Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Boky Tari-dalana Araka ny Zava-misy Sady Azo Ampiharina”

“Boky Tari-dalana Araka ny Zava-misy Sady Azo Ampiharina”

“Boky Tari-dalana Araka ny Zava-misy Sady Azo Ampiharina”

NANDINIKA boky maromaro navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society ny gazety Arkansas Democrat Gazette tamin’ny Aogositra farany teo. Izao no nolazainy momba ny iray amin’ireo boky ireo: “Boky tari-dalana araka ny zava-misy sady azo ampiharina ny boky Manontany ny Tanora ho an’ny fianakaviana maro, na inona na inona fivavahana nitaizana azy...

“Manolotra torohevitra be dia be mahasoa ara-pitondran-tena sy ara-pihetseham-po ho an’ny mpamaky azy ilay boky. Ohatra, takatr’ireo mpanoratra fa maniry hahazo fahalalahana bebe kokoa avy amin’ny ray aman-dreny ny tanora rehetra, nefa dia manome izao torohevitra izao ho an’ny tanora izy ireo:

“‘Maniry hanana fahalalahana sy andraikitra bebe kokoa ve ianao? Porofoy àry fa mahay mandray andraikitra ny tenanao. Hevero ho zava-dehibe ireo asa asain’ny ray aman-dreninao ataonao.’

“Vitsy ny ray aman-dreny tsy hankasitraka boky iray izay tsy miovaova fa mampianatra foana ny amin’ny maha tompon’andraikitra ny olona tsirairay, sy mananatra tsy an-kijanona ny tanora mba hanaja ny tenany sy ny hafa. Na dia manome porofo ara-baiboly foana aza ilay boky hanohanana ny toroheviny, dia miorina amin’ny fahaiza-mitsara zavatra izy io, amin’ny ankapobeny. (...) Ilay fizarana miresaka momba ny fiheveran-tena ho manana haja dia tena mampiaiky volana, satria tanora maro no voafitaka ka nihevitra fa tsara ny fieboeboana tsy voafehy.”

Rehefa avy nandray teny avy tao amin’ilay boky ilay lahatsoratra, dia nanohy toy izao: “Misy fampahatsiahivana feno hatsaram-panahy ao milaza fa endriny iray amin’ny avonavona ny fireharehana ary fototra iorenan’ny fiainana kristianina ny fanetren-tena. Izany fampahatsiahivana izany dia mety hanampy ny tanora hahatohitra ny sasany amin’ireo fomba fisainam-bahoaka tsy marim-pototra. Terena amin’ny alalan’ny namana sy ny mpanolo-tsaina tsara fikasa tokoa mantsy ny tanora hino ireny fomba fisainam-bahoaka ireny.

Raha tianao ny handray soa avy amin’ny fanazavana ao amin’ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, dia afaka ny hahazo iray amin’izy io ianao, raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io amin’ny adiresy aseho eto, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.