Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho Faty Ianao!”

“Ho Faty Ianao!”

“Ho Faty Ianao!”

NOTANTARAIN’I LEANNE KARLINSKY

Nitady fitsaboana tsara indrindra tsy ampiasana ra aho tany Espaina

RAHA afaka mandeha na aiza na aiza eto an-tany ianao, toerana aiza no hofidinao haleha? Tsotra ny valin’izany, tamiko. Mpampianatra teny espaniola aho, ary mifanerasera amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny espaniola, eto Galax, eto Virginie, Etazonia, ny tenako sy i Jay vadiko ary i Joel, zanako lahy. Naniry mafy hankany Espaina aho, araka izany. Eritrereto ange hoe nanao ahoana ny fientanam-poko rehefa nilaza ny hitondra ahy any ireo ray aman-dreniko e! Na dia tsy afaka niara-nandeha taminay aza ny vady aman-janako, dia nadiva ho tanteraka ny nofinofiko rehefa niakatra tamin’ny fiaramanidina handeha mivantana ho any Madrid izaho sy ny ray aman-dreniko. Rehefa tonga izahay tamin’ny 21 Aprily, dia nanapa-kevitra ny handeha fiara hankany Estella, tanàna kely iray any Navarre, any avaratr’i Espaina. Naka toerana tsara tao amin’ny seza tao aoriana aho ary rendremana avy hatrany.

Ny zavatra tadidiko taorian’izay dia izaho niampatra teo amin’ny tany, sy ny masoko notarafin’ny masoandro. Aiza aho izany? Ahoana no nahatongavako teto? Manonofy ve aho? Mbola teo am-pieritreretana ireo fanontaniana ireo aho no nahita fa nahatsiravina ny zava-nisy. Tena nisy zavatra hafahafa teo, ary tsy nofy ilay izy. Rotidrotika ny tanan’akanjoko havia, ary tsy afa-nihetsika ny tanako sy ny tongotro. Tatỳ aoriana dia fantatro fa nandona arofanina teny an-tsisin-dalana ny fiaranay ka nipitika avy tao anatiny aho rehefa nivadika tany an-kady nisy 20 metatra, ilay fiara. Soa ihany fa tsy nisy nahatadidy ny nitrangan’ilay loza na izaho na ny ray aman-dreniko.

Niantso vonjy aho, ka nisy mpamily kamiao nihazakazaka nankeo amiko. Somary nidina ambanimbany kokoa tamin’ilay hady, ho erỳ amin’ilay fiara izy avy eo. Tafahitsoka tao anaty fiara mantsy ireo ray aman-dreniko. Niantso mafy an’ilay namany izy hoe: “Asaivo tonga haingana ny fiara mpitondra marary fa maratra mafy ireo olona ato anatin’ilay fiara!” Niverina teo amin’ilay toerana tsy nahafahako nihetsika izy avy eo, ary nanandrana tamim-pahatsorana nanitsy ny tongotro. Nikiakiaka aho satria nanaintaina mafy ilay izy, ary tamin’izay vao takatro fa tena voa mafy aho.

Tsy ela dia tonga tao amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina tao amin’ny hopitaly tao Logroño aho. Nisy polisy tsara fanahy nampilaza ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana ny amin’ny zava-nitranga sy izay nisy ahy. Tsy ela dia maro tamin’ireo mpikambana tao amin’ireo kongregasiona tao Estella sy Logroño no tonga nitsidika ahy, niaraka tamin’ilay Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly teo an-toerana. Nandritra ireo fahoriako mafy tao amin’io hopitaly io tokoa dia tena vonona ny hikarakara izay nilaiko andro aman’alina ireo namana kristianina malala izay mbola tsy fantatro hatramin’izay ireo. Nokarakarain’izy ireo tamim-pitiavana koa ny ray aman-dreniko, izay efa sitrantsitrana ihany ka azo navoaka ny hopitaly, tokony ho herinandro taorian’ilay loza.

Tonga mba handidy ny maojako tapaka ireo dokotera ny alarobia tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Nolazaiko tamin’ilay dokotera fa tsy naniry handray ra aho. * Nanaiky tsy sazoka ny fangatahako izy, sady nilaza tamiko fa mety ho faty aho. Tsy maty tamin’ilay fandidiana aho, nefa hitako ho hafahafa ny hoe tsy nodiovina ny feriko sady tsy nosoloana avy eo ny lamba namonosana ny feriko.

