Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azon’ny Vorona Ampianarina ny Voafonja?

Inona no Azon’ny Vorona Ampianarina ny Voafonja?

Inona no Azon’ny Vorona Ampianarina ny Voafonja?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

ARAKA ny Sunday Tribune any Durban, Afrika Atsimo, dia mandray anjara amin’ny fanalefahana ny fon’ireo voafonja ao amin’ny Fonjan’i Pollsmoor ny vorona. Vao haingana dia nisy voaheloka 14 nandray anjara tamin’ny fandaharana iray natao hikarakarana boloky sy sarivazo ao amin’ny efitrano figadrany.

Ahoana no fandehan’ilay fandaharana? Manana fitaovana fanakotrehana atody ao amin’ny efitrano figadrany ireo voafonja tsirairay nandray anjara. Asaina karakarain’ilay voafonja ilay zana-borona vao foy, ka izy no mamahana amin’ny tanany an’ilay voatavo tsy mifandraka isaky ny adiny iray na adiny roa, andro aman’alina, mandritra ny iray volana sy herinandro eo ho eo. Avy eo ilay vorona dia apetraka ao anaty tranony, izay mbola ao amin’ilay efitrano figadrana ihany. Rehefa lehibe ilay vorona, dia amidy amin’ny olona any ivelany. Niraiki-po aoka izany tamin’ireo vorony ny voafonja sasany, hany ka nitomany izy ireo rehefa tsy maintsy namidy ireo vorona.

Na dia ireo mpanao heloka bevava mafy loha aza dia hita nisongadina fa nanjary nalemy fanahy kokoa sy tsara fanahy kokoa rehefa avy niresaka tamin’ireo vorona sy nikarakara azy isan’andro. Hoy ny voafonja iray: “Nahafolaka vorona aho, nefa voafolak’izy ireo koa aho.” Nilaza ny iray hafa fa nampianatra azy faharetana sy fifehezan-tena ireo vorona. Ny mpangalatra iray voafonja dia nilaza fa ny fikarakarana vorona dia nahatonga azy hahatakatra hoe “andraikitra lehibe” ny fananana zanaka. Nanao tsirambina izany andraikiny izany tamin’ny zanany izy, fony izy mbola tsy voafonja.

Misy soa hafa nentin’ny fikarakarana ireo vorona ireo ho an’ireo voafonja. Hoy i Wikus Gresse, namorona an’ilay fandaharana hoe: “Noho ireo fahaizana nianarany teto, dia ho afaka hahazo asa any ivelany izy ireo, miaraka amin’ireo mpiompy vorona na ireo mpitsabo biby.”