Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-janaka Nefa ny Tena Tsy Manambady — Mahatonga ho Tena Lehilahy ve Izany?

Manan-janaka Nefa ny Tena Tsy Manambady — Mahatonga ho Tena Lehilahy ve Izany?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Manan-janaka Nefa ny Tena Tsy Manambady — Mahatonga ho Tena Lehilahy ve Izany?

“Mahafantatra [zalahy] sasantsasany aho, izay milaza hoe: ‘Manan-janakalahy iray mipetraka eto aho, ary manan-janakavavy iray mipetraka arỳ’, ary ny fomba ilazany izany dia toy ny hoe tsy miraharaha izy ireo.” — Harold.

ZATOVOVAVY efa ho iray tapitrisa isan-taona no bevohoka any Etazonia. Teraka any ivelan’ny fanambadiana ny maro be amin’ny zaza ateraky ny reny toy izany. Ny ampahefatr’ireny reny mbola zatovo ireny dia hanana anaka fanindroany, ao anatin’ny roa taona manaraka. Nilaza toy izao ny gazetiboky Atlantic Monthly: “Raha mitohy izao fironana misy ankehitriny izao, dia ho ny antsasany latsaka, amin’ny zaza teraka rehetra amin’izao andro izao, no mba hanohy hiara-miaina amin’ny reniny sy ny rainy, mandritra ny fahazazany. Handany taona maro, tsy hiarahana afa-tsy amin’ny reniny, ny ankamaroan’ny zaza amerikanina.”

Na dia manana zatovovavy bevohoka maro lavitra noho ireo tany mandroso hafa aza i Etazonia, dia maneran-tany io olana momba ny zaza teraka ivelan’ny fanambadiana io. Any amin’ny tany eoropeanina sasany, toa an’i Angletera sy i Frantsa, dia mifanahantsahana amin’ny an’i Etazonia ny habetsahan’ny zaza teraka toy izany. Any amin’ny tany afrikanina sy amerikanina tatsimo sasany, ny tahan’isan’izany fahaterahana eo amin’ny zatovovavy izany, dia efa ho avo roa heny noho ny an’i Etazonia. Inona no mahatonga izany fihanahana izany?

Ny ao ambadik’ilay fihanahana

Amin’ny ampahany lehibe, dia mampiseho taratry ny fikororosiana ara-pitondran-tena, hita ao amin’ny “fotoan-tsarotra” iainantsika, io toe-javatra io. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Nihabetsaka tsy nisy toy izany ny fisaraham-panambadiana tato anatin’ireo folo taona faramparany. Nanjary nahazo vahana ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy sy ny fomba fiaina hafa azo isafidianana. Lasibatry ny fitosahan’ny fampielezan-kevitry ny fampitam-baovao ny tanora — mozika manaitra ny fanirian-dratsy sy mozika amin’ny vidéo, gazetiboky misy lahatsoratra sy dokam-barotra maharikoriko, fampisehoana ao amin’ny televiziona sy sarimihetsika manindrahindra ny fananana firaisana na amin’iza na amin’iza. Anisan’ny nahatonga ny fielezan’ny fieken’ny tanora koa fa tsy mampaninona ny manao firaisana, ny fisian’ny sampan’asa ho an’ny fanalana zaza sy ny fandrindram-piterahana azo atao mora foana. Nilaza toy izao ny raim-pianakaviana iray tsy manambady: “Maniry hanao firaisana tsy arahin’andraikitra aho.” “Fialam-boly mahafinaritra ny manao firaisana”, hoy ny hafa iray.

Mety hiely patrana indrindra ny fihetsika toy izany eo amin’ireo tanora ianjadian’ny fahantrana. Rehefa avy nanao fanadinadinana be dia be tamin’ireo tanora mipetraka ao amin’ny faritanàna sahirankirana ny mpikaroka iray antsoina hoe Elijah Anderson, dia nanao izao fanamarihana izao: “Amin’ny zatovolahy maro, dia marika lehibe ahafantarana ny saranga sosialy eo an-toerana ny fanaovana firaisana; manjary voninahitra ho an’ny olona iray ny nahazoana tovovavy maro nanaovana firaisana.” Nilaza tamin’ny Mifohaza! tokoa ny raim-pianakaviana iray tsy nanambady fa “fandresena azo ireharehana” izany hoe nahazo tovovavy maro nanaovana firaisana izany, ho an’ny olona maro. Inona no mahatonga izany fihetsika maneho tsy firaharahana izany? Nanazava i Anderson fa amin’ny toe-javatra maro, ny olona misongadina indrindra eo amin’ny fiainan’ny tanora iray mipetraka any amin’ny faritanàna sahirankirana “dia ireo mitovy taona aminy. Izy ireo no manorina ny fitsipi-pitondran-tenan’ilay tanora, ary zava-dehibe aminy ny miaina mifanaraka amin’izany fari-pitsipika izany”.

