Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Iatrehana Famoizam-po

Fomba Iatrehana Famoizam-po

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fomba Iatrehana Famoizam-po

MPAHAZO ny olona rehetra ny famoizam-po, fara faharatsiny, famoizam-po tsy lalina. Manjary mamoy fo mafy aoka izany anefa ny olona sasany, hany ka toa aleony maty.

Asehon’ny Baiboly fa tsy vita fanefitra amin’ny olana sy ny fanerena izay mitarika ho amin’ny famoizam-po, na dia ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra aza. Hevero, ohatra, i Elia sy i Joba, izay samy nanana fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra. Taorian’ny nandosiran’i Elia an’i Jezebela, vadi-mpanjaka ratsy fanahy, mba hamonjeny ny ainy, dia ‘nangataka [tamin’i Jehovah] ny ho faty’ izy. (1 Mpanjaka 19:1-4). Nisy loza maro nisesy nanjo an’i Joba, lehilahy marina, ka anisan’izany ny aretina naharikoriko sy ny fahafatesan’ny zanany folo. (Joba 1:13-19; 2:7, 8). Ny famoizam-pony dia nahatonga azy hiteny hoe: “Aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato”. (Joba 7:15). Mazava fa nanjary velom-panahiana mafy dia mafy ireo lehilahy nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra ireo.

Ho an’ny olona sasany amin’izao andro izao, ny famoizam-po mahazo azy dia mety ho avy amin’ny fijalijaliana vokatry ny fizotran’ny fahanterana, ny fahafatesan’ny vady, na ny fahasahiranana ara-bola mafy. Misy olona hafa mahatsapa fihenjanana tsy mety lefy, na mbola mahatsapa foana ny vokatry ny toe-javatra nodiaviny izay niteraka fikorontanana anaty, na miatrika olana ara-pianakaviana, ka mahatonga azy ireo hahatsapa ho toy ny hoe milomano mafy mamonjy ny moron-dranomasina, nefa ny onja tsirairay manosika azy hiverina. Hoy ny lehilahy iray: “Mahatsapa ianao hoe tsy misy ilana anao — toy ny hoe tsy hisy olona halahelo anao rehefa tsy ho eo intsony ianao. Tena tsy zaka indraindray ny fahatsapana ho manirery.”

Mihatsara ihany ny tarehin-javatra indraindray, ka mihamaivana kokoa ilay fanerena mafy. Ahoana anefa raha tsy hisy fiovana ny tarehin-javatra misy antsika? Ahoana no ahafahan’ny Baiboly manampy antsika hiatrika famoizam-po?

Afaka manampy ny Baiboly

Nanana ny fahaizana sy ny hery hoenti-manohana an’i Elia sy i Joba tao anatin’ireo zava-tsarotra niainany, i Jehovah. (1 Mpanjaka 19:10-12; Joba 42:1-6). Tena mampahery antsika amin’izao andro izao tokoa ny fahafantarana izany! Milaza ny Baiboly hoe: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” (Salamo 46:1; 55:22). Na dia mety ho toa difotry ny famoizam-po aza isika, dia mampanantena i Jehovah fa hitantana antsika hatrany amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinany izy. (Isaia 41:10). Ahoana no ahazoantsika izany fanampiana izany?

Manazava ny Baiboly fa amin’ny alalan’ny vavaka, ‘ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, dia hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’i Kristy Jesosy’. (Filipiana 4:6, 7). Noho ny fahoriana mahazo antsika, dia mety tsy hahita fomba hahatafavoahana avy amin’ny olana mahazo antsika isika. Raha ‘maharitra amin’ny vavaka’ anefa isika, dia afaka miambina ny fontsika sy ny saintsika i Jehovah, ka hanome antsika ny hery ilaintsika mba hiaretana. — Romana 12:12; Isaia 40:28-31; 2 Korintiana 1:3, 4; Filipiana 4:13.

Hahasoa antsika ny filazana zavatra voafaritra tsara rehefa mivavaka. Na dia mety ho sarotra aza ny mahita teny ilazana izay ao an’eritreritsika, dia tsy tokony hisalasala isika hiresaka amin’i Jehovah momba izay tsapantsika sy izay heverintsika ho fototr’ilay olana. Ilaintsika ny mitalaho aminy mba hahazoana ny hery ilaintsika hamakivakiana ny andro tsirairay. Manana izao fanomezan-toky izao isika: “Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.” — Salamo 145:19.

Fanampin’ny vavaka, dia tsy maintsy manohitra ny faniriana hitokantokana isika. (Ohabolana 18:1). Rehefa nikely aina ho an’ny hafa ny olona sasany, dia nahazo hery. (Ohabolana 19:17; Lioka 6:38). Hevero ny toe-javatra nisy ny vehivavy iray nantsoina hoe Maria, * izay tsy vitan’ny hoe niady tamin’ny kansera, fa namoy mpianakavy valo tao amin’ny fahafatesana koa, tao anatin’ny herintaona monja. Voatery nanery tena hiarina avy teo am-pandriana, sy hanohy ny fiainany nahazatra isan’andro, i Maria. Nivoaka ny tranony saika isan’andro izy mba hampianatra ny hafa momba ny Baiboly, ary nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina. Rehefa tafaverina tao an-tranony izy, dia nahatsapa ho ory indray, ary mafy be ilay fahatsapana. Rehefa mampifantoka ny sainy amin’ny fomba azony anampiana ny hafa anefa izy, dia afaka miaritra.

Ahoana anefa raha sarotra amintsika ny mivavaka, na toa tsy afaka amintsika mihitsy ilay faniriana hitokantokana? Raha izany no izy, dia tsy maintsy miezaka mitady fanampiana isika. Mampirisika antsika ny Baiboly mba hitodika any amin’ny “loholon’ny fiangonana”. (Jakoba 5:13-16). Hoy ny lehilahy iray tao anatin’ny fahaketrahana mafy sy nitohy: “Indraindray, ny firesahana amin’olona iray atokisanao dia manampy hampilamina ny saina sy hampitonena ny toe-po, ka hahafahana hisaina tsara.” (Ohabolana 17:17). Mazava ho azy fa rehefa maharitra sy mafy ny fahatsapana famoizam-po, dia manambara izany fa misy olana ara-pahasalamana ao, ka mety hilaina koa ny fanampian’ny matihanina momba izany. *Matio 9:12.

Marina fa tsy misy ny vahaolana tsotra. Na izany aza dia tsy tokony hanamaivana ny fahaizan’Andriamanitra manampy antsika hiatrika ny olana mahazo antsika isika. (2 Korintiana 4:8). Hanampy antsika ho tafarina indray ny fikirizana amin’ny vavaka, ny fanalavirana ny fitokantokanana ary ny fanaovana izay hahazoana ny fanampian’ireo manam-pahaizana momba izany. Mampanantena ny Baiboly fa hamarana tanteraka ny antony fototra mahatonga ny famoizam-po lalina mahazo antsika Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hiantehitra aminy ny Kristianina, eo am-piandrasana ny fotoana ‘hahatongavan’ireny zavatra taloha ireny ho tsy hotsarovana intsony’. — Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tsy tena anarany.

^ feh. 12 Tsy mampirisika ny hanarahana fitsaboana iray manokana ny Mifohaza! Tokony hanao izay hahazoana antoka ny Kristianina fa tsy mifanohitra amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly ny fitsaboana arahiny, na inona izany na inona. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1989, pejy faha-25-29.