Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Miaiky ny Orinasa Iray Mpanao Sigara fa Miteraka Kansera ny Sigara

Efa am-polony taona maro ny Philip Morris, ilay orinasa lehibe indrindra mpanao sigara any Etazonia, no nanohitra ny vokatry ny fandinihan’ny tompon’andraikitra maro samihafa amin’ny fitsaboana. Miaiky anefa izy io izao fa miteraka kanseran’ny havokavoka sy aretina mahafaty hafa ny sigara. Hoy ny filazana an-gazety iray nataon’ilay orinasa: “Miara-manaiky tanteraka ny fitsaboana sy ny siansa fa ny sigara dia miteraka kanseran’ny havokavoka, aretim-po, fivontosan’ny havokavoka sy aretim-be hafa eo amin’ny mpifoka.” Nomarihin’ny The New York Times “fa teo aloha ilay orinasa dia nanantitrantitra (...) hoe ‘anton-javatra mety hahatonga’ na ‘anisan’ny anton-javatra mety hahatonga’ aretina toy ny kanseran’ny havokavoka ny sigara, fa tsy hoe izy io no miteraka an’ireo aretina”. Na dia teo aza anefa izany fiekena izany, dia nilaza ilay orinasa hoe: “Reharehanay ny anaran’ny sigaranay sy ireo dokambarotra naelinay manokana mba hanohanana azy io nandritra ny taona maro.”

Mihamanjavona Ireo Zavatra Mampiavaka Toerana

Mihamanjavona tsikelikely ny sompitra eny an-tsaha, any andrefan’i Kanada. Tamin’ny 1933 no nahitana sompitra maro indrindra, fony nisy 5 758 tamin’izy ireny tetsy sy teroa, teny ambanivohitra. Nanomboka tamin’izay dia nidina tampoka ho 1 052 ny isany. Ny antony ve? Nitaraina toy izao ny olona iray nanatrika ny fandravana sompitra iray: “Niova be mihitsy ny fiainana. Ankehitriny ny fambolena dia lasa orinasa. Maty tsikelikely ireo toeram-pambolena tantanan’ny fianakaviana. Toy izany koa ny sompitra.” “Ny saha tsy misy sompitra dia hitovitovy amin’i Venise tsy misy lakan-drano, i New York tsy misy trano avo be manakatra ny lanitra, na i Grande-Bretagne tsy misy trano fisotroan-toaka”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Harrowsmith Country Life. Misy fikambanana miezaka hitsimbina ireo trano heverina fa famantarana ny tany lemaka kanadianina. Nisy sompitra iray novana ho tranombakoka ary ny iray hafa novana ho toeram-pisakafoana misy fampisehoana an-dampihazo.

Tsy Ampy Mihitsy ny Fotoana

Mihamaro ny olona manerana an’i Eoropa, mahatsapa fa korododosin’ny fotoana, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety alemà hoe Gießener Allgemeine. Marina izany na miasa any ivelan’ny tranony ny olona, na manao raharaha ao an-trano, na mankafy fotoana tsy iasana. “Fohy kokoa ny torimason’ny olona, haingana kokoa ny fihinanany sakafo, ary mahatsiaro tena ho korododosina kokoa izy eo amin’ny asa, noho ny tamin’ny 40 taona lasa”, hoy ilay sôsiôlôgy atao hoe Manfred Garhammer, ao amin’ny Oniversiten’i Bamberg. Hitany fa nihanirimorimo ny fiainana andavanandro any amin’ireo firenena eoropeanina rehetra nanaovany fandinihana. Tsy niteraka “fiaraha-monina afaka mipetrapetraka” na “fananana fotoana be dia be” ny fisian’ireo kojakojan-tokantrano natao hampiadana amin’ny raharaha mafy sy ny fampihenana ny ora fiasana. Amin’ny antsalany kosa aza, dia nihena 20 minitra ny fotoam-pisakafoana, ary nihena 40 minitra ny fotoam-pialan-tsasatra amin’ny alina.

