoa Amin’olona?” (8 Novambra 1999). Fito ambin’ny folo taona aho, ary ilay lahatsoratra dia nahatonga ahy hihevitra fa toa nosoratana ho ahy mihitsy ilay izy. Tena naneho izay tsapako tao anatiko tao mihitsy ilay izy. Matetika aho no nandre olona nilaza hoe be ebo aho. Tsy tokony ho diso fitsara olona anefa isika, satria fotsiny hoe tsy be teny firy noho ny hafa rehetra izy.

R. R., Alemaina

Nahatonga ahy hahatsapa tena ho hafa noho ny olona rehetra ny aretina mafy nahazo ahy fony fahazaza. Nanampy ahy ilay lahatsoratra hiaiky fa nanana izany fihetseham-po izany aho, ka nanampy ahy hahita fomba handresena ilay toe-javatra. Hiezaka aho izao mba hana-namana ao amin’ny kongregasionako.

J.F.F., Brezila