Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitiavana Kristianina Nanoloana Volkano Iray

Ny Fitiavana Kristianina Nanoloana Volkano Iray

Ny Fitiavana Kristianina Nanoloana Volkano Iray

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY CAMEROUN

NIPOAKA mafy nitalakotrokotroka ny goavam-be iray tany amin’ny faritra andrefan’i Afrika, misy an’i Cameroun, tamin’ny taon-dasa. Volkano iray mijoalajoala any amin’ny 4 070 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny Tendrombohitra Cameroun. Io fipoahany io — ny fanindiminy nandritra ny taonjato faha-20 — no voalaza fa ny mafy sy ny nahatsiravina indrindra hatramin’izao.

Namely voalohany ny loza ny tolakandron’ny asabotsy 27 Martsa 1999. Nilaza ireo vavolombelona nahita maso avy tao amin’ny tanànan’i Bouea, izay miorina eo am-pototr’ilay tendrombohitra, fa nihovotrovotra mafy ny rindrina sy ny trano ary na dia ny hazo koa aza. Ny alin’iny, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, dia nihovotrovotra faran’izay mafy ny toerana nanodidina teo. Tsapa hatrany amin’ny 70 kilaometatra, tany Douala, izany. Nahitana izao lohateny izao tao amin’ny Le Messager, nivoaka ny talata 30 Martsa 1999: “Fipoahan’ny Tendrombohitra Cameroun — Olona 250 000 no Miatrika Afo.” Mbola nilaza toy izao koa izy io: “Indimampolo ny tany no nihovotrovotra tao anatin’ny roa andro; vava volkano efatra no efa niseho; an-jatony maro ny trano rava; potika tanteraka ny lapam-panjakana ao Bouea.”

Vavolombelon’i Jehovah 80 eo ho eo no mipetraka ao Bouea. Trano maro no rava tanteraka, ka anisan’ireny ny trano nampiasaina ho toy ny Efitrano Fanjakana. Tsy nisy anefa ny aina nafoy.

Fitiavana kristianina miasa

Niditra an-tsehatra haingana ny fitiavana kristianina mba hanarenana ny fandravana nateraky ny fahatezeran’io goavana io. Natsangana ny komitin’ny vonjy rano vaky, nandamina sy nanome vola ho an’ny zavatra tena nilaina ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy Vavolombelona an-jatony maro vonona hanao sorona tamim-pitiavana ny fotoanany sy ny heriny ary ny volany.

Nandefa vatsin-tsakafo ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy Vavolombelona iray nanao fanomezana biriky simenitra niisa 1 000. Nikarakara ny fividianana fanitso hatao tafo, tamin’ny vidiny mirary, ny hafa iray. Ny iray hafa koa nandeha an-tongotra 16 kilaometatra mba hahazoana hazo fanaovan-trano. Ny tovolahy iray, izay nanangom-bola mba hataony vodiondry homena ireo ho havam-badiny, dia nampihemotra ny fampakaram-badiny ary nampiasa ilay vola mba hanamboarana ny tsofa elektrikany. Nandeha nankany anaty ala izy, ary tao anatin’ny roatokom-bolana dia nahazo hazo ampy hanamboarana trano iray manontolo! Nisy rahalahy kristianina tanora sady matanjaka niloloha ireo hazo ireo, nitatitra izany tany amin’ny dimy kilaometatra, toerana izay nanangonan’ny kamiao azy io.

Natomboka tamin’ny 24 Aprily ilay asa fanorenana indray, rehefa nisy mpiasa an-tsitrapo 60 nirohotra nankany amin’ilay toerana niharam-boina. Nandritra ireo faran’ny herinandro nanaraka, dia nahatratra ny tampon’isa 200 izany mpiasa an-tsitrapo izany. Nisy Vavolombelona telo, izay niasa manontolo andro, tonga nanampy rehefa nirava avy tany am-piasany, ary nanao ilay fanorenana hatrany amin’ny mihoatra ny misasakalina izy ireo. Nisy Vavolombelona iray avy any Douala nanao ny asa fivelomany ny tapak’andro maraina, avy eo izy dia nandeha moto 70 kilaometatra, ary nanao ilay asa hatramin’ny misasakalina vao nody. Trano enina no vita tanteraka tao anatin’ny roa volana latsaka. Nandritra izany fotoana izany, ny kongregasionan’i Bouea dia nanohy nivory tao amin’ny tranon’olona manokana iray, na dia avo roa heny eo ho eo noho ny isan’ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona aza ny isan’ny mpanatrika fivoriana.

Nandritra izany fotoana izany ihany, ny komitin’ny vonjy rano vaky dia nizara fanafody maherin’ny 40 000, nanadiovana ny rano voaloto, ary nanome fikarakarana ara-pitsaboana ho an’ny olona folo teo ho eo, izay sempotra noho ny etona nisy poizina sy ny lavenona avy tamin’ilay volkano. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo nahita izany fitiavana kristianina izany?

Mandresy ny fitiavana kristianina

Rehefa avy nijery ny iray tamin’ireo trano naorin’ireo rahalahy ny lehilahy iray, avy amin’ny Delegasionam-paritany Momba ny Fambolena sy ny Fiompiana, dia nilaza hoe: “Vavolombelona lehibe miteny ho azy ilay trano, (...) manambara fitiavana izy io.” Nanamarika toy izao ny mpampianatra iray: “Mbola tsy nahita toy ity aho hatramin’izay niainako. (...) Famantarana tokoa ny Kristianisma marina izy ity.”

Nanao fanambarana tsara nitovy tamin’izany koa ireo izay nandray soa manokana. Nanoratra toy izao i Timothy, 65 taona sady farofy: “Isaky ny mijery ilay tranonay vaovao izahay, dia feno ranomasom-pifaliana ny masonay. Velom-pisaorana an’i Jehovah foana izahay noho izay nataony ho anay.” Fongana ny fananan’ny vehivavy maty vady iray, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah, manan-janaka efatra, rehefa nirodana ny tranony. Avy eo dia nangalatra ny tafontranony ireo izay nokaramaina mba hanampy azy. Tonga mba hanampy azy ireo Vavolombelona mpiasa an-tsitrapo. Nilaza toy izao izy: “Tsy hitako izay teny hoentina milaza ny fisaorako. Dibo-kafaliana ny foko.” Nanao izao fanamarihana izao i Elizabeth, vadina loholona kristianina: “Faly tokoa aho noho ny fisian’ny fitiavana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Mampiseho izany fa manompo ilay Andriamanitra velona isika.”

Na dia nahery vaika aza ny fipoahan’ilay volkano, dia tsy afaka namono ny fitiavana kristianina nisy teo amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy izany. Araka ny nanoratan’ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry azy, “ny fitiavana [dia] tsy ho levona mandrakizay”. — 1 Korintiana 13:8.

[Sary, pejy 16]

Nahatonga faharavana be ireo ranoka volkano nikoriana

[Sary, pejy 17]

Niasa mafy ireo mpiasa an-tsitrapo mba hanarenana ireo trano simba

[Sary, pejy 16, 17]

Ny Tendrombohitra Cameroun