Fahazaran-dratsy Miloka any Aostralia

“Raharaha lehibe mahakasika ny fahasalamana ny filokana eto Aostralia ankehitriny, ka mpiloka raindahiny 330 000, fara fahakeliny, no voan’izany mivantana”, hoy ny tatitra nataon’ny The Australian. Araka ny voalazan’ilay gazety, dia maherin’ny ampahadimin’ireo milina elektronika filokana maneran-tany no any Aostralia, izay misy mpiloka 82 isan-jaton’ny mponina olon-dehibe. Nisy vaomiera nanadihady ny amin’ny indostrian’ny filokana tany Aostralia, nahita fa manana olana lehibe mifandray amin’ny filokana ny 2,3 isan-jaton’ny olon-dehibe aostralianina. Ny 37 isan-jaton’izy ireo dia efa nikasa hamono tena, maherin’ny 11 isan-jato no efa nanandrana namono tena, ary ny 90 isan-jato no nilaza fa voan’ny fahaketrahana mafy vokatry ny nilokany. Nitaky ny hisian’ny ezaka ho fanavaozana tanteraka ny fomba filokana ilay vaomiera, ka nanolo-kevitra mba hametahana soratra fampitandremana any amin’ireo efitrano filokana.

Ady Amin’ny Fihenjanana

Mahatsapa fihenjanana ve ianao? Araka ny voalaza tao amin’ny El Universal, dia izao toro lalana izao no naroson’ny Ivon-toerana Meksikanina Momba ny Fiantohana Sosialy, mba hanampiana eo amin’ny ady atao amin’ny fihenjanana. Matoria araka izay takin’ny vatanao — eo anelanelan’ny adiny enina sy adiny folo isan’andro. Manaova voky tsara amin’ny sakafo ampy sy voalanjalanja ny maraina, ataovy antonontonony ny habetsahan’ny sakafo antoandro, ary ataovy maivana ny sakafo hariva. Ankoatra izany, ireo manam-pahaizana dia mampirisika ombieny ombieny ny hampihenana ny fihinananao sakafo matavy be sy hamerana ny habetsahan’ny sira haninao ary, raha mihoatra ny 40 taona ianao, dia ny hampihenana ny ronono sy ny siramamy haninao. Miezaha maka fotoana mba hisaintsainana amim-pilaminana. Ataovy mihena kokoa ny fihenjanana amin’ny fananana fifandraisana hatrany amin’ny natiora.

Asa Mampidi-doza

Inona avy ireo asa folo mampidi-doza indrindra? Araka ny tarehimarika nangonin’ny Biraon’ny Antontan’isa Momba ny Asa any Etazonia, dia ny mpikapa hazo no loha lisitra, satria efa ho 129 isaky ny mpiasa 100 000 no maty. Manaraka akaiky azy kosa ny mpanjono sy ireo mpiasa an-tsambo, izay nahafatesana olona tokotokony ho 123 sy 94 avy, isaky ny mpiasa 100 000. Manao lahara-midina kosa ireo asa hafa mety hahitan-doza toy ny mpanamory fiaramanidina, ny mpiasa amin’ny fanorenana rafitra vy, ny mpiasa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ireo mpiasa amin’ny fanorenana, ireo mpitondra taxi sy ireo mpitondra kamiao ary ireo mpiasa any amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana. Na izany aza, tato anatin’ny dimy taona farany, dia “nidina tokony ho 10 isan-jato ny tahan’ny fahafatesana rehetra vokatry ny loza tamin’ny asa, izany hoe 4,7 isaky ny mpiasa 100 000”, hoy ny tatitra nataon’ny Scientific American.

“Andaniny Aiza no Misy An’Andriamanitra?”

“Tsy ta hanambany ny finoan’iza na iza aho”, hoy ny nosoratan’i Sam Smith, mpanoratra an-gazety ara-panatanjahan-tena, “fa tsy lasa lavitra loatra ve ny olona eo amin’ity fanehoany fitiavam-pivavahana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ity e? Nahoana ireo mpilalao baolina kitra no mivavaka rehefa avy mahafaty baolina?” Ireo mpilalao baolina miara-mivavaka aorian’ny lalao iray ireo ihany anefa no hita koa “manompa mpanao gazety” any amin’ny trano fisoloana akanjo, na “manandrana mandratra mpilalao” rehefa mafana ny baolina amin’ireo lalao ifaninanana, hoy ny fanamarihan’i Smith. “Toa manambany ny finoana an’Andriamanitra” ny fiheverana fa miangatra amin’ny ekipa iray Andriamanitra, hoy izy. Noho izany, dia mifarana toy izao ilay lahatsoratra nataony: “Aoka re isika tsy hanao ny fanatanjahan-tena ho lehibe kokoa tsy araka ny tena izy e!”

