Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampisehoana Sambo Lay Nanetriketrika

Fampisehoana Sambo Lay Nanetriketrika

Fampisehoana Sambo Lay Nanetriketrika

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

NIHAONA TAO ROUEN, ATỲ AVARATR’I FRANTSA NY ANKAMAROAN’IREO SAMBO LAY TSARA INDRINDRA MANERAN-TANY, HO AMIN’ILAY FETY MALAZA NANTSOINA HOE NY ARMADA-N’NY TAONJATO (L’ARMADA DU SIÈCLE). NISY SAMBO LAY LEHIBE 30 NIANTSONA TEO AMIN’ILAY SERANANA FITO KILAOMETATRA, IZAY NOMANINA MANOKANA HO AMIN’ILAY FISEHOAN-JAVATRA.

Nanaovana dokam-barotra ilay fisehoan-javatra ka natao hoe “ilay fampisehoana an-dranomasina lehibe indrindra tamin’ilay taonarivo”. Natao ny fandaharana mba hisian’ny rindran-kira, afomanga sy fifaninanana an-dranomasina ary fampirantiana sary hoso-doko sy sary nalaina momba ny ranomasina, nandritra ilay fisehoan-javatra.

Niavaka ny zoma 9 Jolay, noho ny fahatongavan’ireo sambo lay tamin’ny fomba manetriketrika. Nandritra ireo folo andro nanaraka, dia nisy mpitsidika an-tapitrisany maro avy eto Frantsa sy ireo firenena eoropeanina hafa nirohotra nankeo amin’ny seranan-tsambo.

Goavam-be mpamakivaky ranomasina ny sasany tamin’ireo sambo, toy ny Dar Młodziezy (Polonina), ny Khersones (Ukraine) sy ny Statsraad Lehmkuhl (Norvezy) ary ny Libertad (Arzantina), satria misy 100 metatra ny halavany, ary mahatratra 50 metatra miala amin’ny rano ny haavon’ny andrin-tsambo lava indrindra.

Nisy sambo lehibe avy amin’ny firenena 16 samihafa, toa an’i Alemaina, i Belzika, i Irlandy, i Orogoay, i Portogaly sy i Rosia ary i Venezoela. I Holandy no nanana solontena maro indrindra, satria nanana sambo enina. Anisan’ireo sambony ireo i Eoropa, ilay sambo lay tsara tarehy manana andry telo sy i Oosterschelde, sambo lay tranainy manana andry telo, notokanana tamin’ny 1918. Taloha izy ireo dia nivezivezy tany Afrika sy ny faritr’i Eoropa avaratra sy manodidina an’i Mediterane nitondra hazo, trondro nasian-tsira, tanimanga, voamadinika sy vilona, ary voankazo.

Nahatonga ny mpitsidika hanana fahafahana manokana hanome fahafaham-po ny fitiavany hahafanta-javatra ilay Armada. Napetraka ireo tetezana fiakarana an-tsambo, ka afaka nitsidika mora foana, sady maimaim-poana, ireo tokotanin-tsambo ny tsirairay.

Efa hita tao amin’ny sarimihetsika ny sasany tamin’ireo sambo. Ilay sambo norvezianina atao hoe Christian Radich, ohatra, dia nisongadina tao amin’ilay sarimihetsika hoe Windjammer, tamin’ny 1958. Ilay sambo hazo tranainy atao hoe Kaskelot (“trozona” amin’ny teny danoà) dia efa hita tao amin’ny sarimihetsika maro, anisan’izany ilay sarimihetsika frantsay hoe Beaumarchais l’insolent, sy ilay hoe L’île au trésor nohavaozina.

Tsy manam-paharoa ilay sambo poloney manana andry telo atao hoe Iskra, satria samy hafa ny endrika nametahana ny lay tamin’ireo andry telo. Miendrika efamira ireo lay amin’ilay andrin-tsambo eo aloha, manana endrika roazodafy ny eo amin’ny andrin-tsambo eo afovoany, ary manana lay miendrika telolafy ilay andrin-tsambo any aoriana.

Nofongarina avy tao anaty ranomasina ny sasany tamin’ireo sambo tranainy tonga tany Rouen. Ohatra, ilay sambo hoe Capitán Miranda, avy any Orogoay, dia novonjen’olona nafana fo sy tapa-kevitra mafy, ka naverin’izy ireo tamin’ny bikany taloha ilay sambo kanto dia kanto. Noho ny fikarakarana tamim-pitiavana natao, dia natsinkafona indray i Étoile Molène, izay rendrika tamin’ny fiandohan’ireo taona 1980 teo amin’ny seranan’i Douarnenez any Bretagne, ary nomena aina vaovao.

Nisy fikambanan’ny mpampiasa radioamateur teo an-toerana nanapa-kevitra fa mandritra ilay fety izy ireo dia hampifandray amin’ny alalan’ny radio ilay sambo atao hoe Mir sy ilay zanabolana voatr’olombelona rosianina atao hoe Mir, izay mihodina manodidina ny tany any ambony tsy taka-maso any. Farany, tamin’ny 17 Jolay, tamin’ny 10.27 alina, dia nety ny fifandraisan’ilay sambo misy andrin-tsambo telo sy ilay “sambon-danitra mitovy anarana aminy” teny ambony tsy taka-maso teny. Afaka niresaka tamin’ny Komandà Afanassiev tany amin’ilay zanabolana voatr’olombelona tany amin’ny 350 kilaometatra ambonin’ny tany, ny Kapiteny Zorokhov.

Nahatratra ny fara heriny ilay fety tamin’ny alahady 18 Jolay, tamin’ilay filaharam-be natao avy eo amin’ny reniranon’i Seine teo Rouen, mankany an-dranomasina. Nisy olona ana hetsiny maro nitandahatra nanaraka ilay lalana nahatratra 120 kilaometatra, nikopakopaka ny tantsambo teny ambonin’ireo sambo, rehefa nandalo ireo tanàna tranainy sy monasitera ary lapan’andriana any Normandia izy ireo.

Taorian’izany, dia nanainga ireo sambo lay nahafinaritra ireo mba hanao fifaninanana amin’ny hafainganam-pandeha na hanao sarimihetsika na fampisehoana hafa any amin’ny seranana lavitra any. Niverina ho amin’ny fiainany andavanandro ireo seranana. Hotsarovan’i Rouen kosa anefa fa ambohipihaonan’ny tontolon’ny tantsambo izy, fara faharatsiny, nandritra ny folo andro.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

Honfleur

Seine

Rouen

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany pejy faha-10 sy 31: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 10]

“Cuauhetmoc”, ilay sambo lay meksikanina manana andry telo

[Sary, pejy 10]

Ilay sambo tsara tarehy “Étoile Molène”, izay nofongarina avy tao anaty ranomasina

[Sary nahazoan-dalana]

© GAUTHIER MARINES/ Photo Jo Gauthier

[Sary, pejy 10]

Sary hoso-doko mampiseho ny seranan’i Rouen tamin’ny 1855, fony nandeha teo amin’i Seine ireo sambo lay

[Sary nahazoan-dalana]

Charles-Louis Mozin, Port de Rouen, vue générale © Rouen, Musée des Beaux-Arts

[Sary, pejy 11]

Nanjary alan’ny andrin-tsambo i Rouen, “ilay tanànan’ny tilikambo zato”

[Sary nahazoan-dalana]

© GAUTHIER MARINES/ Photo Jo Gauthier