Nanamarika àry i Anderson, fa amin’ny tovolahy maro, ny hoe manao firaisana amin’olona maro dia lalao fotsiny ihany, ka “ny zava-kendrena amin’izany dia ny hanadala, indrindra fa ny tovovavy”. Nilaza koa izy fa “tafiditra amin’ilay lalao ny fomba fisehoan’ilay tovolahy, izany hoe ny fiakanjony, ny fisehoany ankapobe, ny bikany, ny fahaizany mandihy ary ny fomba firesany”. Havanana amin’io “lalao” io ny tovolahy maro. Nanao izao fanamarihana izao anefa i Anderson: “Rehefa bevohoka ilay ankizivavy, dia mazàna no mandao azy ilay ankizilahy.” — Young Unwed Father—Changing Roles and Emerging Policies, natontan’i Robert Lerman sy i Theodora Ooms.

Ny fomba fihevitr’Andriamanitra

Mahatonga ny olona iray ho lehilahy tokoa ve anefa ny fananany zanaka, nefa izy tsy manambady? Lalao fotsiny ihany ve ny fanaovana firaisana? Tsy izany no izy, araka ny fihevitry ny Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra. Nataon’Andriamanitra mazava tsara ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, fa natao ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja ny firaisana. Taorian’ny filazana momba ny famoronana ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, dia nilaza toy izao ny Baiboly: “Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”. (Genesisy 1:27, 28). Tsy fikasan’Andriamanitra na oviana na oviana ny hanarian’ny raim-pianakaviana ny zanany. Nakambany ho amin’ny fatoram-panambadiana maharitra ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany. (Genesisy 2:24). Ny hananan’ny ankizy rehetra ray sy reny àry no sitrapon’Andriamanitra.

Tsy ela anefa, dia nanomboka naka vady maro ho azy ny lehilahy. (Genesisy 4:19). Milaza amintsika ny Genesisy 6:2 fa na dia ny anjely sasany aza dia ‘nahita fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona’. Nitafy vatan’olombelona ireo anjely ireo nony avy eo, ary tamim-pitsiriritana fatratra dia “nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy”. (Izahay no manao sora-mandry.) Nanery ireo demonia ireo hiverina tany amin’ny faritra ara-panahy, ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Manambara anefa ny Baiboly fa voazona etỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo ankehitriny. (Apokalypsy 12:9-12). Araka izany, dia manana hery mitaona tena mahery eo amin’ny olona amin’izao andro izao i Satana sy ireo demoniany. (Efesiana 2:2). Tsy fantatry ny tovolahy akory fa manaiky ho resin’izany fitaoman-dratsy izany izy ireo rehefa mitera-jaza tsy nirina sy tsy tiana.

Noho ny antony tsara àry no ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany”. — 1 Tesaloniana 4:3-6.

‘Hifady ny fijangajangana’ hoe? Mety hihomehy izany hevitra izany ny tovolahy maro. Tanora tokoa mantsy izy ireo, ary miredareda ny faniriany! Mariho anefa fa ny fijangajangana dia mahatafiditra ny ‘fisainana hifetsy’ ny hafa. Moa ve tsy fifetsena ny tovovavy iray ny fandaozana azy miaraka amin’ny zazakely, nefa tsy misy fanohanan’ny vady? Ary ahoana ny amin’ny loza mety hahazo azy noho ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny fery eo amin’ny taovam-pananahana, ny tety, ny angatra, ary ny SIDA? Marina fa indraindray dia azo atao ny manao izay tsy hahavoan’ireo aretina ireo. Na izany aza, ny firaisana alohan’ny fanambadiana dia mbola fanitsakitsahana ny zon’ilay tovovavy hanana laza tsara sy hiditra ao amin’ny fanambadiana amin’ny maha virjiny ihany. Ny fifadiana ny fijangajangana àry dia tena fahendrena sy mitory fahamatorana. Marina aloha fa mitaky fifehezan-tena sy fahatapahan-kevitra ny ‘fahazoana ny fanaky ny tena’ sy ny fifadiana ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Milaza amintsika anefa ny Isaia 48:17, 18 fa ‘mampianatra antsika hahita soa’ avy amin’ny lalàny Andriamanitra.