Vola Maloto

Maherin’ny 99 isan-jaton’ny vola taratasy any Londres no voaloton’ny kôkainina (zava-mahadomelina), hoy ny tatitra nataon’ny gazety Guardian. Nanaovan’ny manam-pahaizana fizahana ny vola taratasy 500 ka hitany fa nisy soritr’ilay zava-mahadomelina ny 496. Miandoha ilay fandotoana rehefa eny am-pelatanan’ireo mpampiasa zava-mahadomelina ny vola. Mandoto ny vola hafa kosa indray ireny vola ireny rehefa tsinjarain’ireo milina any amin’ny banky, na rehefa tehirizina miaraka. Tany Grande-Bretagne, dia ny kôkainina no zava-mahadomelina fanarian-dia niroborobo haingana teo anivon’ireo tanora 20 taona ka hatramin’ny 24 taona. Araka ny voalazan’ilay Tetik’asa Fampahafantarana ny Tanora ao Londres, dia mampiasa kôkainina ny zatovo, satria heveriny fa mampitombo ny lazany sy ny fahefany izy io.

Vorona Marani-tsaina!

“Tsy manaiky ho voan’ny tazomoka ireo tsintsina any Calcutta”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky frantsay momba ny natiora, atao hoe Terre Sauvage. Nomarihin’ireo manam-pahaizana fa noho ny fielezan’ny tazomoka, dia manidina lavitra ny akaniny izao ireo tsintsina, mba hitady ravinkazo izay fantatra fa manana fatrana kininina voajanahary be dia be, izay fanafody tazomoka. Tsy vitan’ny hoe ataon’ireo vorona lafika ao anaty akaniny ilay ravinkazo, fa toa hohaniny koa. “Toa nahita fomba hiarovan-tena ireo tsintsina tia tanàn-dehibe kanefa matahotra tazomoka”, hoy ny nomarihin’ilay gazetiboky.

Hatsaran-tarehy Misy Poizina

Ampiasaina mba hanesorana ny ketrona amin’ny tarehy izao ny fomba iray fanatsarana tarehy, izay tsy inona fa tsindrona hampidirana ilay poizina mahafaty atao hoe botulin. Izany no tatitra nataon’ny The Toronto Star. Mahatonga izay hozatra fantenana eo amin’ny tarehy tsy ho afa-mihetsika ilay poizina, ary ao anatin’ny andro vitsivitsy dia tsy mihenjana intsony ilay hozatra ka mahatonga ireo ketrona hiravona. Maharitra efa-bolana eo ho eo ilay fitsaboana ka mahatonga ilay tsaboina hanana endrika afa-bizana kokoa sy tanora kokoa. Misy tambiny anefa ilay izy. Mampitandrina ilay tatitra fa “tsy misy ketrona intsony ny tarehin’ireo nampiasa izany, saingy tsy afaka mampiakatra ny volomaso eo ambony masony intsony koa izy rehefa taitra, na mitsiky tonga hatreny amin’ny masony, na manaketrona ny handriny”. Mila fahavononana fotsiny amin’ilay izy, hoy ilay gazety, dia fahavononana “hanao izay tsy hahafahan’ny faritra sasany amin’ny endrikao hihetsika mba hahatonga anao ho tsara tarehy sy ho tanora”.

“Areti-mifindra Fahita Indrindra Avy Amin’ny Ra”

“Amerikanina 2,7 tapitrisa, fara fahakeliny, no mitondra ny virosin’ny hépatite C, ka mahatonga azy io ho ny areti-mifindra fahita indrindra avy amin’ny ra, any Etazonia”, hoy ny tatitra iray nataon’ny Associated Press. Mifindrafindra amin’ny olona ny hépatite C, amin’ny ankapobeny dia amin’ny alalan’ny firaisana, na amin’ny alalan’ny ra misy otrikaretina. Ireo mety ho voan’ilay aretina indrindra, dia ireo mpitsindrona zava-mahadomelina izay mifampindrampindrana fanjaitra fanindronana, sy ny olona manao firaisana tsy mampiasa kapôty. Mety hiely koa anefa ilay aretina, satria tsy manadio tsara ny fitaovana ampiasainy ireo mpanao tombokavatsa sy ireo mpanindrona amin’ny fanjaitra volamena. Mety ho voa koa ireo olona avy nampidiran-dra. Olona tokony ho 1 000 isan-taona, any Etazonia, no amindrana atin’olon-kafa ho solon’ny azy, vokatry ny fahavoazan’ny atin’izy ireo noho ilay virosy.