Ny zoma dia nihena ho 4,7 ny isan’ny selan-drako, ary nihareraka aho. Nanaiky ny hanao fitsaboana tsy ampiasana ra ilay dokotera, dia ny fanindronana érythropoïétine (EPO), miampy fanafody misy vy sy fanafody mampitombo ra, izay manaitra ny fiforonan’ny liomena. * Efa tonga tamin’izay i Jay sy Joel. Mamy erỳ ny nahita ny vady aman-janako!

Tamin’ny iray ora sy sasany maraina teo ho eo dia nilaza tamin’i Jay ny dokotera iray fa efa nahazo didim-pitsarana hampiditra ra amiko ny hopitaly raha miharatsy ny toe-pahasalamako. Nilaza taminy i Jay fa ny faniriako dia ny tsy handray ra, na inona na inona hitranga. “Dia ho faty izy izany!”, hoy ny navalin’ilay dokotera.

Niresaka tamin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ny amin’ny hamindrana ahy any amin’ny hopitaly iray izay hanaja ny faniriako, i Jay. Tsy ny rehetra tao amin’io hopitaly io akory no nampiseho fanoherana toy izany. Nisy dokotera iray, ohatra, nanome toky ahy fa hanao izay rehetra azony atao izy mba hahazoana antoka fa hotsaboina araka ny fanajana mendrika ho ahy aho. Tsy ela anefa dia nisy dokotera hafa nanery ahy. “Te ho faty angaha ianao ka hamela ny fianakavianao ho irery?”, hoy izy ireo nanontany. Nomeko toky izy ireo fa tiako ny hahazo ny fitsaboana tsara indrindra nefa tsy ampiasana ra. Tsy voatosika hanampy ireo dokotera. Nivantambantana ny iray nanao hoe: “Ho faty ianao!”

Nahita hopitaly iray tany Barcelone, izay nanaiky hitsabo ahy tsy hampiasa ra ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tena samy hafa be ireo hopitaly roa! Tany Barcelone dia tsara fanahy ireo mpitsabo mpanampy roa rehefa nanasa ahy ary nataony izay hahatsapako fa noraisina tsara aho. Rehefa nanolo ny lamba namonosana ny feriko ny iray tamin’ireo mpitsabo mpanampy, dia nahita fa efa lasa maitsomaitso ilay lamba sady feno ra maina niraikidraikitra taminy. Nilaza izy fa menatra noho ny nanaovan’ireo mpiray tanindrazana aminy ahy toy izany.

Tsy ela dia natomboka ny fitsaboana izay tokony ho natomboka tany amin’ilay hopitaly tany Logroño. Nanaitra ny vokany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia tsy natahorana intsony ny amin’ny aiko, ary niakatra ho 7,3 ny tahan’ny hemoglobinako. Niakatra ho 10,7 izany tamin’ny fotoana nivoahako ny hopitaly. Niakatra ho 11,9 izany rehefa nila fandidiana indray aho tany amin’ny hopitaly iray tany Etazonia.

Ankasitrahako ny ezaka ataon’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy izay vonona ny hanatanteraka ny fanirian’ireo marariny, na mitovy hevitra aminy izy ireo na tsia. Rehefa manaja ny finoan’ny marary iray ny mpiasan’ny hopitaly, dia mitsabo an’ilay olona manontolo izy ireo amin’izany, ka noho izany dia manome ny fitsaboana tsara indrindra misy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Antony miorina amin’ny Baiboly no andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra. — Jereo ny Genesisy 9:4; Levitikosy 7:26, 27; 17:10-14; Deoteronomia 12:23-25; 15:23; Asan’ny Apostoly 15:20, 28, 29; 21:25.

^ feh. 9 Fanapahan-kevitra manokana ny hoe hanaiky EPO ny kristianina iray sa tsia. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1994, pejy faha-31.

[Sary, pejy 18]

Miaraka amin’ny vady aman-janako

[Sary, pejy 19]

Roa amin’ireo anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly