Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sida atỳ Afrika — Inona no Fanantenana Hoentin’ny Taonarivo Vaovao?

Sida atỳ Afrika — Inona no Fanantenana Hoentin’ny Taonarivo Vaovao?

Sida atỳ Afrika — Inona no Fanantenana Hoentin’ny Taonarivo Vaovao?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ZAMBIA

NISY delegasiona avy tany amin’ny faritra samihafa atỳ Afrika nivory tao Lusaka, eto Zambia, tamin’ny Septambra lasa teo, mba hanao ny Konferansa Iraisam-pirenena Faha-11 Momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy Amin’ny Firaisana atỳ Afrika. Anisan’ny zava-nokendren’ilay konferansa ny hampirisika ny hisian’ny fiaraha-miasa isam-paritra bebe kokoa mba hahafahana hamaly ilay fanontaniana hoe: Ahoana no azontsika isakanana ny fihanahan’ny SIDA atỳ Afrika?

Nilaza ny Profesora Nkandu Luo, minisitry ny fahasalamana tamin’izay fotoana izay, teto Zambia, fa “mahavelom-panahiana mafy” ny toe-javatra atỳ Afrika sy any amin’ny faritra maro hafa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Nanampy teny koa izy fa “mampiato, ary manafoana mihitsy, ny sasany amin’ireo fandrosoana lehibe vita teo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny sosialy ary ny toe-karena” izany.

Ny famelabelarana nifampitohitohy natao momba ny ra azo antoka dia nanaiky fa nifindra tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra ny SIDA. Nanazava ny dokotera iray, solontenan’ny Sampan-draharaha Momba ny Fanomezana Ra Azo Antoka, ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa tsy hoe mamindra VIH foana akory ny olona iray mitondra tsimokaretina, isaky ny manao firaisana, nefa kosa, hoy izy, ho tratran’ilay tsimokaretina foana ny olona mandray ra, isaky ny ampidirana ra misy SIDA! Rariny àry raha nilaza io dokotera io fa amin’ny toe-javatra toy izany, “ny fampidiran-dra azo antoka indrindra dia ny tsy nampidirina na tamin’iza na tamin’iza”.

Nanatitrantitra ilay konferansa fa lafo loatra ny fitsaboana ny SIDA, hany ka mananosarotra ny marary vao mahazo fitsaboana, na mety tsy ho afaka hitsabo tena mihitsy aza. Amin’ny antsalany, ohatra, dia mikarama 200 dolara (1 300 000 FMG) eo ho eo isam-bolana ny mponina iray an-tanàn-dehibe, any Ouganda. Mety hahatratra 1 000 dolara (6 500 000 FMG) isam-bolana anefa ny fitsaboana ampiasana fanafody miady amin’ny virosin’ny SIDA!

Ilay konferansa tany Lusaka dia nanondro fa tsy nahitana vahaolana mora ho an’ny fihanahan’ny SIDA ny fiandohan’ny taonarivo vaovao. Takatr’ireo mpianatra ny Baiboly anefa fa ny vahaolana ho an’ny aretina rehetra amin’ny farany dia miankina amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona, izay mampanantena fa ‘tsy hisy amin’ny mponina hilaza hoe: Marary aho’, ao amin’ny tontolo vaovao haorin’Andriamanitra. — Isaia 33:24.

[Sarintany/Sary, pejy 31]

Profesora Nkandu Luo

[Sary nahazoan-dalana]

Sary nahazoan-dalana tamin’i E. Mwanaleza, Times of Zambia