‘Aoka hitomban-dahy’

Ahoana àry no ahafahan’ny tovolahy iray manaporofo fa tena lehilahy tokoa ny tenany? Azo antoka fa tsy amin’ny fiterahana zazasary. Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.” — 1 Korintiana 16:13, 14.

Mariho fa tafiditra amin’ny hoe ‘mitomban-dahy’ ny fahamalinana sy ny fiorenana mafy ao amin’ny finoana ary ny fananana herim-po sy fitiavana. Mazava ho azy fa mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fomba mitovy ireo foto-pitsipika ireo. Raha ampitomboinao miandalana ao aminao anefa ny toetra tsara ara-panahy toy ireo, dia hanana antony tsara ny olona mba hanajana sy hilazana anao hoe izany ka lehilahy! Mandraisa lesona avy amin’ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany — i Jesosy Kristy. Eritrereto fotsiny ny fisehoany ho lehilahy be herim-po nanoloana ny fampijalijaliana sy nanoloana ny fahafatesana mihitsy aza. Nanao ahoana anefa ny fitondran-tenan’i Jesosy nanoloana ny olona tsy lahy toa azy?

Tsy isalasalana fa nanana fahafahana hankafy ny fiarahana tamim-behivavy i Jesosy. Nisy vehivavy maromaro nanara-dia azy, ka ny sasany tamin’ireny dia “nanompo [azy sy ny apostoliny] tamin’ny fananany”. (Lioka 8:3). Singanina manokana ny naha mpinamana akaiky azy sy ireo anabavy roan’i Lazarosy. Raha ny marina, dia milaza ny Baiboly fa i “Jesosy [dia] tia an’i Marta sy ny rahavaviny”. (Jaona 11:5). Nampiasain’i Jesosy ve ny fahaizany sy ny toetoetrany mambabo ary ny hatsaram-bika aman-tarehy, izay tsy isalasalana fa nananany, tamin’ny naha olombelona tanteraka azy, mba hanangolena ireo vehivavy ireo hanao faharatsiam-pitondran-tena miaraka aminy? Mifanohitra amin’izany, fa milaza an’i Jesosy ho “tsy nanota akory” ny Baiboly. (1 Petera 2:22). Tsy nitondra tena tsy araka ny tokony ho izy mihitsy izy, na dia rehefa nisy vehivavy iray nalaza ho mpanota, angamba mpivaro-tena aza, ‘nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany’. (Lioka 7:37, 38). Tsy nieritreritra akory ny hanararaotra an’io vehivavy mora voa io i Jesosy! Nampiseho ny fahaizany nifehy ny fihetseham-pony izy — toetran’ny tena lehilahy. Nentiny toy ny olona mendrika ny hotiavina sy hohajaina ny vehivavy, fa tsy toy ny hoe fanaovana firaisana fotsiny.

Raha toa ianao ka tovolahy kristianina, ny fanarahana ny ohatr’i Kristy — fa tsy ny an’ireo mitovy taona aminao — dia hisakana anao tsy “hanao saina hifetsy” ny hafa. Hiaro anao tsy hisetra ny loza mampalahelon’ny fiterahana zazasary koa izany. Marina fa mety hananihany anao ny hafa noho ianao mifady ny fijangajangana. Amin’ny farany anefa, ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra dia hitondra soa kokoa noho ny fahazoana sitraka mihelina avy amin’ireo mitovy taona aminao. — Ohabolana 27:11.

Ahoana kosa raha misy tanora iray niaina tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena tamin’ny lasa, kanefa efa niala tamin’izany fomba fiainany maloto izany, ary nibebaka marina tokoa? Raha izany no izy, dia afaka ny hahazo antoka ny amin’ny famelan’Andriamanitra heloka izy, mitovy amin’ny tamin’i Davida Mpanjaka, izay tafalatsaka tao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy koa. (2 Samoela 11:2-5; 12:13; Salamo 51:1, 2). Raha nahabevohoka zanak’olona anefa ny tovolahy iray, dia mety mbola hanana fanapahan-kevitra lehibe horaisina izy. Tokony hanambady an’ilay zazavavy ve izy? Manana andraikitra amin’ilay zanany ve izy? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra iray amin’ny hoavy.

[Sary, pejy 15]

Tanora maro no diso hevitra ka mino fa tsy mampaninona ny manao firaisana